Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Vokatra maharitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Vokatra maharitra

Manan-danja ny famehezan’ny Fanahy Masina ireo ôrdônansy ataontsika raha tiantsika ny handray ireo fitahiana nampanantenaina ho mandrakizay.

Tiako ny paiso masaka vao notazana fony aho zatovolahy. Mampiraraka ny iviko mandrak’ankehitriny ilay eritreritra hoe manaikitra paiso be ranony sy masaka ary manana tsirony miavaka. Otazana ny paiso rehefa masaka tsara, ary maharitra roa ka hatramin’ny efatra andro izy ireny vao lo. Manana fahatsiarovana mamy aho fony niaraka tamin’ny reniko sy ireo mpiray tampo amiko tao an-dakozianay raha nitahiry ireo paiso notazana ho an’ny ririnina ho avy izahay tamin’ny fanidiana izany tao anaty tavoara. Raha notahirizinay tsara araka ny tokony ho izy ny paiso, dia haharitra taona maro io voankazo matsiro io fa tsy ho roa ka hatramin’ny efatra andro fotsiny ihany. Raha voakarakara tsara sy nandrahoina araka ny tokony ho izy ny voankazo, dia haharitra mandra-panokafana ny sarony.

Manome torolalana antsika i Kristy “mba handeha sy hamoa, … mba haharetan’ny vokatrareo.”1 Tsy niresaka momba ny paiso anefa Izy. Ireo fitahian’ Andriamanitra ho an’ny zanany no noresahiny. Raha manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary mitandrina izany isika, dia afaka mitohy aorian’ny fiainana eto an-tany ireo fitahiana mifandray amin’ireo fanekempihavanantsika ireo ary hofehezina amintsika, na hotahirizina, mandrakizay, lasa vokatra maharitra mandrakizay.

Ny Fanahy Masina, amin’ny andraikiny masina amin’ny maha Fanahy masin’ny fampanantenana azy, dia hanisy tombokase ny ôrdônansy tsirairay eo amin’ireo mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony mba hampanan-kery izany aorian’ity fiainana mety maty ity.2 Manan-danja ny famehezan’ny Fanahy Masina ireo ôrdônansy ataontsika raha tiantsika ho lasa vokatra maharitra ireo fitahiana nampanantenaina ho mandrakizay.

Manan-danja manokana izany raha toa ka maniry ny hisandratra isika.3 Araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson dia tokony “hanomboka miaraka amin’ilay tanjona farany ao an-tsaina isika. … Tsy hisalasalana fa ho antsika tsirairay ilay -farany- tiantsika ho tratrarina indrindra dia ny hiaina mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika amin’ny toetry ny fisandratana ka ho eo anatrehan’ Andriamanitra, ilay Raintsika any An-danitra, sy i Jesoa Kristy Zanany isika.”4 Nilaza ihany koa ny Filoha Nelson hoe: “Ny fanambadiana mandrakizay dia lafiny iray tena manan-danja amin’ny fiomanana amin’ny fiainana mandrakizay. Mitaky ny olona iray mba hanambady ilay olona tena izy izany, any amin’ny toerana mahamety izany sy amin’ny alalan’ny fahefana tena izy ary hankatò amim-pahatokiana izany fanekempihavanana masina izany. Dia afaka mahazo antoka ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra ny olona iray avy eo.”5

Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fisandratana? Isan’izany ny mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay amin’ny maha-mpivady, mba handovana “fiandrianana, fanjakana, fanapahana sy hery, … sy ho fitohizan’ny taranaka mandrakizay mandrakizay”,6 ary handraisana izay rehetra ananan’ Andriamanitra Ray.7

Nanambara tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo hoe:

“Ao amin’ny voninahitra selestialy dia misy lanitra telo na ambaratonga;

“Ary mba hahazoana ny avo indrindra, ny olona dia tsy maintsy miditra ao amin’ity lamin’ny fisoronana ity [dia ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana];

“Ary raha tsy manao izany izy dia tsy afaka ny hahazo izany.

