Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Andrim-pahazavana sy tara-pahazavana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Andrim-pahazavana sy tara-pahazavana

Isika ihany koa dia afaka manana ny andrim-pahazavantsika manokana—tara-pahazavana iray isaky ny mandeha.

Ny hafatro dia ho an’ireo izay manahy ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany satria tsy nanana traikefa ara-panahy nahery vaika izy ireo. Mivavaka aho mba hahafahako mitondra fiadanam-po sy toky.

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia nosantarin’ny fitobahana fahazavana sy fahamarinana! Niditra tao anaty ala kely iray mba hivavaka ny zatovolahy iray tany amin’ny Faritanin’i New York, izay nanana anarana tena mahazatra hoe Joseph Smith. Nanahy momba ny fanahiny sy ny fihevitr’ Andriamanitra Azy izy. Nitady famelan-keloka ho an’ny fahotany izy. Ary very hevitra izy momba ny fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Nila fahatakarana sy fiadanam-po izy—nila fahazavana sy fahalalana.1

Rehefa nandohalika hivavaka i Joseph ary “nanolotra an’ Andriamanitra ny fanirian’ny fo[ny]” dia nisy haizina matevina nanarona azy. Nisy zavatra ratsy, nangeja, ary tena nisy tokoa izay niezaka nanakana azy—namatotra ny lelany hany ka tsy afaka niteny izy. Nihamafy izaitsizy tokoa ny herin’ilay haizina ka nieritreritra i Joseph fa ho faty. Saingy “nampiasa ny heri[ny] rehetra anefa [izy] mba hiantso an’ Andriamanitra hanafaka [azy] amin’ny herin’ity fahavalo izay nangeja [azy] ity.” Ary taorian’izany, “tamin’ny fotoana nahavonona [azy] indrindra hidina ao amin’ny famoizam-po sy hamela ny tena[ny] ho amin’ny famongorana,” rehefa tsy nahalala intsony izy raha toa ka mbola afaka haharitra, dia nisy famirapiratana be voninahitra nameno an’ilay ala kely, nanaisotra an’ilay haizina sy ny fahavalon’ny fanahiny.2

Nisy “andrim-pahazavana” nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro nidina tsikelikely teo amboniny. Nisy Olona iray niseho, ary avy eo Olona iray hafa.3 “Mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny.” Nilaza ny anarany ilay voalohany, ny Raintsika any An-danitra,“sady nanondro ilay anankiray—[Joseph!] Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!4

Ary niaraka tamin’izany fitobahan’ny fahazavana sy fahamarinana izany dia nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny. Nisy fitobahana fanambarana sy fitahiana izaitsizy avy tamin’ Andriamanitra nanaraka izany: soratra masina vaovao, fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny, apôstôly sy mpaminany, ôrdônansy sy fanekempihavanana, ary ny fananganana indray ny Fiangonana marina sy velon’ny Tompo, izay indray andro any hameno ny tany amin’ny fahazavana sy fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Izany rehetra izany, sy ny maro hafa, dia nanomboka tamina vavaka feno fikirizana nataon’ny ankizilahy iray sy andrim-pahazavana iray.

Isika koa dia manana ireo zavatra izay tena ilain’ny tenantsika fatratra. Isika koa dia mila fahafahana amin’ny fisavorovoroana ara-panahy sy ny haizin’izao tontolo izao. Isika koa dia mila mahafantatra ho an’ny tenantsika manokana.5 Izany no antony iray nanasan’ny Filoha Russell M. Nelson antsika mba “[h]irobo[ka] tanteraka ao amin’ny fahazavana be voninahitry ny Famerenana amin’ny laoniny.”6

Iray amin’ireo fahamarinana lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny ny hoe misokatra ny lanitra—fa isika koa dia afaka mandray fahazavana sy fahalalana avy any ambony. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany.

