Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Noho ny fahendren’ny Tompo no ananantsika ny Bokin’i Môrmôna
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Noho ny fahendren’ny Tompo no ananantsika ny Bokin’i Môrmôna

Mivavaka aho mba ho fifaliana sy fitahiana ho an’ny tsirairay avy amintsika ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity.

Ry rahalahy sy anabavy, maha feno fankasitrahana anay tokoa ireo ezaka ataonareo amin’ny famakiana ny Avia, hanaraka Ahy. Misaotra anareo noho ny zavatra rehetra ataonareo. Misy fiantraikany lalim-paka ny fifandraisanareo isan’andro amin’ Andriamanitra sy ny teniny. “Mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe.”1

Ny famakiana ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina dia manampy antsika hanova ny tokantranontsika ho toerana masina isian’ny finoana sy ho ivon-toerana fianarana ny filazantsara.2 Manasa ny Fanahy ho ao an-tokantranontsika izany. Hameno fifaliana ny fanahintsika3 ny Fanahy Masina ary hanova antsika ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana.

Nandritra ny taona maro lasa izay, raha namaky ireo bokin-tsoratra masina isika, dia nahita nivelatra teo anoloantsika ireo fampianaran’ Andriamanitra ny zanany tamin’ireo fotoampitantanan’ny filazantsara lehibe rehetra.4

Mahita tamberin-javatra mitovy amin’izany isika isaky ny fotoampitantanana. Averin’ Andriamanitra amin’ny laoniny na ambarany amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manaraka ny mpaminany ny olona ary voatahy tokoa. Kanefa rehefa mandeha ny fotoana dia tsy mihaino ny tenin’ireo mpaminany intsony ny olona ary manalavitra ny Tompo sy ny filazantsarany. Izany no antsointsika hoe apôstazia. I Adama no nanambarana voalohany ny filazantsara, saingy nandà ny Tompo ny zanak’i Adama sy i Eva ka tafalatsaka tao anatin’ny apôstazia.5 Hitantsika niverimberina ny hodin’ny famerenana amin’ny laoniny sy ny apôstazia tamin’ny fotoampitantanan’i Enoka, Noà, Abrahama, sy Mosesy ary ny hafa.

Miaina ao anatin’ny fotoampitantanan’ny fotoam-pahafenoana isika ankehitriny.6 Ity irery ihany no fotoampitantanana izay tsy hiafara amin’ny apôstazia.7 Ity fotoampitantanana ity no hanomana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Mpamonjy Fanindroany sy ny fanjakany mandritra ny arivotaona.

Koa inona ary no mampiavaka ity fotoampitantanana ity? Inona no nomen’ny Tompo ankehitriny, indrindra fa amin’izao androntsika izao, ka hanampy antsika hanakaiky ny Mpamonjy sy tsy handao Azy na oviana na oviana?

Ny soratra masina no valiny iray tonga ato an-tsaiko—ary indrindra ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Na dia nampanantena ny tsy hisian’ny apôstazia lehibe intsony aza Andriamanitra dia mila misaina sy mitandrina isika ndrao tafalatsaka ao anatin’ny apôstazia an’ny tena manokana—omban’ny fahatsiarovana ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson fa: “Tompon’andraikitra amin’ny fivoarana ara-panahin’ny tenantsika manokana isika.”8 Ny fandalinantsika ny Bokin’i Môrmôna, tahaka ny ataontsika amin’ity taona ity, dia mampanakaiky antsika lalandava amin’ny Mpamonjy, ary manampy antsika hitoetra eo akaikiny.

“Mandalina” no iantsoantsika izany ary tsara izany satria mifono ezaka. Saingy tsy voatery hianatra zava-marina vaovao foana isika. Indraindray ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna no miompana tsotra fotsiny amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra anio: manolokolo fanahy, mahazo hery ara-panahy mialoha ny hiatrehana ireo olam-piainana, na mahita fanasitranana aorian’ny tontolo andro sarotra eo anivon’izao tontolo izao.

Mandalina soratra masina isika mba hahafahan’ny Fanahy Masina, ilay mpampianatra lehibe, hampalalina kokoa ny fiovam-pontsika ary mba hanampiana antsika ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.9

Rehefa ataontsika ao an-tsaina ireo dia afaka mandinika isika hoe: “Inona no nampianarin’ny Fanahy Masina antsika tamin’ity herinandro ity nandritra ny fandalinantsika ny Bokin’i Môrmôna?” ary “Ahoana no hampanakaikezan’izany antsika amin’ny Mpamonjy?”

