Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ireo tempoly, tranon’ny Tompo mandrakotra ny tany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Tempoly, tranon’ny Tompo mandrakotra ny tany

Raha mankany amin’ny tranony masina amim-pahamendrehana sy amim-bavaka ianareo, dia ho heniky ny heriny.

Tsy tianareo ve ireo tonon-kira kanto vao nohiraintsika teo? “’Zaho hampahatanjaka sy hampitraka. … Hijoro ianao eo anatrehako.”1 Mampahatanjaka ireo Olomasina amin’ny sokajin-taona rehetra ny Tompo rehefa mankao amin’ny tranony masina izy ireo. Mameno ireo dobo fanaovam-batisan’ny tempoly ireo zatovo, noho ny finiavan’izy ireo manokana, any Kinshasa ka hatrany Zollikofen, any Fukuoka ka hatrany Oakland. Taloha ny ankamaroan’ireo mpiasa mpanao ôrdônansy lalaina indrindra dia efa fotsy volo—fa tsy izany intsony amin’izao. Hita eny amin’ny manodidina rehetra eny ireo misiônera voantso, ireo misiônera mpanao asa fanompoana ary ireo misiônera efa tafaverina. Misy fahatsapana mitombo hatrany misarika antsika ho any amin’ny tranon’ny Tompo, manerana izao tontolo izao.

Herintaona mahery kely lasa izay dia nisy namana iray izay havana akaiky, 95 taona, nonina tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Etazonia, izay nampianarin’ireo misiônera nandritra ny 70 taona, no nilaza tamin’ny zanany vavy hoe: “Te handeha hiaraka aminao any amin’ny tempoly aho.”

Namaly ilay zanany vavy hoe: “Hay, mbola mila atao batisa aloha ianao ry Neny a!”

Sary
Batisan’ny rahavavy zokiolona iray.

“Raikitra,” hoy izy namaly, “raha izany dia te hatao batisa aho.” Natao batisa izy. Andro vitsivitsy taty aoriana dia niditra tao amin’ny efitra fanaovam-batisan’ny tempoly tamim-panajana fatratra izy. Ary iray volana mahery kely lasa izay no nandraisany ny fanafiana masina sy ny famehezana ho an’ny tenany. “Mitombo ny fahalalana [sy ny herin’ Andriamanitra]; [Manomboka] misinda ny voaly nanarona [ny tany].”2

Sary
Rahavavy zokiolona eo ivelan’ny tempoly.

Efa nanontany tena ve ianareo hoe nahoana ny Tompo no nandidy ny mpaminany handrakotra ny tany amin’izao fotoana izao amin’ny ireo tempoliny masina?3 Nahoana Izy, amin’izao fotoana izao indrindra no nanome an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany ilay firoboroboana ilaina, mba hahafahana, amin’ny alalan’ny fahafolonkarena masin’izy ireo, manorina tranon’ny Tompo an-jatony?

Nampiseho ny endrika kanton’ireo tempoly eo andalam-panorenana manerana izao tontolo izao ny Filoha Dallin H. Oaks io maraina io. Tany Filipina izaho sy i Kathy vao tsy ela izay. Diniho ange izao fahagagana izao e: Natokana tamin’ny 1984 ny Tempolin’i Manille. Efa 26 taona taty aoriana, tamin’ny 2010 vao vita ny tempoly faharoa, tao Cebu City. Ankehitriny, 14 taona aty aoriana dia tempoly 11 no eo andalam-panorenana, na rafetina, na omanina hatokana. Asesiko avy any avaratra mianatsimo: Laoag, Tuguegarao, Santiago, Urdaneta, Alabang, Naga, Tacloban City, Iloilo, Bacolod, Cagayan de Oro, ary Davao. Mampitolagaga ny mahita ireo asa mahatalanjon’ Andriamanitra!

Sary
Tempoly ao Filipina.

