Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Hilamina ny zava-drehetra noho ireo fanekempihavanan’ny tempoly
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Hilamina ny zava-drehetra noho ireo fanekempihavanan’ny tempoly

Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho ny fanajana ny fanekempihavanana izay nataonao na ho ataonao any amin’ny tempoly.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, fotoana masina ho ahy ity fivorian’ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany ity. Feno fankasitrahana aho noho ny fanomezana andraikitra ahy mba hiteny eo anatrehan’ireo Olomasin’ny Andro Farany an-tapitrisany sy ireo namantsika manerana izao tontolo izao. Tiako ianareo ary fantatro fa tia anareo ny Tompo.

Nanana tombontsoa lehibe aho, 50 taona mahery lasa izay, mba ho filohan’ny Ricks College tany Rexburg, Idaho. Nandeha fiara izaho sy i Kathy vadiko ny marainan’ny 5 jona 1976, niainga tany Rexburg ho any amin’ny Tempolin’i Idaho, Idaho Falls mba hanatrika ny famehezana namana akaiky iray. Mazava ho azy fa tsy ho tanteraka ilay dia nataonay tany amin’ny tempoly noho ireo zazalahy kely efatra tao an-tokantranonay tamin’izany fotoana izany, raha tsy nisy ny fanampian’ny mpitaiza zaza be herim-po iray! Navelanay mba hokarakarainy ireo zanakay sarobidy ary nanao ilay dia kely izay naharitra 30 minitra tamin’ny fiara izahay.

Nahafinaritra toy ny mahazatra hatrizay ny zavatra niainanay tao amin’ny tempoly io andro io. Saingy nahatsikaritra mpanao asa tao amin’ny tempoly sy mpanatrika maro niresaka tao amin’ny efitrano fandraisana olona tao amin’ny tempoly izahay, rehefa nifarana ilay famehezana tany amin’ny tempoly ary niomana ny hody. Nilaza taminay ny iray tamin’ireo anabavy mpanao asa tao amin’ny tempoly, fotoana fohy taorian’izay, fa vaky ilay Tohodrano Teton vao namboarina tany amin’ny faritra atsinanan’i Idaho! Rano maherin’ny 300 metatra toratelo no nikoriana namakivaky ilay tohodrano ary nanenika ireo lohasaha nanodidina izay teo amin’ny 775 kilaometatra toradroa. Dibo-drano ny ankamaroan’ny tanànan’i Rexburg ary nisy trano sy fiara lasan’ny tondradrano. Tsy nanan-kialofana tampoka teo ny roa ampahatelon’ireo mponina niisa sivy arivo.1

Mety azonareo an-tsaina fa nitodika avy hatrany tany amin’ny fiarovana ireo zanaka malalanay, sy ireo mpianatry ny oniversite sy ireo mpampianatra an-jatony ary ireo olona teo amin’ilay fiarahamonina izay tianay ny eritreritray sy ny ahiahinay. Tany amin’ny 50 km latsaka kely niala ny trano no nisy anay, ary tamin’izany andro izany, izay efa ela talohan’ny nisian’ny finday sy fandefasana hafatra fohy amin’ny telefaonina, dia tsy nanana fomba mba hifandraisana mivantana tamin’ny zanakay izahay, ary tsy afaka nitondra fiara niainga teo Idaho Falls mankany Rexburg izahay satria nakatona avokoa ny lalana rehetra.

Ny natory nandritra ny alina tany amin’ny hôtely fandriam-bahiny iray teo an-toerana tao Idaho Falls no hany safidy azonay natao. Niara-nandohalika izaho sy i Kathy tao amin’ilay efitranon’ilay hôtely fandriam-bahiny nisy anay ary nitalaho tamim-panetrentena ny Ray any An-danitra mba hiaro ireo zanaka malalanay sy ireo olona an’arivony hafa izay voa mafy noho ilay zava-doza nitranga. Tsaroako i Kathy niakatra sy nidina nandritra ny ora maro nialohan’ny naha-maraina ny andro, feno ahiahy momba ireo zanany. Afaka nampitony ny saiko aho, na dia teo aza ireo ahiahiko, ary resin-tory nony farany.

Notairin’ilay vadiko mandrakizay feno hatsaram-panahy aho, fotoana fohy taorian’izay, ary noteneniny hoe: “Hal a! Ahoana no ahafahanao matory amin’ny fotoana toy izao?”

Tonga mazava tsara tato an-tsaiko sy tato am-poko avy eo ireto teny ireto. Hoy aho tamin’ny vadiko hoe: “Kathy a! Na inona na inona mitranga dia hilamina ny zava-drehetra noho ny tempoly. Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra isika ary nofehezina ho fianakaviana mandrakizay.”

