Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aoka ho iray amin’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Aoka ho iray amin’i Kristy

Mampiray antsika ny fitiavantsika sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ary ny Sorompanavotany. Ny fototry ny hoe tena manan-toerana ao amin’ny vondrona iray dia ny hoe iray ao amin’i Kristy.

Nahatsapa zavatra lalina momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy aho efa hatramin’ny fahazazako, saingy tonga tao amiko ny tena fisian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy fony aho 25 taona. Vao nahavita ny fianarako tao amin’ny Stanford Law School aho ary teo am-panomanana ny fanadinana hidirana ao amin’ny fikambanan’ny mpisolovava any Kalifornia. Niantso ahy ny reniko ary nilaza fa an-dalam-pahafatesana i Crozier Kimball raibeko izay nonina taty Utah. Nilaza izy fa raha te hahita azy aho dia tsara kokoa ho ahy ny mody. Enina amby valopolo taona ny raibeko ary narary mafy izy. Nahafinaritra ny fitsidihana nataoko. Faly ery izy nahita ahy sy nizara tamiko ny fijoroana ho vavolombelona nananany.

Vao telo taona monja i Crozier no nodimandry teo amin’ny faha-44 taonany i David Patten Kimball rainy.1 Nanantena i Crozier fa ho nankasitrahan’ny rainy sy i Heber C. Kimball raibeny ny fiainany ka ho tsapan’izy ireo fa nahatoky tamin’ny lovany izy.

Ny torohevitra voalohany nomen’ny raibeko ahy dia ny hisoroka izay mety ho fahatsapana ho mendrika hahazo tombontsoa noho ireo razambe mahatoky ireo. Nolazainy tamiko fa tokony ho ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no hifantohako. Nilaza izy fa zanaky ny Ray any An-danitra be fitia isika rehetra. Na iza na iza razambentsika eto an-tany, dia samy hanao tatitra amin’ny Mpamonjy ny amin’ny fomba nitandremantsika ireo didiny isika tsirairay avy.

Nantsoin’i dadabe hoe ilay “Mpiandry vavahady” ny Mpamonjy araka ny hita ao amin’ny 2 Nefia 9:41. Nolazainy tamiko fa nantenainy hoe ampy ny fibebahana nataony mba ho mendrika ny famindram-pon’ny Mpamonjy.2

Nampihetsi-po lalina ahy izany. Fantatro fa lehilahy marina izy. Patriarika izy ary nanao asa fitoriana im-betsaka. Nampianariny ahy fa tsy misy afaka miverina any amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa tsara fotsiny ihany raha tsy misitraka ny tombontsoa avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Tsaroako mandraka ankehitriny ny fitiavana sy fankasitrahana lehibe nananan’i dadabe ho an’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

Nandritra ny asa iray nanirahana ahy tany Jerosalema tamin’ny 20193 dia nitsidika efitra ambony iray aho, izay mety ho teo akaikin’ny toerana nanasan’ny Mpamonjy ny tongotry ny apôstôliny mialoha ny nanomboana Azy. Voakasika lalina ara-panahy aho ary nihevitra ny fomba nandidiany ny Apôstôliny mba hifankatia.

Tsaroako ny Vavaka Fanalalanana feno fitalahoana nataon’ny Mpamonjy ho antsika. Nitranga tamin’ireo ora farany ara-bakiteny teo amin’ny fiainany an-tany io vavaka io araka ny voarakitra ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona.

Natolotra ho an’ireo mpanaradia an’i Kristy io vavaka io, tafiditra amin’izany isika rehetra.4 Tao amin’ny fiangavian’ny Mpamonjy tamin’ny Rainy dia nitalaho Izy hoe: “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy.” Notohizan’ny Mpamonjy avy teo hoe: “Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy; mba ho iray izy, tahaka ny mahiray antsika.”5 Ny hoe iray no nangatahin’i Kristy tamim-bavaka mialoha ny namadihana sy nanomboana Azy. Mety azo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny hoe iray amin’i Kristy sy ny Raintsika any An-danitra.

Tsy miankina amin’ny firazanana, na ny fianarana, na ny toe-bola, na ny fihodirana ny famindram-po manavotry ny Tompo. Fa mifototra amin’ny hoe iray amin’i Kristy sy ireo didiny.