Mihamanakaiky antsika ireo tranon’ny Tompo manerana izao tontolo izao. Nahoana no amin’izao androntsika izao?

Ny andro farany

Nampitandrina ny Tompo fa any am-parany any dia hisy ady eo amin’ny samy firenena,4 ny olona ho “tia tena,”5 hisamboaravoara ny zava-drehetra,”6 hiely ny fisafotofotoana,7 ary “ho reraka ny fon’ny olona.”8 Tena efa hitantsika tokoa fa reraka ny fon’ny lehilahy sy ny vehivavy: ny fitaoman’izao tontolo izao, ny fanelingelenana ataon’ireo feo mandrebireby, ny tsy firaharahiana ny famahanana ara-panahy, ny havizanana avy amin’ny zavatra takian’ny maha mpianatra.9 Angamba ianao efa nalahelo raha nahita olona akaikin’ny fonao, izay efa nisy fotoana niresaka tamin-kitsim-po mikasika ny finoany an’i Jesoa Kristy, nijoro ho vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna, ary nanam-paniriana mafy ny hanampy tamin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra, izay niova hevitra tampoka, amin’izao fotoana izao aloha hatreto, tamin’ny zavatra ninoany ary makamaka sisiny ao amin’ny Fiangonana. Ny torohevitro ho anao dia hoe aza kivy! Milamina tsara ny zavatra rehetra. Satria tsy misy tsy ho tanteraka rehefa miaraka amin’ Andriamanitra.10

Amin’io fisafotofotoana sy tsy finoana naminaniana mialoha io eto amin’izao tontolo izao, dia nampanantena ny Tompo fa hisy vahoakan’ny fanekempihavanana, vahoaka izay miandrandra fatratra ny fiaviany indray, vahoaka iray izay mitoetra amin’ny toerana masina ary tsy hoesorina amin’ny toerany.11 Niresaka vahoaka marina iray izay mahatohitra ny fitaky ny fahavalo Izy, mahafehy ny finoan’izy ireo, misaina amin’ny fomba selestialy, ary matoky tanteraka ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

Nahoana, amin’izao fotoana izao, no tempoliny an-jatony no ampanatonan’ny Tompo kokoa antsika? Ny antony iray dia satria nampanantena ny hampahatanjaka sy hitahy ireo Olomasiny mpanao fanekempihavanana eto anivon’izao tontolo feno fisafotofotoana sy fakam-panahy izao Izy, ary eo andalam-pahatanterahana ireo fampanantenany!

Fampanantenana avy amin’ny Tempolin’i Kirtland

Fomba ahoana no ahafahan’ireo trano masina ireo hampahatanjaka sy hampahery ary hiaro antsika? Mahita valiny isika ao amin’ny fitalahoan’ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Tao amin’io tempoly io no nihiran’ireo Olomasina ny hoe: “Andao hihira, hidera, hihoby [hiaraka amin’ireo tafiky ny lanitra.]”12 Ny Mpamonjy mihitsy no niseho, ary mpaminany fahiny maro no niverina, nanolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana fanampiny ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.13

Tamin’io fotoana masina tao amin’ny Tempolin’i Kirtland io no nivavaka ny mpaminany fa tafiana ny herin’ Andriamanitra ho fiadiana ny Olomasina ao amin’ny trano masin’ny Tompo, ka ny anaran’i Jesoa Kristy dia ho amin’izy ireo, ary ireo anjeliny no hikarakara azy ireo, ary izy ireo dia hitombo ao amin’ny Tompo ary “[h]andray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.”14 Ireo fitalahoana amin-kery ireo dia tanteraka eo amin’ny fiainantsika rehefa mitsaoka amim-pahatokiana ao amin’ny tranon’ny Tompo isika.

