Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ho fanohanana ny taranaka vao misondrotra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Ho fanohanana ny taranaka vao misondrotra

Manana ny fitaomana lehibe indrindra amin’ny safidin’ireo zatovo ireo fifandraisana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Voasarika ho amin’ny tantaran’i Helamàna sy ireo zatovolahin’ny vahoakan’i Amôna aho raha teo am-piomanana hiresaka aminareo. Nahatsapa ny herin’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mampianatra ireo ray aman-dreny sy eveka ary ireo mpikambana ao amin’ny paroasy aho tamin’ny alalan’ny fandalinana ity tantara ity.

Lehilahy iray izay azon’ireo zatovo Amônita nitokisana i Helamàna. Nanampy azy ireo hivoatra sy ho matotra amin’ny fahamarinana izy. Nahafantatra sy nitia azy izy ireo ary “niriany ho [izy] no ho mpitondra azy ireo.”1

Notiavin’i Helamàna toy ny zanany lahy ireo zatovolahy ireo ary hitany ny mety hoavin’izy ireo.2 Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund fa “mba hanompoana ny hafa amim-pahombiazana, dia mila mijery azy ireo … amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra [isika]. Amin’izay ihany isika vao afaka manomboka mahatakatra ny tena hasarobidin’ny olona iray. Amin’izay ihany isika vao afaka mahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra.”3 Notahiana ny eveka amin’izao fotoana izao amin’ny fahafahana mamantatra mba hahita ny toetoetra araka an’ Andriamanitra an’ireo zatovo eo ambany fiahian’izy ireo.

“Nisai[n’]”i Helamàna4 ireo zatovolahy teo ambany fiahiany. Nataony laharam-pahamehana ny fananganana fifandraisana matanjaka tamin’izy ireo.

Tsy hitan’i Helamàna sy ireo zatovo miaramilany ny toerana izay nisy ny tafika nanenjika azy ireo, tamina fotoan-tsarotra iray izay nisy toe-javatra nihatra aman’aina. Nila hevitra tamin’ireo zatovo i Helamàna nanao hoe:

“Indro, tsy fantatsika raha efa nijanona izy, satria ny kendrena dia ny hahatongavantsika hanohitra azy. …

“Noho izany, inona no lazainareo, anaka … ?”5

Namaly ireo zatovolahy mahatoky ireo hoe, “Ikaky ô, indro, ny Andriamanitsika dia miaraka amintsika, ary tsy hamela antsika ho lavo Izy; aoka isika handeha amin’izany.”6 Nandresy izy ireo rehefa nanohana an’ireo zatovolahy ireo tamin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo7 hihetsika8 i Helamàna.

Nanana tanjona lehibe ireo zatovo Amônita ary nahery fo tamin’ny “fanohanana ny mponi[na].”9 “Ity tafika kely ity,” izay notarihin’i Helamàna, dia nampiely “fanantenana lehibe sy fifaliana fatratra”10 tao am-pon’ireo miaramila Nefita efa ampy traikefa. Afaka mitarika ireo zatovony manana talenta miavaka ireo eveka amin’izao fotoana izao amin’ny fitahiana ny paroasy sy ny fanangonana an’i Isiraely. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa izany no “iraka nanirahana [azy ireo] tety an-tany.”11

Tahaka ireo zatovo Amônita ireo izay “marina tamin’ny fotoan-drehetra izy ireo na inona na inona zavatra nankinina taminy,”12 dia nanaraka tamim-pahatokiana an’ireo mpitarika azy i Helamàna. Na inona na inona fanamby na fihemorana, dia nitoetra “nandray fanapahan-kevitra hentitra”13 hatrany i Helamàna mba hampandroso ny tanjon’izy ireo. Rehefa nodidiana “[handeha] miaraka amin’ny zana[ny]”14 izy dia nankatò.

