Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Itafio Jesoa Kristy Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Itafio Jesoa Kristy Tompo

Amin’ny alalan’ny fanajantsika ireo fanekempihavanantsika no amelantsika an’ Andriamanitra handrotsaka ireo fitahiana marobe nampanantenaina mifanaraka amin’ireo fanekempihavanana ireo.

Fony mbola kely ireo zanako roa farany dia nahita boky aho izay nampifalifaly sy nahaliana no sady nampiasa tandindona tao anatin’ireo tantara raketiny. Rehefa miara-mamaky isak’alina izahay dia tiako ny nanampy ireo zanako hahatakatra ireo tandindona nampiasain’ilay mpanoratra mba hampianarana fitsipika lalim-paka, ara-pilazantsara mihitsy aza.

Nahafantatra aho hoe ho tafalentika tao an-tsaina izany indray andro fony hanomboka ho zatovolahy ilay faralahiko. Nanomboka namaky boky vaovao izy ary te hankafy ilay tantara fotsiny, saingy niezaka hatrany ny hamantatra ny dikany lalina tamin’ireo zava-drehetra novakiny izy. Sorena izy saingy faly kosa aho tao anatiko tao.

Nampianatra tamin’ny alalan’ny tantara sy tandindona i Jesoa1—voan-tsinapy mba hampianarana ny herin’ny finoana,2 ondry very mba hampianarana ny hasarobidin’ny fanahy,3 zanaka adala mba hampianarana ny toetran’ Andriamanitra.4 Ireo fanoharana nataony dia tandindona nentiny nampianarana lesona lalina an’ireo izay “manan-tsofina [hihainoana].”5 Saingy ireo izay tsy mikatsaka ny hevitra lalina fonosin’izany dia tsy hahatakatra,6 tahaka ny maro izay namaky ny boky novakiko tamin-janako izay tsy nahalala mihitsy ny fisian’ireo hevitra lalina sy ny tombontsoa maro avy amin’ireo tantara.

Rehefa nanolotra ilay Zanany Lahitokana mba hatao sorona ho antsika Andriamanitra Ray dia i Jesoa Kristy Tenany no lasa tandindona lehibe indrindra amin’ny fitiavana tsy mety maty ananan’ny Ray any An-danitra ho antsika tsirairay avy.7 Lasa Zanakondrin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.8

Mahazo tombony sy voatahy isika satria nasaina hanana fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra, izay ahafahan’ny fiainantsika ho lasa tandindon’izany fanekempihavanana izany. Miteraka karazana fifandraisana izay mamela an’ Andriamanitra hamolavola sy hanova antsika miandalana sy hanandratra antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa ny fanekempihavanana, ka mahatonga antsika hanakaiky Azy sy ny Raintsika hatrany hatrany9 ary manomana antsika ho tonga eo anatrehan’Izy Ireo amin’ny farany.

Ny olona tsirairay tonga eto an-tany dia zanakalahy na zanakavavy malalan’ Andriamanitra.10 Rehefa misafidy ny hanao fanekempihavanana isika dia manatsara sy mampiorim-paka ny fifandraisantsika Aminy izany. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa rehefa misafidy ny hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika, dia ho lasa mifandray akaiky kokoa Aminy raha mitaha amin’ny fotoana talohan’ny fanekempihavanana nataontsika, ary mamela Azy hitahy antsika amin’ny fatram-pitiavana sy famindram-po betsaka kokoa izany, fitiavana ateraky ny fanekempihavanana izay antsoina hoe hesed amin’ny fiteny Hebreo.11 Ny lalan’ny fanekempihavanana dia miompana tanteraka amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra—ny fifandraisana hesed antsika Aminy.12

Te hanana fifandraisana lalina kokoa amin’ireo zanakalahiny sy ny zanakavaviny ny Raintsika,13 saingy antsika ny safidy. Rehefa misafidy ny hanaiky Azy amin’ny alalan’ny fifandraisana ara-panekempihavanana isika dia mamela Azy hanakaiky antsika14 sy hanome antsika fitahiana miavosa kokoa izany.