Mitafy hery

Tafiana ara-bakiteny amin’ny herin’ Andriamanitra isika ao amin’ny tranony.15 Hamafisina sy hampatanjahana ny finoana sy ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy. Mahazo antoka ara-panahy isika mikasika ny tena maha-izy antsika sy ny tanjon’ny fiainana.16 Rehefa mahatoky isika, dia mahazo fiarovana amin’ny fakam-panahy sy ny fandrebirebena. Mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy isika rehefa mampitraka antsika ao anatin’ny fahasarotana sy ny olana atrehantsika ary ny alahelo sy ratram-po mahazo antsika Izy. Mitafy ny herin’ Andriamanitra ho fiadiana isika.

Ny anarany ho eo amintsika

Mandray feno kokoa ny anarany eo amintsika isika ao amin’ny tranony masina. Miaiky ny finoantsika Azy sy ny finiavantsika hitandrina ireo didiny isika rehefa atao batisa. Manao fampanantenana amin’ny fomba masina isika ao amin’ny tempoly, amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana ataontsika, mba hanara-dia Azy mandrakizay.

Sary
Endriky ny Tempolin’i Heber Valley Utah.

Tena mampiaiky ireo zatovon’ity Fiangonana ity. Ao anatin’ny tontolo feno fahasarotana izy ireo no mitondra eo aminy ny anaran’i Kristy. Tany Heber City, Utah, dia nisy fivoriana ho an’ny daholobe natao handinihana ireo pitsopitson’izany hoe tempoly omanina ho aorina izany. Zatovo telonjato no nameno ilay toerana fitsangantsanganana teo akaiky teo mba haneho ny fanohanan’izy ireo ilay tempoly kasaina haorina. Nisy zatovolahy iray izay niresaka tamin’ireo mpitondra fanjakana nandritra ny fifanakalozan-kevitra ho an’ny daholobe iray, nanazava tamim-pahasahiana hoe: “manantena ny hanambady ao amin’io tempoly io aho. [Hanampy ahy ny tempoly] hitandrina ny tenako ho madio tsy misy pentina.” Ny iray indray dia namariparitra ny tempoly ho tandindon’ny fahazavana sy ny fanantenana. Zatovolahy sy zatovovavin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao no manaiky handray ny anaran’i Jesoa Kristy.17

Sary
Zatovo mameno toeram-pitsangantsanganana ao Heber City.

Ireo anjely eo anivontsika

Tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Joseph Smith mpaminany no nivavaka mba ireo “anjely no hikarakara [ireo Olomasiny].”18 Ny fanatanterahana tsy tapaka ôrdônansy ho an’ireo razambentsika ao amin’ny tempoly dia mitondra fanamafisana mamy sy azo antoka fa mitohy any ankoatry ny voaly ny fiainana.

Na dia masina loatra aza ny maro amin’ireo zavatra iainantsika any amin’ny tranon’ny Tompo ka tsy tsara zaraina amin’ny daholobe, dia azontsika zaraina ny sasany. Efapolo taona lasa izay, fony izahay nonina tany Floride, dia nandeha tany amin’ny tempoly tany Atlanta, Georgia izaho sy i Kathy. Ny alarobia alina, tamin’ny 9 mey 1984, raha nahavita fivoriana iray tao amin’ny tempoly izahay dia nisy mpanatanteraka ôrdônansy iray nanatona ahy ka nanontany ahy raha nanana fotoana aho hanaovana ôrdônansy fiomanana iray monja. Tsy dia mahazatra ny anaran’ilay olona izay nosoloiko tena. Eleazer Cercy no anarany.

Ny ampitson’io dia feno Olomasina ilay tempoly. Raha teo am-piomanana hanatanteraka ny fanafiana masina faharoa aho tamin’io andro io, dia nomena ahy ny anaran’ilay olona izay hosoloiko tena. Tsy nampoiziko fa ilay olona ny alin’io ihany no anarana nomena ahy, dia i Eleazer Cercy. Nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo aho teo am-pamitana ilay ôrdônansy. Taorian’izay, nony tolakandro, raha mbola tao amin’ny tempoly izahay, dia nahita zokiolona iray naman’ny fianakaviana i Kathy, dia Rahavavy Dolly Fernandez, izay monina any Atlanta ankehitriny. Koa satria tsy nisy lehilahy havany niaraka taminy, dia nanontany izy raha toa aho ka mety ho afaka manampy amin’ny famehezana ny rainy amin’ireo ray aman-drenin’ny rainy. Mazava ho azy fa nanaiky tamim-panajana aho.