“Mahazo miditra ao amin’ny hafa izy, saingy izany no fiafaran’ny fanjakany; tsy afaka ny hanana fitomboana izy.”8

Mianatra isika eto fa afaka ny ho ao amin’ny fanjakana selestialy ny olona iray, na mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra, ary tsy manambady. Fa mba hahazoana ny fisandratana ao amin’ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy miditra amin’ny fanambadiana amin’ny alalan’ny fahefana tena izy ny olona iray ary mitoetra ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao tamin’io fanambadiana io. Rehefa mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ireo isika, dia afaka ny hofehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ilay fanekempihavanan’ny fanambadiana nataontsika.9 Ny fitahiana nofehezina toy izany dia ho lasa vokatra maharitra.

Inona no takiana mba hitandremana amim-pahatokiana ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa misy karazany roa ny fifamatorana rehefa manao ilay fanekempihavanana maharitra mandrakizain’ny fanambadiana isika: ny fifamatorana mitovy tantana eo amin’ny mpivady, ary fifamatorana mivantana amin’ny any ambony amin’ Andriamanitra.10 Mba hamehezana ny fitahian’ny fisandratana eo amintsika ary mba hitoeran’izany aorian’ity fiainana ity, dia tsy maintsy mitoetra ho mahatoky amin’ilay fifamatorana mitovy tantana sy amin’ny any ambony an’ilay fanekempihavanana isika.

Mba hitandremana ilay fifamatorana mitovy tantana amin’ny vadinao, dia nanoro hevitra Andriamanitra mba “ho tia ny andefimandrinao amin’ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ny olona hafa.”11 Ho an’ireo izay manambady, ny hoe mifikitra aminy fa tsy amin’ny olona hafa dia midika hoe mifampila hevitra amim-pitiavana, mifankatia sy mifampitsimbina, manao lohalaharana ny fotoanao ho an’ny vadinao manoloana ireo zavatra mahaliana hafa, ary miantso an’ Andriamanitra mba hanampiany anao handresy ireo fahalemenao.12 Midika ihany koa izany fa tsy misy firaiketam-po na firaisana ara-nofo amin’ny endriny rehetra ivelan’ny fanambadianao, isan’izany ny mifampisarizoro na mifankafantatra kokoa fa te hiaraka, ary tsy misy pôrnôgrafia izay mitarika mankany amin’ny fitsiriritana ara-nofo.13

Mba hitandremana ilay fifamatorana mitovy tantana ao amin’ilay fanekempihavanana, dia tsy maintsy maniry ny hitoetra ao amin’ilay fanambadiana ny mpivady. Vao tsy ela izay ny Filoha Dallin H. Oaks no nampianatra hoe: “Fantatsika ihany koa fa tsy hanery na iza na iza hanao fifandraisana famehezana manohitra ny sitrapony Izy [Andriamanitra]. Ireo fitahiana avy amin’ny fifandraisana voafehy dia azo antoka ho an’ireo rehetra izay mitandrina ny fanekempihavanany saingy tsy amin’ny alalan’ny fanerena ny fifandraisana voafehy amin’ny olona iray hafa izay tsy mendrika na tsy vonona velively14

Inona ilay fifamatorana amin’ny any ambony voalazan’ny Filoha Nelson? Ilay fifamatorana amin’ny any ambony dia ilay ataontsika amin’ Andriamanitra.

Mba hitandremana ilay fifamatorana mivantana amin’ Andriamanitra, dia tokony ho marina amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly izay nataontsika mikasika ny lalàn’ny fankatoavana, ny fahafoizan-tena, ny filazantsara, ny fahadiovam-pitondrantena, ary ny fanokanana isika. Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ihany koa isika fa handray tsara ilay andefimandrintsika mandrakizay ary ho vady sy ray aman-dreny marina. Rehefa mitandrina ilay fifamatorana mivantana isika, dia ho mendrika ireo fitahiana mba ho isan’ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’i Abrahama, isan’izany ny fitahiana ireo taranaka sy ny filazantsara ary ny fisoronana.15 Vokatra maharitra ihany koa ireny fitahiana ireny.