Voatahy ny zatovo ankehitriny rehefa manaraka ny fitarihan’ireo mpitarika antsika ny eveka mba “hifampidinika amin’[ireo] filohan’ny Zatovovavy ao amin’ny paroasy.”15 Maka antoka ireo filohan’ny tsatòka fa mahazo torolalana ireo eveka sy filohan’ny Zatovovavy amin’ny fanatanterahana ny andraikiny amin’ny zatovo.16

Nanaja fanekempihavanana i Helamàna. Rehefa nampianatra ny filazantsara an’ireo ray aman-drenin’ireo zatovolahy maherifo i Amôna, dia noraisin’ireo ray aman-dreny ireo tsy tamim-pihambahambana izany. Feno fanoloran-tena tokoa izy ireo tamin’ny fiainany vaovao amin’ny maha-mpianatry ny Tompo feno fahamarinana azy ireo ka dia nanao fanekempihavanana ny “[hametraka] ny fiadian’ny fikomiany.”17 Ny hany zavatra nahatonga azy ireo hieritreritra ny handika io fanekempihavanana io ka hiverina ho amin’ny ady efa nahazatra azy ireo fahiny, dia ny fahitana ny Nefita ho tandindomin-doza.

Te hanampy ireo olona ireo izay nanome trano fialofana azo antoka ho azy ireo ny Amônita. Nandresy lahatra azy ireo i Helamàna, sy ny hafa, mba hitandrina ny fanekempihavanany tsy hiady na oviana na oviana. Nitoky kokoa tamin’ny hery izay homen’ Andriamanitra izy noho ny hery izay azon’ireo Amônita nomena tamin’ny sabany sy ny zana-tsipìkany.

Nanam-pahavononana be i Helamàna rehefa niatrika fanamby mampatahotra izy sy ireo zatovo miaramilany. “Nefa, indro, tsy mampaninona izany—matoky izahay fa Andriamanitra no hanafaka anay.”18 Tamina tranga iray, raha efa saika matin’ny hanoanana, ny valin-tenin’izy ireo dia ny “[namboraka] tamim-bavaka tamin’ Andriamanitra ny fanahin[y] mba hanatanjahany [azy ireo] sy hanafahany [azy ireo] … [ary] ny Tompo … namangy [azy ireo] tamin’ny fanomezan-toky fa hanafaka [azy ireo]”19 noho ny finoany fatratra izay efa nampianarina azy ireo mba hino.”20

Ianarantsika avy ao amin’i Helamàna fa notohanan’ny ray aman-drenin’izy ireo ireo zatovolahy ireo. Nahafantatra ireo ray aman-dreny mahatoky ireo fa izy ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampianarana ny zanany. Nampianatra ny zanany hitandrina ny didy sy “handeha araka ny hitsiny”21 eo anoloan’ Andriamanitra izy ireo. Nampianarin’ny reniny izy ireo “fa raha tsy miroanahana izy ireo, dia Andriamanitra no hanafaka azy ireo.”22 Naneho ohatra mahery vaika momba ny fanaovana fanekempihavanana ny rain’izy ireo.23 Nahafantatra ny zavatra mampihoron-koditra ateraky ny ady ireo mpiady tranainy ireo. Nankinin’izy ireo tamin’i Helamàna ny zanak’izy ireo lahy tsy ampy traikefa ary notohanany tamin’ny fandefasana “vatsy maro.”24

Tsy irery i Helamàna rehefa nanompo ny tafika zatovony izy. Nanana olona nanodidina azy izay nitodihany izy mba hahazoana fanohanana sy fitarihana. Nangataka fanampiana tamin’ny Kapiteny Môrônia izy ary tonga izany.

Tsy misy olona manompo irery ao amin’ny fanjakan’ny Tompo. Nitahy antsika tamin’ny alalan’ny paroasy sy tsatòka ny Tompo. Amin’ny alalan’ny rafiny naverina tamin’ny laoniny, dia manana ny loharanom-pitaovana sy ny fahendrena ary ny fitaomam-panahy isika hoentina hiatrehana ny fanamby rehetra.

