Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mitsangàna! Miantso anao Izy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Mitsangàna! Miantso anao Izy

Tsy fomba ialana amin’ireo fanamby sy olana akory ny filazantsara fa vahaolana kosa mba hampitomboana ny finoantsika sy mba hianarana ny fomba iatrehana azy ireny.

Nisy fotoana aho nanontany ny vadiko hoe: “Azonao lazaina amiko ve hoe nahoana, raha ny fitadidiako azy aloha, no tsy mba nanana olana goavana mihitsy isika teo amin’ny fiainantsika?”

Nijery ahy izy dia niteny hoe: “Azoko atao tsara! Lazaiko anao ny antony tsy mba nananantsika olana goavana hatrizay; ny antony dia ny tsy fanananao fitadidiana maharitra ela!”

Ilay valin-teniny haingana sy feno hakingan-tsaina dia nahatonga ahy hahatsikaritra indray fa ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy manaisotra ny fanaintainana sy fitsapana, izay ilaina amin’ny fivoarana.

Tsy fomba ialana amin’ireo fanamby sy olana akory ny filazantsara fa vahaolana kosa mba hampitomboana ny finoantsika ary mba hianarana ny fomba iatrehana azy ireny.

Nahatsapa izany fahamarinana izany aho volana vitsy lasa izay rehefa nandeha tongotra indray andro ka tampoka teo dia nanjavozavo sy maizina ary nanonja ny fahitako. Natahotra aho. Hoy ireo mpitsabo avy eo tamiko: “Raha toa ka tsy manomboka ny fitsaboana avy hatrany ianao, dia mety ho very ny fahitanao ao anatin’ny herinandro vitsy monja.” Vao mainka natahotra aho.

Hoy izy ireo avy eo: “Mila manao tsindrona intravitréennes ianao—tsindrona ao anaty maso mihitsy—maso midiridiry—isaky ny efatra herinandro mandritra ny andro sisa iainanao.”

Fahatongavan-tsaina tsy nampahazo aina loatra izany.

Nisy fisaintsainana tonga tao amiko tamin’ny endrika fanontaniana avy eo. Nanontany tena aho hoe: “Eny ary! Tsy tsara ny fahitako ara-batana, saingy manao ahoana kosa ny fahitako ara-panahy? Moa ve aho mila fitsaboana amin’iny lafiny iray iny? Ary midika inona izany hoe manana fahitana ara-panahy mazava izany?”

Nisaintsaina mikasika ilay tantarana lehilahy jamba iray antsoina hoe Bartimeo aho, izay voasoritsoritra ao amin’ny filazantsaran’i Marka. Hoy ny soratra masina: “Ary nony reny fa, injay! Jesoa avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesoa, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”1

Raha zohina, ny fijerin’ny maro Azy dia zanak’i Josefa fotsiny i Jesoa, ka nahoana ary no niantso Azy hoe “Zanak’i Davida” i Bartimeo? Noho ny antony tsotra dia hoe fantany fa i Jesoa tokoa no Ilay Mesia, izay naminaniana fa ho teraka ao amin’ny taranak’i Davida.2

Toa mahaliana hoe ity lehilahy jamba ity, izay tsy nanana fahitana ara-batana, dia nahafantatra an’i Jesoa. Hitany ara-panahy ny zavatra tsy afaka hitany ara-batana, raha afaka nahita an’i Jesoa ara-batana kosa ny hafa saingy jamba ara-panahy tanteraka.

Mianatra kokoa momba ny fahitana ara-panahy mazava isika avy amin’io tantara io.

Mamaky isika hoe: “Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”3

Ireo manodidina azy dia niteny azy avokoa mba hangina, saingy vao mainka izy niantsoantso satria fantany hoe iza tokoa moa i Jesoa. Tsy noraharahiny ireo feo ireo fa vao mainka niantsoantso mafy kokoa izy.

Nihetsika izy fa tsy nohetsehina. Na dia teo aza ny toe-javatra nametra azy, dia nampiasa ny finoany izy mba hihoatra ireo fahalemeny.

Araka izany, ny fitsipika voalohany ianarantsika dia hoe mihazona fahitana ara-panahy mazava isika rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy sy mitoetra ho mahatoky amin’ireo zavatra fantantsika fa marina.