Raha nandohalika iny aho teo amin’ny sisin’ny alitara ho an’io ôrdônansy masina io, dia mbola reko indray mandeha indray ilay anarana izay efa voarakitra tao an-tsaiko tamin’io, dia ny rainy, Eleazer Cercy. Mino tanteraka aho fa aorian’ity fiainana ity dia hihaona ary hifamihina amin’ny lehilahy iray izay nantsoina hoe Eleazer Cercy nandritra ny fiainany an-tany.

Mitondra fiadanana mifono fifaliana sy fanambarana malefaka mihoatra noho ny fisehoana mahatalanjona ny ankamaroan’ireo zavatra iainantsika ao amin’ny tranon’ny Tompo. Kanefa matokia: miahy antsika ny anjely!

Ny fahafenoan’ny Fanahy Masina

Omena antsika ny fanomezana ny Fanahy Masina rehefa raisina ho mpikamban’ny Fiangonana isika. Isan-kerinandro isika, rehefa mandray amim-pahamendrehana ny mofo sy rano mba hahatsiarovana ny Mpamonjintsika, dia ampanantenaina fa hiaraka amintsika mandrakariva ny Fanahiny.19 Rehefa omban’ny fo feno finiavana no ankanesantsika any amin’ny tranon’ny Tompo, izay toerana masina indrindra eto an-tany, dia mitombo ao amin’ny Tompo isika ary afaka “mandray [bebe kokoa] ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.”20 Heniky ny fiadanana sy fifaliana ary fanantenana tsy hay lazaina isika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.21 Mandray ny tanjaka hijanonana ho mpanara-dia Azy isika na dia any ivelan’ny toerana masina aza no misy antsika.

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. Hahita famantarana mahagaga isika fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy … dia mitantana ity Fiangonana ity amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra.”22 Ny fandrakofana ny tany amin’ireo tranon’ny Tompo dia mariky ny asa lehibe sy feno fahagagana.22

Ry namako malala, raha afaka isika kanefa mbola tsy nampitombo ny fankanesantsika any amin’ny tempoly, dia aoka isika hitady tsy tapaka fotoana misimisy kokoa hanompoana ao amin’ny tranon’ny Tompo. Aoka isika hivavaka ho an’ireo tempoly izay efa nambara, mba ho voavidy ireo tany, mba ho eken’ireo fitondram-panjakana ireo drafitra, mba hitombo ny fanomezam-pahasoavan’ireo mpiasa manan-talenta, ary mba hitondra ny fankasitrahan’ny lanitra sy ny fitsidihan’ireo anjely ireo fotoam-panokanana masina.

Fampanantenana

Ny tempoly dia tena tranon’ny Tompo ara-bakiteny mihitsy. Mampanantena anareo aho fa raha mankany amin’ny tranony Masina amim-pahamendrehana sy amim-bavaka ianareo, dia hotafiana ny heriny ho fiadiana ianareo, ny anarany no ho eo aminareo, ny anjeliny no hikarakara anareo, ary hitombo ny fitahiana ho azonareo avy amin’ny Fanahy Masina.

Nampanantena ny Tompo hoe: “Ny olona tsirairay izay mahafoy ny fahotany ka manatona Ahy ary miantso ny anarako sy mankatò ny feoko ary mitandrina ny didiko, dia hahita ny tavako ary hahafantatra fa Izy Aho.”24 Misy fomba maro hahitana ny tavan’i Kristy, ary tsy misy toerana tsara kokoa noho ny ao amin’ny tranony masina.25

Amin’izao andron’ny fisafotofotoana sy ny korontana izao, dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny tempoly no tranony masina ary hanampy amin’ny fiarovana antsika, ary manomana antsika ho amin’ilay andro feno voninahitra izay hiverenan’i Jesoa Kristy indray amin-kery sy voninahitra lehibe, miaraka amin’ireo anjeliny masina. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 12.