Tamin’izay fotoana izay dia toy ny nohamafisin’ny Fanahin’ny Tompo tao am-ponay sy tao an-tsainay ilay zavatra izay efa fantatray roa fa marina: ireo ôrdônansin’ny famehezana, izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny tranon’ny Tompo ihany ary tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mifanaraka amin’izany, dia efa namatotra anay ho mpivady ary namehy ireo zanakay taminay. Tsy nisy antony tokony hatahorana marina ary feno fankasitrahana izahay taoriana kelin’izany noho ny fahafantarana fa tsy nisy na inona na inona nanjo ireo zanakay lahy.

Ity teny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson ity angamba no tena maneho tsara ny zavatra tsapanay nandritra izany alina tsy hay hadinoina izany. “Rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika dia mety hitranga amintsika ny fisian’ny fatrana fiainam-panahy sy fahatsapana fiadanana. … Ho azontsika ny tena dikan’ilay tenin’ny Mpamonjy manao hoe: -Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo. … Aza malahelo na matahotra ny fonareo- [Jaona 14:27].’”2

Nahazo fitahiana mba hahatsapa izany fiadanana izany aho isaky ny miditra ao amin’ny tempoly masina. Tsaroako ilay andro voalohany nidirako tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Mbola zatovolahy aho tamin’izay.

Nitraka aho nijery ny tafontrano fotsy ambony izay nahatonga ilay efitrano tena hazava toy ireny hoe nisokatra ho an’ny lanitra ireny. Ary tonga tao an-tsaiko, tamin’izany fotoana izany, tamin’ny teny mazava tsara ity eritreritra ity: “Efa teto amin’ity toerana mazava ity aho taloha.” Saingy tonga tao an-tsaiko teo no ho eo fa tsy tamin’ny feoko ireto teny ireto hoe: “Tsia, tsy mbola teto izany mihitsy ianao taloha. Ilay fotoana talohan’ny nahaterahanao no tsaroanao. Tany amina toerana masina iray toa an’ity ianao izay ahafahan’ny Tompo ho avy.”

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena aho fa afaka ny hahatsiaro ny toetra mandrakizain’ny fanahintsika, sy ny fifandraisantsika amin’ny Ray sy ilay Zanakalahiny masina, ary ny faniriantsika faratampony mba hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra isika rehefa mandeha any amin’ny tempoly.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson tao amin’ireo lahateny vao haingana nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany hoe:

“Ny toerana hahatsapan-tena ho voaro ara-panahy indrindra dia ny miaina ao anatin’ireo fanekempihavanana nataonareo tany amin’ny tempoly!”

“Nyzava-drehetra inoantsika sy ny fampanantenana rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ireo zanany nanao olon’ny fanekempihavanany dia mifantoka any amin’ny tempoly.”3

“Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana … any amin’ny tempoly, ka mitandrina izany, dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy.”4

Nampianatra koa izy fa “rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia miala mandrakizay amin’ny tsy fiandaniana. Andriamanitra dia tsy hanary ny fifandraisany amin’ireo izay nikolokolo fifamatorana toy izany Taminy. Raha ny marina, ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia afaka mahazo karazana fitiavana sy famindram-po manokana. ”5

Nanafaingana ary hanohy hanafaingana ny fanorenana tempoly manerana izao tontolo izao ny Tompo, eo ambany fitarihana feno fitaomam-panahin’ny Filoha Nelson. Hanome fahafahana ny zanak’ Andriamanitra rehetra mba handray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana ary mba hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina izany. Tsy vitan’ny ezaka atao indray mandeha ny fananana fahamendrehana hanao fanekempihavanana masina, fa lamina arahina mandritra ny fiainana. Nilaza ny Tompo fa hitaky ny fontsika, ny herintsika, sy ny saintsika, ary ny tanjatsika manontolo izany.6

Afaka mamorona lamin’ny fahafoizan-tena ho an’ny Tompo ny fandraisana anjara matetika amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly. Manasa ny Fanahy Masina ho namana ianao mba hampatanjaka anao sy hanadio anao, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataonao tany amin’ny tempoly ary mahatsiaro azy ireo.

Afaka miaina fahatsapana hazavana sy fanantenana ianao avy eo izay mijoro ho vavolombelona fa marina ireo fampanantenana. Ho lasa hahafantatra ianao fa fahafahana iray hanakaikezana Azy kokoa, ny fanekempihavanana tsirairay atao amin’ Andriamanitra, izay hamorona faniriana ao am-ponao mba hitandrina ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly avy eo.

