Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana

Mifehy ny fomba ampiasana ny fisoronan’ Andriamanitra mba hanatanterahana ny tanjon’ny Tompo sy hitahiana ireo rehetra izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, andro manan-tantara ho ahy sy ny Filoha Dallin H. Oaks anio. 40 taona lasa izay, tamin’ny 7 aprily 1984, no nanohanana anay ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.1 Nifaly tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tsirairay avy izahay hatramin’izay, anisan’izany ity iray ity. Notahiana tamin’ny firotsahana masin’ny Fanahy indray isika. Manantena aho fa handalina hatrany hatrany ireo hafatra tamin’ity fihaonambe ity ianareo mandritra ireo volana ho avy.

Tamin’ny fotoana nahaterahako,2 dia nisy tempoly enina am-perin’asa teo anivon’ny Fiangonana—samy nisy anankiray avokoa tao St. George, Logan, Manti, sy Salt Lake City, Utah; ary koa tao Cardston, Alberta, Kanada; ary Laie, Hawaii. Tempoly anankiroa talohalohan’izay no niasa nandritra ny fotoana fohy; tao Kirtland, Ohio, ary Nauvoo, Illinois. Nony nifindra niankandrefana ny vondron’ny mpikamban’ny Fiangonana dia voatery nandao an’ireo tempoly roa ireo ny Olomasina.

Ravan’ny afo narehitr’olona ny Tempolin’i Nauvoo. Naorina indray izany ary natokan’ny Filoha Gordon B. Hinckley tatỳ aoriana.3 Nozimbazimbain’ny fahavalon’ny Fiangonana ny tempolin’i Kirtland. Azon’ny fiangonana Community of Christ ny Tempolin’i Kirtland taty aoriana, izay tompon’izany nandritra ny taona maro.

Nanambara izahay tamin’ny volana lasa teo fa nividy ny Tempolin’i Kirtland, niaraka tamin’ireo toerana manan-tantara maro ao Nauvoo Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tena ankasitrahanay be dia be ny fifampiresahana tamim-pirahalahiana sy nahazoana tombontsoa iraisana tamin’ireo mpitarika avy ao amin’ny Community of Christ izay nahatonga izany fifanarahana izany.

Sary
Tempolin’i Kirtland.

Manana lanjany tsy mahazatra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Tempolin’i Kirtland. Efa nisy naminany nandritra ny an’arivo taona maro ary tena nilaina ho an’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny mba hanatanterahana ny asa nanirahana azy amin’ny andro farany ny fitrangan-javatra maro tao.

Ny tena manan-danja indrindra tamin’ireo trangan-javatra ireo dia nitranga tamin’ny Alahadin’ny Paska 3 aprily 1836.4 Niaina andiana fitsidihana niavaka i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’io andro io. Voalohany, niseho i Jesoa Kristy Tompo. Noraketin’ny Mpaminany an-tsoratra fa “ny mason’[ny Mpamonjy] dia tahaka ny lelafo; ny volon-dohany dia fotsy tahaka ny orampanala tsy misy fangarony; ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be.”5

Nanamafy ny maha-izy Azy ny Tompo nandritra io fitsidihana io. Nilaza Izy hoe: “Izaho no voalohany sy farany; Izaho no Ilay velona, Izaho no Ilay efa novonoina; Izaho no mpisolovava anareo ao amin’ny Ray.”6

Nanambara i Jesoa Kristy avy eo fa nanaiky ny tempoly ho trano ho Azy Izy ary nanao izao fampanantenana mahatalanjona izao: “Ary Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po, ao amin’ity trano ity.”7

Mihatra amin’ny tempoly voatokana rehetra io fampanantenana manan-danja io ankehitriny. Manasa anareo aho hisaintsaina ny dikan’ny fampanantenan’ny Tompo ho anareo manokana.

Niseho i Mosesy taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy. Nomen’i Mosesy an’i Joseph Smith ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny famerenana ny foko folo.8

“Niseho i Elià ary nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama” tamin’i Joseph, rehefa nikatona io fahitana io.9

Niseho i Elia mpaminany nony avy eo. Nanatanteraka ny fampanantenan’i Malakia, ny fisehoany, fa haniraka an’i Elia ny Tompo “mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray” mialoha ny Fiaviana Fanindroany.10 Nanome an’i Joseph Smith ireo fanalahidin’ny herin’ny famehezana i Elia.11

Tsy hay lazaina ny maha-zava-dehibe ny namerenana an’ireo fanalahidy ireo teto an-tany tamin’ny alalan’ny iraka telo avy any an-danitra teo ambany fitarihan’ny Tompo. Ny fanalahidin’ny fisoronana no mahatonga ny fahefana sy ny herin’ny fiadidiana. Mifehy ny fomba ampiasana ny fisoronan’ Andriamanitra mba hanatanterahana ny tanjon’ny Tompo sy hitahiana ireo rehetra izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana.

