Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
“Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


“Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”

Afaka mitony sy mahafantatra isika fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika.

Nandritra ny varavarana misokatra sy andron’ny haino vaky jery natao vao tsy ela ho an’ny tranon’ny Tompo vaovao iray dia nitarika andiana mpanao gazety nanao fitsidihina ilay trano masina aho. Nanazava ny tanjon’ireo tempolin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho ary namaly ny fanontaniana tena tsara marobe napetrak’izy ireo.

Talohan’ny hidirana ny efitra selestialy, dia nohazavaiko fa io efitra miavaka ao amin’ny tranon’ny Tompo io dia maneho an’ohatra ny filaminana sy ny fahatsaran’ilay trano any an-danitra izay hiverenantsika aorian’ity fiainana ity. Nampahafantariko tamin’ireo vahinintsika ireo fa tsy hiresaka izahay rehefa ao amin’ny efitrano selestialy, fa ho faly aho hamaly izay fanontanian’izy ireo rehefa tafafindra eo amin’ny fijanonana manaraka amin’ny fitsidihina izahay.

Rehefa tafavoaka avy tao amin’ny efitra selestialy izahay ka tafavory tao amin’ny efitrano manaraka, dia nanontaniako ireo vahinintsika ireo raha toa izy ireo ka nanana fanamarihana izay tiany hozaraina. Niteny tamim-pihetseham-po lehibe ny mpanao gazety iray hoe: “Tsy mbola niaina zavatra tahaka izao aho nandritra ny androm-piainako manontolo. Tsy nahafantatra aho hoe misy eto amin’izao tontolo izao ny fahanginana tahaka izao; tsy nino tsotra izao aho hoe afaka ny hisy ny fahatoniana tahaka izao.”

Nanaitra ahy ny fahatsorana sy ny hamafin’ny fanambarana nataon’io olona io. Ary ny fanehoan-kevitr’ilay mpanao gazety dia nampisongadina lafin-javatra iray manan-danja eo amin’ny fahanginana, dia ny fanoherana sy ny tsy firaharahiana ny korontan’ny tontolo ivelany iainantsika.

Taty aoriana rehefa nandalina ny fanamarihana nataon’ilay mpanao gazety aho sy nandinika ny rotoroton’ireo fiainantsika ankehitriny—ny fahasahiranana, ny tabataba, ny fanelingelenana, ny fanakorontanana ary ny familian-tsaina izay matetika loatra no toa mitaky ny fifantohantsika—dia tonga tao an-tsaiko ny soratra masina iray hoe: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.”1

Mivavaka aho mba hanazava antsika tsirairay ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra lafiny ambony kokoa sy masina kokoa amin’ny fahatoniana eo amin’ny fiainantsika isika—ny fahatoniana ara-panahy ao anaty izay hahafahantsika mahafantatra sy mahatsiaro fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Io fitahiana miavaka io dia azo sitrahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay miezaka amim-pahatokiana ho tonga “vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo.”2

Mitonia

Ny taona 1833 ireo Olomasina tao Missouri dia lasibatry ny fanenjehana mahery vaika. Noroahin’ny mpihetraketraka hiala ny tranony tao amin’ny Fivondronan’i Jackson izy ireo, ary nanandrana nanorina fonenana teo amin’ireo fivondronana hafa teo akaiky teo ny mpikamban’ny Fiangonana sasany. Saingy nitohy ny fanenjehana ary maro ireo fandrahonana ho faty. Tao anatin’ireo toe-javatra sarotra ireo no nanambaran’ny Tompo ity toromarika manaraka ity tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tao Kirtland, Ohio:

“Koa aoka hionona ny fonareo momba an’i Ziona; fa eo an-tanako ny nofo rehetra; mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.”3

Mino aho fa ny famporisihan’ny Tompo hoe “mitonia” dia midika mihoatra lavitra kokoa noho ny tsy miteny sy tsy mihetsika fotsiny. Angamba ny eritreriny dia ny hahatsiarovantsika Azy sy hianteherantsika Aminy sy amin’ny heriny “amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy [antsika].”4 Araka izany, ny hoe “mitonia” dia fomba iray hampahatsiahivana antsika mba hifantoka tsy tapaka amin’ny Mpamonjy amin’ny maha loharano faratampon’ny fahatonian’ny fanahy Azy, izay mampahery antsika hanao sy handresy ireo zavatra sarotra.

Miorina eo ambonin’ny Vatolampy

Ny finoana marina dia mifantoka lalandava amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ao Aminy—Aminy amin’ny maha Zanaka Masina sy Lahitokan’ny Ray Mandrakizay Azy, ary ao Aminy sy ilay asa fanavotana nanirahana Azy izay notanterahiny.

