Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mampifandray ireo didy roa lehibe
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Mampifandray ireo didy roa lehibe

Ny fahafahantsika manaraka an’i Jesoa Kristy dia miankina amin’ny tanjatsika sy ny herintsika hiaina ireo didy voalohany sy faharoa amin’ny alalan’ny fanolorantena voalanjalanja sy mitovy.

Teny fanolorana

Raha nandeha namita iraka manerana izao tontolo izao izaho sy i Lesa vadiko dia tena nankafizinay tokoa ny fihaonana taminareo tao anatin’ireo vondrona lehibe sy kely. Ny fanolorantenanareo amin’ny asan’ny Tompo dia mankahery anay ary mijoro ho vavolombelon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Isaky ny miverina avy amin’ny dia tsirairay ataonay izahay dia manontany tena raha toa ka vitanay ny hanome tahaka izay noraisinay.

Sary
Rainbow Bridge.
Sary
Tsing Ma Bridge.
Sary
Tower Bridge.

Manana fotoana kely hizahana tany izahay rehefa misy dia ataonay. Isaky ny azo atao anefa dia mandany fotoana kely amin’ny zavatra ankafiziko manokana aho. Mahaliana ahy ny resaka haitaotrano sy ny tefibika ary mahavoasarika ahy manokana ny tetezana. Mahavariana ahy ny tetezana mihantona. Na ny tetezana Rainbow Bridge any Tokyo izany, na ny Tsing Ma Bridge any Hong Kong, na ny Tower Bridge any Londres, na ny hafa izay efa hitako, dia talanjona amin’ny fahaizan’ireo injeniera hita ao amin’ireo rafitra izay tena sarotra ireo aho. Ny tetezana dia mitondra antsika amin’ny toerana izay tsy ho azontsika aleha raha tsy misy azy. (Alohan’ny hanohizako dia tiako ny manamarika fa nandritra ny fanomanako ity hafatra ity dia nisy fahatapahana tetezana mahatsiravina tany Baltimore. Misaona amin’ireo aina nafoy isika ary miara-miory amin’ireo fianakaviana voakasik’izany.)

Tetezana mihantona tena tsara

Ny iraka momba ny fihaonambe iray vao tsy ela dia nitondra ahy tany Californie, toerana niampitako indray ilay Tetezana Golden Gate miavaka, izay raisin’ny injeniera ho zava-mahatalanjon’izao tontolo izao. Mitambatra ao anatin’izany rafitra manan-tantara izany avokoa ny endrika tsara sy ny rafi-piasa ary ny fahaizan’ny injeniera. Tetezana mihantona tsotra izany izay misy tilikambo toy ny boky tohanana andry lehibe. Ireo tilikambo mpitan-danja mitovy mijoalajoala sy miezinezina eo ambonin’ny ranomasimbe ireo no singa namboarina voalohany. Izy roa miaraka no mitondra ny vesatra entin’ireo tariby fototra sy ireo tariby mitsivalana izay mitazona ny lalana eo ambany. Ny fahafahana ananan’ilay tilikambo mihazona tsy mihozongozona, ilay herin’ilay tilikambo, no zava-mahagaga ao ambadiky ny firafitr’ilay tetezana.

Sary
Tetezana Golden Gate Bridge eo am-piorenana.

Distrikan’i Golden Gate Bridge

Ireo sary tany am-boalohan’ny fanamboarana an’ilay tetezana dia mijoro ho vavolombelona an’io fitsipika ara-tekinika io. Ny singa tsirairay amin’ny tetezana dia tazonin’ireo tilikambo roa mifanitsy izay mifampiankina ny fifandraisany.

Sary
Tetezana Golden Gate Bridge eo am-piorenana.

Getty Images/Underwood Archives

Rehefa vita ilay tetezana ka tafapetraka tsara ireo tilikambony roa, ary miraikitra tsara amina fototra vato ireo andry, dia maneho sarin’ny hery sy fahatsarana izany.

Sary
Tetezana Golden Gate Bridge.

Androany aho dia manasa anareo hijery ity tetezana mahavariana ity, miaraka amin’ireo tilikambony roa mijoalajoala miorina eo ambonin’ny fototra mafy orina, amin’ny alalan’ny fijerin’ny filazantsara.

Tany amin’ny fiafaran’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy, nandritra ilay antsointsika amin’izao fotoana izao hoe Herinandro Masina, dia nisy Fariseo anankiray izay mpahay lalàna1 nametraka fanontaniana iray tamin’ny Mpamonjy, izay fantany fa tsy ho hay valiana:2 “Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?” Nahazo valiny tena marina sy masina ary avy amin’ Andriamanitra ilay mpahay lalàna, izay “naka fanahy Azy” sy nikatsaka valiny araka ny lalàna, sady toa nanana fikasana te hamitaka.

