Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Voatendry mialoha mba hanompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Voatendry mialoha mba hanompo

Maniry ny hanambara aminareo ny maha-voatendry manokana anareo ny Raintsika any An-danitra, ary hanao izany Izy rehefa mikatsaka ny hianatra sy hanaraka ny sitrapony ianareo.

Hiresaka amin’ireo zatovo ato amin’ny Fiangonana, ny taranaka vao misondrotra zatovolahy sy zatovovavy izay mpihazona faneva ho an’ny taranaka manaraka aho anio hariva.

Nanambara ny mpaminany malalantsika, Filoha Russell M. Nelson tamin’ny ôktôbra 2013 hoe: “Efa nahafantatra anao nandritra ny fotoana ela be ny Rainao any An-danitra. Ianao, amin’ny maha-zanany lahy na zanany vavy anao dia nosafidiny ho tonga ety an-tany amin’izao fotoana izao indrindra, mba ho mpitarika iray ao amin’ity asany lehibe ity eto ambonin’ny tany.”1

Nanohy toy izao ny Filoha Nelson roa taona lasa izay:

“Androany aho dia mamerina manamafy amin-kery fa ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. Andraikitry ny fisoronana ny fandehanana mitory amin’ny fotoana feno ho an’ny zatovolahy Olomasin’ny Andro Farany. Natokana ho amin’izao fotoana izao izay hitrangan’ny fanangonana an’i Isiraely ianareo ry zatovolahy. …

“Ho anareo vehivavy tanora sy rahavavy afaka manao izany, fahafahana lehibe koa ny asa fitoriana saingy tsy voatery, handeha ianareo. … Mivavaha mba hahafantarana raha tian’ny Tompo ny handehananao hanao asa fitoriana, ary ny Fanahy Masina dia hamaly ao am-ponao sy ao an-tsainao.”2

Ny tian’ny mpaminanintsika holazaina ny amin’ny nitehirizan’ny Tompo ny zatovo ho amin’izao andro izao ao anatin’ny fanangonana an’i Isiraely, sy ny fanasany hivavaka hahafantarana izay tian’ny Tompo ho ataonao, amin’ny ampahany, dia ny fiainana niainanao sy ireo fitahiana noraisinao tamin’ Andriamanitra mialoha ny nahaterahanao teto amin’ity tany ity.3 Niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra amin’ny maha-zanany ara-panahy antsika isika rehetra izay teraka eto amin’ity tany ity.4 Nanambara tamin’i Mosesy ny Tompo hoe: “Izaho Tompo Andriamanitra dia nahary ara-panahy ny zavatra rehetra …, talohan’ny nisiany ara-batana teto ambonin’ny tany.”5

Rehefa nahary anareo ara-panahy Izy dia tiany ianareo amin’ny maha-fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy anareo, ary nataony ao anatinareo tsirairay ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ny anjara mandrakizay.6

Nandritra ilay fiainanareo talohan’ny nahaterahana dia “nampivoatra ny maha-izy [anareo ianareo] ary nampitombo ireo fahaiza-manaonareo ara-panahy.”7 Voatahy ianareo tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy, ny fahafahana manao safidy manokana ho an’ny tenanareo, ary nanao safidy manan-danja ianareo toy ny fanapahan-kevitra hanaraka ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra dia ny “hahazo vatana sy hahazo traikefa ety ambonin’ny tany mba handrosoana … ary amin’ny farany dia mahatratra ny anjara[nareo] araka an’ Andriamanitra amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay [anareo].”8 Nisy fiantraikany teo amin’ny fiainanareo io fanapahan-kevitra io tamin’izany, tany amin’ny fiainanareo talohan’ny nahaterahana, ary mitohy miantraika amin’ny fiainanareo ankehitriny izany.9 Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anareo niaina tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ianareo dia “nitombo tamin’ny faharanitan-tsaina sy nianatra nitia ny fahamarinana.”10

Notendren’ Andriamanitra ianareo tsirairay talohan’ny nahaterahanareo, hanatanteraka asa manokana mandritra ny fiainana an-tany iainanareo eto ambonin’ny tany.11 Raha toa ka mitoetra ho mendrika ianareo, dia hahatonga anareo hanana ireo karazan-javatra rehetra azo araraotina atao eto amin’ity fiainana ity ny fitahiana entin’io didy io, anisan’izany ireo fahafahana hanompo ao amin’ny Fiangonana sy handray anjara amin’ilay asa manan-danja indrindra mitranga eto ambonin’ny tany amin’izao andro zao, dia ny: fanangonana an’i Isiraely.12 Antsoina hoe fanendrena mialoha ireo fampanantenana sy fitahiana eo amin’ny fiainana an-tany ireo. “Mihatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny fotopampianaran’ny fanendrena mialoha.”13 Tsy manome antoka ny fanendrena mialoha fa handray antso na andraikitra manokana ianareo. Tonga eto an-tany ireo fitahiana sy fahafahana manao zavatra ireo, vokatry ny fampiharanareo tsara ny fahafahana misafidy, tsy misy hafa amin’ny fanendrena anareo mialoha tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, izay tonga vokatry ny fahamarinanareo.14 Handray ireo fahafahana manompo ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy sy ny kolejin’ny fisoronana ianareo rehefa porofoinareo amin’ny tenanareo hoe mendrika ianareo ary mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ho voatahy ianareo ka afaka hanompo any amin’ny tempoly, sy ho lasa rahalahy sy rahavavy mpanompo, ary hanao asa fitoriana amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.