  2. “Fanahin’ny Ray,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 56.

  3. Misy 182 ireo tempoly amperin’asa ankehitriny. Enina no eo am-panavaozana. Fito no miandry fanokanana, ary iray fanampiny miandry famerenana fanokanana. Misy 45 aorina, ary 94 fanampiny efa nambara na eo amin’ny dingan’ny famolavolana ny endriny.

  4. Jereo ny Lioka 21:10.

  5. 2 Timoty 3:2.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:91.

  7. Nilaza ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ireo fitsipiky ny filazantsara ho ahy sy ho anao dia toy ny familiana ho an’ny sambo iray. Ireo fitsipika marina dia manome fahafahana antsika hahita ny lalantsika sy hijoro ho mafy orina sy tsy ho azo hozongozonina mba tsy hampitongilangilana antsika ka hianjera ao anatin’ny tafiotry ny haizina sy ny fisafotofotoana amin’izao andro farany izao” (“Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 126).

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26.

  9. “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy” (Matio 16:24).

  10. Jereo ny Lioka 1:37.

  11. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8.

  12. Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 56–57.

  13. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110. Talohakelin’io fotoana io no nandraisan’ny mpaminany Joseph Smith ny fisoronana Aharôna sy ny fanalahidiny avy tamin’i Jaona Mpanao batisa, ary nandraisany ny fisoronana Melkizedeka sy ny fanalahidiny avy tamin’ny apôstôly Petera, Jakoba ary Jaona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 27:12–13).

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:15; jereo koa ny andininy 22.

  15. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson: “Afaka manampy antsika ao anatin’izany fikatsahantsika izany ny tempoly. Tafiana ny herin’ Andriamanitra isika rehefa ao, izay manome fahafahana antsika handresy an’i Satana, ilay mpitarika ny fifandirana rehetra” (“Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023,101).

  16. Jereo ny Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), Médiathèque de l’Évangile.

  17. Loholona Colin Stauffer, fifandraisana manokana, 30 jan. 2024.

  18. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22.

  19. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79.

  20. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:15.

  21. Jereo ny Romana 15:13.

  22. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96.

  23. Nilaza i Brigham Young hoe: “Hanana tempoly an-jatony isika ary lehilahy sy vehivavy anarivony manompo ao ho an’ireo izay efa nodimandry, ka tsy nanana fahafahana haheno ny Filazantsara sy hankatò izany” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 312). Ary nilaza i Ezra Taft Benson hoe: “Ireo nialoha lalana antsika dia naminany fa ireo tempoly dia handrakotra ny tontolo any Amerika Avaratra sy Atsimo, any amin’ireo nosin’i Pasifika, any Eorôpa sy ny any ankafa. Raha ho tanterahana araka ny halehibe tokony hanatanterahana azy ity asa fanavotana ity, dia tempoly an-jatony no hilaina” (Teaching of Ezra Taft Benson [1988], 247).

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1.

  25. Hoy ny Loholona David B. Haight:

    “Marina tokoa fa tena nahita ny Mpamonjy ny olona sasany, kanefa rehefa mijery ao anatin’ny rakibolana ny olona iray dia mahita fa misy dikany maro ny teny hoe mahita, toy ny hoe lasa mahafantatra Azy, mahay manavaka Azy, mahalala Azy sy mahalala ny asany, mahatsapa ny lanjany na lasa mahatakatra ny momba Azy.

    “Afaka mahazo fahatakarana sy fitahiana avy any an-danitra toy izany ny tsirairay avy amintsika” (“Temples and Work ThereinEnsign, Nov. 1990, 61).