Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fahagagana, anjely, ary herin’ny fisoronana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Fahagagana, anjely, ary herin’ny fisoronana

Raha maniry ny hahazo ny fitahian’ny fisoronana ianareo, isan’izany ireo fahagagana sy ny fanompoan’ny anjely, mandehana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay nomen’ Andriamanitra.

Maro amin’izao fotoana izao no milaza fa tsy misy intsony ny fahagagana, tsy tena misy ny anjely, ary mikatona ny lanitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy mbola nitsahatra ny fahagagana, miaraka amintsika ety ireo anjely, ary tena misokatra ny lanitra.

Nanome ireo fanalahidin’ny fisoronana an’i Petera izay Mpitarika ny Apôstôly i Jesoa Kristy Mpamonjy fony Izy teto an-tany.1 Tamin’ny alalan’ireo fanalahidy ireo no nitarihan’i Petera sy ireo Apôstôly hafa ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Rehefa maty anefa ireo Apôstôly ireo, dia nesorina teto an-tany ireo fanalahidin’ny fisoronana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa efa naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana fahiny. Niseho tamin’ny naha-olona efa nitsangana tamin’ny maty azy i Petera sy i Jakoba ary Jaona sy ireo mpaminany fahiny hafa ka nanome ny Mpaminany Joseph Smith ilay faritan’ny Tompo hoe “ny fanalahidin’ny fanjakako sy ny fotoampitantanan’ny filazantsara.”2

Niampitapita avy amina mpaminany iray nankamin’ny mpaminany iray hafa ireo fanalahidy ireo mandraka ankehitriny. Mampiasa izany ireo lehilahy 15 izay tohanantsika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara mba hitarihana ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Toy ny tamin’ny andro fahiny, dia misy Apôstôly iray ela niasana indrindra izay mihazona sy manana fahefana hampiasa ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra. Ny Filoha Russell M. Nelson izany, izay mpaminany sy Filohan’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Mandray ireo fitahian’ny fisoronana amin’ny alalan’ny Fiangonan’ny Mpamonjy isika, isan’izany ny herin’ Andriamanitra mba hanampiana antsika eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana nahazo lalana no hanaovantsika fampanantenana masina amin’ Andriamanitra sy handraisantsika ireo ôrdônansy masina izay manomana antsika hiaina eo anatrehany. Manomboka amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, ary avy eo any amin’ny tempoly no handrosoantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra antsika miverina any Aminy.

Mandray ihany koa ireo tsodranon’ny fisoronana isika rehefa misy mametra-tanana eo ambony lohantsika, isan’izany ny fitarihana, ny fampiononana, ny torohevitra, ny fanasitranana, ary ny hery hanarahana an’i Jesoa Kristy. Voatahin’io hery lehibe io hatrany aho nandritra ny androm-piainako. Araka ny nambara ao amin’ny soratra masina, dia antsointsika hoe ny herin’ny Fisoronana Melkizedeka masina izany.3

Nandritra ny fahatanorako dia lasa nanaja fatratra io hery io aho, indrindra fa rehefa niseho tao anatin’ireo fitahian’ny fisoronana izany. Nandritra ny naha-misiônera tanora ahy tany Chili, dia voasambotra sy nosarahan-toerana izaho sy ny namako mpiara-manompo tamiko. Tsy nolazaina anay mihitsy ny anton’izany. Fotoan’ny korontana lehibe ara-pôlitika tamin’izay. Anarivony ny olona voasambotry ny mpitandro ny filaminana ary tsy henoheno intsony izay niafaran’izy ireo.

Rehefa avy nohadihadiana aho dia nipetra-drery tao amin’ny efitra figadrana iray, tsy nahalala raha mbola hahita indray ireo olona akaikin’ny foko. Nivavaka tamin’ny Raiko any An-danitra aho, nitalaho tamin-kafanam-po hoe: “Ray ô! Efa nampianarina ahy foana fa mitsimbina ireo misiôneranao Ianao. Miangavy aho, Ray ô! Tsy olona miavaka aho, kanefa nankatò foana ary mila ny fanampianao aho izao hariva izao.”