“Dia hoy i Jesoa taminy: Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.” Raha jerena ilay fanoharantsika momba ny tetezana teo dia ilay tilikambo voalohany izany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Io ilay tilikambo faharoa!

“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”3 Ireo singa sisa amin’ilay tetezana!

Andeha hofakafakaintsika ny tsirairay amin’ireo didy roa lehibe ireo, izay nambara sy voalaza ao amin’ny valintenin’i Kristy. Eo am-panaovantsika izany dia aoka ny sarin’ilay tetezana mihantona tena tsara hanakoako ao amin’ny sainareo.

Tiavo ny Tompo

Ny voalohany dia ny mitia ny Tompo amin’ny fonao sy ny fanahinao ary ny sainao rehetra.

Ao amin’io valinteny io i Jesoa Kristy dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny lalàna voarakitra ao amin’ireo fampianarana masin’ny Testamenta Taloha. Ny mitia ny Tompo dia mifototra amin’ny fonao aloha voalohany indrindra, dia ilay tena toetranao. Mangataka ny Tompo ny mba hitiavanao amin’ny fanahinao rehetra4, ilay fiizinao manontolo, ary farany dia ny mitia amin’ny sainao rehetra, dia ny fahaizanao sy ny fahalalanao. Tsy misy fetrany na fiafarany ny fitiavana an’ Andriamanitra. Tsy manam-petra sy mandrakizay izany.

Ho ahy ny fampiharana ny didy lehibe voalohany dia mety ho sarotra ampiharina indraindray, mety hahakivy mihitsy aza. Soa ihany anefa fa raha mandinika ny tenin’i Jesoa tamin’ireo mpianany aho dia lasa mora takarina kokoa io didy io: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.”5 Raha izany dia azoko atao. Afaka mitia ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho, izay mitarika ahy hivavaka sy handalina ny soratra masina ary hitsaoka any amin’ny tempoly. Tia ny Ray sy ny Zanaka isika amin’ny alalan’ny fandoavana ny fahafolonkarena, ny fitandremana ny andro Sabata ho masina, ny fiainana fiainana mendrika sy madio, ary ny fankatoavana.

Ny fitiavana ny Tompo dia matetika refesina amin’ny zavatra madinika ataontsika isan’andro, ireo dingana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana: ho an’ny zatovo, izany dia ny fampiasana ny tambajotran-tserasera mba hampiorina fa tsy hanimba; ny fialana amin’ny fety na sarimihetsika na hetsika izay mifanohitra amin’ny fenitra arahina; fanehoana fanajana ho an’ny zavatra masina.

Saintsaino anie ity ohatra tsotra ity e! Nandondona varavarana tamina trano tsotra sy kelikely izaho sy i Vance6 tamin’ny andro Alahady fifadian-kanina iray. Renay sy ireo diakona hafa tao amin’ny kôlejy hatraty ambadiky ny varavarana ireo teny hoe “Mandroso ô!” tamin’ny feo mafy nisy lantom-peo alemana navesatra. Iray tamin’ireo mpifindra monina mananotena ao amin’ny paroasy rahavavy Muellar. Sarotra taminy ny hanokatra ny varavarana satria jamba tanteraka izy. Rehefa nandroso tao amin’ilay trano nisy jiro nitsilopilopy izahay dia narahabainy tamin’ny fanontaniana feno hatsaram-panahy hoe: Iza avy ny anaranareo? Manao ahoana ianareo izao? Tianareo ve ny Tompo? Namaly sy nizara izahay fa tonga haka ny fanomezana avy amin’ny fifadian-kaniny. Na dia mbola zaza aza izahay, dia niharihary ny fahasarotan’ny toe-javatra iainany, ary nahakasika ny fonay ny valinteny feno finoana avy taminy: “Nametraka vola madinika iray tetsy ambony latabatra aho anikeheo maraina. Feno fankasitrahana aho fa afaka manolotra fanomezana avy amin’ny fifadian-kaniko. Mba azonareo atao anaty valopy ve izany ary fenoinareo ny taratasy fandoavana izany?” Nanamafy ny finoanay ny fitiavany ny Tompo isaky ny nandao ny tokantranony izahay.

Nampanantena hery miavaka ny Mpanjaka Benjamina ho an’ireo izay manaraka ilay didy lehibe voalohany. “Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny [didy]. … Izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, … ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, … ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”7

Ny fitiavana ny Tompo dia mitarika amin’ny fahasambarana mandrakizay!

Tiavo ny namanao

Avy eo i Jesoa dia niteny hoe: “Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”8 Io ilay tilikambo faharoa eo amin’ilay tetezana.