Saingy tsy maintsy mitandrina ny amin’ny fandrika ara-panahy isika. Indraindray ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky dia lasa kivy ary miala tsikelikely mihitsy aza satria tsy nanana traikefa ara-panahy mahery vaika—satria izy ireo tsy niaina ny andrim-pahazavana azy manokana. Nampitandrina ny Filoha Spencer W. Kimball hoe, “Noho izy ireo miandrandra zavatra mampitolagaga hatrany dia maro no tsy hahatsikaritra mihitsy ny fitobahan’ny fanambarana tsy tapaka.”7

Nampahatsiahy toy izany koa ny Filoha Joseph F. Smith hoe “ny Tompo dia nihazona zava-mahagaga tsy ho takatro [fony aho mbola tanora], ary naneho ahy ny fahamarinana, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely.”8

Izany no lamin’ny Tompo amin’ny ankapobeny, ry rahalahy sy ranabavy. Raha tokony handefa andrim-pahazavana amintsika ny Tompo, dia tara-pahazavana iray no alefany amintsika, ary avy eo iray hafa, ary iray hafa.

Ireo tara-pahazavana ireo dia mirotsaka tsy an-kijanona amintsika. Mampianatra ny soratra masina fa i Jesoa Kristy “no fahazavana sy … fiainan’izao tontolo izao” 9 fa ny “Fanah[iny] dia manazava ny olona rehetra manerana izao tontolo izao” 10 ary ny fahazavany dia “hameno ny fidadasiky ny habakabaka,” izay manome “aina ny zava-drehetra.” 11 Manodidina antsika ara-bakiteny ny hazavan’i Kristy.

Raha efa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika ary miezaka mampihatra finoana, mibebaka, ary manaja ny fanekempihavanana nataontsika, dia mendrika ny handray ireo tara-pahazavana avy amin’ Andriamanitra ireo hatrany hatrany. Ao amin’ilay andian-teny tsy hay hadinoina nataon’ny Loholona David A. Bednar manao hoe: “-Miaina araka ny fanambarana- isika.”12

Na izany aza dia tsy mitovy isika tsirairay. Tsy misy olona roa ka miaina hazavana sy fahamarinan’ Andriamanitra amin’ny fomba mitovy tanteraka. Makà fotoana kely hieritreretana ny fomba iainanao ny fahazavan’ny Tompo sy ny Fanahiny.

Mety efa niaina ireny fitobahan’ny fahazavana sy fijoroana ho vavolombelona ireny ianao toy ny “fiadanana [nolazaina] tamin’ny sainao […] momba [ny zavatra iray]” izay nanahirantsaina anao 13

Na toy ny fahatsapana—feo tony sy malefaka—izay nitoetra “[t]ao an-tsainao sy [t]ao am-ponao”14 ary nandrisika anao hanao zavatra tsara, toy ny fanampiana olona iray.

Mety efa tao anatina kilasy iray ianao tany am-piangonana—na tany amina lasin’ny zatovo—ary nahatsapa faniriana mafy hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hitoetra ho mahatoky.15 Angamba ianao efa nijoro sy nizara fijoroana ho vavolombelona izay nantenainao fa marina ary avy eo tsapanao fa marina ilay izy.

Na angamba efa nivavaka ianao ary nahatsapa fitokiana feno fifaliana fa tia anao Andriamanitra.16

Mety efa naheno olona iray nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ianao ary nanohina ny fonao izany ary nameno fanantenana anao.17

Angamba teo am-pamakiana ny Bokin’i Môrmôna ianao ary nisy andinin-tsoratra masina iray nanan-danja manokana taminao, toy ny hoe Andriamanitra no nametraka izany teo ho anao manokana, dia tonga saina ianao avy eo fa nataony izany.18

Mety efa nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ny hafa ianao rehefa nanompo azy ireo.19

Na mety sahirana ianao mahatsapa ny Fanahy amin’izao noho ny harerahan-tsaina na ny fanahiana kanefa manana ny fanomezam-pahasoavana sy finoana sarobidy hijery ny lasa sy hamantatra ny “halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo” taloha.20

Ny tiako holazaina dia hoe misy fomba maro handraisana ny tara-pahazavan’ny fijoroana ho vavolombelona avy any an-danitra. Vitsivitsy ihany ireo, mazava ho azy. Mety tsy mampihetsi-po izy ireo, saingy izy rehetra dia mitana anjara amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.