Fanontaniana tsara ho an’ny fandalinantsika soratra masina ao an-tokantrano ireo. Fanontaniana tena tsara entina manomboka ny fianarana amin’ny alahady any am-piangonana koa ireo. Manatsara ny fampianarantsika isaky ny alahady any am-piangonana isika amin’ny alalan’ny fianarantsika any an-tokantrano mandritra ny herinandro. Noho izany ao amin’ireo kilasintsika mandritra ny alahady “izay mitory sy izay mandray dia mifankahazo ka samy mahazo hery sy miara-mifaly.”10

Ireto misy andinin-tsoratra masina vitsy nahatsapako ny Fanahy tamin’ny fomba mahery vaika raha nandalina ny Bokin’i Môrmôna aho tamin’ity herinandro ity:

  • Nanafatra an’i Jakôba i Nefia mba “[hitahiry ireto talelaka ireto ary [hanolotra izany] … ny taranaka mifandimby. Ary raha toa misy fitoriana izay masina, na fanambarana … , na faminaniana,” dia tokony “hosokiri[n’i Jakôba] eo amin’ireto takelaka ireto … noho ny amin’ny olo[ny].”11

  • Mijoro ho vavolombelona i Jakôba avy eo hoe: “Nanadihady ny [soratra masina] … izahay; ary satria manana ireo vavolombelona rehetra ireo izahay dia mahazo fanantenana, ary ny finoanay dia tsy voahozongozona.”12

Nahatonga ahy hahatsiaro ny zavatra nolazain’i Nefia taloha momba ny takela-barahana ireo andininy ireo:

“Nahazo ny rakitsoratra … izahay ary efa nodinihinay izany ka hitanay fa … sarobidy mihitsy [aminay], hany ka afaka nitahiry ireo didin’ny Tompo ho an’ireo zanakay izahay.

“Noho izany dia fahendrena tao amin’ny Tompo ny nitondranay izany niaraka taminay, raha nandeha tany an-tany foana izahay hankany amin’ny tany nampanantenaina.”13

Izao, raha fahendrena ho an’i Lehia sy ny fianakaviany ny nanana ny soratra masina, dia fahendrena ho antsika koa izany ankehitriny. Mbola lehibe sy mitondra hery ara-panahy hatrany eo amin’ny fiainantsika ankehitriny ny soratra masina.

Tsy mbola nisy olona teo amin’ny tantara ka afaka nahazo ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masina hafa tahaka ny isitrahantsika izany ankehitriny.14 Eny, voatahy i Lehia sy ny fianakaviany raha nitondra ny takela-barahana niaraka tamin’izy ireo, saingy tahadika iray ihany no nifampizarany! Ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna manan-danja indrindra dia ilay an’ny tenantsika manokana. Dia ilay tahadika izay vakintsika izany.

Tao amin’ny fahitany momba ny hazon’aina i Lehia dia nampianatra antsika ny lanjan’ny fiainan’ny tena manokana ny fitiavan’ Andriamanitra. Taorian’ny nihinanany tamin’ilay voa i Lehia dia nahita teny lavidavitra an’i Sarià vadiny, sy i Nefia sy i Samy zanany lahy.

“Nijoro teo izy ireo toy ny tsy nahafantatra izay tokony halehany.

“… Nohofaiko tanana izy ireo,” hoy i Lehia, “ary nolazaiko azy ireo koa tamin’ny feo avo fa tokony hanatona ahy izy ireo ary hihinana amin’ny voankazo izay mampilendalenda lavitra noho ny voankazo hafa rehetra.

“Ary … nanatona ahy izy ireo ary nihinana tamin’ny voankazo koa.”15

Tiako ny toetra maha-ray aman-dreny feno fiahiana nasehon’i Lehia. Nanana fiainana tsara sy feno fahamarinana i Sarià sy i Nefia ary i Samy. Saingy nanana zavatra tsara kokoa ho azy ireo ny Tompo, zavatra mamy kokoa ho azy ireo. Tsy fantatr’izy ireo ny hahitana izany, fa i Lehia kosa nahafantatra. Noho izany dia niantso azy ireo “tamin’ny feo avo” izy mba hankeny amin’ilay hazon’aina ka hihinana manokana amin’ilay voa. Nazava ny toromarika nomeny. Tsy niteraka fifandisoan-kevitra.