Ry rahalahy sy ranabavy, mba hihazonana ny fahitantsika ara-panahy ho tsy misy pentina, dia mila manapa-kevitra ny tsy hihaino ireo feon’ny tontolo manodidina antsika isika. Ao amin’ity tontolo mampisafotofoto sy misafotofoto ity, dia mila mitoetra ho mahatoky amin’ny zavatra izay fantatsika isika, mahatoky amin’ireo fanekempihavanana, mahatoky amin’ny fitandremana ireo didy, ary manamafy indray ny finoantsika mba ho mafy kokoa hatrany, tahaka ny nataon’io lehilahy io. Mila manambara amin’ny feo avo kokoa ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny Tompo amin’izao tontolo izao isika. Fantatr’io lehilahy io i Jesoa, nitoetra ho mahatoky tamin’ny zavatra ninoany izy, ary tsy varimbariana tamin’ny feo nanodidina azy izy.

Maro ny feo amin’izao andro izao no miezaka ny hampihena ny feontsika amin’ny maha mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika. Miezaka ny hampangiana antsika ny feon’izao tontolo izao, saingy izany indrindra no antony tsy maintsy hanambarantsika ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny Mpamonjy amin’ny fomba avo kokoa sy mafy kokoa. Ao anatin’ireo feon’izao tontolo izao rehetra ireo, dia manantena ahy sy ianao ny Tompo mba hanambara ny fijoroantsika ho vavolombelona sy hanandratra ny feontsika ary ho lasa feony. Raha tsy hanao izany isika, dia iza moa no hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? Iza no hiteny ny anarany sy hanambara ny asa masina nanirahana Azy?

Manana andraikitra ara-panahy izay mifamatotra amin’ny fahalalantsika momba an’i Jesoa Kristy isika.

Inona anefa no zavatra nataon’i Bartimeo avy eo?

Miaraka amin’ilay didin’ny Tompo hoe mitsangàna, dia nihetsika amim-pinoana indray izy.

Hoy ny soratra masina: “Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’i Jesoa.”4

Takatr’ity lehilahy manetry tena sy mahatoky ity fa afaka ny hitsangana ka hizotra amin’ny fiainana tsara kokoa izy rehefa mandidy izany ny Tompo. Fantany fa tsara kokoa noho ny toe-javatra niainany izy, ary ny zavatra voalohany nataony vantany vao naheno an’i Jesoa niantso azy izy dia ny nanary ny lamban’ny mpangataka teny an-kodiny.

Hita indray fa nihetsika izy fa tsy nohetsehina.

Mety ho nihevitra izy hoe: “Tsy ilaiko intsony ity satria efa niditra tao amin’ny fiainako i Jesoa. Andro vaovao ity. Tsy hiaina an’ity fiainana feno fahoriana ity intsony aho. Afaka manomboka fiainana vaovao miaraka amin’i Jesoa aho, feno fifaliana sy fahasambarana ao Aminy sy miaraka Aminy ary amin’ny alalany. Ary tsy raharahiko izay fihevitr’izao tontolo izao momba ahy. Miantso ahy i Jesoa, ary hanampy ahy Izy hiaina fiainana vaovao.”

Akory ny halehiben’izany fiovana izany!

Rehefa nanary ny lamban’ny mpangataka teny an-kodiny izy, dia nanala izay karazana fanamarinan-tena rehetra.

Ary izao ilay fitsipika faharoa: Mihazona fahitana ara-panahy mazava isika rehefa mamela ilay olona araka ny nofo ho any aorianantsika, mibebaka, ary manomboka fiainana vaovao ao amin’i Kristy.

Ny fanaovana fanekempihavanana sy fitandremana azy ireo no fomba anaovana izany mba hitsanganana ho amin’ny fiainana tsara kokoa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Raha mbola manao fanamarinan-tena isika ny halahelo momba ny tenantsika, halahelo noho ny toe-javatra iainantsika sy ny olantsika ary noho ny zava-dratsy rehetra mitranga eo amin’ny fiainantsika, eny fa na dia ireo olon-dratsy rehetra izay heverintsika fa mahatonga ny tsy fahasambarantsika, dia mitazona ilay lamban’ny mpangataka eny an-koditsika isika. Marina tokoa fa misy fotoana ny olona mandratra antsika, na niniany natao izany na tsia. Saingy mila manapa-kevitra ny hihetsika amim-pinoana an’i Kristy isika amin’ny alalan’ny fanesorana ilay lamba ara-tsaina sy ara-pihetsehampo izay mety mbola eny an-koditsika entina hanafenana ireo fanamarinan-tena na fahotana, dia manary izany amin’ny fahalalana fa afaka manasitrana Izy ary tena hanasitra antsika Izy.

Tsy misy antony tsara velively hanamarinana ny filazana ilay hoe: “Noho ireo toe-javatra mampalahelo sy tsy mahafinaritra sasany no maha toy izao ahy. Ary tsy afaka miova aho, ary manana ny rariny aho.”

