Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Eny, mivavaha
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Eny, mivavaha

Manasa anao aho hivavaka mba hahafantaranao fa eo ny Ray any An-danitra, sy hivavaka mba hitomboanao ho lasa tahaka Azy, ary hivavaka mba hanehoanao ny fitiavany amin’ny hafa.

Ranadahy sy rahavavy, mahatsapa fifaliana aho eto am-panarahako ny fitaomam-panahy tsapako mba hiresaka amin’ireo ankizy!

Rankizilahy sy rankizivavy, na aiza na aiza no misy anareo eran’izao tontolo izao, dia te hizara zavatra aminareo aho.

Tia anareo ny Raintsika any An-danitra! Zanany ianareo. Fantany ianareo. Te hitahy anareo Izy. Mivavaka amin’ny foko manontolo aho mba hahatsapanareo ny fitiavany.

Tia mandray fanomezana ve ianareo? Te hiresaka aminareo aho momba ana fanomezana iray tena miavaka, izay nomen’ny Ray any An-danitra anareo mba hanampiana anareo. Izany fanomezana izany dia ny vavaka. Fitahiana lehibe tokoa ny vavaka! Afaka miresaka amin’ny Ray any An-danitra isika amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny toerana rehetra.

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny ankizy.

Nampianatra antsika hivavaka i Jesoa fony tetỳ an-tany. Hoy Izy: “Mangataha dia hahazo ianareo.”1

Inona avy ireo fanomezana azonareo angatahana am-bavaka? Maro izy ireo, fa anankitelo no hozaraiko anio:

  1. Mivavaha mba hahafantaranao.

  2. Mivavaha mba hitomboanao.

  3. Mivavaha mba hanehoanao.

Andeha horesahintsika tsirairay ireo.

Mivavaha mba hahafantaranao

Inona no ilainao fantarina?

Misy hira iray momba ny vavaka ataon’ny Kilonga manerana izao tontolo izao. Miantomboka amin’ny fanontaniana izy io. Fantatrareo ve hoe inona izany hira izany?” Raha tena feno fahasahiana aho dia ho nohiraiko ho anareo ilay izy!

“Ray any An-danitra ô! Moa ve ao Ianao, ka mety handre ’reo ankizy ’zay mitalaho?”2

Ahoana no ahafantaranareo hoe ao tokoa ny Ray any An-danitra, na dia tsy mahita Azy aza ianareo?

Nanasa anareo ny Filoha Russell M. Nelson mba “[hamboraka] amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponareo. … Dia mihainoa avy eo!”3 Henoy izay fahatsapana tonga ao am-ponao sy izay eritreritra tonga ao an-tsainao.4

Manana vatana efa nitsangana tamin’ny maty ny Ray any An-danitra ary Izy no Rain’ny fanahinareo. Noho ny Ray any An-danitra manana ny hery rehetra sy mahafantatra ny zava-drehetra, dia afaka mahita ny zanany rehetra Izy5 ary afaka mandre sy mamaly ny vavaka rehetra. Afaka mahafantatra ho an’ny tenanao manokana ianao fa eo Izy ary tia anao Izy.

Rehefa fantatrao fa tena misy ny Ray any An-danitra ary tia anao Izy, dia afaka miaina amin-kerimpo sy amim-panantenana ianao! “Eny, mivavaha, fa mihaino anao Izy.”6

Efa nahatsapa ho irery ve ianao? Indray andro, fony enin-taona i Ashley zafikelinay vavy, dia izy irery no tsy nanana namana hiarahana milalao teo amin’ny tokotanin-tsekoly. Rehefa nijoro teo izy, nahatsapa tena ho tsy misy dikany sady tsy hitan’ny olona, dia nisy eritreritra miavaka tonga tao an-tsaina: “Aoka aloha! Tsy irery aho! Manana an’i Kristy aho!” Nandohalika teo am-povoan’ny tokotany teo i Ashley, namoritra ny sandriny ary nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra. Rehefa nanokatra ny masony izy dia nisy ankizivavy nitovy taona taminy nijoro teo nanontany azy hoe mazoto hilalao ve izy. Lasa nahafantatra i Ashley hoe: “Manan-danja amin’ny Tompo isika, ary tsy tena irery velively izany isika.”

Indraindray ianao mety te hahafantatra ny antony mampisy zavatra sarotra eo amin’ny fiainanao na hoe nahoana ianao no tsy maharay fitahiana izay nangatahanao tamin’ny vavaka. Matetika ny fanontaniana tsara indrindra apetraka amin’ny Ray any An-danitra dia tsy hoe nahoana fa hoe inona.

Tadidinareo ve ilay fotoana naha-noana an’i Nefia sy ny fianakaviany tamin’izy ireo namakivaky ny tany foana? Rehefa nandeha nihaza i Nefia sy ireo rahalahiny, dia tapaka ny tsipìkan’i Nefia. Saingy tsy nanontany izy hoe fa nahoana.

Sary
Nanontanian’i Nefia an’i Lehia izay toerana hitadiavana hanina.

Nanamboatra tsipìka vaovao i Nefia ary nanontany an’i Lehia rainy hoe aiza no tokony halehany ahazoany sakafo. Nivavaka i Lehia, ary nasehon’ny Tompo azy ireo ny toerana tokony handehanan’i Nefia.7 Hitarika anao ny Ray any An-danitra rehefa manontany azy ianao hoe inona no azonao atao sy hoe inona no azonao ianarana.