Efa novolena taona maro tany aloha tany ny masombolin’ity fanampiana ity. Taorian’ny batisako, dia noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana sy nomena ny fanomezana ny Fanahy Masina aho. Rehefa nivavaka irery tao ambadik’ireo bara vy aho dia tonga teo amiko avy hatrany ny Fanahy Masina ary nampahery ahy. Nampahatsiahiviny ahy ny andalana iray tena miavaka avy ao amin’ny tsodranoko avy amin’ny patriarika, izay fitahiana iray hafa avy amin’ny fisoronana. Nampanantena ahy Andriamanitra ao anatin’izany fa ho afaka ny hofehezina any amin’ny tempoly ho amin’ny fotoana sy ho mandrakizay amin’ny vehivavy iray tsara tarehy sy tsara toetra ary be fitiavana aho amin’ny alalan’ny fahatokiako, fa ho lasa ray aman-drenin’ny zanakalahy sy zanakavavy sarobidy izahay, ary hotahiana sy hoderaina amin’ny maha ray ao Isiraely aho.

Nameno fiadanana ny fanahiko ireo teny nentanim-panahy momba ny hoaviko ireo. Fantatro fa avy amin’ny Raiko any An-danitra be fitiavana izay mihazona mandrakariva ny fampanantenany izy ireny.4 Tamin’izay fotoana izay, dia natoky aho fa hovotsorana ary hiaina mba hahita ny fahatanterahan’ireo fampanantenana ireo.

Tokony ho herintaona taty aoriana dia nomen’ny Ray any An-danitra vady tsara tarehy sy feno hatsaran-toetra ary be fitiavana aho. Nofehezina tany amin’ny tempoly izaho sy i Lynette. Nahazo zanakalahy sarobidy telo sy zanakavavy sarobidy efatra izahay. Lasa raim-pianakaviana aho, ary nifanaraka tanteraka tamin’ireo fampanantenan’ Andriamanitra tao amin’ilay tsodranon’ny patriarika noraisiko fony aho zazalahy 17 taona ny zavatra rehetra.

“Noho izany ry rahalahiko [sy anabaviko] malala, efa nitsahatra va ny fahagagana, satria efa niakatra any an-danitra i Kristy? …

“… Tsia; sady tsy mitsahatra ny manompo ny zanak’olombelona ireo anjely.”5

Mijoro ho vavolombelona aho fa mitohy mitranga eo amin’ny fiainantsika ny fahagagana sy ny fanompoana, ary matetika izany no vokatra mivantana avy amin’ny herin’ny fisoronana. Tanteraka eo no eo amin’ny fomba izay afaka ny ho hitantsika maso sy takatsika ny tsodranon’ny fisoronana sasany. Miseho tsikelikely ny sasany ary tsy ho tanteraka amin’ny fahafenoany eto amin’ity fiainana ity. Fa mihazona mandrakariva ny fampanantenany rehetra Andriamanitra, araka ny haseho ato amin’ity tantara avy amin’ny tantaram-pianakavianay ity:

I Grant Reese Bowen, izay raibeko avy amin’ny raiko dia lehilahy vontom-pinoana. Tadidiko tsara ny nandrenesako azy nitantara ny fomba nandraisany ny tsodranony avy amin’ny patriarika. Izao no noraketiny tao amin’ny diariny: “Nampanantena ahy ny fanomezam-pahasoavan’ny fanasitranana ny patriarika. Hoy izy: -Ho sitrana ny marary. Eny, hitsangana eo ambanin’ny tananao ny maty.-”

Taona maro taty aoriana, i Dadabe nampivangongo mololo iny indrindra no nahatsapa ho notaomim-panahy hiverina tany an-trano. Nifanena tamin’ny rainy izay nanatona azy izy. “Grant a! Nodimandry vao izao ny reninao,” hoy ny rainy.