Nandray fanambarana momba ny firafitry ny Fiangonana sy ny fitantanana izany ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny 1830, fotoana fohy taorian’ny nanorenana ny Fiangonana. Ilay fizarana 20 ankehitriny no novakian’ny Mpaminany Joseph tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana voalohany ary izany no fanambarana voalohany nankatoavina tamin’ny faneken’ny rehetra.6

Tena miavaka ny votoatin’io fanambarana io. Mampianatra antsika ny maha-zava-dehibe sy ny anjara asan’ny Mpamonjy izany ary koa ny fomba hahazoana ny heriny sy ireo fitahiany amin’ny alalan’ny fahasoavany manavotra. Efatra amby roapolo taona ny Mpaminany Joseph tamin’izany ary efa nahazo fanambarana maro ary nahavita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra. Samy fantatra ho Apôstôly voatendry avokoa i Joseph sy i Oliver, ka manana fahefana araka izany hiahy ny Fiangonana.

Ny andininy 17 ka hatramin’ny 36 dia mirakitra famintinana ny fotopampianaran’ny Fiangonana manan-danja, ao anatin’izany ny fisian’ Andriamanitra, ny Nahariana ny olombelona, ny Fahalavoana, ary ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny andininy 37 dia mirakitra ireo fepetra fototra ilaina amin’ny batisa ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Ny andininy 75 ka hatramin’ny 79 dia mametraka ny vavaky ny fanasan’ny Tompo izay ampiasaintsika isaky ny Sabata.

Ny fotopampianarana, ireo fitsipika, ny fanasan’ny Tompo, ary ireo fomba fanao izay naorin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith, Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny, dia tena manan-danja tokoa.7

Ny fepetra takiana amin’ny batisa, na dia lalina aza, dia miavaka noho ny fahatsorany. Voalohany indrindra amin’izany ny fanetren-tena eo anatrehan’ Andriamanitra, ny fo torotoro sy ny fanahy manenina,8 ny fibebahana amin’ny fahotana rehetra, ny fitondrana ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika, ny faharetana hatramin’ny farany, ary ny fanehoana amin’ny asantsika fa efa nandray ny Fanahin’i Kristy isika.9

Zava-dehibe ny hoe ara-panahy daholo ireo fepetra takina amin’ny batisa. Tsy ilaina ny fahombiazana ara-toekarena na ara-tsosialy. Mitovy ny fitakiana ara-panahy ho an’ny mahantra sy ny manankarena.

Tsy misy fepetra takiana mahakasika ny fihodirana, na ny mahalahy na vavy, na ny foko misy anao. Ny Bokin’i Môrmôna dia manazava tsara fa asaina ny rehetra mba handray ny hatsaram-pon’ny Tompo, “na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lahy na vavy; … ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”10 “Fa manan-jo hitovy ny olon-drehetra, ka tsy misy voarara amin’izany.”11

Raha jerena ny “fitoviantsika” eo anatrehan’ Andriamanitra, dia tsy dia misy dikany loatra ny manantitrantitra ny maha-samy hafa antsika. Ny sasany dia diso hevitra namporisika antsika “hihevitra ny olona ho hafa lavitra noho ny tenantsika sy eo amin’ny isika samy isika mihoatra noho ny tokony ho izy. [Ny sasany] dia maka ny fahasamihafana tena misy, nefa bitika, ary manitatra izany ho lasa hantsana.”12

Ankoatra izany, dia diso fandray ny sasany fa noho ny olon-drehetra asaina handray ny fahatsarany sy ny fiainana mandrakizay, dia mihevitra izy fa tsy misy fepetra takiana mikasika ny fitondran-tena.13

Kanefa, ny soratra masina dia manamarina fa ny olona rehetra tompon’andraikitra dia takiana hibebaka amin’ny fahotana sy hitandrina ny didiny.14 Ataon’ny Tompo mazava tsara fa ny rehetra dia manana fahafahana misafidy ary afaka “hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehiben’ny olon-drehetra … sy [hihaino] ny didiny lehibe; ary ho mahatoky amin’ny teniny ka hifid[y] ny fiainana mandrakizay.”15 Mba hahazoana ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy maintsy mampihatra amim-pahamarinana ny fahafahantsika misafidy isika hisafidianana an’i Kristy sy hankatò ny didiny.