Faharoa, mivavaha mba hitomboanao

Te-hanampy anao hitombo ny Ray any An-danitra! Tia antsika fatratra Izy hany ka nalefany i Jesoa Kristy Zananilahy mba hanehoany antsika ny fomba tokony hiainana.8 Nijaly sy maty ary nitsangana tamin’ny maty i Jesoa mba ahafahantsika hahazo famelana amin’ireo otantsika sy hitombo mba ho lasa tahaka Azy kokoa.

Moa ve ianao maniry ny hitombo faharetana na fahamarinan-toetra? Moa ve misy fahaiza-manao anananao izay tianao mba hitombo? Mety hoe menamenatra ianao dia tianao ny hitombo fahasahiana. Eny, mivavaha!9 Amin’ny alalan’ny Fanahiny dia afaka hiova ny fonao, ary afaka ny hahazo hery ianao.

Nanoratra i Jonah namako vaovao hoe: “Matetika aho dia tsy mahazo aina eny an-dalana mankany an-tsekoly amin’ny maraina. Mitebiteby aho momba ny zavatra toy ny hoe fahatarana, fanadinoana zavatra, sy fisian’ny fitsapam-pahaizana. Fony aho 10 taona, dia nanomboka nivavaka aho teny ambony fiara nankany an-tsekoly niaraka tamin’ny reniko. Mangataka izay fanampiana ilaiko aho, ary mivavaka ho an’ny fianakaviako ihany koa. Mieritreritra ihany koa ireo zavatra mahatonga ahy ho feno fankasitrahana aho. Nanampy ahy ny [fivavahako tamin’ny Ray any An-danitra]. Indraindray aho dia tsy mahatsapa fanamaivanana avy hatrany rehefa mivoaka ny fiara, kanefa mandra-pahatongako ao an-dakilasy dia mahatsapa fiadanana aho.”10

Mitombo hatrany ny finoan’i Jonah rehefa mivavaka isan’andro izy ary mandroso avy eo.

Fahatelo, mivavaha mba hanehoanao

Afaka mivavaka mangataka fanampiana ianao mba hanehoanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra amin’ny hafa.11 Hanampy anao hahita olona malahelo mba ahafahanao mankahery azy ireny ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahiny. Afaka manampy anao Izy haneho ny fitiavany amin’ny famelana olona iray. Afaka manome herim-po anao Izy mba hanompoana olona sy hizara aminy fa zanak’ Andriamanitra izy ireo. Afaka manampy ny hafa ianao hahafantatra sy hitia an’i Jesoa sy ny Ray any An-danitra tahaka anao.12

Nandritra ny androm-piainako aho dia nivavaka mba ho lasa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny raiko. Na tamin’izaho mbola kely aza dia nahafantatra ireo fitahiana maro niandry azy. Afaka ny ho voatahy amin’ny famehezana mandrakizay ny fianakavianay. Nivavaka matetika ho azy izaho sy ny fianakaviako ary ireo namako, kanefa tsy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy. Tsy manery ny olona hanao safidy anankiray ny Ray any An-danitra.13 Afaka mamaly ny vavaka ataontsika amin’ny fomba hafa Izy.

Sary
Ny Filoha Porter miaraka amin’ireo ray aman-dreniny sy ny mpiray tam-po aminy.

Rehefa tonga ny taona nahafahako nahazo izany dia nandray ny tsodranon’ny patriarika aho. Ao amin’io tsodrano io dia nilaza tamiko ny patriarika fa ny tsara indrindra azoko atao hanampiana ny fianakaviako mba ho tafaraka any an-danitra dia ny mijoro ho ohatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany no azoko natao!

Niaina hatramin’ny faha 86 taonany ny raiko. Dimy andro taorian’ny nahafatesany dia nahatsapa fifaliana masina aho. Nampahafantatra ahy tamin’ny alalan’ny Fanahy ny Ray any An-danitra fa naniry ny handray ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny raiko! Tsy ho hadinoiko mihitsy ilay andro nandohalihako teo amin’ny alitaran’ny tempoly niaraka tamin’ny rahavaviko sy anadahiko mba hofehezina amin’ny ray aman-dreniko. Fony aho tao amin’ny Kilonga no nanomboka nivavaka mba hahazo io fitahiana io, ary rehefa lasa renibe aho vao nahazo izany.

Mety mivavaka ho an’ny fianakavianao sy ireo olona hafa ankamamianao ianao. Aza mitsahatra! Hampiseho anao ny zavatra azonao atao ny Ray any An-danitra.

Zarao amin’ny Ray any An-danitra izay ao am-ponao.14 Rehefa mangataka fanampiana Aminy amin-kitsimpo ianao, dia handray ny Fanahiny hitarika anao.15 Ny fivavahana isan’andro dia hahatonga anao ho feno fitiavana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hanampy anao izany mba haniry ny hanaraka Azy Ireo mandritra ny fiainanao!

Alaovy sary an-tsaina hoe inona no hitranga raha toa mivavaka isan’andro ny ankizy rehetra any Afrika, Amerika Atsimo, Azia, Eorôpa, Amerika Avaratra ary Aostralia. Hotahiana amin’ny fitiavana bebe kokoa an’ Andriamanitra izao tontolo izao!

Sary
Ankizy maneran-tany mivavaka.

Manasa anao aho hivavaka mba hahafantaranao fa eo ny Ray any An-danitra, sy hivavaka mba hitomboanao ho lasa tahaka Azy, ary hivavaka mba hanehoanao ny fitiavany ny hafa. Fantatro fa velona Izy ary tia anao. “Eny, mivavaha.” Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.