Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny hitondra anao hiverina any Aminy no fikasan’ Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Ny hitondra anao hiverina any Aminy no fikasan’ Andriamanitra

Ny drafitry ny Ray ho an’ireo zanany malala dia novolavolaina mba hitondrana ny rehetra hiverina any Aminy.

Te haneho fankasitrahana aho noho ny vavakareo raha nanomboka ilay dingana fizàrana amin’ilay antso avy tamin’ny alalan’ny Filoha Nelson mba ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo. Azonareo sary an-tsaina tsara angamba fa tena nampanetry tena izany, fotoana nitondra fiovana mampitolagaga sy fandinihan-tena nampisokatra maso. Tena marina tokoa fa voninahitra lehibe ny manompo ny Mpamonjy, na inona na inona ilay andraikitra, sy ny miara-misalahy aminareo amin’ny fizarana ilay vaovao mahafalin’ny filazantsarany feno fanantenana.

Ankoatra izay, dia misy fomba fiteny hoe, ao ambadiky ny Apôstôly vaovao anankiray dia misy rafozambavy talanjona anankiray. Tsy haiko raha tena fomba fiteny tokoa izany, saingy amin’ity indray mitoraka ity dia mety ho marina tokoa izany. Ary azoko heverina fa tsy mampihena ny fitalanjonan’ilay rafozambaviko ny tsy maha-eto intsony azy.

Volana maro lasa izay, rehefa nitsidika firenena hafa izaho sy ny vadiko tamina andraikitra samihafa ato amin’ny Fiangonana, dia nifoha maraina aho ary nijery ny teo ivelan’ny varavarankelin’ny trano fandraisam-bahiny nisy anay. Nahita sakan-dalana napetraka teo ambany eo amin’ny arabe be mpampiasa aho, ary pôlisin’ny fifamoivoizana nijoro tsy lavitra teo mba namerina ireo fiarakodia rehefa tonga teo amin’ilay sakana. Fiarakodia vitsivitsy no nandeha tamin’ilay arabe sy naverina, tamin’ny voalohany. Saingy rehefa nandeha ny fotoana dia nitombo ny fifamoivoizana ary nanomboka nisy filaharana fiarakodia.

Mitazana avy eo amin’ny varavarankely eo ambony aho, toa mahita ny fahazoan’ilay pôlisin’ny fifamoivoizana fahafinaretana amin’ilay fahefana ananany mampiato ny fifamoivoizana sy mampiverina ny olona. Raha ny marina, toa nanomboka nisy gadona ny famindrany, toy ireny hoe mety hanomboka handihy ireny izy, rehefa manatona ilay sakana ny fiarakodia tsirairay. Raha nisy mpamily naneho fahasorenana tamin’ilay sakan-dalana, dia toa tsy mba nanampy na nangoraka akory ilay pôlisin’ny fifamoivoizana. Nandà tamin’ny lohany fotsiny hatrany izy ary nanondro an’ilay lalana miverina.

Ry namako, ry mpanara-dia namako eo amin’ny araben’ny fiainana an-tany, ny drafitra mahafinaritra an’ilay Raintsika, dia ilay drafitra “mahavariana[ny]” izany, dia novolavolaina mba hitondrana anao hiverina any Aminy, fa tsy hanakana anao hiditra akory. Tsy misy na iza na iza nametraka sakan-dalana ary nijoro teo hamerin-dalana anao sy handroaka anao. Ny mifanohitra amin’izany aza no misy raha ny tena marina. Tsy mitsaha-mikatsaka anao Andriamanitra. “[Tiany] ny zanany rehetra hisafidy ny hiverina Aminy”, ary manao izay fomba rehetra azo tanterahina Izy hitondrana anao miverina.