Ry rahalahy sy ranabavy, mbola tsy nahita andrim-pahazavana aho, fa sahala aminareo koa dia efa niaina tara-pahazavana maro avy any an-danitra. Nandritra izay taona maro izay aho no efa nanandrana nankamamy traikefa toy izany. Hitako fa rehefa manao izany aho dia mahafantatra sy mahatsiaro kokoa an’izy ireo. Ireto misy ohatra vitsivitsy tamin’ny fiainako manokana. Mety tsy dia manaitra loatra amin’ny sasany izy ireto, nefa sarobidy amiko.

Tsaroako ny naha zatovo be pelipelika ahy nandritra ny fotoam-batisa iray. Rehefa akaiky hanomboka iny ilay fivoriana dia nahatsapa ny Fanahy aho namporisika ahy hipetraka sy haneho fanajana. Nipetraka aho ary nangina nandritra ny ambin’ilay fivoriana.

Talohan’ny asa fitoriana nataoko dia natahotra aho hoe tsy ampy ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona nananako. Tsy nisy nanao asa fitoriana ny filazantsara ny olona ao amin’ny fianakaviako, ary tsy fantatro raha afaka hanao izany aho. Tsaroako ny nandalina sy nivavaka mafy mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona azo antoka kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Kanjo indray andro, rehefa nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra aho dia nahatsapa hazavana sy hafanana mahery vaika. Ary dia fantatro. Fantatro tsotra izao.

Tsaroako aho tafafoha indray alina taona maro taty aoriana noho ny fahatsapana “fahalalana madio” nilaza tamiko fa ho voantso hanompo ao amin’ny kôlejin’ny loholona aho.21 Roa herinandro taty aoriana dia voantso aho.

Tsaroako ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany iray izay nahitana mpikambana malala iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nilaza ireo teny fijoroana ho vavolombelona nitovy tsy misy valaka tamin’izay nolazaiko an’ny namana iray fa nantenaiko ho re.

Tsaroako aho nandohalika niaraka tamina rahalahy an-jatony mba hivavaka ho an’ny namana malala iray izay nandry tsy nahatsiaro tena nasiana respirateur tany amin’ny hopitaly iray kely sy lavitra taorian’ny nijanonan’ny fony. Nony nampiraisinay ny fonay mba hitalaho ho an’ny ainy, dia nifoha izy ary nanaisotra an’ilay respirateur hiala teo amin’ny tendany. Filohan’ny tsatòka izy izao.

Ary tsaroako aho nifoha niaraka tamin’ny fahatsapana ara-panahy mahery vaika taorian’ny nanofisana mazava tsara ny namana malala sady mpanoro hevitra iray izay nindaosin’ny fahafatesana aloha be loatra, ka namela banga lehibe teo amin’ny fiainako. Nitsiky sy ravoravo izy tamin’izay. Fantatro fa tsy naninona izy any.