“Satria efa nefainy ny fitakian’ny lalàna, ary mitaky ireo rehetra izay manam-pinoana Azy Izy; ary ireo izay manam-pinoana Azy dia hifikitra amin’ny zavatra tsara rehetra; koa miaro ny tombontsoan’ny zanak’olombelona Izy.”5

I Jesoa Kristy no Mpanavotra antsika,6 Mpanalalana antsika,7 Mpisolovava antsika8 amin’ny Ray Mandrakizay, ary ilay vatolampy izay eo amboniny no tokony hanorenantsika ny fototra ara-panahin’ny fiainantsika.

Nanazava i Helamàna hoe: “Tsarovy, tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”9

Mifono fampianarana be ilay tandindon’i Kristy ho toy ny “vatolampy” izay eo amboniny no tokony hanorenantsika ny fototry ny fiainantsika. Mariho fa eto amin’ity andininy ity dia tsy ny Mpamonjy no fototra. Fa, nentanina kosa isika hanorina ny fototra ara-panahintsika manokana eo amboniny.10

Ny fototra no ampahan’ny fanorenana iray izay mampifandray izany amin’ny tany. Mitondra fiarovana amin’ny loza voajanahary sy izay mety ho hery mandrava hafa ny fototra mafy orina. Ny fototra tena tsara ihany koa no mampitsinjara ny vesatr’ilay rafitra amin’ny faritra mivelatra mba hialana amin’ny fitambesarana be loatra eo amin’ny tany anorenana sy manome tany mari-toerana hahafahana manorina.

Sary
Trano manana fototra matanjaka.

Tena ilaina ny zavatra matanjaka sy azo ianteherana mampifandray ny tany sy ny fototra raha tiana hijanona ho mafy sy mari-toerana hatrany ny rafi-pananganana iray. Ary ho an’ny karazam-panorenana sasantsasany dia azo atao ny mampiasa tsimatra vatofantsika sy tsora-by hampifikirana ny fototry ny fanorenana iray amin’ny “lafika vato,” ilay vato mafy sy mafonja eo ambanin’ireo akora lafika toy ny tany sy ny vatokely.

Sary
Trano mifototra amin’ny vatolampy.

Tsy misy hafa amin’izany, ny fototry ny fiainantsika dia tsy maintsy mifandray amin’ny vatolampin’i Kristy raha te hitoetra ho mafy orina sy tsy hihozongozona isika. Azo oharina amin’ilay tsimatra vatofantsika sy ireo tsora-by ampiasaina hampifandray ny fanorenana tamin’ny lafika vato ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny. Isaky ny mandray, sy mamerina mijery, ary mahatsiaro sy manavao amim-pahatokiana ireo fanekempihavanana masina isika, dia vao mainka miorim-paka mafy sy mafonja hatrany amin’ilay “vatolamp[in’i]” Jesoa Kristy ireo vatofantsika ara-panahintsika.

“Koa, na zovy na zovy no mino an’ Andriamanitra dia mahazo manantena amim-pahatokiana tokoa tontolo iray tsara kokoa, eny, dia toerana eo an-tanan’ankavanan’ Andriamanitra dia fanantenana izay avy amin’ny finoana, mipetraka ho vatofantsika ho an’ny fanahin’ny olona, izay hahatonga azy ho azo antoka sy hifototra, hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara ary ho voatarika hankalaza an’ Andriamanitra.”11

Mitombo tsikelikely ary mivoatra tsikelikely “rehefa afaka elaela,”12 dia “[mandravaka] tsy an-kijanona ny eritreri[tsika] ny hatsaram-panahy,” “[mihamahery] ny fahatokian-tenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra,” ary “ny Fanahy Masina [no] naman[tsika] lalandava.”13 Ho lasa mafy fototra sy mamaka tsara kokoa isika, miorina tsara ary tafatoetra kokoa.14 Rehefa miorina eo amin’ny Mpamonjy ny fototry ny fiainantsika, dia “hitony” isika—hanana fatokiana ara-panahy, fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika.

Ireo fotoana masina sy toerana masina ary ny tokantrano

Manome fotoana masina sy toerana masina antsika ny Tompo mba hanampiana antsika hiaina sy hianatra momba ity fahatoniana anaty ity.

Ohatra, andron’ Andriamanitra ny Sabata, fotoana masina iray natokana hahatsiarovana sy hitsaohana ny Ray amin’ny anaran’ny Zanany Lahy, handraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ary handraisana sy hanavaozana fanekempihavanana masina. Mitsaoka ny Tompo isika isan-kerinandro mandritra ireo fandalinantsika any an-tokantrano sy amin’ny maha “mpiray fanjakana amin’ny olomasina”15 antsika ihany koa mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa. Amin’ny androny masina, ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny fitondrantenantsika no marika atolotsika an’ Andriamanitra sy famantarana izay maneho ny fitiavantsika Azy.16 Isaky ny alahady isika, raha tiantsika, dia afaka mitony sy mahafantatra fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika.