Nanaramaso ny Fahariana ity tany ity ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ho an’ny tanjon’ny fanomezana fahafahana ho anao sy ho ahy mba hanana traikefa mampivoatra sy manefy eto amin’ny fiainana an-tany, ny fahafahana hampiasa ny fahafahana misafidintsika avy amin’ Andriamanitra ka hisafidy Azy, hianatra sy hivoatra, hanao fahadisoana, hibebaka, hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika, ary hiverina any Aminy indray andro any.

Nirahiny ilay Zanakalahiny malala sarobidy ho eto amin’ity tontolo lavo ity mba hiaina ireo zavatra manontolo iainan-draolombelona, sy hanome ohatra mba ho arahin’ireo zanany ambiny, ary hanavotra sy hamonjy. Manala izay mety ho sakan-dalan’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy izay manasaraka antsika amin’ny fonenantsika mandrakizay ny fanomezana, dia ilay sorona fanavotana lehibe nataon’i Kristy.

Ny drafitry ny Ray ho an’ireo zanany malala dia novolavolaina mba hitondrana ny rehetra hiverina any Aminy.

Inona moa no hiantsoan’ireo irak’ Andriamanitra, dia ireo mpaminany izany, an’ity drafitra ity ao amin’ny soratra masin’ny Famerenana amin’ny laoniny? Antsoin’izy ireo izany hoe ny drafitry ny fanavotana, ny drafitry ny famindram-po, ny drafitra lehiben’ny fahasambarana, ary ny drafitry ny famonjena ho an’ny olon-drehetra, “amin’ny alalan’ny ran’ny Lahitokana”

Ny fikasan’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana an’ny Ray dia ny fahasambaranao, ety an-tany, ankehitriny, ary any amin’ny mandrakizay. Tsy ny hanakana ny fahasambaranao sy hahatonga anao hanana ahiahy sy tahotra akory izany.

Ny fikasan’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana an’ny Ray raha ny marina dia ny fanavotana anao, ny hoe avotra ianao amin’ny alalan’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy, ary afaka amin’ny gejan’ny fahotana sy fahafatesana. Fa tsy ny hamela anao ao anatin’izany.

Ny fikasan’ilay drafitry ny famindram-po an’ny Ray dia ny hanolotra famindram-po rehefa miverina Aminy ianao ary manaja ny fanekempihavanan’ny fahatokiana Aminy. Fa tsy ny handà famindram-po sy hampitondra fanaintainana sy alahelo akory.

Ny fikasan’ilay drafitry ny famonjena an’ny Ray raha ny marina dia ny famonjena anao ao amin’ny fanjakam-boninahitra selestialy rehefa mandray ny “tenivavolombelon’i Jesoa Kristy” ianao, ary manolotra ny fanahinao manontolo ho Azy. Fa tsy ny hanakana anao hiditra akory.

Midika ve izany fa azo hatao avokoa izay rehetra tiantsika raha ny mahakasika ny fiainantsika? Fa tsy manan-danja ny fomba hampiasantsika ny fahafahantsika misafidy? Fa afaka mitandrina na tsia ireo didin’ Andriamanitra isika? Tsia, mazava ho azy. Tsy hisalasalana fa iray amin’ireo fanasana sy fitalahoan’i Jesoa Kristy tsy niova nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany ny mba hiovantsika sy hibebahantsika ary hanatonantsika Azy. Mifono sy mifototra tanteraka ao anatin’ny fampianarany rehetra momba ny fananana fiainana mendrika sy madio kokoa ilay antso ho amin’ny fivoaran’ny tena manokana, ho amin’ny finoana mitondra fiovana ao amin’i Kristy, ho amin’ny fiovam-po mahery vaika.

Irian’ Andriamanitra isika hampiova tanteraka ireo fironantsika feno fitiavan-tena sy avonavona, ny fandroahana ilay olona araka ny nofo, ny “[handeha], ary amin’izao sisa izao dia [tsy hanota] intsony.”