Nahoana no zava-dehibe ny mikatsaka ny hahafantatra sy hahatakatra ny fanendrena anareo mialoha? Mitondra fiadanam-po mamy sy tokin’aina ho an’ny saina sy ny fo, amin’izao andro izay maha-betsaka fanontaniana mipetraka, sy maha-maro tokoa ny mikatsaka ny hamantatra ny tena maha-izy azy izao, ny fahafantarana fa mahafantatra sy mitahy antsika tsirairay Andriamanitra talohan’ny nahaterahantsika teto amin’ity tany ity, omban’“ireo toetra fototra iray mamaritra ny … tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.15 Manomboka amin’ny fahatakaranareo ireo fitahian’ Andriamanitra voatendry mialoha izay nomena anareo talohan’ny nahaterahanareo teto an-tany ny fahafantaranareo hoe iza ianareo. Maniry ny Raintsika any An-danitra ny hanambara aminareo ny maha-voatendry manokana anareo, ary hanao izany Izy rehefa mikatsaka ny hianatra sy hanaraka ny sitrapony ianareo.16

Tiako ny mamaky ireo zavatra avoakan’ny Filoha Nelson ao amin’ny Instagram. Anisan’ny tiako indrindra ilay anankiray tamin’ny 20 jolay 2022. Nanoratra izy hoe:

“Mino aho fa raha toa ka niresaka mivantana taminao ny Tompo anio alina, ny zavatra voalohany hataony dia ny manao izay hahatakaranao hoe iza marina moa ianao. Ry namako malala, tena zanak’ Andriamanitra ara-panahy ara-bakiteny ianareo. …

“… Aza diso hevitra momba izany: Ny fahafahana manao zavatra ao aminao dia araka an’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fikatsahanao amim-pahazotoana dia homen’ Andriamanitra fahafahana hahita kely an’izay mety haha-izy anao ianao.”17

Azoko zaraina aminareo ve ny fomba nampianaran’ny raiko eto an-tany ahy hamantatra ny maha-izy ahy sy ny drafitr’ Andriamanitra eo amin’ny fiainako?

Indray Sabotsy maraina, fony aho 13 taona, dia nanapaka bozaka aho, izay anjara raharahako isan-kerinandro. Rehefa vitako izany dia reko nikaratoka ny varavarana tany ambadiky ny tranonay ary nojereko ny raiko niantso ahy hanatona azy. Nankeo amin’ny lavarangana ambadiky ny trano aho ary nanasa ahy izy hiara-hipetraka aminy teo amin’ny tohatra. Maraina nahafinaritra tamin’izay. Mbola tsaroako izy nipetraka nanakaiky ahy ka nifampikasoka ny sorokay. Natombony tamin’ny filazana fa tia ahy izy. Nanontaniany ahy ireo tanjoko eo amin’ny fiainana. Nieritreritra aho hoe: “Hay ve e! mora izany.” Zavatra roa no azoko antoka fa fantatro: Te ho lava kokoa aho, ary te handeha hanao lasy matetika kokoa. Olona tsotra aho tamin’izany. Nitsiky izy, nangina kely fotoana fohy ary niteny hoe: “Steve a! Te hizara zavatra aminao aho izay manan-danja be amiko. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra aho mba ho voarakitra tsy hay fafana ao an-tsainao sy ao am-ponao ny holazaiko izao ka tsy hohadinoinao na oviana na oviana.”

Tany amin’ny raiko tanteraka ny fifantohako tamin’io fotoana io. Nitodika taty amiko izy ary nibanjina ahy sady niteny hoe: “Anaka, arovy ireo fotoananao manokana eo amin’ny fiainanao.” Nisy fiatoana lava tamin’izay raha navelany hilentika lalina tao am-poko ny hevitr’izany.

Notohizany avy eo hoe, “Hitanao, ireo fotoana izay ianao irery no eo amin’ny manodidina, ary tsy misy na iza na iza mahafantatra izay ataonao. Ireo fotoana izay eritreretinao hoe, -Na inona na inona ataoko amin’izao fotoana izao dia tsy hisy fiantraikany amin’olon-kafa, ankoatra ahy-.”

