Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tatitra avy amin’ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2023
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Tatitra avy amin’ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2023

Ho an’ny Fiadidiana Voalohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Ry Rahalahy isany: Araka ny torolalana avy amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana faha-120 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny Filankevitry ny Fampiasana ny Fahafolonkarena, izay ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy, no manome fankatoavana ny fampiasana ny volan’ny Fiangonana. Ireo rafitra ato amin’ny Fiangonana no mitsinjara ny vola araka ny tetibola sy ireo fitsipika ary fomba fiasa izay nolaniana.

Ny fanamarinana ny fampiasana ny vola ato amin’ny Fiangonana, izay ahitana matihanina manana mari-pahaizana ary tsy miankina amin’izay departemanta sy fikambanana hafa rehetra ato amin’ny Fiangonana, dia manana andraikitra hanatontosa ireo fanamarinam-bola mba hanomezana antoka azo ekena mikasika ireo anjara biriky voaray, sy ireo fandaniana natao ary mba hiarovana ny fananan’ny Fiangonana.

Raha mifototra amin’ireo fanamarinana ny fampiasana ny vola izay efa notanterahina, dia mahita ny mpanao fanamarinana ny fampiasana ny vola ato amin’ny Fiangonana fa eo amin’ny antsipiriany rehetra, ny anjara biriky voaray sy ny fandaniana natao ary ny fananan’ny Fiangonana tamin’ny taona 2023 dia voarakitra ary notantanana araka ireo tetibola sy fitsipika ary fomba fitantanan’ny Fiangonana efa nahazoana fankatoavana. Ny Fiangonana dia manaraka ireo fomba amam-panao ampianarina ny mpikambana ao aminy, dia ny mba hanao tetibola hivelomana sy hisoroka ny trosa ary hanangom-bola hiatrehana ny fotoam-pahasahiranana.

Atolotra amim-panajana,

Ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana

Jared B. Larson

Tale Mpitantana