Zava-dehibe ny manamarika fa nanome ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka ny Mpaminany Joseph ny iraka avy any an-danitra talohan’ny nananganana ny Fiangonana, ary nanome azy ny fanalahidin’ireo fisoronana roa ireo.12 Nanome an’i Joseph Smith fahefana hanorenana ny Fiangonana ireo fanalahidy ireo tamin’ny 1830.13

Tena nanan-danja ny fanomezana ireo fanalahidin’ny fisoronana fanampiny anankitelo ireo, avy eo, tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 1836—dia ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely, ny fanalahidin’ny filazantsaran’i Abrahama ary ny fanalahidin’ny herin’ny famehezana. Nanome lalana an’i Joseph Smith—sy ireo Filohan’ny Fiangonan’ny Tompo rehetra nifandimby—ireo fanalahidy ireo hanangona an’i Isiraely eo amin’ny lafiny roan’ny voaly, mba hitahiana ireo zanaky ny fanekempihavanana rehetra amin’ny fitahian’i Abrahama, hametraka tombo-kase manamarina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana, ary hamehezana fianakaviana ho mandrakizay. Tsy manam-petra sy mahatalanjona ny herin’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo.

Eritrereto hoe mety ho toy ny ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny fanalahidin’ny fisoronana.14 Tsy ho azo notafiana ny herin’ Andriamanitra ianao raha tsy nisy ny fanalahidin’ny fisoronana.15 Tsy afaka nanompo afa-tsy tamin’ny naha rafitra mampianatra sy mpanao asa fanasoavana azy ny Fiangonana fa tsy mihoatra lavitra noho izany, raha tsy nisy ny fanalahidin’ny fisoronana. Tsy ho nisy tamintsika afaka nahazo ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana tena ilaina izay mamatotra antsika mandrakizay amin’ireo akaiky ny fontsika ary mamela antsika hiaina miaraka amin’ Andriamanitra amin’ny farany, raha tsy nisy ny fanalahidin’ny fisoronana.

Mampiavaka ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fikambanana hafa rehetra eto an-tany ny fanalahidin’ny fisoronana. Maro ireo fikambanana hafa izay afaka ary dia tena manatsara ny fiainanao eto amin’ny fiainana an-tany. Saingy tsy misy fikambanana hafa afaka sy hanana fiantraikany amin’ny fiainanao aorian’ny fahafatesana.16

Manome antsika fahefana hanome ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy mpitandrina fanekempihavanana rehetra ny fanalahidin’ny fisoronana. Mahatonga ireo fitahiana tena tsara ireo ho azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra sitrahana ny asa atao any amin’ny tempoly, na taiza ny fonenan’izy ireo, na oviana no niainany, na izay velona ankehitriny. Aoka isika hifaly fa eto an-tany indray ny fanalahidin’ny fisoronana!

Manasa anao aho handinika tsara ireto fanambarana telo manaraka ireto:

  1. Porofo, ny fanangonana an’i Isiraely, fa tia ny zanany rehetra na aiza na aiza Andriamanitra.

  2. Porofo fanampiny fa tia ny zanany rehetra Andriamanitra na aiza na aiza misy azy ireo ny filazantsaran’i Abrahama. Manainga ny rehetra Izy hanatona Azy—“mainty sy fotsy, andevo sy olon’afaka; lahy sy vavy; … ary mitovy ny rehetra amin‘ Andriamanitra.”17

  3. Porofo masin’ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany rehetra ny herin’ny famehezana, ary tiany ny tsirairay amin’izy ireo mba hisafidy ny hiverina any Aminy.

Ahafahan’ny lehilahy sy vehivavy mpitandrina fanekempihavanana tsirairay hianoka manokana tombontsoa ara-panahy mahatalanjona ny fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Eto dia mbola maro hatrany ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny tantara masin’ny Tempolin’i Kirtland.

