Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Rakitsoratra ny amin’ny zavatra izay sady efa hitako no reko
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Rakitsoratra ny amin’ny zavatra izay sady efa hitako no reko

Tsy mbola nisy fotoana tsara kokoa amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy noho ny amin’izao fotoana izao.

Nony nahavita fianarana tao amin’ny sekolin’ny lalàna aho dia nisafidy ny hiditra tao amina orinasa eo amin’ny sehatry ny lalàna iray izay niompana manokana tamin’ny lalàna momba ny fitsarana izaho sy i Marcia vadiko. Rehefa nanomboka ny fiofanana teo am-piasana aho dia nandany ny ankamaroan’ny fotoanako tamin’ny fanomanana vavolombelona hijoro ho vavolombelona amin’ny fitsarana. Tsy ela akory dia fantatro fa nofariparitana tao amina efitrano fitsarana iray ny fahamarinana rehefa nijoro ho vavolombelona tao anatin’ny fianianana ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra hitany sy reny ireo vavolombelona. Raha nijoro ho vavolombelona ireo vavolombelona dia sady noraketina an-tsoratra no notehirizina ny tenin’izy ireo. Manan-danja teo amin’ny voalohan-daharan’ny fanomanako ny fananana olona mpijoro vavolombelona azo antoka.

Tsy niandry ela aho dia tonga saina fa ireo voambolana nampiasaiko isan’andro tamin’ny naha-mpisolovava ahy ihany koa no voambolana nampiasaiko tamin’ireo resaka fataoko momba ny filazantsara. Ny “vavolombelona” sy ny “fijoroana ho vavolombelona” dia voambolana ampiasaintsika rehefa mizara ny fahalalantsika sy ny fahatsapantsika momba ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

Rehefa avy notohanana tamin’ny naha Fitopololahin’ny Vondromparitra ahy aho dia nanokatra ny soratra masina mba hianarana ny adidiko ary namaky ny tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:25 izay milaza hoe: “Ny Fitopololahy dia antsoina koa … ho vavolombelona manokana amin’ny Jentilisa sy eran’izao tontolo izao.” Azonareo an-tsaina angamba fa voasarika tamin’ilay teny hoe “[ireo] vavolombelona manokana” ny masoko. Lasa nazava tamiko fa nanana adidy sy andraikitra aho ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako—​ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny anaran’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany—na aiza na aiza nalehako manerana izao tontolo izao.

Maro ireo ohatra ao amin’ny soratra masina mikasika ireo izay nanatri-maso sy nijoro ho vavolombelona momba ny zavatra hitany sy reny.

Rehefa nanomboka ny rakitsorany ny mpaminany Môrmôna fahiny dia nanoratra izy hoe: “Ary ankehitriny, izaho Môrmôna dia manao ny rakitsoratra ny amin’ny zavatra izay sady efa reko no hitako, ary antsoiko hoe ny Bokin’i Môrmôna izany.”1

Nanasitrana lehilahy iray tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta i Petera sy i Jaona Apôstôlin’ny Mpamonjy ary avy eo dia nogadraina noho ny fanaovana izany.2 Rehefa nodidiana tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesoa izy ireo dia namaly hoe:

“Tsaraonareo na marina eo imason’ Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.

“Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.”3

Ny fijoroana ho vavolombelona iray hafa mahasarika dia avy amin’ireo Olomasina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanatri-maso ny fitsidihan’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Henoy izao filazalazana ny zavatra niainan’izy ireo izao: “Ary toy izao no fomba ijoroany ho vavolombelona: Ny maso dia tsy mbola nahitana oviana na oviana, ny sofina tsy mbola nandre zavatra lehibe sy mahatalanjona loatra toy izay hitanay sy renay notenenin’i Jesoa tamin’ny Ray.”4

Ry rahalahy sy ranabavy, anio aho dia manambara ny fijoroako ho vavolombelona ary manao firaketana ny amin’izay zavatra hitako sy reko nandritra ny asa fanompoana masina nataoko tamin’ny naha-Fitopololahin’i Jesoa Kristy Tompo ahy. Amin’ny fanaovana izany dia mijoro ho vavolombelona aminareo aho ny amin’ny Ray any an-danitra be fitiavana sy ny Zanany malala-tanana, Jesoa Kristy, izay nijaly sy maty ary nitsangana indray mba hanolotra ny fiainana mandrakizay ho an’ireo zanak’ Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny “asa mahatalanjona sy mahagaga iray”5 ary naninjitra ny tanany fanindroany ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsarany eto an-tany amin’ny alalan’ireo mpaminaniny sy apôstôliny velona.6 Mijoro ho vavolombelona aho fa araka ny zavatra izay efa hitako sy reko dia tsy mbola nisy fotoana tsara kokoa amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy noho ny ankehitriny. Fantatro avy amin’ny fahalalako manokana izany, tsy miankina amin’ny loharano hafa rehetra, noho ny amin’ny zavatra izay sady efa hitako no reko.

