Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony

Ry rahalahy sy anabavy, tombontsoa lehibe ho ahy izao ny hanolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana mba hotohananareo.

Miangavy anareo mba haneho ny fanohananareo amin’ny fomba mahazatra. Raha misy aminareo manohitra na iza na iza amin’ireo hatolotra eto, dia mangataka anareo izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkanareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i Jeffrey R. Holland ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit W. Gong, Ulisses Soares, ary Patrick Kearon.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Ireto Manampahefana Ambony manaraka ireto dia hisaorana amin’ny asa nampandraiketina azy ireo ary omena fisaorana am-boninahitra, izay hihatra ny 1 aogositra 2024: Loholona Ian S. Ardern, Shayne M. Bowen, Paul V. Johnson, S. Gifford Nielsen, Brent H. Nielson, Adrián Ochoa, Gary B. Sabin, ary i Evan A. Schmutz.

Ireo izay maniry ny hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahalahy ireo sy ny vadin’izy ireo noho ny asa fanompoana feno fandavantena vitan’izy ireo nandritra ny taona maro nanerana ny Fiangonana dia afaka maneho izany amin’ny fananganana tanana.

Isaorantsika ihany koa ny Loholona Carlos A. Godoy tamin’ny naha mpikambana azy tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, izay hihatra ny 1 aogositra 2024.

Ireo izay maniry ny haneho fankasitrahana an’ny Loholona Godoy noho ny fanompoany tamin’io andraikitra io dia afaka maneho izany.

Anehoanay fankasitrahana ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra hafa izay hahavita ny asa fanompoan’izy ireo ary ny anaran’izy ireo dia azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana.

Ireo izay te-hiaraka aminay haneho fankasitrahana an’ireo rahalahy ireo sy ny fianakavian’izy ireo noho ny asa fanompoana feno fahafoizan-tena nataon’izy ireo dia afaka maneho izany.

Arosonay ny hisaorana ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany, izay hihatra ny 1 aogositra 2024 araka izao manaraka izao: Mark L. Pace tamin’ny naha-Filoha azy, Milton Camargo tamin’ny naha-Mpanolotsaina Voalohany azy, ary i Jan E. Newman tamin’ny naha-Mpanolotsaina Faharoa azy.

Ireo rehetra izay te hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahalahy ireo noho ny asa fanompoana feno fanoloran-tena nataon’izy ireo dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto mba ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy: Ny Loholona Marcus B. Nash, izay nanomboka ny fanompoana tamin’ny janoary 2024, ary ny Loholona isany Michael T. Ringwood, Arnulfo Valenzuela, sy Edward Dube, izay hanomboka ny fanompoany amin’ny 1 aogositra 2024.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho Fitopololahy Manampahefana Ambony: David L. Buckner, Gregorio E. Casillas, Aroldo B. Cavalcante, I. Raymond Egbo, D. Martin Goury, Karl D. Hirst, Christopher H. Kim, Sandino Roman, Steven D. Shumway, Michael B. Strong, and Sergio R. Vargas.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, dia hanao toy izany koa.

Marihinay fa Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao miisa 64 no notohanana nandritra ny fivoriana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ho an’ny mpitarika tamin’ny alakamisy 4 aprily ary avy eo dia nambara tao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana. Manasa anareo izahay hanohana ireo rahalahy ireo amin’ny andraikitra vaovao nanendrena azy ireo.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia hanao toy izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany vaovao, mihatra amin’ny 1 aogositra 2024: Paul V. Johnson ho Filoha, Chad H Webb ho Mpanolotsaina Voalohany, ary Gabriel W. Reid ho Mpanolotsaina Faharoa.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Marihana fa ny Rahalahy Reid dia filohan’ny misiônan’i Aostralia Sydney ka noho izany tsy eto Salt Lake City izy mandritra ny fihaonambe.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony hafa araka izay misy ankehitriny.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana.

Izay manohitra, raha misy.

Misaotra anareo ry rahalahy sy anabavy noho ny finoana sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho an’ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana.

Fanovana eo amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia notohanana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany:

Daniel A. Abeo, Mauricio A. Araújo, Randy T. Austin, Michel D. Avegnon, Philip J. Barton, Bradley S. Bateman, Eber Antônio Beck, Eric D. Bednar, Jared Black, Bryan G. Borela, Jaime A. Bravo, Juan G. Cardenas, Sancho N. Chukwu, Mark J Cluff, Danilo F. Costales, Daniel A. Cruzado, Gregorio Davalos, Julio N. Del Sero, Ryan E. Dobbs, Stephen W. Dyer, Brik V. Eyre, Denny Fa‘alogo, Timothy L. Farnes, Martín P. Fernández, Luis A. Ferrizo, Ángel J. Gómez, Georgie E. Guidi, Shinjiro Hara, Daniel L. Harris, Todd D. Haynie, Thomas Hengst, John R. Higgins, Niels O. Jensen, Fritzner A. Joseph, Kyoni Kasongo, John S. K. Kauwe III, Dan Kawashima, J. Joseph Kiehl, Carl F. Krauss, Yew Mun Kwan, Woo Cheol Lee, Wai Hung Mak, David R. Marriott, Ignatius Maziofa, Derek B. Miller, Albert Mutariswa, Marvin I. Palomo, Kyung Yeol Park, Domingo J. Perez, Oscar A. Perez, Raul Perez, Gayle L. Pollock, Pierre Portes, Marco A. Quezada, Stephen T. Rockwood, Guillermo Rojas, Kgomotso T. Sehloho, Sandro Alex Silva, Juswan Tandiman, Asuquo E. Udobong, Dwayne J. Van Heerden, Shih Ning (Steve) Yang, Juan F. Zorrilla, Leopoldo Zuñiga.

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia hisaorana amin’ny na alohan’ny 1 aogositra 2024:

Solomon I. Aliche, Guillermo A. Alvarez, Daren R. Barney, Julius F. Barrientos, James H. Bekker, David L. Buckner, Glenn Burgess, Marcos Cabral, Gregorio E. Casillas, Dunstan G. B. T. Chadambuka, Alan C. K. Cheung, Paul N. Clayton, Michael Cziesla, Hiroyuki Domon, Mernard P. Donato, I. Raymond Egbo, Zachary F. Evans, Sapele Fa‘alogo Jr., Saulo G. Franco, David Frischknecht, John J. Gallego, Efraín R. García, Robert Gordon, Mark A. Gottfredson, D. Martin Goury, Michael J. Hess, Bhanu K. Hiranandani, Richard S. Hutchins, Tito Ibañez, Eustache Ilunga, Akinori Ito, Anthony M. Kaku, Christopher H. Kim, H. Moroni Klein, Stephen Chee Kong Lai, V. Daniel Lattaro, Thabo Lebethoa, Tarmo Lepp, Itzcoatl Lozano, Kevin Lythgoe, Clement M. Matswagothata, Edgar P. Montes, Luiz C. D. Queiroz, Ifano Rasolondraibe, Eduardo D. Resek, Tomás G. Román, Ramon E. Sarmiento, Steven D. Shumway, Luis Spina, Jared W. Stone, Michael B. Strong, Djarot Subiantoro, Carlos G. Süffert, Voi R. Taeoalii, Karim Del Valle, Sergio R. Vargas, Helmut Wondra.