Raha mino isika fa ny fikasan’ny drafitry ny Ray izay mahatakatra ny rehetra dia ny hamonjy antsika, hanavotra antsika, hanolotra famindram-po ho antsika, ka hitondra fahasambarana ho antsika noho izany, dia inona ary izany no fikasan’ilay Zanakalahy izay tamin’ny alalany no nahatanteraka an’ity drafitra lehibe ity?

Ilay Zanakalahy Izy Tenany no milaza amintsika hoe: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy.”

Ny sitrapon’i Jesoa dia sitrapon’ilay Ray feno fitiavana! Tiany ho azo tanterahina ho an’ny zanaky ny Ray tsy an-kanavaka ny fisitrahana ny tanjona faran’ilay drafitra, dia fiainana mandrakizay miaraka amin’ Izy Ireo. Tsy misy na iza na iza voailika amin’izany fahafahana masina izany.

Raha toa ianao voasarika foana hiahiahy fa tsy afaka ny ho tanteraka na oviana na oviana, na hoe mihatra amim-pamindram-po amin’ny olona rehetra afa-tsy aminao ny fiasan’ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Kristy, dia diso fihevitra ianao izay. Ny hoe tsy manam-petra dia midika hoe tsy manam-petra. Tafiditra ao anatin’ny tsy manam-petra izaho sy ireo olona akaikin’ny fonao.

Hoy i Nefia nanazava an’io fahamarinana mahavariana io: “Izy dia tsy manao na inona na inona afa-tsy izay ho tombontsoan’izao tontolo izao; satria tia izao tontolo izao Izy ka nomeny na dia ny ainy aza mba hisarihany ny olona rehetra hanatona Azy. Noho izany Izy dia tsy mandidy na iza na iza tsy handray anjara amin’ny famonjeny.”

Ny Mpamonjy, ilay Mpiandry tsara, dia mitady ireo ondry very mandra-pahitany azy ireo. Tsy “tiany hisy ho very na dia iray aza.”

“Ny sandrin’ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy, dia izy no horaisiko.”

“Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho.”

Tsy nandroaka ilay vehivavy narary nandeha rà Izy; tsy nitakemotra teo anoloan’ilay boka Izy; tsy nandà ilay vehivavy azo nijangajanga Izy; tsy nandà ilay mpibebaka Izy; na inona na inona fahotan’izy ireo. Ary tsy handà anao na ireo olona akaikin’ny fonao Izy rehefa mitondra fo torotoro sy fanahy manenina eo anatrehany ianao. Tsy izany no fikasany na ny asany, na ny drafiny, tanjony, faniriny, na fanantenany.

Tsy mametraka sakan-dalana na sakana velively Izy; fa manala azy ireny Izy. Tsy mametra ny fidiranao Izy; mandray anao an-tanan-droa Izy. Fanambarana velona momba izany fikasany izany ny asa fanompoana manontolo nataony.

Dia ilay sorona fanavotana nataony mihitsy avy eo, izay sarotra takarina ho antsika, mihoatra ny fahafahantsika mahatakatra amin’ny maha-olombelona antsika. Kanefa, ary ity “kanefa” ity dia tena manan-danja, takatsika, azontsika takarina ilay fikasana masina sy manavotra an’ilay sorona fanavotana nataony.

Triatra nizara roa ny efitra lamba tao amin’ny tempoly rehefa maty teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa, maneho ilay tandindona fa nosokafana tanteraka ny fahafahana miditra indray ho eo anatrehan’ny Ray, ho an’ireo rehetra izay hitodika Aminy, hatoky Azy, hanolotra ny enta-mavesatr’izy ireo Aminy, ary hitondra ny ziogany eo amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fifandraisana ara-panekempihavanana.

Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy miompana amin’ny sakan-dalana ny drafitry ny Ray. Tsy mbola toy izany ary tsy ho toy izany na oviana na oviana. Moa ve misy zavatra mila ataontsika sy didy tokony ankatoavintsika ary lafiny eo amin’ny fiainantsika mila ovaina? Eny. Saingy miaraka amin’ny fahasoavany dia azontsika tratrarina ireo zavatra ireo fa tsy lavitry ny fahatakarantsika.

