Ireo loharano hafa
Fitsarana ny Hafa


Fitsarana ny Hafa

Indraindray ny olona dia mahatsapa fa ratsy ny mitsara ny hafa amin’ny endriny rehetra. Na dia marina tokoa aza fa tsy tokony hanameloka ny hafa na hitsara azy ireo tsy ara-drariny ianao dia mila ianao mandanjalanja mikasika ireo hevitra sy toe-javatra ary olona mandritra ny fiainanao manontolo. Nanome didy maro ny Tompo izay tsy azonao tandremana raha tsy mandanjalanja ianao. Ohatra, hoy izy hoe: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka. … Ny voany no hahafantaranareo azy” (Matio 7:15–16) ary “mivoaha avy eo anivon’ ny olon-dratsy” (F&F 38:42). Mila mandanjalanja mikasika ny olona ianao ao anatin’ireo fanapahan-kevitra manan-danja maro, toy ny fisafidianana namana, fifidianana ireo mpitondra fanjakana, ary fisafidianana ilay namana hiara-dalana mandrakizay.

Ny fitsarana dia fomba fampiasana manan-danja ny fahafahana misafidy ary mitaky fitandremana tanteraka izany, indrindra rehefa maneho ny hevitrao mikasika ny olona hafa ianao. Tokony ho tarihan’ny fitsipika mifono fahamarinana ny fitsaranao rehetra. Tsarovy fa Andriamanitra irery ihany, izay mahafantatra ny ao am-pon’ny tsirairay, no afaka mitsara farany ny olona tsirairay (jereo ny Apokalypsy 20:12; 3 Nefia 27:14; F&F 137:9).

Ny Tompo dia nanome fampitandremana hitantanana antsika amin’ny fitsarantsika ny hafa: “Amin’ ny fitsarana izay itsaranareo no hotsaraina ianareo; ary amin’ ny famarana izay amaranareo no hamarana anareo indray. Ary nahoana ianao no mahita ny sombin-kazo izay eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, nefa tsy tandrinao ny andry izay eo amin’ ny masonao ihany? Sa ahoana no hilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Avelao aho hanaisotra ny sombin-kazo hiala ny masonao—ary indro, ny andry dia eo amin’ ny masonao ihany? Mpihatsaravelatsihy ianao, esory aloha ny andry hiala ny masonao ihany; ary avy eo vao ho hitanao mazava tsara ny hanesorana ny sombin-kazo hiala ny mason’ ny rahalahinao” (3 Nefia 14:2–5).

Mampianatra ny Tompo, ao amin’io andalan-tsoratra masina io, fa ny hadisoana hitantsika eo amin’ireo hafa dia matetika pentina kely eo amin’ny mason’izany olona izany, raha oharina amin’ny hadisoan’ny tenantsika manokana, izay toy ny andry goavana eo amin’ny masontsika. Indraindray isika dia diso mifantoka loatra amin’ny hadisoan’ny hafa raha tokony hanao izay hanatsarana ny tenantsika.

Ny fandanjalanjana ny fitsaranao ny hafa dia afaka manome fitarihana izay ilain’izy ireo ary amin’ny lafiny sasany, dia mitondra fiarovana ho anao sy ny fianakavianao. Ataovy amim-pitandremana sy amim-pangorahana ny fitsarana toy izany. Tsarao arak’izay vitanao araky ny toe-javatra iainany ny olona fa aza tsaraina amin’ny maha-izy azy. Raha mbola azo atao dia ajanony ny fitsaratsarana mandrapahafantatrao marina ilay toe-javatra. Aoka ianao hihaino foana ny Fanahy Masina, izay afaka ny hitarika anao amin’ny fanapahan-kevitrao. Tsarovy ny torohevitr’i Almà tamin’ny zanany lahy Kôriantona: “Ataovy izay hamindranao fo amin’ ny rahalahinao; ataovy araka ny hitsiny, mitsarà araka ny rariny ary manaova ny tsara lalandava” (Almà 41:14).