Na dia antenaintsika ny hitoetra ho mahatoky sy hanana an’ireo fitahiana hofehezina eo amin’izy ireo mandrakizay aza ireo rehetra izay manao ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay, dia toa sarotra tratrarina indraindray izany idealy izany. Nandritra ny asa fanompoana nataoko dia nihaona tamin’ireo mpikambana izay manao fanekempihavanana sy mitandrina izany aho, na dia tsy mba toy izany aza ny vadin’izy ireo. Eo ihany koa ireo tokan-tena izay tsy nanana fahafahana hanambady mihitsy teto amin’ity fiainana an-tany ity. Ary misy ihany koa ireo tsy mahatoky ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana nataony. Inona no mitranga amin’ireo olona izay ao anatin’ny tsirairay avy amin’ireo toe-javatra iainana ireo?

  1. Raha toa ka mitoetra ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny fanafiana masina ianao, dia handray ireo fitahiana an’ny tena manokana izay nampanantenaina anao nandritra ilay fanafiana masina na dia nandika ny fanekempihavanana nataony aza ny vadinao, na nisitaka tamin’ilay fanambadiana. Raha nofehezina ianao teo aloha teo ka nisara-panambadiana taty aoriana, ary raha tsy nofoanana ny famehezana anao, dia mbola manankery ho anao ireo fitahiana avy amin’izany famehezana izany raha mitoetra ho mahatoky ianao.16

    Indraindray, noho ny fahatsapana ho voafitaka sy tohina tanteraka, dia mety haniry ny hanafoana ny famehezana tamina vady tsy mahatoky ny vady mahatoky iray mba hialany lavitra aminy, na eto an-tany na any amin’ny mandrakizay. Raha manahy ianao fa mbola ho voafehy amin’ny vady teo taloha izay tsy nibebaka, dia tsarovy fa tsy hitranga izany! Tsy hitaky an’iza na iza hijanona ao anatina fiarahana voafehy ho amin’ny mandrakizay kanefa tsy vokatry ny fo Andriamanitra. Ny Ray any An-danitra dia haka antoka fa ho azontsika avokoa ny fitahiana rehetra mendrika ny faniriantsika sy ny safidintsika manokana.17

    Na izany aza, raha mbola irin’ilay olona ny hanafoanana ilay famehezana, dia hajaina ny fahafahana misafidy. Misy drafitra manokana azo arahina. Saingy tsy tokony hatao tsy am-piheverana izany! Manana ny fanalahidy hamehy ety an-tany sy any an-danitra ny Fiadidina Voalohany. Raha vantany vao eken’ny Fiadidiana Voalohany ny fanafoanana ny famehezana dia tsy manan-kery intsony ireo fitahiana mifandray amin’izany famehezana izany; foana avokoa izany na eo amin’ny mpivady eto an-tany na amin’ Andriamanitra any ambony. Manan-danja ny mahatakatra fa mba hahazoana ireo fitahian’ny fisandratana, dia tsy maintsy maneho isika fa vonona ny hanao ity fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ity ary hitandrina izany amim-pahatokiana, na eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy.

  2. Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tokan-tena, dia tsarovy fa “amin’ny fomba sy fotoan’ny Tompo manokana dia tsy hisy fitahiana hotazoniny tsy homeny an’ireo Olomasiny mahatoky. Ny Tompo dia hitsara sy hanome valisoa ny olona tsirairay araka ny fanirian’ny fony sy ny zavatra nataony.”18

  3. Misy fanantenana ve raha toa ka tsy nitoetra ho mahatoky tamin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly ianao? Eny! Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fanantenana. Amin’ny alalan’ny fibebahana amim-kitsimpo sy ny fanarahana amim-pankatoavana ireo fampianaran’i Kristy no hahatongavan’io fanantenana io amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Efa nahita olona maro aho nanao hadisoana lehibe, nandika fanekempihavanana masina. Mahita tsy tapaka ireo olona izay mibebaka amin-kitsimpo sy voavela heloka ary miverina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana aho. Raha nandika ireo fanekempihavanan’ny tempoly ianao, dia mamporisika anao aho hitodika amin’i Jesoa Kristy, hila hevitra amin’ny evekanao, hibebaka, ary hanokatra ny fanahinao amin’ilay hery manasitrana mahery vaika izay azo sitrahana noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ry rahalahy sy ranabavy, nanome antsika ireo fanekempihavanana ny Raintsika any An-danitra be fitiavana mba hahafahantsika misitraka ireo zavatra rehetra izay natokany ho antsika. Mbola matsiro kokoa noho ny voankazo rehetra ety an-tany ireny fitahiana masina avy amin’ Andriamanitra ireny. Azo tehirizina ho antsika mandrakizay izy ireny, ary lasa vokatra maharitra, rehefa mahatoky amin’ny fanekempihavanan’ny tempoly isika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ny fahefana hifehy ety an-tany sy any an-danitra. Izany fahefana izany dia hita ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no mihazona sy mampiasa izany eo ambany fitarihan’ny Filoha Russell M. Nelson. Ireo izay manao ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ka mitandrina izany fanekempihavanana izany dia afaka ny ho tanteraka, ary amin’ny farany izy ireo dia handray ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray, na dia eo aza ireo toe-javatra iainana izay tsy azony fehezina.19