Izany no ilay vaovao mahafaly! Tsy misy teny mahalaza ny fankasitrahako noho ireo fahamarinana tsotra ireo. Ny asan’ny Ray manontolo, ny drafiny, ny tanjony, ny fikasany, ny faniriany, ary ny fanantenany dia ny hanasitrana anao, hanome fiadanana anao, hitondra anao sy ireo olona akaikin’ny fonao hiverina any Aminy. Vavolombelon’izany aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanakalahiny, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Saino amin’ny fomba selestialy!,” Liahona, nôv. 2023, 117, 118.

  2. Jereo ny 2 Nefia 26:25, 27.

  3. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.1, Médiathèque de l’Évangile.

  4. Jereo ny Mosesy 7:33.

  5. Jereo ny Jakôba 6:8; Almà 12:30.

  6. Jereo ny Almà 42:15.

  7. Jereo ny Almà 42:8, 16.

  8. Mosesy 6:62.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:4.

  10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70.

  11. Jereo ny Ômnia 1:26.

  12. Jereo ny Matio 4:17.

  13. Jereo ny Matio 5:7. Ohatra, ao amin’ny Matio 5:43–44, ny Mpamonjy dia nampianatra ny mpianany fa tsy ampy ny “[mitia] ny namanao ary [mankahala] ny fahavalonao.” Nila “[Nitia] ny fahavalon[y]” izy ireo mba hanarahana Azy.

  14. Jereo ny Môzià 5:2. Mba ahafahan’ilay famindram-pon’i Jesoa Kristy hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika, dia tsy maintsy miverina Aminy isika. Nampianatra i Almà Zanany fa ity “drafitry ny fanavotana [feno voninahitra ity] dia tsy ho azo notanterahina, raha tsy noho ny fibebahan’ny olona ihany … ; fa raha tsy teo ireo fepetra ireo, dia tsy ho nisy vokany ny famindram-po” (Almà 42:13).

  15. Jereo ny Môzià 3:19.

  16. Jaona 8:11.

  17. Jaona 6:38.

  18. Jereo ny Russell M. Nelson, “The Atonement,” Ensign, Nov. 1996, 35: “Tsy manam-petra, izany hoe mandrakizay, ny Sorompanavotany. Tsy manam-petra koa izany mba hahafahan’ny olona rehetra ho voavonjy amin’ny fahafatesana tsy manam-piafarana. Tsy manam-petra izany raha ny mahakasika ilay fijaliany lehibe. Tsy manam-petra izany raha mahakasika ny fotoana, satria namarana ny fomba arahina amin’ny fanaovana sorona biby taloha. Tsy manam-petra izany raha eo amin’ny halehibeny—notanterahina indray mandeha ho an’ny rehetra izany. Ary tsy hoe mipaka hatrany amin’ny olona maro tsy tambo isaina fotsiny ihany ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa mipaka ihany koa hatrany amin’ireo tontolo tsy tambo isaina izay nohariny. Tsy manam-petra ary mihoatra izay mety ho mari-drefin’olombelona na ny fahatakaran’olombelona izany.

  19. 2 Nefia 26:24.

  20. Jereo ny Lioka 15:4.

  21. 2 Petera 3:9; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–12.

  22. 3 Nefia 9:14.

  23. 3 Nefia 17:7; jereo ihany koa ny andininy 6.

  24. Ao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy izay milaza fa ny olona sasany dia tsy handova ny fanjakan’ny lanitra, dia nohazavaina tsara fa izany fiafarana izany dia tsy faniriany ho azy ireo fa vokatry ny safidy manokan’izy ireo kosa (jereo ny Matio 7:13–14, 21–25).

  25. Jereo ny Matio 27:50–51; Hebreo 9:6–12.