Nobeazina ray aman-dreny feno fiahiana toy izany koa aho.16 Fony aho mbola kely, angamba 11 na 12 taona teo, dia nanontany ahy ny reniko hoe: “Mark a, fantatrao manokana ve, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, fa marina ny filazantsara?”

Tsy nampoiziko ny fanontaniany. Niezaka ny ho “zaza hendry” foana aho ary noheveriko fa izay dia ampy. Saingy ny reniko, toa an’i Lehia, dia nahafantatra zavatra hafa nila natao. Nila nanao asa sy nahafantatra ho an’ny tenako aho.

Namaly aho fa tsy mbola niaina izany. Dia toa tsy nanaitra azy ny valin-teniko.

Avy eo izy dia niteny zavatra izay tsy hohadinoiko velively. Mbola tadidiko hatrany ireo teniny hatramin’izao: “Maniry ny hahafantaranao ho an’ny tenanao ny Ray any An-danitra. Saingy mila manao ezaka ianao. Mila mamaky ny Bokin’i Môrmôna sy mivavaka ianao mba ahafantarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Hamaly ny vavakao ny Ray any An-danitra.”

Tsy mbola namaky ny Bokin’i Môrmôna mihitsy aho taloha. Tsy noheveriko hoe efa amin’ny taona hanaovana izany aho. Saingy nahafantatra ny mety indrindra ny reniko.

Nandrehitra faniriana ny hahafantatra ho ahy manokana ilay fanontaniany.

Noho izany, isak’alina aho, ao amin’ny efitrano fandriana niarahako tamin’ireo rahalahiko dia narehitro ny jiro teo an-doham-pandriako ary namaky toko iray tao amin’ny Bokin’i Môrmôna aho. Avy eo rehefa namono jiro aho dia nidina ny fandriako, nandohalika nivavaka. Nivavaka tamin-kitsim-po kokoa aho ary nanam-paniriana lehibe kokoa noho ny teo aloha. Nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra aho mba hampahafantarany ahy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

Hatramin’ny nanombohako namaky ny Bokin’i Môrmôna no nahatsapako fa fantatry ny Ray any An-danitra ireo ezaka ataoko. Ary tsapako fa nanan-danja Taminy aho. Nahatsapa fahatoniana sy fampiononana aho tao anatiko rehefa namaky sy nivavaka. Nitombo sy nihanahery hatrany ny finoako isaky ny mamaky toko iray aho. Tsapako niandalana fa ireo fahatsapana ireo no fanamafisana momba ny fahamarinana avy amin’ny Fanahy Masina.17 Lasa nahafantatra manokana aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna, fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fanasana nentanim-panahy nataon’ny reniko.

Io traikefa tamin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fahazazako io no nanomboka ny lamina fandalinana soratra masina izay manohy mitahy ahy mandrak’ankehitriny. Mbola mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho ary mandohalika rehefa mivavaka. Ary ny Fanahy Masina dia manamafy ny fahamarinan’izany amiko ombieny ombieny.

Marina ny nolazain’i Nefia. Fahendrena tao amin’ny Tompo ny hitondrantsika ny soratra masina miaraka amintsika mandritra ny androm-piainantsika. Ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharana” izay tsy mampitovy an’ity fotoampitantanana ity amin’ireo fotoampitantanana taloha. Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna sy manaraka ireo mpaminany velona isika dia tsy hisy apôstazian’ny tena manokana hitranga eo amin’ny fiainantsika.18

Tsy fanasan’i Lehia ho an’ny fianakaviany fotsiny ilay fanasana mba hankeo amin’ny hazon’aina amin’ny alalan’ny famikirana amin’ny tenin’ Andriamanitra, ary tsy fanasana avy amin’ny reniko ho ahy fotsiny ny famakiana sy ny fivavahana momba ny Bokin’i Môrmôna. Fanasana nataon’ny Mpaminany Russell M. Nelsona ho antsika tsirairay avy koa izany.

“Mampanantena […] aho” hoy izy, “fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa—isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo.”19

Mivavaka aho mba ho fifaliana sy fitahiana ho an’ny tsirairay avy amintsika sy hampanakaiky kokoa antsika amin’ny Mpamonjy ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity.

