Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanekempihavanana sy andraikitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Fanekempihavanana sy andraikitra

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fantatra amin’ny maha-fiangonana manantitrantitra ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

“Inona no mampiavaka ny Fiangonanao amin’ny hafa?” Niovaova ny valin-teniko ho an’io fanontaniana manan-danja io rehefa nihalehibe aho ary rehefa nitombo ny Fiangonana. Fony aho teraka tao Utah tamin’ny 1932, dia teo amin’ny 700.000 monja teo ho eo ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonantsika, izay nivondrona tao Utah sy ireo faritany manodidina ny ankamaroany. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nanana afa-tsy tempoly 7 isika. Ankehitriny dia mahatratra 17 tapitrisa mahery ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany any amina firenena 170 eo ho eo. Raha ny 1 aprily izao no iaingana dia manana tempoly 189 voatokana any amin’ny firenena maro isika ary 146 hafa izay eo an-dalam-pandrafetana sy an-dalam-panorenana. Nanana fahatsapana aho hiresaka momba ny tanjon’ireo tempoly ireo sy ny tantara ary ny anjara toeran’ny fanekempihavanana eo amin’ny fivavahantsika. Hanamafy ireo fampianarana nentanim-panahy nataon’ireo mpandahateny hafa teo aloha ity.

I.

Ny fanekempihavanana dia fanolorantena hanatanteraka andraikitra sasantsasany. Tena manan-danja ireo fanolorantena ataon’ny tena manokana amin’ny fifehezana ny fiainan’ny isam-batan’olona sy amin’ny fampandehanana ny fiaraha-monina. Misedra fanamby izany foto-kevitra izany amin’izao fotoana izao. Misy olom-bitsy mpaneho hevitra manohitra ny fahefana mahefa ary manizingizina fa ny isam-batan’olona dia tokony ho afaka amin’izay sakantsakana rehetra mametra ny fahafahan’izy ireo manokana. Kanefa fantatsika avy amin’ny traikefa nandritra ny arivo taona maro fa mahafoy fahafahan’ny tena manokana sasantsasany ny olona mba hahazoana ireo tombontsoan’ny fiainana ao anaty fiaraha-monina mirindra. Ny fahafoizana ny fahafahan’ny tena manokana toy izany dia mifototra indrindra amin’ny fanolorantena na fanekempihavanana, na mivantana na an-kolaka.

Sary
Ny miaramila.
Sary
Ny mpitsabo.
Sary
Ny mpamonjy voina.
Sary
Ny misiônera amin’ny fotoana feno.

Ireto dia ohatra vitsivitsy amin’ny andraikitra ao anatina fanekempihavanana eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika: (1) mpitsara, (2) miaramila, (3) mpitsabo ary (4) mpamonjy voina. Ireo rehetra izay tafiditra amin’ireo asa efa mahazatra antsika ireo dia manao fanolorantena—matetika atao amin’ny fomba ôfisialy amin’ny alalan’ny fianianana na fanekena—mba hanatanteraka ny adidy nampandraiketina azy ireo. Toy izany koa ny amin’ireo misiônerantsika manompo amin’ny fotoana feno. Ny fitafiana miavaka na ny marika famantarana misy ny anarana dia natao hanehoana fa eo ambanin’ny fanekempihavanana ilay manao izany ka noho izany dia manana adidy hampianatra sy hanompo ary tokony hotohanana amin’izany fanompoana izany. Tanjona mifandray amin’izany ny mampahatsiahy an’ireo mpitafy sy mpanao ireo zavatra ireo ny amin’ny andraikitr’izy ireo avy amin’ny fanekempihavanana nataony. Tsy misy “majika” amin’ny fitafian’izy ireo miavaka na amin’ireo tandindona, fa fampahatsiahivana ilaina fotsiny momba ireo andraikitra manokana niantsorohan’ireo mpitafy izany. Marina ihany koa izany amin’ireo tandindona amin’ny peratra amin’ny fifamofoana sy ny fanambadiana ary ny anjara asan’izy ireny amin’ny fampahafantarana ny olona mpandinika na fampahatsiahivana ny mpanao azy ireny ny andraikiny ao anatin’ny fanekempihavanana.

Sary
Peratra amin’ny fanambadiana.

II.