Afaka fehezina amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ireo fitahiana nampanantenaina izay mifandray amin’ny fanekempihavanana ireo ary ho lasa vokatra maharitra mandrakizay mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Jaona 15:16.

  2. Jereo ny Dale G. Renlund, “Mahazo ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana,” Liahona, mey 2023, 35–38; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7.

  3. Vita tombokase ny ôrdônansy iray rehefa manankery any an-danitra sy ety an-tany izany satria notanterahan’ny olona iray izay manana fahefana ary hamafisin’ny Fanahy Masina.

    “Matetika isika no mihevitra fa ny fahefana hamehy dia tsy mihatra raha tsy amin’ny ôrdônansy sasantsasany any amin’ny tempoly, saingy io fahefana io dia ilaina mba hampanan-kery izay rehetra mety ho ôrdônansy, ka mamatotra mihoatra ny fahafatesana. Ny fahefan’ny famehezana dia manome tombokase maha-ara-dalàna ny batisanao, ohatra hoe mba hanekena izany etỳ sy any an-danitra. Amin’ny farany, ireo ôrdônansin’ny fisoronana rehetra dia tanterahina eo ambanin’ny fanalahidin’ny Filohan’ny Fiangonana, ary araka ny fanazavan’ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: ‘Nomen’ [ny Filohan’ny Fiangonana] antsika ny fahefana, nanolotra ny fahefan’ny famehezana eo amin’ ny fisoronantsika izy satria izy no mihazona ireo fanalahidy’ [teny nindramin’i Harold B. Lee, ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1944, 75]” (D. Todd Christofferson, “Ny fahefan’ny famehezana,” Liahona, nôv. 2023, 20).

    “Ny asa iray izay fehezina amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana no asa izay hamafisin’ny Fanahy Masina, sy ilay asa izay ankatoavin’ny Tompo. … Tsy misy na iza na iza afaka handainga amin’ny Fanahy Masina ka tsy ho fantatra. … Mihatra amin’ny ôrdônansy hafa rehetra sy ireo fombafomba ato amin’ny Fiangonana ihany koa ireo fitsipika ireo. Araka izany, raha toa ny an-daniny sy ny an-kilany [ao amin’ny fanambadiana iray] ka ‘mahitsy sy marina’ [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:53], raha mendrika izy ireo, dia hisy famehezana manamafy eo amin’ny fanambadiana tany amin’ny tempoly izay nataon’izy ireo; raha tsy mendrika izy ireo, dia tsy hamarinin’ny Fanahy ary hazonina ka tsy homena ilay fanamafisan’ny Fanahy Masina. Hampanankery an’ilay famehezana ny fitohizan’ny fahamendrehana ary ny faharatsiana kosa hanapaka izay mety ho famehezana rehetra” (Bruce R. McConkie, “Holy Spirit of Promise”, ao amin’ny Preparing for an Eternal Marriage Student Manual [2023], 136).

    Ny Fanahy Masina no Fanahy Masin’ny Fampanantenana izay mametraka ny tombo-kasen’ny fankatoavana eo amin’ny ôrdônansy tsirairay: batisa, fandraisana ho mpikambana, fanendrena, fanambadiana. Ny fampanantenana dia hoe horaisina amin’ny alalan’ny fahatokiana ireo fitahiana. Raha dikain’ny olona iray ny fanekempihavanana iray, na izany batisa, na fanendrena, na fanambadiana na zavatra hafa, dia hanala ny tombokasen’ny fankatoavana ny Fanahy ka tsy ho azo ireo fitahiana. Ny ôrdônansy tsirairay dia fehezina miaraka amin’ny fampanantenana valisoa izay mifototra amin’ny fahatokiana avokoa. Manala ny tombokasen’ny fankatoavana ny Fanahy Masina rehefa dikaina ireo fanekempihavanana” (Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvationtambatra Bruce R. McConkie [1955], 1:45).