Eto i Jesoa dia mampifandray ny fijerintsika miandrandra ny lanitra, dia ny mitia ny Tompo, sy ny fijerintsika ivelany eto an-tany, dia ny mitia ny mpiara-belona amintsika. Mifampiankina izy roa ireo. Tsy feno ny fitiavana ny Tompo raha toa ka tsy miraharaha ny namantsika isika. Tafiditra ao anatin’io fitiavana ivelany io daholo ny zanak’ Andriamanitra rehetra, tsy misy an-kanavaka na lahy na vavy, na inona saranga, na firazanana, na fironana ara-nofo, na fidiram-bola, na taona, na foko. Mikatsaka ireo izay maratra sy torotoro fo isika, ireo voailikilika, satria “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”9 “Mamonjy ny osa isika, mampiakatra ny tanana miraviravy ary manatanjaka ny lohalika malemy.”10

Saintsaino ity ohatra ity: Gaga rahalahy Evans11 raha notaomim-panahy hanajanona ny fiarany izy ary handondona eo amin’ny vararavan’ny fianakaviana iray tsy fantatra. Rehefa nanokatra ny varavarana ny vehivavy mananotena iray manan-janaka mihoatra ny 10 dia hitany mazava tsara ny toe-javatra sarotra iainan’izy ireo sy ny zavatra tena ilain’izy ireo. Tsotra ny voalohany tamin’izany, ny fandokoana ny tranon’izy ireo, izay narahin’ny fanompoana io fianakaviana io ara-nofo sy ara-panahy nandritra ny taona maro.

Izao no nosoratan’io reny feno fankasitrahana io taty aoriana momba ilay namany nirahin’ny lanitra: “Nandany ny androm-piainanao tamin’ny fanampiana ny kely indrindra taminay ianao. Mba tiako ho re ny zavatra holazain’ny Tompo anao rehefa hilaza ny fankasitrahany anao Izy noho ireo soa vitanao ara-bola sy ara-panahy, ho an’ireo olona izay ianao sy Izy irery ihany no mahafantatra azy. Misaotra anao nitahy anay tamin’ny fomba maro tokoa, … noho ireo misiônera izay notohananao … Manontany tena foana aho matetika hoe ny Tompo ve no nisafidy anao manokana sa ianao mihitsy no nihaino.”

Tafiditra ao anatin’ny hoe mitia ny namanao ireo asa feno hatsaram-panahy sy asa fanompoana. Moa ve ianao afaka hamoy ny lolompo, hamela heloka ny fahavalo, handray sy hanompo ny mpiara-belona aminao, ary hanampy ny zokiolona? Hahazo fitaomam-panahy ianareo tsirairay avy rehefa manorina ny tilikambon’ny fitiavana ny namana.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fanampiana ny hafa, ny fanaovana ezaka amin-kitsimpo mba hikarakara ny hafa tahaka, na mihoatra ny hikarakarantsika ny momba ny tenantsika, no fifaliantsika. Indrindra fa rehefa tsy mety amintsika izany ary voatery hanao zavatra tsy fanaontsika isika. Ny fiainana izany didy lehibe faharoa izany no fanalahidy hahatongavana ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.”12

Zavatra mifampiankina

Nampianatra i Jesoa taty aoriana hoe: “Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”13 Tena mampianatra zavatra izany. Misy zavatra manan-danja mampifampiankina eo amin’ny mitia ny Tompo sy ny fifankatiavan’ny tsirairay. Mba hahatonga ny tetezana Golden Gate Bridge hanatanteraka ny fiasa izay nanaovana azy dia mitovy ny hamafin’ireo tilikambo roa ary samy mitondra lanja mitovy hery hitondrana ireo tariby mampihantona, sy ny lalana, ary ny fifamoivoizana eo ambonin’ilay tetezana izany. Raha tsy misy izany fitoviana ara-tekinika izany dia mety ho simba ilay tetezana ary hirodana mihitsy aza. Mba hahatonga ny tetezana mihantona hahatratra ny tanjona nanorenana azy dia tsy maintsy miara-miasa mirindra tsara ireo tilikambony. Toy izany koa, ny fahafahantsika manaraka an’i Jesoa Kristy dia miankina amin’ny tanjaka sy ny herintsika hiaina ireo didy voalohany sy faharoa amin’ny fomba voalanjalanja sy fanolorantena mitovy amin’izy roa.

Sary
Tetezana Golden Gate Bridge.

Mahatonga antsika tsy hahita na hahatsiaro izany anefa indraindray ny fifandirana tsy mitsaha-mitombo eo amin’izao tontolo izao. Ny sasany dia mifantoka loatra amin’ny fitandremana ny didy ka tsy maneho fandeferana amin’ireo izay heveriny fa tsy marina loatra. Ny sasany dia mahita fa sarotra ny mitia an’ireo izay misafidy ny hiaina fiainana ivelan’ny fanekempihavanana na tsy mandray anjara amin’ny resaka fivavahana mihitsy.