Mbola teny avy ao amin’ny diarin’i Dadabe ihany ity hoe: “Tsy nijanona aho fa nandeha haingana nankany an-trano ary nivantana teo amin’ny lavarangana fidirana izay nivalamparany teo amina fandriana kely iray. Nijery azy aho ary nahita fa efa tsy niaina intsony izy. Tadidiko ny tsodranoko avy amin’ny patriarika sy ny fampanantenana fa raha mahatoky aho, dia ho sitrana amin’ny alalan’ny finoako ny marary, ary hitsangana ny maty. Napetrako teo ambony lohany ny tanako, dia niteny tamin’ny Tompo aho fa raha marina ilay fampanantenana nataony tamiko tamin’ny alalan’ny patriarika, dia aoka ho tanteraka amin’izao fotoana izao izany ary hamerina ny reniko ho velona indray. Nampanantena Azy aho fa raha manao izany Izy, dia tsy hisalasala na oviana na oviana aho hanao izay fara-heriko mba hananganana ny fanjakany. Rehefa nivavaka aho dia nahiratry ny reniko ny masony ary hoy izy: -Grant a! Areno aho. Tany amin’ny tontolon’ny fanahy aho, fa nantsoinao hiverina hiaina eto an-tany indray. Enga anie izao zavatra izao mba ho fijoroana ho vavolombelona ho anao sy ny fianakaviako sisa rehetra.-”

Nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba hikatsaka sy hanantena fahagagana.6 Mijoro ho vavolombelona aho fa satria naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana, dia eto an-tany ny hery sy fahefan’ Andriamanitra. Afaka mandray anjara amin’ny asan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny antso sy ny filankevitra ny lehilahy sy ny vehivavy, ny tanora sy ny zokiolona. Asan’ny fahagagana natrehin’ny anjely izany. Asan’ny lanitra izany, ary mitahy ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Tamin’ny 1989, dia nody avy nanatrika fiaraha-mientan’ny paroasy natao teny ankalamanjana izahay fito mianaka. Hariva be tamin’izay. Nitondra ny zanakay fahaenina tao am-bohoka i Lynette tamin’izay. Nahatsapa bitsika mahery vaika ny hamatotra ny fehikibo fiarovana tamin’ny sezany izy, izay adinony ny nanao azy. Fotoana fohy taorian’izay dia tonga teo amin’ny fiolahana iray teo amin’ilay lalana izahay, dia nisy fiara tafatsofoka tamin’ny ampahan-dalana nisy anay. Iny aho nandeha tamin’ny hafainganam-pandeha 112 km isan’ora iny no namily tampoka mba tsy handona ilay fiara nanatona. Nikodia ny fiarabenay, nigorisa teo amin’ny lalam-be, ary tafiala teo amin’ny arabe, dia nijanona nony farany, ary ny ilan’ny fiara avy any amin’ny toeran’ny mpandeha no nihohoka tamin’ny tany.

Ny zavatra tsaroako hoe henoko manaraka dia ny feon’i Lynette nanao hoe: “Shayne a! Mila mivoaka avy eo amin’ny varavaranao isika. Nihevaheva tamin’ny alalan’ny fehikibo fiarovana tamin’ny sezako aho. Nila segaondra vitsivitsy nahafahako nihodina naka toerana tsara. Nanomboka nisintona ny ankizy tsirairay hivoaka ny fiarabe avy eo amin’ny varavarankeliko izahay, izay lasa tafon’ilay fiarabe tamin’izay. Nitomany izy ireo, nanontany tena hoe fa nisy inona.

Vetivety dia tonga saina izahay fa tsy tao i Emily zanakay vavy 10 taona. Niantso mafy ny anarany izahay, saingy tsy nisy namaly. Ireo mpikambana tao amin’ny paroasy izay nandeha nody koa tamin’izay, dia nitady azy mafy teo amin’ny toerana nisian’ny loza. Maizina be tamin’izay. Nijery tao anatin’ilay fiarabe tamin’ny jiro kely indray aho, dia akory ny horohoroko fa hitako voatsindry tao ambanin’ilay fiarabe ny vatana kelin’i Emily. Niantsoantso mafy aho hoe: “Mila mibata ny fiarabe hiala eo amin’i Emily isika.” Noraisiko ny teo amin’ny tafo dia navadiko. Vitsy ihany ireo olona hafa nibata, kanefa dia nivadika nijoro tamin’ny fomba mahagaga tamin’ireo kodiarany ilay fiarabe, dia hita niseho teo ny vatan’i Emily efa tsy nisy aina intsony.