Nandritra ny androm-piainako, dia nofakafakaina sy niadian-kevitra ny dikan’ny hoe “fahafahana misafidy” sy “safidy araka ny nahim-po”. Efa nisy ary mbola mitohy hatrany ny adihevitra ara-tsaina momba ireo lohahevitra ireo.

Eo amin’ny fonon’ny laharana nivoaka vao tsy ela amin’ny gazetibokin’ny mpianatra nivoaka tamin’ny oniversite lehibe iray dia nisy mpampianatra biôlôjia malaza manamafy fa “Tsy mitombina ny fiheverana hoe misy izany safidy araka ny nahim-po izany.”16 Tsy mahagaga raha voatanisa ao amin’ilay lahatsoratra io mpampianatra io milaza hoe: “Tsy misy izany Andriamanitra izany, … ary tsy misy izany safidy amin’ny nahim-po izany, ary izao rehetra izao dia midadasika sy tsy miraharaha, ary foana.”17 Tsy afaka hanohitra mafy kokoa no izao aho.

Fotopampianarana fototry ny finoantsika ny hoe manana fahafahana misafidy isika,18 ary tafiditra ao amin’izany ny safidy araka ny nahim-po.19 Ny fahafahana misafidy dia ny fahafahana misafidy sy manao zavatra. Tena ilaina amin’ny drafitry ny famonjena izany. Raha tsy misy ny fahafahana misafidy dia tsy afaka mianatra isika, na mivoatra, na misafidy ny ho iray amin’i Kristy. Noho ny fahafahana misafidy dia “afaka misafidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay” isika.20 Tao amin’ny Filankevitra tany An-danitra talohan’ny nahaterahana, dia tafiditra tao amin’ny drafitry ny Ray ny fahafahana misafidy ary singa manan-danja ao amin’izany. Nikomy i Losifera ary “nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona.”21 Araka izany dia nolavina tamin’i Satana sy ireo izay nanaraka azy ny tombontsoa hanana vatana mety maty.

Ireo fanahy hafa talohan’ny nahaterahana dia nampiasa ny fahafahany misafidy hanarahana ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ireo fanahy voatahy ho teraka eto amin’ity fiainana an-tany ity dia mbola manana fahafahana misafidy. Afaka misafidy sy manao zavatra isika, saingy tsy mifehy ny vokatr’izany. “Ny fisafidianana ny tsara sy ny fahamarinana dia mitondra fifaliana, sy fiadanana ary fiainana mandrakizay, raha toa ka mitondra fahoriana sy fanaintainana kosa amin’ny farany ny fisafidianana ny ota sy ny faharatsiana.”22 Araka ny nolazain’i Almà hoe: “Tsy fahasambarana na oviana na oviana ny faharatsiana.”23

Eto amin’ity tontolo tena anjakan’ny fifaninanana ity, dia misy ny ezaka tsy tapaka mba hamiratra. Ny fiezahana ho tsara indrindra araka izay azontska atao dia ezaka marina sy mendrika. Mifanaraka amin’ny fotopampianaran’ny Tompo izany. Mifanohitra amin’ny fotopampianaran’ny Tompo kosa ny fiezahana manabaty na manaratsy ny hafa na mamorona sakana ho an’ny fahombiazany. Tsy afaka manome tsiny ny toe-javatra misy na ny hafa isika amin’ny fanapahan-kevitra hanao zavatra mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra.

Amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mora ny mifantoka amin’ny fahombiazana ara-materialy sy arak’asa. Ny sasany dia manadino ireo fitsipika mandrakizay sy ireo safidy izay manan-danja mandrakizay. Fahendrena ho antsika ny manaraka ny torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Saino amin’ny fomba selestialy.”24

Ny safidy manan-danja indrindra dia saika ny olona rehetra no afaka manao izany na inona na inona talenta ananany, na fahaiza-manaony, na fahafahana manao zavatra ananany, na toe-javatra misy ara-toekarena. Tena ilaina ny fanantitranterana ny fametrahana ny safidim-pianakaviana ho loha laharana. Izany dia mazava tsara ao amin’ny soratra masina rehetra. Eritrereto ny tantara ao amin’ny 1 Nefia rehefa “niainga [i Lehia] hankany an-tany foana. Ary nilaozany ny tranony sy ny tany lovany, ary ny volamenany sy ny volafotsiny ary ny zava-tsarobidiny, ary tsy nitondra na inona na inona niaraka taminy izy afa-tsy ny ankohonany.”25