Ny zavatra nolazaiko momba ny fanekempihavanana amin’ny maha fototra hifehezana ny fiainan’ny tsirairay azy dia mihatra manokana amin’ireo fanekempihavanana ara-pivavahana. Ny fototra sy ny tantaran’ireo fikambanana ara-pivavahana maro sy ireo fepetra takiana dia mifototra amin’ny fanekempihavanana. Ohatra, ny fanekempihavanan’i Abrahama dia tena manan-danja amina antokom-pivavahana lehibe maro. Mampiditra ny hevitra masina ilay izy ny amin’ny hoe manome fampanantenana ara-panekempihavanana amin’ireo zanany Andriamanitra. Ny Testamenta Taloha dia miresaka matetika momba ny fanekempihavanana teo amin’ Andriamanitra sy Abrahama ary ny taranany.1

Ny ampahany voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay nosoratana nandritra ny vanim-potoan’ny Testamenta Taloha, dia mampiseho mazava tsara ny anjara asan’ny fanekempihavanana teo amin’ny tantaran’ny Isiraelita sy ny fitsaohan’izy ireo. Nolazaina tamin’i Nefia fa ireo asasoratra Isiraelita tamin’izany vaninandro izany dia “rakitsoratry ny Jiosy, izay mitahiry ny fanekempihavanan’ny Tompo, izay efa nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely.”2 Ireo bokin’i Nefia dia miresaka matetika momba ny fanekempihavanan’i Abrahama3 sy ny Isiraely amin’ny maha “vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo” azy ireo.4 Ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra na amin’ireo mpitarika ara-pivavahana ihany koa dia voarakitra ao amin’ireo asasoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba an’i Nefia, Josefa tany Egypta, Benjamina Mpanjaka, Almà ary ny Kapiteny Môrônia.5

III.

Rehefa tonga ny fotoana hamerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia niantso mpaminany iray Andriamanitra, dia i Joseph Smith izany. Tsy fantatsika ny votoatiny fenon’ny torolalana voalohany nomen’ny anjely Môrônia an’io mpaminany tanora io. Fantatsika anefa fa nilaza tamin’i Joseph izy fa “[n]anana asa hampanaovina [azy] Andriamanitra” ary “ny fahafenoan’ny Filazantsara maharitra mandrakizay” dia tsy maintsy havoaka, ka anisan’izany ny “fampanantenana natao [tamin’ireo ray].”6 Fantatsika ihany koa fa ireo soratra masina izay novakian’ilay zatovo Joseph fatratra—talohan’ny nitarihana azy hanangana fiangonana iray mihitsy aza—dia ireo fampianarana maro momba ny fanekempihavanana izay nadikany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Izany boky izany no loharano fototra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ho an’ny fahafenoan’ny filazantsara, anisan’izany ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany, ary feno firesahana momba ny fanekempihavanana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Noho ny fahafantarany tsara ny ao amin’ny Baiboly dia tsy maintsy ho nahafantatra ny firesahan’ny bokin’ny Hebreo ny momba ny fikasan’ny Mpamonjy “[hanao] faneke[mpihavanana] vaovao amin’ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’i Joda” i Joseph.7 Miresaka momba an’i Jesoa ho “mpanalalana amin’ny fanekempihavanana vaovao” ihany koa ny Hebreo.8 Tena manan-danja tokoa fa ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia mitondra ny lohateny hoe “Ny Testamenta Vaovao,” izay midika tsotra izao hoe “Ny Fanekempihavanana Vaovao.”

Fototra tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ireo fanekempihavanana. Miharihary izany amin’ireo dingana voalohany nasain’ny Tompo horaisin’ny Mpaminany tamin’ny fananganana ny Fiangonany. Raha vantany vao navoaka ny Bokin’i Môrmôna, dia nitarika ny fandaminana ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny ny Tompo, izay hantsoina tsy ho ela ho Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.9 Ny fanambarana voarakitra tamin’ny aprily 1830 dia manome toromarika fa ny olona dia “horaisina ao amin’ny fiangonany amin’ny alalan’ny batisa” rehefa avy “mijoro ho vavolombelona” (izay midika hoe mijoro ho vavolombelona amim-pahamatorana) “fa izy ireo dia efa nibebaka marina tamin’ny fahotan’izy ireo, ary vonona hitondra eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy, manana fahavononana hanompo Azy hatramin’ny farany.”10

Io fanambarana io ihany dia manome torolalana fa “ilaina ny hiarahan’ny [Fiangonana] mivory matetika mba handray ny mofo sy ny [rano] ho fahatsiarovana an’i Jesoa Tompo.” Ny lanjan’io ôrdônansy io dia miharihary amin’ireo teny mamaritra fanekempihavanana ho an’ilay loholona na mpisorona izay manatanteraka izany. Mitsodrano ny mofo izay tandindona izy ho an’ “ny fanahin’ireo rehetra izay mandray …, mba … hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ny Zanakao, ny hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo.”11

Ny anjara andraikitra fototry ny fanekempihavanana tao amin’ilay fiangonana vao naverina tamin’ny laoniny dia nohamafisina indray tao amin’ny sasin-teny nomen’ny Tompo ho an’ny famoahana voalohany an’ireo fanambarany. Ao no nanambaran’ny Tompo fa niantso an’i Joseph Smith Izy satria ny mponin’ny tany dia “efa [niala] ny ôrdônansiko ary efa nivadihany ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay.”12 Manazava misimisy kokoa io fanambarana io fa ireo didiny dia omena “mba ho azo aorina ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay.”13