Tsy niaina i Emily. Mangana toy ny paiso volomparasy ny tavany. Hoy aho hoe: “Mila manome tsodrano azy isika.” Niara-nandohalika tamiko ny namana akaiky sady mpikambana iray tao amin’ny paroasy dia nandidy azy ho velona tamin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy izahay. Tamin’io fotoana io dia niaina naharitraritra somary sempotsempotra i Emily.

Taorian’ny fotoana izay toa naharitra elabe dia tonga ihany ny fiara mpitondra marary. Nentina haingana tany amin’ny hôpitaly i Emily. Tratran’ny collapsus pulmonaire sy fahatapahan’ny hozatra mampitohy ny taolan-dohaliny izy. Natahorana ho nisy fahavoazana ny atidohany noho ny fotoana tsy nahazoany oxygène. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny iray andro sy tapany i Emily. Nanohy nivavaka sy nifady hanina ho azy izahay. Notahiana tamin’ny fahasitranana tanteraka izy. Ray aman-drenin’ny zanaka vavy enina i Emily sy i Kevin vadiny ankehitriny.

Nahagaga tokoa fa afaka nivoaka ny fiara daholo ny olona hafa rehetra. I Tyson ilay zazakely tao an-kibon’i Lynette. Voaro tamin’ny loza ihany koa izy ary teraka ny volana febroary taorian’izay. Valo volana taty aoriana dia niverina nody tany amin’ny Ray any An-danitra i Tyson rehefa avy nandray ny vatany mety maty. Izy ilay zanakay lahy anjely mpiambina anay. Mahatsapa ny lanjany ao amin’ny fianakavianay izahay ary miandrandra fatratra ny hiaraka aminy indray.7

Nilaza ireo izay nibata ilay fiarabe hiala teo ambonin’i Emily fa toa maivana kely ilay fiarabe. Fantatro fa nisy anjely avy any an-danitra niaraka tamin’ireo anjely eto an-tany nibata ilay fiara hiala teo ambonin’ny vatan’i Emily. Fantatro ihany koa fa ny herin’ny fisoronana masina no namerina ny ain’i Emily.

Nanambara ity fahamarinana ity tamin’ireo mpanompony ny Tompo: “Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.”8

Mijoro ho vavolombelona aho fa “ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra”9—ny Fisoronana Melkizedeka—miaraka amin’ny fanalahidiny, ny fahefany, ary ny heriny dia naverina tamin’ny laoniny eto an-tany amin’izao andro farany izao. Fantatro fa na dia tsy mitranga araka izay antenaintsika sy nangatahantsika am-bavaka aza ny zavatra iainana rehetra, dia hitranga foana araka ny sitrapony sy ny fotoany ary ny drafiny ho antsika ny fahagagana ataon’ Andriamanitra.

Raha maniry ny hahazo ny fitahian’ny fisoronana ianareo, isan’izany ireo fahagagana sy ny fanompoan’ny anjely, dia manasa anareo aho handeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay nomen’ Andriamanitra ho antsika tsirairay avy. Hanampy anareo hanao ny dingana manaraka ireo mpikambana sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay tia anareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, dia velona sy mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminany velona izay mihazona sy mampiasa ny fanalahidin’ny fisoronana. Tena misy ny Fanahy Masina. Nanolotra ny ainy mba hanasitrana antsika sy hamerina antsika ary hitondra antsika hody any an-trano.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy mbola nitsahatra ny fahagagana, miaraka amintsika ety ireo anjely, ary tena misokatra ny lanitra. Ary tena midanadana tokoa izany! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.