Eo ankilan’izany dia misy ireo izay manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny mitia ny hafa kanefa tsy manaiky fa isika rehetra dia tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny sasany dia manda tanteraka an’ilay foto-kevitra hoe misy ny fahamarinana tanteraka, na ny mety sy ny tsy mety, ary mino fa ny hany zavatra takina amintsika dia ny fandeferana feno sy ny fanekena ny safidin’ny hafa. Ireo zavatra tsy mifandanja ireo dia samy mety hahatonga ny tetezana ara-panahinao hikorontana na hianjera mihitsy aza.

Io no nohazavain’ny Filoha Oaks raha nilaza izy hoe: “Nodidina isika hitia ny olona tsirairay avy, satria ny fanoharan’i Jesoa momba ilay Samaritana tsara fanahy dia mampianatra fa ny olona tsirairay no namantsika. Saingy ny fahazotoantsika fatratra hitandrina izany didy faharoa izany dia tsy tokony hahatonga antsika hanadino ilay didy voalohany, dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra.”14

Fehiny

Koa izao ary ny fanontaniana ho antsika tsirairay: Amin’ny fomba ahoana no anorenantsika ny tetezan’ny finoantsika sy ny fanolorantenantsika manokana, sady mampitsangana tilikambon-tetezana avo an’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namantsika? Ndeha ary hatomboka fotsiny. Mety ho tahaka ny drafitra iray nosoratana eo amin’ny mosara taratasy na ny kisarisary voalohan’ilay tetezana izay antenaintsika haorina ny ezaka ataontsika voalohany. Mety hahitana tanjona vitsy azo tanterahina izany mba hahatakarana ny filazantsaran’ny Tompo bebe kokoa na hanolo-tena ny tsy hitsara kokoa ny hafa. Tsy misy hoe tanora loatra na antitra loatra izany rehefa hanomboka.

Sary
Sary namolavolana ny tetezana.

Rehefa mandeha ny fotoana, rehefa manao drafitra ombam-bavaka sy voahevitra tsara, dia hihatsotra ireo hevitra mbola sarotra. Lasa fahazarana ireo zavatra vaovao atao. Lasa drafitra madio tsara ireo vakiraoka tany am-boalohany. Manorina ny tetezana ara-panahintsika isika miaraka amin’ny fo sy saina manolo-tena ho an’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Lahitokana miaraka amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika, sy anadahintsika sy rahavavintsika izay miara-miasa sy miara-milalao ary miara-miaina amintsika.

Any aoriana, rehefa mandalo tetezana mihantona mijoalajoala ianao na rehefa mahita sarin’izany, miaraka amin’ireo tilikambony misandratra ambony, dia manasa anao aho mba hahatsiaro ireo didy roa lehibe, izay nofaritan’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Enga anie hanome aingam-panahy antsika ireo toromarika omen’ny Tompo. Enga anie ny fontsika sy ny saintsika hisandratra mba hitia ny Tompo, ary hivelatra mba hitia ny namantsika.

Enga anie izany hanamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, izay ijoroako ho vavolombelona, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Ao amin’ny Testamenta Vaovao, [ny teny hoe mpahay lalàna dia] nitovy tamin’ny mpanora-dalàna, olona izay manana asa mianatra sy mampianatra ny lalàna, tafiditra ao anatin’izany ny lalàna voasoratra ao amin’ny Pentateoka ary koa -ny fomban’ny loholona- (Mat. 22:35; Marka 12:28; Lioka 10:25).”

  2. Nitanisa didy miisa 613 tao amin’ny Torah ny manam-pahaizana Jiosy fahiny, ary niady hevitra mafy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny tsirairay amin’izany. Mety nikasa ny hampiasa ny valintenin’i Jesoa hamelezana Azy angamba ilay mpahay lalàna. Raha nilaza Izy fa ny didy iray no zava-dehibe indrindra, dia mety hamela fahafahana hiampangana an’i Jesoa ho tsy miraharaha lafiny hafa amin’ny lalàna izany. Saingy nampangina ireo izay tonga mba hamandrika Azy ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ny fanambarana fototra izay, ankehitriny, no fototry ny zavatra rehetra ataontsika ato amin’ny Fiangonana.

  3. Matio 22:36–40.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15.

  5. Jaona 14:15.

  6. Novaina ny anaran’ireo voalaza ao amin’ny tantara mba hiarovana ny tsiambaratelo.

  7. Môzià 2:41.

  8. Matio 22:39.

  9. 2 Nefia 26:33.

  10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5.

  11. Anarana novaina mba hiarovana ny tsiambaratelo.

  12. Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019, 100.

  13. Matio 22:40.

  14. Dallin H. Oaks, “Ireo didy roalehibe,” Liahona, nôv 2019, 73–74.