  4. Russell M. Nelson, Heart of the Matter: What 100 Years of Living Have Taught Me (2023), 15. Ny fanekempihavanana rehetra dia tsy maintsy fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana, raha tiana hanankery izy ireny aorian’ny fitsanganana amin’ny maty” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7).

  5. Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,” Liahona, nôv. 2008, 94.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20. “Io tanjona ambony indrindra io—ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy—no ifantohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (Dallin H. Oaks, “Fanjakam-boninahitra,” Liahona, nôv. 2023, 26).

  10. “Toy ny ifampizaran’ireo fanambadiana sy fianakaviana fifamatorana mitovy tantana miavaka eo amin’izy samy izy [izay] miteraka fitiavana manokana, dia toy izany koa ilay fifandraisana miforona rehefa mamatotra ny tenantsika amin’ny any ambony amin’ … ilay Andriamanitsika isika rehefa manao ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” (Russell M. Nelson, Heart of the Matter, 41–42).

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22; jereo koa ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.6.16. Raha miresaka fanambadiana aho eto, dia fanambadiana araka ny lalàn’ Andriamanitra no tiako ambara, lalàna izay mamaritra ny fanambadiana ho fitambarana ara-dalàna ho iray ny lehilahy iray sy vehivavy iray (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izaoMédiathèque de l’Évangile).

  12. Jereo ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.

  13. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–24.

  14. Dallin H. Oaks, “Fanjakam-boninahitra,” 29; nampiana fanamafisana.

  15. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:8–11; 113:8; Abrahama 2:9–11.

  16. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.4.1

    Raha nanompo tamin’ny fotoana feno tany Suisse aho, dia nizara ny filazantsara tamina mpivady Suisse 60 taona izaho sy ny mpiara-manompo tamiko. Rehefa nampianatra momba an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izahay, dia naneho fahalinana lehibe tamin’ny zavatra nampianarinay ilay vehivavy. Nandritra ny herinandro maro nanaraka dia nandray fijoroana ho vavolombelona izy ny amin’ilay fahamarinana fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia naverina tamin’ny laoniny, miaraka amin’ny fahefana tokony ho izy avy amin’ Andriamanitra, fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly velona i Jesoa Kristy. Niandrandra ny hampianatra ity mpivady ity momba ny iray amin’ireo fotopampianarana tsara indrindra momba ny Famerenana amin’ny laoniny izahay, ilay fahafahana hanatanteraka ny fanambadiana mandrakizay. Nahagaga anefa fa rehefa nampianatra ity mpivady ity momba ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay izahay, dia nanao fanamarihana ilay vehivavy fa tsy mahaliana azy ny hiaraka amin’ny vadiny mandrakizay. Ho azy dia tsy tafiditra ao amin’izany lanitra izany ny fiarahana amin’ny vadiny izay vadiny nandritra ny 36 taona. Natao batisa ilay ranabavy, saingy tsy natao ny vadiny. Tsy nofehezina tany amin’ny tempoly mihitsy izy ireo.

    Ho an’ny maro anefa dia tsy ho paradisa mihitsy ny paradisa raha tsy eo anilan’ilay olona novadiany. Ny fiarahana amin’ilay vady tiana mandrakizay no tena toy ny paradisa. Tahaka ny nozarain’ny Loholona Jeffrey R. Holland momba an’i Pat vady malalany hoe: Tsy ho paradisa ny paradisa raha tsy eo izy (jereo ny “Scott Taylor: For Elder Holland, Heaven without His Wife and Children ‘Wouldn’t Be Heaven for Me,’” Church News, 22 jolay 2023, thechurchnews.com).

  17. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Fanjakam-boninahitra,” 26.

  18. Russell M. Nelson, “Fanambadiana selestialy,” 94.

  19. Jereo ny Jaona 15:16.