Andriamanitra no mametraka ny fepetra sy ireo adidy ao amin’ilay fanekempihavanana ataontsika.15 Rehefa misafidy ny hanao izany fanekempihavanana izany isika dia manaporofo Aminy amin’ny alalan’ireo tandindon’asa fonosin’ilay fanekempihavanana fa vonona ny hitandrina ireo fepetra napetrany.16 Amin’ny alalan’ny fanajantsika ireo fanekempihavanantsika no amelantsika an’ Andriamanitra handrotsaka ireo fitahiana marobe nampanantenaina izay miaraka amin’ireo fanekempihavanana ireo,17 isan’izany ny hery lehibe kokoa mba hiovana sy hahatongavana tahaka ny Mpamonjy kokoa. I Jesoa Kristy no ivon’ireo fanekempihavanana rehetra ataontsika; ary ireo fitahiana entin’ny fanekempihavanana dia misy noho ny sorona fanavotana nataony.18

Ny batisa asitrika no tandindon’ny vavahady idirantsika amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra. Ny fisitrihana ao anaty rano sy ny fitsanganana avy tao indray no tandindon’ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganana tamin’ny maty mba hanana fiainam-baovao.19 Rehefa atao batisa isika dia toy ny maty ara-tandindona ka hateraka indray ho ao amin’ny ankohonan’i Kristy ary maneho fa vonona ny hitondra ny anarany eo amintsika.20 Ny tenantsika mihitsy no tandindona velon’ilay fanekempihavanana. Hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao ny hoe, “Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.”21 Mariky ny fitafiantsika an’i Kristy ny batisantsika.

Mampitodika any amin’ny Mpamonjy koa ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Tandindon’ny vatan’i Kristy sy ny rà nalatsaka ho antsika ny mofo sy rano.22 Ny fanomezam-pahasaovan’ny Sorompanavotany dia atolotra antsika tsirairay ara-tandindona isan-kerinandro rehefa manolotra antsika ny mofo sy ny rano ny mpihazona fisoronana iray izay misolo tena ny Mpamonjy Izy Tenany. Rehefa mihinana sy misotro ireo mariky ny nofony sy ny rany isika dia ara-tandindona no mahatafiditra an’i Kristy ao amintsika.23 Mitafy an’i Kristy indray isika rehefa manao fanekempihavanana vaovao isan-kerinandro.24

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao amin’ny tranon’ny Tompo isika dia mampiorim-paka kokoa ny fifandraisantsika Aminy.25 Ny zava-drehetra ataontsika ao amin’ny tempoly dia manondro ny drafitry ny Raintsika ho antsika, izay ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany no ivony.26 Ny Tompo dia hampianatra antsika fitsipika anampy fitsipika27 amin’ny alalan’ny tandindon’ny ôrdônansy sy fanekempihavanana rehefa sokafantsika ny fontsika ary mikatsaka ombam-bavaka isika mba hahatakatra ireo hevitra lalina.

Omena lalana isika mandritra ny fanafiana masina ao amin’ny tempoly mba hitafy ny garmentan’ny fisoronana masina. Sady adidy masina izany no tombontsoa masina.

Amin’ny fombafomba ara-pivavahana maro dia misy fitafy ivelany anaovana ho mariky ny zavatra inoan’ilay olona sy ny fanolorantenany amin’ Andriamanitra,28 ka matetika ireo mpitarika fotoam-pivavahana no manao akanjo fitafy manokana. Ireny fitafy masina ireny dia manana heviny lalina ho an’ireo izay misalotra izany. Mamaky isika ao amin’ny soratra masina fa taloha dia misalotra fitafy manokana koa rehefa manao fombafomba ao amin’ny tempoly.29

Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, ireo izay nisafidy hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tranon’ny Tompo dia misalotra fitafy ivelany manokana mandritra ny fitsaohana ao amin’ny tempoly, izay tandindon’ireo fitafy nosalorana nandritra ireo fombafomba masina fahiny tao amin’ny tempoly. Mitafy ny garmentan’ny fisoronana masina koa isika, mandritra ny fitsaohana any amin’ny tempoly sy eo amin’ny fiainantsika andavanandro.30

Tandindona lalina sy mampitodika antsika any amin’ny Mpamonjy ihany koa ny garmentan’ny fisoronana masina. Rehefa nihinana tamin’ilay voa i Adama sy i Eva ka voatery nandao ny Sahan’i Edena dia nampanaovina akanjo hoditra izy ireo hanafy azy ireo.31 Azo inoana fa nisy biby natao sorona mba hanaovana ireo akanjo hoditra ireo; izay tandindon’ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho antsika. Kaphar no teny fototra hebreo ho an’ny sorompanavotana, ary iray amin’ireo dikan’izany ny hoe “manafy.”32 Mampahatsiahy antsika ny garmentan’ny tempoly anaovantsika fa ny Mpamonjy sy ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany dia manafy antsika mandritra ny androm-piainantsika. Rehefa anaovantsika isan’andro ny garmentan’ny fisoronana masina dia lasa sombiny amin’ny tenantsika izany tandindona kanto izany.