Rehefa miatrika ny fiovaovan’ny fiainana isika, dia zava-mitranga maro no miseho izay zara raha azontsika fehezina na tsy azontsika fehezina mihitsy. Tafiditra amin’io sokajy io mazava ho azy ireo olana ara-pahasalamana sy ireo loza. Ny valan’aretina COVID-19 vao haingana dia nisy fiantraikany mafy tamin’ny olona izay nanao ny zava-drehetra araka ny tokony ho izy. Azontsika fehezina ireo safidy manan-danja indrindra. Raha iverenana ny andro naha-misiônera ahy, ny Loholona Marion D. Hanks, filohan’ny misiônanay, dia nanasa anay hitadidy ny ampahany tamin’ny tononkalo iray nosoratan’i Ella Wheeler Wilcox:

Tsy misy vintana, na anjara, na lahatra,

Afaka hanodinkodina na hanakana na hifehy

Ny finiavana hentitra ananan’ny olona iray tapa-kevitra.25

Raha ny mikasika ny fitsipika, ny fitondran-tena, ny fitandremana fomba ara-pivavahana ary ny fiainana amim-pahamarinana, dia azontsika fehezina. Ny finoantsika sy ny fanompoantsika an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany dia safidy ataontsika.27

Aoka ho takatrao azafady fa tsy mivohy ny mba hampihenana ny fahalianana amin’ny fianarana na ny asa akory aho. Ny tiako ambara dia hoe rehefa atao ambony noho ny fianakaviana na ny maha iray amin’i Kristy ny ezaka eo amin’ny fianarana sy ny asa, dia mety ho loza be ny vokatra tsy nahy aterak’izany.

Ny fotopampianarana mazava sy tsotra voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia mahakasika ny fo sy manentana satria manamafy sy manazava hevitra masina ara-panahy. Mampianatra izany fa tonga ny famonjena rehefa manamarina sy manamasina ireo fanahy mibebaka i Jesoa Kristy noho ny fahasoavan’ny Mpamonjy.28 Mametraka ny sehatra ho an’ny anjara asa lehibe indrindra ananan’ny Sorompanavotany izany.

Tokony hiezaka isika hampiditra ny hafa ao anatin’ny faribolan’ny maha-iray antsika. Raha te hanaraka ny fananaran’ny Filoha Russell M. Nelson isika hanangona an’i Isiraely miparitaka amin’ny lafiny roa amin’ny voaly, dia mila mampiditra ny hafa ao amin’ny faribolan’ny maha-iray antsika. Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson tamin’ny fomba kanto hoe: “Any amin’ny kaontinanta sy nosin-dranomasina rehetra, dia angonina ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo olona mahatoky. Zary tsy misy lanjany ny fahasamihafana ara-kolontsaina, eo amin’ny fiteny, eo amin’ny lahy sy ny vavy, eo amin’ny fihodirana sy ny zom-pirenena zakaina rehefa miditra ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy manatona an’ilay Mpanavotra malalantsika ny mahatoky.”28

Mampiray antsika ny fitiavantsika sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ary amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana antsika. Ny fototry ny hoe tena manan-toerana ao amin’ny vondrona iray dia ny hoe iray ao amin’i Kristy. Ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20, miaraka amin’ireo fanekempihavanana nataontsika tany amin’ny tempoly dia mampiray antsika amin’ny fomba manokana ary ahafahantsika ho iray amin’ny fomba rehetra manan-danja mandrakizay ary hiaina amim-piadanana sy amim-pilaminana.

Mijoro ho vavolombelona marina sy azo antoka aho fa velona i Jesoa Kristy, ary noho ny Sorompanavotany dia afaka ny ho iray amin’i Kristy isika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. I David, teo amin’ny faha-17 taonany, dia nanampy tamin’ny fitondrana ny sasany tamin’ireo Olomasina niampita ny Reniranon’i Sweetwater feno ranomandry rehefa tafahitsoka teny amin’ny lembalemban’i Wyoming izy ireo (jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, volume 2, No Unhallowed Hand, 1846–1893 [2020], 237).

  2. Jereo ny Môrônia 7:27–28.

  3. Izaho sy ny Lehiben’ny Raby any Norvezy, i Raby Michael Melchior, no mpandaha-teny fototra tamin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny manam-pahaizana Jiosy–Olomasin’ny Andro Farany izay natao tamin’ny 5 jona 2019, tany amin’ny Ivontoeran’ny BYU Jerosalema any Israely.

