Ireo loharano hafa
Arivotaona


Arivotaona

Ny Arivotaona dia maharitra 1.000 taona. Rehefa miresaka “ny Arivotaona” isika dia miresaka mikasika ny 1.000 taona aorian’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany (jereo ny Apokalypsy 20:4; F&F 29:11). Mandritra ny Arivotaona, dia i “Kristy tenany mihitsy no hanjaka ety an-tany” (Fanekem-pinoana 1:10).

Ho fotoana hisian’ny fahamarinana sy fiadanana eto an-tany ny Arivotaona. Nanambara ny Tompo fa “amin’ izay andro izay ny fifandrafian’ ny olona sy ny fifandrafian’ ny biby, eny, ny fifandrafian’ ny nofo rehetra dia hitsahatra” (F&F 101:26; jereo koa ny Isaia 11:6–9). “Hofatorana i Satana ka tsy hanana toerana ao am-pon’ ny zanak’ olombelona” (F&F 45:55; jereo koa ny Apokalypsy 20:1–3).

Mandritra ny Arivotaona dia ho olona tsara sy marina ny olon-drehetra eto an-tany, kanefa mbola ho maro no tsy nandray ny fahafenoan’ny filazantsara. Noho izany dia handray anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly koa ireo mpikamban’ny Fiangonana mandritra ny Arivotaona. Hitohy hanorina tempoly ireo Olomasina ary handray ireo ôrdônansy eo amin’ny toeran’ireo taranaka efa nodimandry. Hanomana ny boky firaketana mikasika ireo razambeny hatrany amin’i Adama sy i Eva izy ireo eo ambany fitarihan’ny fanambarana.

Hitohy hatrany amin’ny faran’ny 1.000 taona ny fahamarinana sy fiadanana feno, dia “hovahana mandritra ny fotoana fohy i [Satana] mba hahazoany manangona ny miaramilany.” Hiady amin’ny tafiky ny lanitra, izay hotarihin’i Mikaela na i Adama ny miaramilan’i Satana. Ho resy ary horoahina mandrakizay i Satana sy ny mpanara-dia azy. (Jereo ny F&F 88:111–115.)