Manome fitarihana ny paroasy amin’ny alalan’ireo filankevitra ny eveka.25 Mampiroborobo ny dinidinika fanao isan-telovolana momba ny fanompoana izy ary avy eo dia mamporisika ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo amin’ny fanompoana fianakaviana. Mitarika amin’ny fanombanana ny zavatra ilaina sy ny fitadiavana vahaolana nentanim-panahy ireo fiadidiana ireo. Manolotra fanohanana amin’ny alalan’ny fampianarana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana momba ireo andraikitra ireo ny filohan’ny tsatòka.

Hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile sy ny Application Vivre l’Évangile ny torolalana ilaina ho an’ny mpitarika sy ny ray aman-dreny. Afaka mahita ny soratra masina sy ny fampianaran’ny mpaminany maoderina ary ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany isika ao anatin’ireo loharanom-pitaovana nentanim-panahy ireo. Ahitana loharanom-pitaovana maro ho an’ny fiadidian’ny kôlejy sy ny kilasy ny vakizoro ho an’ny Zatovo ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile26 sy ny Ho Zatovo Mahery!: Torolalana ho an’ny fanaovana safidy. Azon’ny Tompo tarihina ny tsirairay amin’ny fankaherezana ny zatovo rehefa mandalina ireo loharanom-pitaovana nentanim-panahy ireo ny mpikambana rehetra ao amin’ny paroasy ary mikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy.

Hotahiana sy hahazo hery ny paroasy iray manontolo rehefa mifantoka amin’ny taranaka vao misondrotra ny mpikambana. Na dia eo aza ny tsy fahatanterahantsika sy ireo fahadisoana ataontsika, dia manasa antsika tsirairay avy ny Ray any An-danitra, amin’ny alalan’ny fananana ny Fanahiny ao amintsika, mba hanolo-tanana ny hafa. Fantany fa mivoatra sy hamasinina isika rehefa manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina.27 Tsy maninona na dia tsy lavorary aza ny ezaka ataontsika. Afaka matoky isika rehefa miara-miasa amin’ny Tompo fa hifanaraka amin’izay ho nataony ho an’ireo zatovo ny ezaka ataontsika.

Lasa vavolombelon’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainan’ireo zatovo isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny fanampiana azy ireo. Manorina fifandraisana feno fitiavana sy fahatokiana ny fanarahana ireo bitsika avy amin’ny Tompo. Ireo fifandraisana eo amin’ny fiainan’ireo zatovo no manana ny fitaomana lehibe indrindra amin’ny safidin’izy ireo zatovo.

Hianatra ny lamin’ny fahazoana fanambarana ny zatovo rehefa mandray anjara miaraka amintsika ao anatin’ny dingan’ny fikatsahana sy ny fanarahana ireo bitsika mba hanompoana ny hafa izy ireo. Hihalalina ny fifandraisan’ireo zatovo sy ny fitokiany amin’ny Tompo rehefa mitodika Aminy izy ireo mba hahazoana izany fitarihana nentanim-panahy izany.

Maneho ny fitokiantsika amin’ny zatovo isika amin’ny fanolorana fanohanana sy fitarihana, nefa koa tsy misalovana ny anjaran’izy ireo.28 Hiaina fifaliana sy fivoarana marina ireo zatovo, rehefa mihataka kely isika ary mamela azy ireo hianatra amin’ny alalan’ny fiarahana manao filankevitra, amin’ny fisafidianana lalana nentanim-panahy, ary amin’ny fanatontosana ny drafitr’izy ireo.

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring fa “ny zavatra hanan-danja indrindra dia ny zavatra ianaran’ny [zatovo] avy ami[nareo] momba ny hoe iza marina izy ireo ary afaka ny ho tonga inona marina. Inoako fa tsy dia ho avy amin’ny lesona ampianarina loatra no hianaran’izy ireo izany. Ho azon’izy ireo izany avy amin’ny fahatsapana hoe iza ianareo, sy izay hiheveranareo azy ireo hoe iza izy ireo, ary izay heverinareo fa mety hahatongavany.”29

Mahatalanjona antsika ireo zatovontsika noho ny herim-pony sy ny finoany ary ny fahaizany. Ho voasokitra ao am-pon’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy rehefa misafidy ny ho mpianany mazoto tanteraka izy ireo. Ho lasa ampahany amin’ny maha-izy azy ireo ny fanarahana Azy, fa tsy zavatra izay ataony fotsiny ihany.

