Ireo loharano hafa
Ôrdônansy


Ôrdônansy

Ao amin’ny Fiangonana, ny ôrdônansy dia fombafomba masina sy manara-pitsipika izay tanterahana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Misy ôrdônansy sasany izay tena ilaina ho an’ny fisandratantsika. Antsoina hoe ôrdônasin’ny famonjena ireo ôrdônansy ireo. Ao anatin’izany ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanendrena amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana ny fanambadiana. Manao fanekempihavanana lehibe amin’ny Tompo isika amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy tsirairay ireo.

Ireo ôrdônansy hafa, toy ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza, fanamasinana ny menaka ary fametrahan-tanana ireo marary sy ory dia atao amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Na dia tsy ilaina amin’ny famonjena antsika aza izy ireo dia manan-danja kosa eo amin’ny fanomezana fampaherezana, sy fitarihana ary famporisihana antsika.

Manampy antsika hahatsiaro hoe iza moa isika ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ireo. Mampahatsiahy antsika mikasika an’ireo adidintsika amin’Andriamanitra izy ireo. Nomen’ny Tompo izany mba hanampy antsika hanatona Azy ary handray ny fiainana mandrakizay. Manome hery antsika Izy rehefa manaja azy ireo isika.

Afaka manana fahafahana maro handray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fisoronana ianao. Isaky ny manana fahafahana hanao izany ianao dia ataovy izay rehetra azonao atao mba hiomanana amin’ izany, na manatanteraka izany ôrdônansy izany ianao na mandray izany. Afaka miomana ianao amin’ny alalan’ny vavaka, fifadian-kanina, fakana torohevitra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ireo tenin’ny mpaminanin’ny andro farany. Raha toa ka mpihazona ny fisoronana ianao dia tokony ho vonona ara-panahy hatrany hanatanteraka ôrdônansy. Mananà fiainana madio sy mendrika, ary miezaha mba hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava.