Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny fahitsiana: Toetra iray tahaka ny an’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Ny fahitsiana: Toetra iray tahaka ny an’i Kristy

Ny fananana fiainana feno fahitsiana dia mitaky ny hoe marina amin’ Andriamanitra isika, marina amin’isika samy isika, ary amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika.

Tao anatin’ireo ora farany tamin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy, dia nankao amin’ny Tendrombohitra Oliva Izy tao amina saha iray antsoina hoe Getsemane ary nanasa ireo mpianany mba hiandry.1 Rehefa irery Izy dia nitalaho tamin’ny Rainy, “Raha sitrakao dia esory Amiko ity kapoaka ity.”2 Tao anaty fangirifiriana, ny fijaliany dia nahatonga Azy, “Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra, … ary niri[ny] ny mba tsy hisotroa[ny] ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra.”3 Na dia tao anatin’ny fotoam-pahakiviana lalina aza ny Mpamonjy dia tsy nitakemotra fa “nosotroi[ny] izany ary novitai[ny] izay efa nomani[ny] ho an’ny zanak’olombelona.”4

Amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’ny Ray Azy dia nanana fahefana amin’ny fahafatesana sy ny fanaintainana ary ny fijaliana i Jesoa Kristy, kanefa tsy nitakemotra Izy. Nanatanteraka ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Rainy Izy ary, tamin’ny alalan’izany, nampiseho toetra tahaka ny an’i Kristy iray izay mihamanan-danja hatrany eto amin’ity tontolo iainantsika ity, dia ny fahitsian-toetra izany. Nitoetra ho marina tamin’ Andriamanitra sy tamintsika tsirairay avy ary tamin’ny maha-zanak’ Andriamanitra Azy Izy.

Ny fahitsian-toetra

I Jesoa Kristy no ohatra ho antsika. Ny fananana fiainana feno fahitsiana dia mitaky ny hoe marina amin’ Andriamanitra isika, marina amin’isika samy isika, ary amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika. Mikoriana avy amin’ilay didy lehibe voalohany dia ny mitia an’ Andriamanitra ny fahitsian-toetra. Satria tia an’ Andriamanitra ianao, dia ho mahatoky eo anatrehany amin’ny fotoana rehetra ianao. Mahatakatra ianao fa misy ny mety ary misy ny tsy mety ary misy ny fahamarinana tsy afa-miova, dia ny fahamarinan’ Andriamanitra izany. Ny fahitsian-toetra dia midika fa tsy mampandefitra ny fitsipika arahintsika na ny fitondrantenantsika mba hisarihana ny sain’ny hafa na mba ahazoana sitraka avy amin’ny hafa isika.5 “Ny marina [no tanterahinao] hatrany” ary avelanao hanaraka izay vokatr’izany.6 Mahaliana tokoa fa tao anatin’ireo fanitsiana natao vao haingana tao amin’ny boky torolalan’ny misiônera Torio ny Filazantsarako, dia nampidirana ho toetra tahaka ny an’i Kristy ny fahitsian-toetra .7

Taona maromaro lasa izay dia nampandraiketina ny fanovana tao amin’ny tsatòkanay ny Loholona Uchtdorf. Nandritra ny tafa sy dinika nataonay dia nametraka fanontaniana tamiko izy izay tsy hohadinoiko mihitsy: “Moa ve efa nisy zavatra teo amin’ny fiainanao, izay ho tonga fanalam-baraka ho anao na ny Fiangonana, raha toa ka tsikaritry ny besinimaro?” Gaga aho, koa dia namakivaky haingana ny fiainako manontolo ny saiko, niezaka nitadidy ireo fotoana izay tsy nahalavorary ahy ary nanontany tena hoe, “Inona no mety ho eritreretin’ny hafa momba ahy na momba ny Fiangonana raha toa ka nahafantatra ny zavatra rehetra nataoko izy ireo?”

Tamin’io fotoana io dia nieritreritra aho hoe mahakasika ny fahamendrehana ihany no nanontanian’ny Loholona Uchtdorf, saingy lasa takatro fa raha ny marina dia fanontaniana momba ny fahitsian-toetra izany. Moa ve aho marina tamin’ireo zavatra nambarako? Moa ve ny hafa hahita fa mifanaraka amin’ny zavatra lazaiko ny zavatra ataoko? Moa ve ny hafa hahita an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitondrantenako?

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball fa ny “fahitsian-toetra” dia ny “fahavononantsika sy ny fahaizantsika miaina araka ireo zavatra inoantsika sy nanolorantsika tena.”8

Marina amin’ Andriamanitra

Ny fananana fiainana feno fahitsiana dia mitaky voalohany indrindra amintsika ny ho marina amin’ Andriamanitra.

Nianatra ilay tantaran’i Daniela tao an-davaky ny liona isika fony mbola ankizy. Marina tamin’ Andriamanitra foana i Daniela. “Nitady izay hiampangany [azy]”9 ireo hafa nialona azy ka namolavola lalàna nanery ny tsy hivavahana afa-tsy amin’ireo andriamanitr’izy ireo. Nahare ilay lalàna i Daniela kanefa nody izy ary nandohalika sy nivavaka intelo isan’andro tamin’ny Andriamanitr’ Isiraely, ary “ny varavarankelin’ny tranony … dia nivoha”10. Vokatr’izany dia natsipy tany an-davaky ny liona i Daniela. Nony maraina dia nahita ny mpanjaka fa navotan’ny Andriamaniny i Daniela, ka namoaka lalàna vaovao izy ny “hangovitan’ny olona [rehetra] eo anatrehan’ Andriamanitr’i Daniela: fa Izy no Andriamanitra velona.”11

Lasa nahafantatra an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahitsian-toetran’i Daniela ilay mpanjaka. Mahita an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiteny sy ny fihetsitsika ny hafa. Tahaka an’i Daniela dia hampiavaka antsika bebe kokoa amin’izao tontolo izao ny hoe marina amin’ Andriamanitra.

Nampahatsiahy antsika ny Mpamonjy fa, “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”12 Nanoro hevitra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “[Ny fandresena izao tontolo izao] dia “midika hoe mandresy ilay fakam-panahy hifantoka bebe kokoa amin’ny zavatr’izao tontolo izao toy izay amin’ireo zavatr’ Andriamanitra. Izany dia midika ho fahatokiana ny fotopampianaran’i Kristy mihoatra noho ny filôzôfian’olombelona.”13 Torak’izany koa, tsy maintsy manohitra ny fakam-panahy ny “samy mandeha amin’ny lalan[tsika avy isika], ary manaraka ny endriky ny andriamanin[tsika] avy, izay manam-pitoviana amin’ izao tontolo izao ny endriny.”14

Ny fisarihana feno fanoheran’ity izao tontolo izao ity dia ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Ny zavatra asetrintsika manoloana ilay fisarihana no mamaritra ny maha-isika antsika, dia izany no handrefesana ny fahitsian-toetrantsika. Ny fisarihan’izao tontolo izao antsika dia afaka ny ho mivantana toy ny fandravana ny fahatokiana ao amin’ny fanambadiana na an-kolaka toy ny fanaovana fanamarihana tsy manonona anarana hanakianana fotopampianarana na kolontsain’ny Fiangonana. Ny fampiharana fahitsian-toetra eo amin’ny safidy ataontsika dia fanehoana ety ivelany ny fanolorantena ao anatin’ny tena fa hanaraka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Marina amin’ny hafa

Toy ilay hoe mikoriana avy amin’ilay didy lehibe voalohany dia ny mitia an’ Andriamanitra ny fahitsian-toetra, ny hoe marina amintisika samy isika dia mikoriana avy amin’ilay faharoa, dia ny mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika izany. Tsy fiainana tonga lafatra ny fiainana feno fahitsiana; fa fiainana izay hanaovantsika ezaka isan’andro ny ho marina voalohany indrindra amin’ Andriamanitra izany, ary ny ho marina amin’ny hafa eo anatrehan’izany. Nampahatsiahy antsika ny Filoha Oaks fa, “Ny fahazotoantsika fatratra hitandrina ny didy faharoa … dia tsy tokony hahatonga antsika hanadino ilay didy voalohany.”15