Nampanantenaina isika fa “Noho ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika.”7

Amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny famehezana ao amin’ny tempoly no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mifono fitiavana izay hitohy aorian’ny fahafatesana ary haharitra mandrakizay. Hanome fiarovana amin’ny zava-dratsy ateraky ny fitiavan-tena sy ny fiavonavonana ny fanajana ireo fanekempihavanan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana natao tany amin’ny tempolin’ Andriamanitra.

Tsy ho tanteraka ny fifanampiana tsy tapaka ifanaovan’ireo mpiray tampo, raha tsy amin’ny alalan’ny fikirizana hitarika ny fianakavianao araka ny fomban’ny Tompo. Omeo fahafahana mba hifampivavaka ny zanakao. Fantaro haingana ny niantombohan’ny tsy fitovian-kevitra ary ankasitraho tsara ireo fihetsika tsy mifono fitiavan-tena izay nifanaovan’izy ireo indrindra indrindra. Hihamalefaka ny fo, rehefa mifampivavaka sy mifampanompo ny mpiray tampo ary hitodika any amin’izy samy izy izy ireo sy any amin’ny ray aman-dreniny.

Izany no nohazavain’i Malakia, amin’ny ampahany, rehefa nilaza mialoha ny fiavian’ny mpaminany Elia izy: “Ary hamboleny ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin’ny ray, ary hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka. Raha tsy izany dia hofongorana tanteraka ny tany manontolo amin’ny fiaviany.”8

Azo antoka fa ho tonga amintsika rehetra ny fitsapana, ny olana sy ny ratram-po. Tsy misy amintsika izay tsy andairan’ny “tsilo amin’ny nofo.”9 Kanefa afaka miomana ny handray fitarihana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo isika rehefa mandeha any amin’ny tempoly ary mahatsiaro ireo fanekempihavanana nataontsika.

Nivady sy nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah izaho sy i Kathy, ary ny Loholona Spencer W. Kimball izay Apôstôly tamin’izany no nanatanteraka ny famehezana anay. Nanome ity torohevitra ity izy tao anatin’ny teny fohy nolazainy, hoe: “Ry Hal sy Kathy, manàna fiainana toy ny hoe, rehefa tonga ny antso dia ho afaka ny handeha mora foana ianareo.”

Tsy takatray izay dikan’io torohevitra io ho anay tamin’ny voalohany, saingy nanao izay vitanay izahay mba hiainanay fiainana araka izany fomba izany ka ho vonona ny handeha hanompo ny Tompo izahay rehefa tonga ny antso. Tena nisy antso tsy nampoizina tokoa avy tamin’i Neal A. Maxwell izay Tompon’andraikitra ambony nisahana ny fampianarana izay an’ny Fiangonana 10 taona taorian’ny nivadianay.

Tena tanteraka ilay torohevitra nifono fitiavana nomen’ny Filoha Kimball tao amin’ny tempoly hoe, “ho afaka ny handeha mora foana.” Nandray antso mba handao ilay toe-piainam-pianakaviana izay toa nahafinaritra tany Californie izaho sy i Kathy ka hanompo ao anatina andraikitra iray sy any amina toerana iray izay tsy fantatro akory. Vonona ny handeha ny fianakavianay, na izany aza, satria ilay mpaminany dia nahita tao amin’ny tempoly masina, izay toeran’ny fanambarana, zavatra iray hitranga any aoriana izay nanomanana anay tamin’izany.

Ry rahalahy sy anabavy malala, mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho ny fanajana ny fanekempihavanana izay nataonao na ho ataonao any amin’ny tempoly. Mamporisika anao aho mba hameno ny fepetra takina ka ho lasa mendrika ny hiditra ny tempoly, na aiza na aiza misy anao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mandehana any matetika araka izay hamelan’ny toe-javatra iainanao hanao izany. Manaova fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra ary tandremo izany. Afaka manome toky anao aho mahakasika ilay fahamarinana nozaraiko tamin’i Kathy tamin’ny misasakalina efa ho 50 taona lasa izay tao amin’ilay hôtely fandriam-bahiny tany Idaho: “Na inona na inona mitranga dia hilamina ny zava-drehetra noho ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly.”

Atolotro anareo ny fijoroana ho vavolombelona azo antoka ananako fa i Jesoa no Kristy. Velona Izy ary mitarika ny Fiangonany. Tranon’ny Tompo ny tempoly. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany velon’ Andriamanitra eto an-tany. Tiako izy ary tiako ianareo tsirairay. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.