Ampahany fototra amin’ny fitsaohantsika amin’ny Sabata ny “[m]andeha ho any amin’ny trano fivavahana ary [m]anatitra ny fanati-pisaoran[tsika] amin’ny andro masin’[ny Tompo]”17 Ireo “trano fivavahana” izay hiangonantsika amin’ny Sabata dia ireo trano fiangonana sy trano hafa nahazoana fankatoavana—toerana masina ho an’ny fanehoam-panajana sy fitsaohana ary fianarana. Ny trano fiangonana sy trano hafa tsirairay dia notokanana tamin’ny fahefan’ny fisoronana ho toerana hahafahan’ny Fanahin’ny Tompo mitoetra sy hahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra ho tonga “amin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy.”18 Raha tiantsika dia afaka ny “hitony” isika any amin’ireo toerana masina fitsaohantsika ary vao mainka mahafantatra amin’antoka bebe kokoa fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika

Ny Tempoly dia toerana masina iray hafa natokana manokana hitsaohana sy hanompoana an’ Andriamanitra ary hianarana fahamarinana mandrakizay. Hafa ny fomba fisainantsika sy ny fomba fanaontsika ary ny fomba fitafintsika ao amin’ny tranon’ny Tompo raha oharina amin’ny any amin’ireo toerana hafa mety falehantsika. Ao amin’io tranony masina io isika, raha tiantsika, dia afaka mitony sy mahafantatra fa Andriamanitra dia Raintsika Mandrakizay, zanany isika, ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika.

Mitovy tsisy valaka ireo tanjona fototry ny fotoana masina sy ireo toerana masina: dia ny hampifantoka hatrany ny fifantohantsika amin’ny Ray any An-danitra sy ny drafiny, sy amin’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, amin’ny hery mampiorina ananan’ny Fanahy Masina, ary amin’ireo fampanantenana mifandray amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny.

Anio aho dia mamerina fitsipika iray izay efa nantitranteriko tany aloha. Ny tokantranontsika no tena tokony ho fitambaran’ny fotoana masina sy toerana masina izay ahafahan’ny tsirairay sy ny fianakaviana “mitony” sy mahafantatra fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Tena ilaina ny fandaozana ny tokantranontsika mba hitsaoka amin’ny Sabata sy any amin’ny tranon’ny Tompo. Saingy rehefa mody any amin’ny tokantranontsika miaraka amin’ny fijery lavitra sy ny tanjaka ara-panahy azo avy tamin’ireo toerana sy zavatra atao masina ireo ihany isika vao afaka mihazona ny fifantohantsika amin’ireo tanjona fototry ny fiainana an-tany, sy mandresy ireo fakam-panahy izay tena manjaka eto amin’ity tontolontsika lavo ity.

Ireo zavatra iainantsika tsy tapaka amin’ny Sabata sy any amin’ny tempoly ary any an-tokantranontsika dia tokony hanamafy orina antsika amin’ny fananana ny herin’ny Fanahy Masina, miaraka amin’ny fifandraisana tsy tapaka sy matanjaka kokoa amin’ny Ray sy ny Zanaka amin’ny alalan’ny fanekempihavanana, sy “fanantenana mamirapiratra sy lavorary”19 ao anatin’ireo fampanantenan’ Andriamanitra mandrakizay.

Rehefa mitambatra ho iray ao amin’i Kristy ny tokantrano sy ny Fiangonana,20 dia mety ho voageja manodidina isika, kanefa tsy ho tery ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. Mety ho very hevitra isika noho ireo toe-javatra sy olana mahazo antsika saingy tsy hamoy fo. Mety ho enjehina isika saingy hahafantatra ihany koa fa tsy ho irery na oviana na oviana.21 Afaka mahazo hery ara-panahy isika ho tonga sy hitoetra ho mafy orina sy tsy azo hozongozonina ary marina.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Mampanantena aho fa rehefa manorina ny fototry ny fiainantsika eo amin’ny “vatolamp[in’i]” Jesoa Kristy isika dia ho tahian’ny Fanahy Masina handray fahatonian’ny tena manokana sy ara-panahy izay hahafahantsika mahafantatra sy mahatsiaro fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika, i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika, ary afaka mahavita sy mandresy ireo zavatra sarotra isika.

Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, zanany isika ary i Jesoa Kristy no Mpanavotra antsika sy “vatolamp[in’ny]” famonjena antsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.