Sasany tamin’ireo tara-pahazavako ireo. Nanana ny traikefanao manokana ianao—ny fitobahana fijoroana ho vavolombelona feno fahazavana anao manokana. Rehefa mahafantatra sy mahatsiaro ary manangona ireo tara-pahazavana ireo “ho iray” isika22 dia hisy zavatra mahafinaritra sy mahery vaika manomboka hitranga. “Ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana”—“ny fahamarinana mifamihina amin’ny fahamarinana.”23 Ny fisian’ny tara-pahazavan’ny fijoroana ho vavolombelona iray sy ny herin’izany dia manamafy ary mitambatra amin’ny iray hafa, ary avy eo ny iray hafa, ary ny iray hafa hatrany hatrany. Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika, etsy ny tara-pahazavana iray ary eroa tara-pahazavana iray—fotoana kely ara-panahy sarobidy iray isaky ny mandeha—araka izany no itomboan’ny fototry ny traikefa ara-panahy feno hazavana ao anatintsika. Angamba tsy misy tara-pahazavana iray ampy tanjaka tsara na ampy fahazavana tsara hahaforona fijoroana ho vavolombelona iray feno, saingy rehefa mitambatra izy ireo dia mety ho tonga fahazavana izay tsy ho resin’ny haizin’ny fisalasalana.

“Ô amin’izany, moa va izany tsy zava-misy?” Hoy i Almà nanontany. “Lazaiko aminareo, Eny, satria izany dia fahazavana”24

“Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana,” hoy ny Tompo raha nampianatra antsika, “ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro.”25

Midika izany, ry rahalahy sy ranabavy, fa amin’ny fotoanany sy amin’ny alalan’ny “fahazotoana be,”26 isika koa dia afaka hanana ny andrim-pahazavantsika manokana—tara-pahazavana iray isaky ny mandeha. Ary eo am-piainana izany andrim-pahazavana izany dia hahita Ray any An-danitra be fitiavana ihany koa isika, miantso antsika amin’ny anarantsika, manondro an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika amintsika, ary manasa antsika hoe “Henoy Izy!”

Mijoro ho vavolombelona aho momba an’i Jesoa Kristy fa Izy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao—ary ho an’ny tontolonao manokana sy ny ahy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no Zanakalahy marina sy velona an’ilay Andriamanitra marina sy velona, ary Izy no lohan’ity Fiangonana marina sy velona ity, izay tarihin’ireo mpaminaniny sy apôstôliny marina sy velona.

Enga anie isika hahafantatra sy handray ny fahazavany be voninahitra ary avy eo dia hisafidy Azy fa tsy ny haizin’izao tontolo izao, mandrakariva sy mandrakizay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10–13.

  2. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:14–16.

  3. Jereo ny Joseph Smith, Journal, Nov. 9–11, 1835, 24, josephsmithpapers.org.

  4. Joseph Smith—Tantara 1:17.

  5. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:20. Rehefa niverina tany an-tranony i Joseph Smith taorian’ilay Fahitana Voalohany dia nanontany azy ny reniny raha toa izy ka nanana olana. Dia novaliany hoe: “salama tsara aho. … “Ny tenako manokana dia nianatra fa tsy marina ny Presbiteriana” (nampiana fanamafisana).

  6. Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 122.

  7. Spencer W. Kimball, in Conference Report, Munich Germany Area Conference, 1973, 77; quoted in Graham W. Doxey, “The Voice Is Still Small,” Ensign, Nov. 1991, 25.

  8. Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith (1998), 201: “Fony aho mbola zazalahy raha nanomboka ny asa fanompoako, dia matetika aho no mandeha mivoaka ary mangataka amin’ny Tompo mba hampiseho ahy karazana zava-mahagaga mba hahafahako mahazo fijoroana ho vavolombelona. Kanefa ny Tompo dia tsy nampiseho zava-mahagaga tamiko, fa nampiseho ahy ny fahamarinana, andalana anampy andalana, fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely, mandra-panaovany izay hahafantarako avy eny an-tampon-doha ka hatreny am-paladia ny fahamarinana, ary mandra-piala tanteraka ny fisalasalana sy ny tahotra tato amiko. Tsy nila nandefa anjely avy any an-danitra Izy hanaovana izany, ary tsy nila niteny tamin’ny trompetran’ny Arkanjely Izy. Tamin’ny alalan’ny bitsik’ilay feo tony sy malefaky ny Fanahin’ilay Andriamanitra velona no nanomezany ahy ny fijoroana ho vavolombelona ananako. Ary amin’ny alalan’izany fitsipika sy hery izany no hanomezany ny zanak’olombelona rehetra fahalalana ny fahamarinana izay hitoetra amin’izy ireo, ary hampahafantatra azy ireo ny fahamarinana izany, tahaka ny ahafantaran’ Andriamanitra izany, sy hampanao azy ireo ny sitrapon’ny Ray tahaka ny hanaovan’i Kristy an’izany.”