Rehefa mieritreritra toy izany isika dia manapa-kevitra ny hetsehina.

Mihazona ilay lamban’ny mpangataka isika.

Ny mihetsika amim-pinoana dia midika hoe miankina amin’ilay Mpamonjy antsika sady mino fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia afaka hitsangana ambonin’ny zavatra rehetra isika, rehefa mandidy Izy.

Ny fitsipika fahatelo dia hita ao amin’ireo teny efatra farany: “nankeo amin’i Jesoa [izy].”

Ahoana no hahafahany mankeo amin’i Jesoa nefa jamba izy? Ilay hany fomba hahatanteraka izany dia ny manatona an’i Jesoa amin’ny fihainoana ny feony.

Ary izao ilay fitsipika fahatelo: Mihazona fahitana ara-panahy mazava isika rehefa mihaino ny feon’ny Tompo ary mamela Azy hitarika antsika.

Tahaka ny nanandratan’io lehilahy io ny feony ho ambonin’ireo feo manodidina azy, dia afaka nihaino ny feon’ny Tompo izy teo anivon’ireo feo maro hafa.

Io finoana io ihany koa no nanome fahafahana an’i Petera handeha eo ambonin’ny rano raha mbola nihazona ny fifantohany ara-panahy tamin’ny Tompo foana izy ary tsy voarebirebin’ny rivotra nanodidina azy.

Mifarana amin’ny teny toy izao avy eo ny tantaran’io lehilahy jamba io: “nahiratra … ny masony, ka nanaraka an’i Jesoa teny an-dàlana izy.5

Iray amin’ireo lesona manan-danja indrindra avy amin’ity tantara ity ny hoe naneho finoana marina an’i Jesoa Kristy io lehilahy io ary nandray fahagagana satria nangataka omban’ny finiavana marina, ilay finiavana marina ny hanaraka Azy.

Ary izany no antony fara-tampony indrindra ny fahazoantsika fitahiana eo amin’ny fiainantsika, dia ny manaraka an’i Jesoa Kristy. Izany dia ny mamantatra Azy, manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy mitandrina izany noho Izy, manova ny maha isika antsika amin’ny alalany, ary maharitra hatramin’ny farany amin’ny fanarahana Azy.

Ho ahy ny mihazona fahitana ara-panahy mazava dia midika hoe fifantohana amin’i Jesoa Kristy.

Araka izany, moa ve mazava ny fahitako ara-panahy, raha handray ireo tsindrona ho an’ny masoko aho? Iza moa izaho no afaka hiteny hoe tena izany tokoa? Saingy feno fankasitrahana aho noho ny zavatra hitako.

Hitako mazava tsara ny tanan’ny Tompo ao amin’ity asa masina ity sy eo amin’ny fiainako.

Hitako ny finoan’ny maro hafa na aiza na aiza alehako, izay manamafy ny finoako.

Hitako ireo anjely manodidina ahy.

Hitako ny finoan’ny maro hafa izay tsy mahita ny Tompo ara-batana fa mamantatra Azy ara-panahy, satria fantatr’izy ireo manokana Izy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ity filazantsara ity no vahaolan’ny zava-drehetra, satria i Jesoa Kristy no vahaolana ho an’ny rehetra. Feno fankasitrahana aho noho ny zavatra hitako rehefa manaraka ny Mpamonjiko aho.

Mampanantena aho fa rehefa mandre ny feon’ny Tompo isika ary mamela Azy hitarika antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ny Mpamonjy, dia hitahy antsika Izy amin’ny fanomezana antsika fahitana mazava, fahatakarana ara-panahy ary fiadanam-po sy ara-tsaina mandritra ny fiainantsika.

Enga anie isika hanambara ny fijoroantsika ho vavolombelona momba Azy amin’ny feo avo kokoa noho ireo feo manodidina antsika, eto amin’ity tontolo izay mila maheno bebe kokoa fa tsy kely kokoa momba an’i Jesoa Kristy ity. Enga anie isika hanary ilay lamban’ny mpangataka izay mety mbola eny an-koditsika, ary hitsangana ambonin’izao tontolo izao ho amin’ny fiainana tsara kokoa ao amin’i Kristy sy amin’ny alalany. Enga anie isika hiala amin’ireo fanamarinan-tena rehetra mba tsy hanarahana an’i Jesoa Kristy ary hahita ireo antony tsara rehetra hanarahana Azy rehefa mihaino ny feony isika. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.