Velona ny Ray any An-danitra. Mpamonjy sy Mpanavotra antsika i Jesoa Kristy. Mirakitra ny teniny sy mampita ny fitiavany ny Bokin’i Môrmôna. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany velon’ny Tompo eto an-tany amin’izao fotoana izao. Fantatro fa marina ireo zavatra ireo noho ny fanamafisan’ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina, tenivavolombelona izay noraisiko voalohany fony aho namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fahazazako. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33.

  2. “Ilay fandaharam-pampianarana manome sehatra ny fiainana sy fianarana ny zavatra ara-panahy ao an-tokantrano, izay hamafisin’ny zavatra atao any am-piangonana dia manana ny fahafahana hamoaka ny herin’ny fianakaviana, rehefa miezaka manao zavatra amim-pahamalinana sy amim-pitandremana ny fianakaviana tsirairay mba hanova ny fonenany ho toerana masina isian’ny finoana. Mampanantena aho fa rehefa miasa amim-pahavitrihana hanamboatra ny tokantranonareo ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara ianareo dia ho tena fahafinaretana ny andro Sabatanareo rehefa mandeha ny fotoana. Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo ary hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo. Ho lehibe sy hampahery ny fiovana eo amin’ny fianakavianareo” (Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113).

  3. “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, hanomezako amin’ny Fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao, izay hameno fifaliana ny fanahinao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13).

  4. “Ny fotoampitantanana dia vanim-potoana iray izay ananan’ny Tompo farafahakeliny mpanompo iray eto an-tany ombam-pahefana sady mihazona ny fisoronana masina ary notendren’ Andriamanitra hizara ny filazantsara eo anivon’ny mponina eto an-tany” (Sujets et questions, “Dispensations,” Médiathèque de l’Évangile).

  5. Jereo ny Mosesy 5:12–16.

  6. Nahita ny androntsika, ny fotoampitantanana misy antsika, i Daniela mpaminany fony izy nandika ny nofin’i Nebokadnezara. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ilay vato tao amin’ilay nofy, voaendaka teny an-tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, nikodiadia nahafeno ny tany manontolo (jereo ny Daniela 2:34–35, 44–45; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2).

  7. “Niantso ny Mpaminany Joseph Smith mba ho mpaminanin’ity fotoampitantanana ity Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany ireo fahefana rehetra avy amin’ Andriamanitra nandritra ireo fotoampitantanana teo aloha. Tsy voafetran’ny fotoana na ny toerana ity fotoampitantanana ity. Tsy hiafara amin’ny apôstazia izany ary hameno ny tany” (Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Liahona, Nov. 2006, 79–80).

  8. Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 8.

  9. Jereo ny “Ny fiovam-po no tanjontsika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024, v.

  10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:22; jereo koa ny andininy 17–21.

  11. Jakôba 1:3–4.

  12. Jakôba 4:6.

  13. 1 Nefia 5:21–22.

  14. Nambara vao haingana fa tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna miisa 200 tapitrisa no voazara tamin’ity fotoampitantanana ity. Mahatalanjona tokoa izany. Nadika tamin’ny fiteny 113 ny Bokin’i Môrmôna, ary fandikana vaovao amin’ny fiteny 17 no eo an-dalam-pandikana. Fitahiana lehibe tokoa ny manana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny endriny vita printy, nomerika, raki-peo, horonan-tsary ary amin’ny endriny hafa. (Jereo ny Ryan Jensen, “Church Distributes 200 Millionth Copy of the Book of Mormon,” Church News, Dec. 29, 2023, thechurchnews.com.)

  15. 1 Nefia 8:14–16; nampiana fanamafisana.

  16. “Ny fitaomana ara-panahy mahery vaika indrindra eo amin’ny fiainan’ny ankizy iray dia ny ohatra tsara asehon’ny ray aman-dreny sy ny raibe sy renibe be fitiavana izay mitandrina amim-pahatokiana ny fanekempihavanana masin’izy ireo manokana. Ny ray aman-dreny manam-paniriana tsara dia mampianatra ny zanany ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, mba -hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany- [2 Nefia 25:26]. Ny fanamaivanana sy ny fanaovana kitoatoa ny fitandremana fanekempihavanana dia mitarika amin’ny tsy firaharahiana ara-panahy. Matetika ny fahasimbana ara-panahy no tena goavana eo amin’ny zanatsika sy zafikelintsika.” (Kevin W. Pearson, “Mbola vonona ve ianareo?,” Liahona, nôv. 2022, 69).

  17. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–24.

  18. Hoy ny Mpaminany Joseph Smith: “Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa” (ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna).

  19. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 62–63.