Nandritra ny taom-pianarana farany tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, mba hamitana ny fianarana seminera, dia tsy maintsy namantatra ireo tempoly 15 an’ny Fiangonana aho. Nisy sarin’ny tempoly tsirairay teo anoloan’ny efitrano fianaranay, ary tsy maintsy nahafantatra ny toerana misy ny tsirairay avy tamin’izy ireo aho. Ankehitriny, taona maro aty aoriana, dia ho fanamby goavana izany ny hamantatra izany noho ireo tempoly 335 miasa na nambara. Nahita manokana ny maro tamin’ireo tranon’ny Tompo ireo aho ary mijoro ho vavolombelona fa mihamaro hatrany ireo zanany manerana izao tontolo izao izay toloran’ny Tompo ireo fitahiany sy ireo ôrdônansiny.

Nampianatra ahy ireo namako eo anivon’ny FamilySearch fa anarana vaovao maherin’ny iray tapitrisa no voampiditra ao amin’ny FamilySearch isan’andro. Raha toa ka tsy nahita ny razambenao ianao omaly dia manasa anao aho mba hikaroka indray rahampitso. Raha ny momba ny fanangonana an’i Isiraely any ampitan’ny voaly dia tsy mbola nisy fotoana tsara kokoa amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy noho ny ankehitriny.

Rehefa nitaiza ny zanakay tany Twin Falls, Idaho izahay dia nisy fetrany ny fomba fijerinay ny Fiangonana maneran-tany. Nony nantsoina ho Manampahefana Ambony aho dia notendrena hanompo tao amin’ny Vondromparitr’i Pasifika izaho sy i Marcia, izay toerana tsy mbola nalehanay. Faly izahay nahita tsatòka avy any an-tampon’i Nouvelle-Zélande ka hatrany ambany, izay nisy tempoly iray notokanana tamin’ny 1958. Iray tamin’ireo 15 tsy maintsy nataoko tsianjery tao amin’ny seminera izy io. Nahita tempoly izahay tany amin’ireo tanàn-dehibe rehetra any Aostralia, niaraka tamina tsatòka manerana an’io kaontinanta io. Nanana andraikitra tany Samoa izahay, izay misy tsatòka 25, ary Tonga, izay efa ho ny antsasaky ny mponina no mpikamban’ny Fiangonana. Nanana andraikitra tany amin’ny nosy Kiribati izahay, toerana nahitanay tsatòka roa. Nanana andraikitra hitsidika tsatòka tao Ebeye any amin’ny Nosy Marshall sy Daru any Papouasie-Nouvelle-Guinée izahay.

Rehefa tapitra ny fotoananay tany amin’ireo Nosy Pasifika, dia notendrena hanompo tany Philippines izahay. Talanjona aho fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy any Philippines dia mitombo mihoatra noho izay rehetra noheveriko. Misy tsatòka 125 any ankehitriny sy misiôna 23 ary tempoly 13 amperinasa na nambara. Nanatri-maso fiangonana iray nisy mpikambana 850.000 mahery aho tao amin’izany firenena izany. Ahoana no tsy nahafantarako ny fivelaran’ny Fiangonan’i Kristy manerana an’izao tontolo izao?

Nangatahina hanompo tao amin’ny Departemantan’ny Asa Fitoriana aho taorian’ny telo taona nanompoako tany Philippines. Nitondra anay tany amin’ny Misiôna maneran-tany ny andraikitro. Nitombo hatrany hatrany ny fahitako ny Fiangonan’ny Mpamonjy maneran-tany. Voatendry hitsidika Misiôna tany Azia izaho sy Marcia. Nahita ivontoeran’ny tsatòka tsara tarehy iray tany Singapour izahay, niaraka tamin’ireo mpikambana mahatalanjona sy mahatoky. Nitsidika ireo mpikambana sy misiônera tany amin’ny trano fiangonana iray tao Kota Kinabalu, Malezia izahay. Nihaona tamin’ny misiônera tany Hong Kong izahay ary nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ny tsatòka nahafinaritra niaraka tamin’ireo Olomasina mahatoky sy feno fanoloran-tena.

Niverimberina izany traikefa izany rehefa nihaona tamin’ireo misiônera sy mpikambana nanerana an’i Eoropa, tany Amerika Latina, Karaiba, ary tany Afrika izahay. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miaina fitomboana goavana any Afrika.