  9. Môzià 16:9.

  10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:46; jereo koa ny Jaona 1:9.

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:12–13.

  12. David A. Bednar, The Spirit of Revelation (2021), 7.

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2; jereo koa ny Helamàna 5:30.

  15. Jereo ny Môzià 5: 2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12.

  16. Jereo ny 2 Nefia 4:21; Helamàna 5:44.

  17. Ny Tompo dia nanondro ny fahafahana hino ny tenivavolombelon’ny hafa ho toy ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–14).

  18. Ny fanambarana maoderina dia mampianatra fa ny tenin’ny soratra masina dia “omena anareo amin’ny alalan’ny Fanahiko, … ary raha tsy noho ny heriko dia tsy ho nanana azy ireto ianareo; koa afaka mijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahare ny feoko sy mahafantatra ny teniko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:35–36).

  19. Jereo ny Môzià 2:17; Môrônia 7:45–48.

  20. 1 Nefia 1:20. Ny Loholona Gerrit W. Gong dia niresaka momba ny “[fikatsahana] ny hahatakatra ny toe-java-misy sy mifaly amin’ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika” (“Fanompoana,” Liahona, Mey 2023, 18) ary ny fomba “[mampazava] kokoa ny tanan’ny Tompo rehefa manao jery todika” (“Tsarovy mandrakariva Izy,” Liahona, Mey 2016, 108). Ny fanomezam-pahasoavan’ny fankasitrahana sy ny fanekena ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika, na dia tsy nahafantatra izany na tsy nahatsapa izany aza isika tamin’ny fotoana nitrangany, dia mahery vaika. Ny soratra masina dia miresaka matetika momba ny hery ara-panahin’ny fahatsiarovana (jereo ny Helamàna 5:9–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79, izay mety ho mpialoha lalana mankany amin’ny fanambarana (jereo ny Môrônia 10:3–4).

  21. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Mety hahazo tombontsoa amin’ny fahafantarana ny famantarana voalohan’ny fanahin’ny fanambarana ny olona iray. Rehefa mahatsapa fahalalana vaovao mibosesika ao anatinao ohatra ianao dia mety hanome hevitra tampoka tsy nampoizina ho anao izany, ka rehefa tsikaritrao izany, dia ho hitanao fa tanteraka ny andron’iny ihany na tsy ho ela; (izany hoe) ireo zavatra izay nasehon’ny Fanahin’ Andriamanitra tao an-tsainao dia ho tanteraka, koa amin’ny alalan’ny fianarana ny Fanahin’ Andriamanitra sy ny fahatakarana izany noho izany no ahafahanao mandroso hatrany amin’ny fitsipiky ny fanambarana, mandra-pahatonganao ho tanteraka ao amin’i Kristy Jesoa” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 132).

  22. Efesiana 1:10.

  23. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:40: “Fa ny faharanitan-tsaina dia miraikitra amin’ny faharanitan-tsaina; ny fahendrena dia mandray ny fahendrena; ny fahamarinana mifamihina amin’ny fahamarinana; ny hatsaran-toetra tia ny hatsaran-toetra; ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana.”

  24. Almà 32:35. Nanantitrantitra i Almà fa ireo traikefa feno hazavana ireo, na dia kely aza matetika, dia tena misy amin’ny lafiny rehetra. Vao mainka mahery vaika kokoa ny zava-misy iainan’izy ireo rehefa atambatra miaraka izy ireo mba hamorona singa iray matanjaka.

  25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24.

  26. Almà 32:41.