Mitolona mafy hatrany izao tontolo izao hampanjaka ny fahitsian-toetra amin’ny alalan’ny fametrahana an-tery sata mifehy na fitsipi-pitondrantena izay hitantana ny fifandraisana eo amin’ny olona sy ny andrim-panjakana. Na dia tsara aza ireo, dia mazàna ireo fitsipika ireo no tsy mifototra amina fahamarinana tsy afa-miova fa mirona mankany amin’ny fiovana miankina amin’ireo zavatra eken’ny kolontsaina. Tahaka ny fanontaniana napetraky ny Loholona Uchtdorf, ny fikambanana sasany dia manofana ny mpiasa ao aminy mba handinika hoe mety hanao ahoana ny fanapahan-keviny na ny fomba fiasany mba handraisana fanapahan-kevitra raha toa ka havoaka an-jotra na lasa matoan-dahatsoratry ny gazety malaza iray izany. Eo am-pivoahan’ny Fiangonana amin’ny haizina sy avy ao amin’ny haizimpito,16 isika, tahaka an’i Daniela, dia tsy maintsy mihoatra an’ireo zavatra andrasan’izao tontolo izao ary lasa ilay endrika hahafantarana ilay Andriamanitra marina sy velona amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra.17

Tsy ampy ny filazana fa mahitsy toetra isika raha toa ka tsy mifanaraka amin’ny tenintsika ny zavatra ataontsika. Torak’izany koa, ny hatsaram-panahy amin’ny maha-Kristiana dia tsy anoloana ny fahitsian-toetra. Amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanana antsika, ary amin’ny maha-mpitarika ato amin’ny Fiangonany antsika, dia tokony tsy hisy hokianina ny momba antsika ary tokony hifanaraka amin’ireo fitsipika napetraky ny Tompo.

Ny fanaovan-javatra amim-pahitsiana dia manorina finoana sy fahatokiana ary manamafy amin’ny hafa fa ny sitrapon’ny Tompo ihany no katsahintsika mba hatao. Rehefa manao filankevitra isika, dia manohitra ireo fitaomana avy any ivelany ary manaraka ny lamina nambaran’ny Tompo amin’ny fikatsahana hevi-baovao avy amin’ny lehilahy sy vehivavy tsirairay ary mandray andraikitra mifanaraka amin’ny torohevitra nentanim-panahy voaray.18

Ny fifantohantsika dia amin’ny Mpamonjy, ary mitandrina isika tsy hanao zavatra izay mety heverina ho fikatsahana ny tombontsoantsika manokana ihany, na ny tombontsoan’ny fianakaviantsika, na fiangarana olona iray nefa miteraka fahavoazana ho an’olona iray hafa. Tsy mitandro fisasarana isika misoroka izay mety ho fiheverana fa ny zavatra ataontsika dia mety ho entanin’ny voninahitry ny olona,19 mba hahazoana sitraka, hahazoana “j’aime” betsaka kokoa, mba hotsongaina teny, na mba havoaka an-tsoratra.

Marina amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika

Farany, ny fiainana feno fahitsiana dia mitaky antsika ho marina amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika.

Mahafantatra olona tsy marina tamin’izany isika. Ny anankiray izay niavaka dia i Kôrihôra ilay antikristy, izay nampaniasia ny fon’ny maro, nanao izay nanintonana “ny sain’ny nofo[n’izy ireo].”20 Kanefa nandritra ireo fotoana farany teo amin’ny fiainany, dia namboraka izy hoe, “Eny, nahafantatra mandrakariva aho fa nisy Andriamanitra.”21 Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring fa ny fandaingana dia “mifanohitra amin’ny toetry ny fanahintsika,”22 amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika. Namitaka ny tenany i Kôrihôra, ary tsy tao aminy ny marina.23

Raha ampitahaina amin’izany, ny Mpaminany Joseph Smith dia nanambara tamim-pahasahiana hoe, “Nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra ary tsy afaka mandà izany aho.”24

I Hyrum rahalahin’i Joseph dia nahazo fitia tamin’ny Tompo “noho ny fahitsian’ny fony.”25 Nijanona ho marina hatramin’ny farany izy sy i Joseph, marina tamin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo, marina tamin’ny fahazavana sy fahalalana azony, ary marina tamin’ilay olona fantatr’izy ireo fa azony ahatongavany.

Famaranana

Enga anie isika hihavana “amin’ny sitrapon’ Andriamanitra”26 ary hanana ilay toetra tahaka ny an’i Kristy dia ny fahitsian-toetra izany. Enga anie isika hanaraka ilay Ohatra ho antsika, dia ny Mpamonjy izao tontolo izao izany, ary tsy hitakemotra fa hanana fiainana marina amin’ Andriamanitra, amin’isika samy isika, ary amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika.

Hoy i Joba hoe: “Enga anie ka holanjain’ Andriamanitra eo amin’ny mizanan’ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny.”27 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.