Vavolombelona nanatri-maso ny Famerenana amin’ny laoniny mitohin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahatanterahan’ny faminanian’ny mpaminanin’ny Joseph Smith aho fa “ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana sy amim-boninahitra ary mahaleo tena mandra-pitsofok’izany any amin’ny kaontinanta rehetra, nitsidika ny faritra rehetra, nandalo ny firenena rehetra, ary ren’ny sofina rehetra.”7

Miisa 74.000 ankehitriny ireo misiônera mahafinaritra mandrakotra an’izao tontolo izao. Amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpikambana, izy ireo dia manao batisa olona maherin’ny 20.000 isam-bolana. Vao tsy ela akory izay no zatovolahy sy zatovovavy 18, 19, ary 20 taona izay, niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo, no namokatra io fahagagana lehibe amin’ny fanangonana io. Hitanay any amin’ireo tanàna kelin’i Vanuatu sy any amin’ireo tanàn-dehibe any New York, Paris, ary Londres ireo zatovovavy sy zatovolahy ireo. Efa nijery azy ireo nampianatra momba ny Mpamonjy sy nanorina ny Fiangonany tany amin’ireo mpiangona lavitra tany Fidji sy ireo fivoriana lehibe kokoa tany amin’ireo toerana toa an’i Texas, Kalifornia, ary Florida any Etazonia aho.

Hahita misiônera any amin’ny vazan-tany rehetra ianao miteny fiteny 60 samy hafa ary manatanteraka ilay iraka lehibe nomen’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 28 manao hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”8 Manome haja ireo misiôneran’ny Fiangonana taloha sy ankehitriny aho ary mampahatsiahy ny taranaka vao misondrotra ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson mba ho tonga ary hanangona an’i Isiraely.9

Mijoro ho vavolombelona aho anio fa efa nijery an’io Famerenana amin’ny laoniny lalina ny filazantsaran’ny Mpamonjy io tamin’ny masoko aho ary nandre izany tamin’ny sofiko manokana. Vavolombelon’ny asan’ Andriamanitra manerana an’izao tontolo izao aho. Tsy mbola nisy fotoana tsara kokoa amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy noho ny amin’izao fotoana izao.

Angamba ny fahagagana tena manentana fanahy indrindra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay efa hitako dia ianareo, ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky any amin’ny tany rehetra. Ianareo Olomasin’ny Andro Farany, mpanaradia an’i Jesoa Kristy, dia nofaritan’i Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, araka ny nahitany ny androntsika sy nijoroany ho vavolombelona, “Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra fa izany dia nidina tamin’ny olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”10

Mijoro ho vavolombelona aho fa efa hitako tamin’ny masoko manokana ny zavatra hitan’i Nefia— dia ianareo, Olomasin’ny fanekempihavanana any amin’ny tany rehetra, nampirongoana fiadiana ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra. Raha teo amin’ny polipitra tany amin’ny iray amin’ireo firenena lehibe eto amin’izao tontolo izao aho, dia nampiditra tao an-tsaiko zavatra iray izay nampianarin’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 2 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo. Brent a, “mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy.”11

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa efa nahita izany tamin’ny masoko aho ary nandre izany tamin’ny sofiko manokana rehefa nihaona taminareo, Olomasin’ Andriamanitra mahatoky manerana ny tany izay mitandrina ny didy. Ianareo no Zanaky ny fanekempihavanan’ny Ray. Mpianatr’i Jesoa Kristy ianareo. Fantatrareo ihany koa ny zavatra fantatro satria nahazo ny fijoroana ho vavolombelona anananareo manokana momba ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ianareo. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.”12

Eo ambanin’ny fitarihan’ny Tompo sy ny fitarihan’ireo mpaminaniny sy ny apôstôliny dia hanohy hanomana ireo misiônera isika, hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina, hanorina ny Fiangonan’i Kristy manerana an’izao tontolo izao ary handray ireo fitahiana izay tonga rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika. Miray hina isika. Zanak’ Andriamanitra isika. Fantatsika Izy ary tiantsika Izy.

Miaraka aminareo rehetra aho, ry namako, rehefa miray hina isika mijoro ho vavolombelona fa marina ireo zavatra ireo. Manao rakitsoratra ny amin’ny zavatra izay sady efa hitantsika no rentsika isika. Izaho sy ianao dia vavolombelona izay mijoro ho vavolombelona. Miaraka amin’ny herin’izany fijoroana ho vavolombelona iraisana izany isika no manohy mandroso amim-pinoana ao amin’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.