Fampianarana momba ny fomba hanomezan’ny tempoly anao sy ahy hery ara-panahy hiatrehana ireo olam-piainana amin’izao andro farany izao ny vavaka nataon’i Joseph Smith tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Mamporisika anareo aho handalina ilay vavaka voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 109. Mampianatra io vavaka fanokanana io, izay voaray tamin’ny fanambarana, fa “tranon’ny vavaka, tranon’ny fifadiankanina, tranon’ny finoana, tranon’ny fianarana, tranon’ny voninahitra, tranon’ny filaminana, tranon’ Andriamanitra” ny tempoly.18

Mihoatra lavitra noho ny famaritana ny tempoly iray io lisitrana toetra io. Fampanantenana momba ny zavatra hitranga amin’ireo izay manompo sy mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo izany. Afaka manantena ny hahazo valim-bavaka, fanambarana ho an’ny tena manokana, finoana lehibe kokoa, hery, fampiononana, fitomboana fahalalana, ary fitomboana hery izy ireo.

Hanampy anao hisaina amin’ny fomba selestialy sy hahatakatra tsikelikely momba ny tena maha-izy anao sy izay olona mety hahatongavanao ary ny karazana fiainana mety ho azonao mandrakizay ny fotoana lany ao amin’ny tempoly. Ny fitsaohana tsy tapaka any amin’ny tempoly dia hanatsara ny fomba fijerinao ny tenanao sy ny anjara toeranao eo amin’ny drafitra mahatalanjon’ Andriamanitra. Mampanantena anao an’izany aho.

Nampanantenaina koa isika fa any amin’ny tempoly isika dia afaka “mandray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina”19 Alaovy sary an-tsaina ny dikan’izany fampanantenana izany amin’ny lafin’ny fananana ny lanitra misokatra ho an’ny mpikatsaka tsirairay avy amin-kitsim-po ny fahamarinana mandrakizay.

Nampianarina isika fa izay rehetra mitsaoka ao amin’ny tempoly dia hanana ny herin’ Andriamanitra sy hanana anjely izay “[m]ikarakara azy ireo.”20 Mampitombo ny fahatokian-tenanao toy ny ahoana ny mahafantatra fa, amin’ny maha vehivavy na lehilahy efa nandray ny fanafiana masina sy nampirongoana ho fiadiana ny herin’Andriamanitra anao, ianao dia tsy voatery hiatrika samirery ny fiainana? Inona no herim-po azonao vokatry fahafantaranao fa tena hanampy anao tokoa ny anjely?

Farany dia nampanantenaina isika fa “tsy hisy tsikombakomban’ny faharatsiana” handresy an’ireo izay mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo.21

Tena ilain’ny tsirairay avy amintsika ankehitriny ny mahatakatra ireo tombontsoa ara-panahy mety ho azontsika noho ny tempoly.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, indro ny fampanantenako. Tsy misy na inona na inona hanampy anareo kokoa hifikitra mafy amin’ilay anja-by22 mihoatra noho ny fitsaohana tsy tapaka ao amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-java-misy iainanareo. Tsy misy na inona na inona hiaro anareo kokoa rehefa tojo ny zavon’ny haizin’izao tontolo izao ianareo. Tsy misy na inona na inona hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany na hanampy anareo hahatakatra kokoa ny drafitr’ Andriamanitra mahatalanjona. Tsy misy na inona na inona hampitony kokoa ny fanahinareo mandritra ny fotoam-pahoriana. Tsy misy hanokatra ireo lanitra kokoa. Tsy misy!

Ny tempoly no vavahady ahazoana ireo fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra ho antsika tsirairay avy, satria ny tempoly no hany toerana eto an-tany izay ahafahantsika mandray ireo fitahiana rehetra nampanantenaina an’i Abrahama.23 Izany no antony mahatonga antsika hanao izay rehetra azontsika atao, eo ambany fitarihan’ny Tompo, mba hahatonga ny fitahian’ny tempoly ho mora azon’ny mpikamban’ny Fiangonana kokoa. Mahafaly anay noho izany ny manambara ny drafitray mba hanangana tempoly vaovao any amin’ny tsirairay avy amin’ireto toerana 15 manaraka ireto:

  • Uturoa, Polynésie Française

  • Chihuahua, Mexique

  • Florianópolis, Brésil

  • Rosario, Argentine

  • Édimbourg, Écosse

  • Brisbane, Vondromparitra Atsimo ao Australie

  • Victoria, Colombie Britannique

  • Yuma, Arizona

  • Houston, Vondromparitra Atsimo ao Texas

  • Des Moines, Iowa

  • Cincinnati, Ohio

  • Honolulu, Hawaii

  • West Jordan, Utah

  • Lehi, Utah

  • Maracaibo, Venezuela

Ry rahalahy sy ranabavy malala, mijoro ho vavolombelona aho fa ity no Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izy no mitarika izany. Mpianany isika.

Aoka isika hifaly amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana izay manome fahafahana ahy sy ianao hianoka ny fitahiana ara-panahy rehetra izay ananantsika fahavononana ny handray sy mendrika ny horaisintsika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.