Nanampy ny zatovo Amônita i Helamàna mba hahita ny fomba fiainan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy maherifo. Afaka ny ho ohatra mahery vaika ho an’ny zatovo mikasika ny fomba fiainan’ny mpianatr’i Kristy ankehitriny isika. Mivavaka ireo ray aman-dreny mahatoky mba hahazoana ireo ohatra ireo eo amin’ny fiainan-janany. Tsy misy fandaharanasa afaka manolo ny fitaoman’ireo olon-dehibe be fitiavana sy mitandrina fanekempihavanana.

Afaka manome ohatra ho an’ny zatovo ny eveka, amin’ny maha filohan’ny kôlejin’ny mpisorona azy, amin’ny fomba hahatongavana ho vady mahatoky sy ray be fitiavana30 amin’ny alalan’ny fiarovana sy ny fanomezana ary ny fiahiana31 amin’ny fomba feno fahamarinana. Hanana fitaomana izay haharitra hatramin’ny taranaka maro ny eveka, rehefa mifantoka amim-pahazotoana amin’ireo zatovo”32.

Anisan’ireo fanahy mahery indrindra an’ny Ray any An-danitra ireo zatovo ankehitriny.33 Anisan’ireo maherifo mpiaro ny fahamarinana sy ny fahafahana misafidy izy ireo tany amin’ny tontolo talohan’ny fiainana an-tany.34 Teraka tamin’izao andro izao izy ireo mba hanangona an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy Tompo. Fantany ny tsirairay amin’izy ireo ary fantany ny olona mety hahatongavan’izy ireo. Manam-paharetana Izy eo am-pivoaran’izy ireo. Hanavotra sy hiaro azy ireo Izy. Hanasitrana sy hitarika azy ireo Izy. Hanome fanentanam-panahy azy ireo Izy. Efa nomanina hanohana azy ireo isika ray aman-dreniny sy mpitarika azy ireo. Manana ny Fiangonan’ny Mpamonjy isika mba hanampy antsika amin’ny fitaizana ny taranaka manaraka.

Mijoro ho vavolombelona aho fa naorina ny Fiangonan’i Kristy, izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ary tarihin’ny Filoha Russell M. Nelson ankehitriny, mba hanampiana ny zatovo hanatontosa ny tanjona lehibe an’izy ireo amin’izao andro farany izao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Almà 53:19.

  2. “Raha misafidy ianao, raha tianao izany dia … afaka ny ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray ianao, zavatra tena goavana, zavatra tena tsara! … Anisan’ireo olona tsara indrindra nalefan’ny Tompo tety an-tany hatrizay ianareo. Manana fahafahana mba hahay kokoa sy hendry kokoa ary hanana fiantraikany kokoa amin’izao tontolo izao mihoatra noho ireo taranaka lasa rehetra ianareo!” (Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], Médiathèque de l’Évangile).

  3. Dale G. Renlund, “Amin’ny fijerin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 94.

  4. Almà 56:55.

  5. Almà 56:43–44.

  6. Almà 56:46.

  7. “Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hanao ny marina; fa ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hisafidy ny hanao ny marina” (Dale G. Renlund, “Fidionareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 104).

  8. “Rehefa manao izay hahatonga ny zatovo hazoto isika ka manasa azy ireo sy mamela azy ireo hihetsika hanao asa, dia handroso amin’ny fomba mahagaga ny Fiangonana” (avy amin’ny fihaonana tamin’ny Loholona David A. Bednar; jereo koa ny 2020 Temple and Family History Leadership Instruction, 27 feb. 2020, Médiathèque de l’Évangile).

  9. Almà 53:22.

  10. Almà 56:17.

  11. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” Médiathèque de l’Évangile.

  12. Almà 53:20.

  13. Almà 58:12.

  14. Almà 56:30.

  15. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 7.1.2, Médiathèque de l’Évangile.

  16. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 6.7.2.