  4. Jereo ny Jaona 17:20.

  5. Jaona 17:21–22.

  6. Jereo ny “The Conference Minutes and Record Book of Christ’s Church of Latter Day Saints, 1838–1839, 1844” (commonly known as the Far West Record), June 9, 1830, Church History Library, Salt Lake City; Steven C. Harper, Making Sense of the Doctrine and Covenants (2008), 75.

  7. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 no fanambarana voalohany navoaka tao amin’ny gazetin’ny Fiangonana ary nampiasain’ireo misiônera mikasika ny fotopampianarana sy ny fitantanana ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Harper, Making Sense of the Doctrine and Covenants, 75).

  8. Jereo ny 2 Nefia 2:7.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37.

  10. 2 Nefia 26:33.

  11. 2 Nefia 26:28.

  12. Peter Wood, Diversity: The Invention of a Concept (2003), 20.

  13. Nivohy haka an’io fotokevitra io i Nehôra (jereo ny Almà 1:4).

  14. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:49–50.

  15. 2 Nefia 2:27–28.

  16. Stanford (boky avoakan’ny Stanford Alumni Association, fikambanan’ireo maintimolalin’i Stanford), Dec. 2023, eo amin’ny fonony.

  17. Ao amin’ny Sam Scott, “As If You Had a Choice,” Stanford, Dec. 2023, 44. Ny lahatsoratra dia manondro an’ilay profesora ho Robert Sapolsky, mpampianatra biôlôjia, sy neurologie, ary neurochirurgie ao Stanford, ary mpanoratra boky malaza sy be mpividy momba ny siansa. Io lahatsoratra io dia ahitana fijery roa mifanohitra, anisan’izany ny fijerin’i Alfred Mele, mpampianatra filôzôfia ao amin’ny Oniveritem-panjakanan’i Floride izay nitarika tetikasa goavana momba ny safidy amin’ny nahim-po karakarain’ny John Templeton Foundation. Hoy izy: “Tsy voaporofon’ny mpahay siansa mihitsy fa ny safidy amin’ny nahim-po—eny fa na dia ny safidy amin’ny nahim-po fatra-paniry laza aza—dia zava-poana (ao amin’ny Scott, “As If You Had a Choice,” 46).

  18. Jereo ny D. Todd Christofferson, “Moral Agency” (Brigham Young University devotional, Jan. 31, 2006), speeches.byu.edu.

  19. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27.

  20. 2 Nefia 2:27.

  21. Mosesy 4:3.

  22. True to the Faith: A Gospel Reference (2004), 12.

  23. Almà 41:10.

  24. Jereo ny Russell M. Nelson, “Saino amin’ny fomba selestialy!,” Liahona, nôv. 2023, 117–20.

  25. 1 Nefia 2:4.

  26. Poetical works of Ella Wheeler Wilcox (1917), 129.

  27. Nankafiziko hatrany ny teny nindramina nozarain’ny Loholona Neal A. Maxwell izay manambarana amin’ny fomba faran’izay fohy: “Raha tsy ny fanjakan’ Andriamanitra no nosafidianao voalohany, dia tsy hampiova na inona na inona izay nosafidianao teo amin’ny toeran’izany” (voalaza fa notenenin’i William Law, mpitarika fivavahana tamin’ny taonjato faha 18; voatonona ao amin’ny Neal A. Maxwell, “Response to a Call,” Ensign, May 1974, 112).

  28. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29–31. Ny teolojia Kalvinista dia nanantitrantitra ny fanamarinana sy ny fanamasinana ny fanahy lavo amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesosy Kristy. Nampianatra izany fa rehefa notendren’ Andriamanitra mialoha ny fanahy iray ho amin’ny famonjena, dia tsy misy na inona na inona afaka hanova ny vokatr’izany. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia samy hafa tanteraka amin’ny foto-kevitry ny Kalvinisma. Mivaky toy izao izany: “Misy ny mety hahatonga ny olona ho lavo hiala amin’ny fahasoavana ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:32–34; Harper, Making Sense of the Doctrine and Covenants, 74).

  29. Russell M. Nelson, “Building Bridges,” Liahona, Dec. 2018, 51.