Avy eo dia nilaza izy hoe, “Mihoatra noho ny fotoana hafa rehetra eo amin’ny fiainanao, ny zavatra izay ataonao mandritra ny fotoananao manokana eo amin’ny fiainanao no hisy fiantraikany goavana indrindra eo amin’ny fomba hiatrehanao ireo olana sy ny aretim-po izay holalovanao; ary hisy fiantraikany goavana kokoa ihany koa eo amin’ny fomba hiatrehanao ny fahombiazana sy ny fifaliana izay hiainanao mihoatra noho ny fotoana hafa rehetra eo amin’ny fiainanao ny zavatra izay ataonao mandritra ny fotoananao manokana eo amin’ny fiainanao.”

Azon’ny raiko ny fanirian’ny fony. Niraikitra tsy hay fafana tato am-poko sy tato an-tsaiko tamin’io andro io ny akon’ny feony sy ny fidobodobok’izany, ary ny fitiavana tsapako tamin’ireo teniny.

Nianatra aho nandritra ireo taona nifandimby fa ny fahagagana lehibe indrindra tamin’io andro io teo amin’ny tohatry ny tranon’ny fahazazako dia hoe, afaka manatona an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka aho mba handray fanambarana, ao anatin’ireo fotoana manokana eo amin’ny fiainako. Nampianatra ahy ny fomba hahafantarako ireo fitahian’ Andriamanitra voatendry mialoha ny raiko. Tamin’ireny fotoana manokana ireny no nahafantarako fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Nianatra aho fa nanendry ahy mialoha Andriamanitra mba hanao asa fitoriana. Nianatra aho fa mahafantatra ahy Andriamanitra ary mihaino sy mamaly ny vavaka ataoko. Nianatra aho fa i Jesoa no Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

Na dia nanao fahadisoana maro aza aho taorian’io andro tsy hay hadinoina niarahana tamin-draiko io, dia nijanona ho vatofantsika teo anivon’ny tafio-drivotry ny fiainako hatrany ny fiezahana hiaro ireo fotoanako manokana teo amin’ny fiainako, ary nahafahako nikatsaka fialofana azo antoka sy ireo fitahiana manasitrana sy mampiorina entin’ny fitiavan’ny Tompo sy ny sorompanavotana nataony.

Ry rahalahy sy anabavy zandriko, handray fanambarana ianareo rehefa miaro ireo fotoana manokana eo amin’ny fiainanareo amin’ny alalan’ny fanaovana fialamboly mahasoa; ny fihainoana hira mampiorina; ny famakiana soratra masina; ny fanaovana vavaka tsy tapaka sy manan-danja; ary ny fanaovana ezaka handraisana sy handalinana ny tsodranon’ny patriarika izay anareo. Hoy ny Filoha Nelson hoe: “[Hisokatra] tsara ny masonareo amin’ilay fahamarinana fa ity fiainana ity tokoa no fotoana ahafahanareo manapa-kevitra hoe karazana fiainana toy ny ahoana no tiana reo hiainana mandrakizay.”18

Hamaly ny vavakareo ny Raintsika any An-danitra, indrindra fa ireo vavaka izay ataonareo mandritra ireo fotoana manokana eo amin’ny fiainanareo. Ho ambarany aminareo ireo talenta sy fanomezam-pahasoavana efa voatendry mialoha ho anareo, ary ho tsapanareo ny fitiavany mandrakotra anareo raha toa ianareo ka mangataka amin-kitsim-po sy maniry marina ny hahafantatra izany. Ho lasa manan-danja kokoa ny fandraisanareo anjara amin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara rehefa miaro ireo fotoana manokana eo amin’ny fiainanareo ianareo. Hamatotra tanteraka kokoa ny tenanareo amin’ Andriamanitra ianareo ao amin’ny fanekempihavanana izay ataonareo Aminy, ary hasandratra ho amin’ny fanantenana sy finoana ary fiantohana lehibe kokoa ianareo ao anatin’ireo fampanantenana izay nataony taminareo. Moa ve ianareo te hahafantatra ny drafitr’ Andriamanitra ho anareo? Mijoro ho vavolombelona aho fa tiany hahafantatra ianareo, ka nobitsihany ny Mpaminaniny ho an’izao tontolo izao hanasa antsika tsirairay hivavaka sy handray izany traikefa mampisokatra ny maso izany ho an’ny tenantsika.19 Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny maha-tena misy ny sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny herin’izany izay ahafahana ho mendrika sy misitraka ireo fitahiana rehetra notendren’ Andriamanitra mialoha, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.