  17. Almà 23:7.

  18. Almà 58:37.

  19. Almà 58:10–11.

  20. Almà 57:26.

  21. Almà 53:21.

  22. Almà 56:47.

  23. Jereo ny Almà 23:7; 24:17–19.

  24. Almà 56:27.

  25. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 7.1.1.

  26. “Eo am-pikatsahantsika ny fahamarinana mandrakizay, dia afaka manampy antsika ireto fanontaniana roa manaraka ireto raha toa ka avy amin’ Andriamanitra ny foto-kevitra iray na avy amina loharano hafa: Moa ve mitovy ny fampianarana ilay foto-kevitra ao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona izany? Moa ve hamafisin’ny teny vavolombelon’ny Fanahy Masina ilay foto-kevitra? Manambara fahamarinana mandrakizay amin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia manamafy amintsika manokana ireo fahamarinana ireo” (John C. Pingree Jr., “Fahamarinana mandrakizay,” Liahona, nôv. 2023, 100).

  27. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2–4.

  28. “Raha zara fa manao [ny asan’ Andriamanitra] ireo zatovo[ntsika] dia ho mora tototry ny zavatr’izao tontolo izao izy ireo. … “Firy ireo fiadidian’ny kôlejin’ny diakona sy mpampianatra izay tsy manao n’inona n’inona afa-tsy ny miantso olona hanolotra vavaka sy hizara ny fanasan’ny Tompo? Ry rahalahy isany, fanahy tena miavaka izy ireo, ary afaka manao zavatra manan-danja izy ireo raha omena fahafahana hanao izany!” (Neal A. Maxwell, “Unto the Rising Generation,” Ensign, Apr. 1985, 11).

  29. Henry B. Eyring, “Teaching Is a Moral Act” (Fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young, 27 aog. 1991), 3, speeches.byu.edu.

  30. Jereo ny “Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna,” Médiathèque de l’Évangile.

  31. Jereo ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.

  32. “Manantena izahay fa hanome lanja lehibe an’ireo andraikitry ny fisoronana ho an’ny zatovolahy sy hifantoka bebe kokoa amin’izany ireo episkôpà ary hanampy ny zatovolahy ao anatin’ireo andraikiny ao amin’ny kôlejy. Hisy olon-dehibe mpanorohevitra ny zatovolahy izay manana fahaiza-manao ho antsoina mba hanampy ireo fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny episkôpà ao anatin’ny andraikitra sahanin’izy ireo. Matoky izahay fa zatovolahy sy zatovovavy maro no ho vonona hiatrika izany fanamby izany ary hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana noho ity fifantohana mahery vaika amin’ny zatovontsika ity” (Quentin L. Cook, “Fanovana mba hanamafisana orina ny zatovo,” Liahona, nôv. 2019, 41).

  33. “Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra, aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra, ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo, ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo, dia ianareo!” (Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” Médiathèque de l’Évangile).

  34. “Mety ho iray tamin’ireo mpiady maherifo teo amin’ny andaniny mpanohana ny fahafahana misafidy sy ny fahamarinana ilay zatovo akaikin’ny fonao. … Afaka manampy isika amin’ny fomba fandraisantsika ny fahavononan’izy ireo hisafidy ho an’ny tenany manokana. Ho tsapan’izy ireo raha toa isika ka mahita azy ireo ho toy ny iray amin’ireo mpiady mahatoky tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, izay nanolo-tena hatrany amin’ny fiarovana ny fahafahana misafidy sy mahafantatra ny hasarobidin’izany mba hitondra fahasambarana ho azy ireo. Raha toa isika ka afaka mahita azy ireo ho mpiady mahatoky tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia mety ho hitantsika ihany koa ny fitakian’izy ireo ny fahaleovantena ho toy ny mariky ny fahafahan’izy ireo, famantarana fa mitsapa ny herin’ny fahafahana misafidy izay hitondra fahasambarana ho azy ireo izy ireo” (Henry B. Eyring, “A Life Founded in Light and Truth” [fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young, 15 aog. 2000], 3, 4, speeches.byu.edu).