Mamaky isika ao amin’ny Romana ao amin’ny Testamenta Vaovao fa: “Efa ho lasa alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. … Itafio Jesosy Kristy Tompo.”33

Tena feno fankasitrahana aho manana tombontsoa hitafy ny garmentan’ny fisoronana masina mba hampahatsiahy ahy fa ny Mpamonjy sy ireo fitahian’ny Sorompanavotany tsy manam-petra dia manafy ahy tsy tapaka mandritra ny diako eto an-tany. Mampahatsiahy ahy koa izany fa rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ Andriamanitra tao amin’ny tranon’ny Tompo aho dia mitafy ara-tandindona an’i Kristy, izay akanjo fiarovan’ny fahazavana. Hiaro ahy amin’ny ratsy Izy,34 hanome ahy hery sy fahaizana lehibe kokoa,35 ary ho fahazavako sy ho mpitarika ahy36 ao anatin’ny haizina sy ny fahasarotana eto amin’ity tontolo ity.

Manana dikany lalina sy mahatalanjona ny garmentan’ny fisoronana masina, torak’izany koa ny fifandraisan’izany amin’i Kristy. Mino aho fa ny faniriako37 hitafy ny garmenta masina no mariky ny fifandraisako Aminy.38 Izany no marika asehoko manokana amin’ Andriamanitra fa tsy amin’ny hafa.39

Tena feno fankasitrahana aho noho ny Mpamonjy ahy, dia i Jesoa Kristy.40 Ny sorompanavotana nataony ho antsika no lasa tandindona lehibe indrindra amin’ny fitiavana tsy manam-petran’ny Ray any An-danitra ho antsika tsirairay avy,41 miaraka amin’ireo tandindona azo tsapain-tanana maneho izany fitiavana sy sorona izany, ireo marika eo amin’ny tanana aman-tongotra ary ny lanivoan’ny Mpamonjy, izay tsy niala na dia taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty aza.42

Rehefa tandremako ireo fanekempihavanana sy adidiko amin’ Andriamanitra, isan’izany ny fanaovana ny garmentan’ny fisoronana masina, dia afaka ny ho tonga tandindona an’ny tena manokana maneho ny fitiavako sy ny fankasitrahako lalina an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ahy sy ny faniriako hanana Azy eo anilako mandrakariva ny fiainako.

Raha mbola tsy nanao izany ianao dia manasa anao aho mba hisafidy hanana fifandraisana lalina amin’ Andriamanitra amin’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy any amin’ny tranon’ny Tompo. Halalino ireo lahatenin’ny mpaminantsika (tafiditra anatin’izany ireo fanamarihana eny ambanin’ny lahateniny, ary ahitana izany avokoa ny ankamaron’ireo lahatenin’ny fihaonambe rehetra). Niresaka tsy tapaka momba ny fanekempihavanana izy nandritra ny taona maro ary indrindra fa hatramin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy. Mianara avy amin’ireo fampianarany mikasika ireo fitahiana kanto sy ny hery sy fahaizana lehibe kokoa afaka ny ho azonao amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.43

Milaza ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany fa tsy takina ny antso hitory ny filazantsara na ny fanolorantena hiroso amin’ny fanambadiana mba hanaovana ireo fanekempihavanan’ny tempoly .44 Tokony ho 18 taona farafahakeliny ny olona iray ary tsy mianatra any amin’ny lisea na ny mitovy amin’izany intsony, ary mpikamban’ny Fiangonana herintaona farafahakeliny. Misy koa ireo fenitry ny fahamasinan’ny tena manokana takina.45 Raha maniry ny hampiorim-paka ny fifandraisanao amin’ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao amin’ny fanaovana ireo fanekempihavanana masina any amin’ny tranon’ny Tompo dia manasa anao aho hiresaka amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao ary hampahafantatra azy ireo ny fanirianao. Hanampy anao hahafantatra ny fomba hiomanana handray sy hanaja ireo fanekempihavanana ireo Izy.

Amin’ny alalan’ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra no ahafahan’ny fiainantsika manokana ho lasa tandindona velon’ny fanolorantenantsika sy ny fitiavantsika lalim-paka ny Raintsika any An-danitra, ho hesed antsika ho Azy,46 ary ny faniriantsika hivoatra ka ho lasa tahaka ny Mpamonjintsika amin’ny farany, efa voaomana ny ho eo anatrehany indray andro any. Mijoro ho vavolombelona aho fa mahaleo ny sarany tokoa ny vidiny raha jerena ireo fitahiana lehibe avy amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.