Ankehitriny isika dia mahatakatra ny anjara toeran’ny fanekempihavanana ao amin’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny sy ny fitsaohan’ireo mpikambana ao aminy. Nanome ity famintinana momba ny fiantraikan’ny batisantsika sy ny fandraisantsika ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ity ny Filoha Gordon B. Hinckley: “Ny mpikambana tsirairay ato amin’ity Fiangonana ity izay niditra tao amin’ny ranon’ny batisa dia lasa mpandray anjara amina fanekempihavanana masina. Isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manavao izany fanekempihavanana izany.”14

Nampahatsiahivin’ny mpandahateny maro isika nandritra ity fihaonambe ity, ny amin’ny fiantsoan’ny Filoha Russell M. Nelson matetika ny drafitry ny famonjena ho ny “lalan’ny fanekempihavanana,” izay “mitondra antsika hiverina any amin’ [Andriamanitra], … ary miompana tanteraka amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.”15 Mampianatra antsika momba ny lanjan’ny fanekempihavanana eo amin’ireo fombafomba ataontsika any amin’ny tempoly izy ary mandrisika antsika mba hahita ny farany dieny any am-piandohana ary “[hisaina] amin’ny fomba selestialy”.16

IV.

Hiresaka momba ny fanekempihavanan’ny tempoly aho izao. Ho fanatanterahana ny andraikiny hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia nandany ny ankabetsahan’ny taona farany niainany tamin’ny fitarihana ny fanorenana tempoly iray tao Nauvoo, Illinois ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny alalany no nanambaran’ny Tompo fampianarana sy fotopampianarana ary fanekempihavanana masina ho an’ireo mpandimby azy mba hotanterahina ao amin’ny tempoly. Tao ireo olona nandray ny fanafiana masina no nampianarina ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra sy nasaina hanao fanekempihavanana masina. Ireo izay niaina tamim-pahatokiana an’ireo fanekempihavanana ireo dia nampanantenaina ny fiainana mandrakizay, izay “ny zava-drehetra dia azy ireo” ary izy ireo “no hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra sy i Kristiny mandrakizay mandrakizay”.17

Ny fombafomba fanafiana masina tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo dia notanterahina taloha kelin’ny nandroahana ireo mpisava lalantsika tany am-boalohany ka nanombohan’izy ireo ny dia manan-tantara nankany amin’ireo tendrombohitra tany Andrefana. Manana ny fijoroana ho vavolombelona avy amina mpisava lalana maro isika fa ny hery azon’izy ireo tamin’ny fifamatorana amin’i Kristy tamin’ny alalan’ny fanafiana masina nataony tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo dia nanome azy ireo ny tanjaka hanaovana ny dian’izy ireo miavaka ary hampiorina ny tenany any Andrefana.18

Ireo olona izay nahazo ny fanafiana masina tao amin’ny tempoly dia manana andraikitra hitafy ny garmentan’ny tempoly, izay fitafy tsy tazana ivelany satria natao anatin’ny akanjo ivelany izany. Izy io dia mampahatsiahy ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina an’ireo fanekempihavanana masina nataony sy ireo fitahiana nampanantenaina azy ireo tao amin’ny tempoly masina. Mba hanatratrarana ireo tanjona masina ireo dia nomena toromarika hanao tsy tapaka ny garmentan’ny tempoly isika, ka ny hany tranga maningana dia ireo izay mazava ho azy fa ilaina. Koa satria tsy manana “andro tsy fiasana” ny fanekempihavanana, ny fanalana ny garmentan’ny tena dia azo raisina ho toy ny fandavana ireo andraikitra sy ireo fitahiana ao amin’ny fanekempihavanana izay ifandraisan’izy ireo. Raha ampitahaina amin’izany kosa, ireo olona izay mitafy ny garmentany amim-pahatokiana ka mitandrina ny fanekempihavanan’ny tempoly dia manamafy ny anjara andraikitr’izy ireo amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo azy ireo.

Sary
Sarintany misy ireo tempoly.

Manorina tempoly manerana an’izao tontolo izao Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny tanjon’izy ireny dia ny hitahy ireo zanak’ Andriamanitra ao anatin’ny fanekempihavanana amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly sy amin’ireo andraikitra masina ary ireo hery sy fitahiana miavaka noho ny fifamatoran’izy ireo amin’i Kristy izay azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.

Sary
Tempolin’i São Paulo Brésil

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fantatra amin’ny maha-fiangonana manantitrantitra ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Ny fanekempihavanana dia mifaningotra amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana tsirairay avy izay tantanan’ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity. Ny ôrdônansin’ny batisa sy ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany no fepetra amin’ny fidirana ao amin’ny fanjakana selestialy. Ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana mifandray amin’ny tempoly no fepetra amin’ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy, izay fiainana mandrakizay, ilay “fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra avy amin’ Andriamanitra.”19 Izany no ifantohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy aho, izay lohan’izany Fiangonana izany, ary mangataka ny tsodranony aho ho an’ireo rehetra izay mikatsaka ny hitandrina ny fanekempihavanana masina nataon’izy ireo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.