Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mametraka an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2024


Mametraka an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika

Voavaly amin’ny alalan’ny fitiavan’i Jesoa Kristy tsy voahozongozona ireo fanontaniana lalin’ny fanahy, dia ireo izay mipoitra ao anatin’ny ora maloka indrindra sy ny fitsapana goavana indrindra lalovantsika.

Iharan’ny fisedrana isika indraindray eo am-pamakivakiana ny fiainana eto an-tany: ny fanaintainana mafy vokatry ny famoizana olon-tiana, ny ady mafy amin’ny aretina, ny fanindronan’ny tsy rariny, ny toe-javatra mampahory vokatry ny fandrebirebena lava na ny fanararaotana, ny alahelo vokatry ny tsy fananana asa, ny fahoriam-pianakaviana, ny fangirifiriana noho ny fanirery, na ny voka-dratsin’ny ady mitam-piadiana.1 Maniry fialofana ny fanahintsika amin’ny fotoana toy izany.2 Mikatsaka fatratra ny hahafantatra isika hoe: Aiza no mba hahitantsika ny balsaman’ny fiadanana?3 Amin’iza no afaka ametrahantsika ny fitokiantsika mba hanampy antsika amin’ny fahatokian-tena sy ny tanjaka hiatrehana ireo olana ireo?4 Iza no manana ny faharetana, ny fitiavana lehibe, ary ny tanana mahery indrindra mba hankahery sy hanohana antsika?

Voavaly amin’ny alalan’ny fitiavan’i Jesoa Kristy tsy voahozongozona ireo fanontaniana lalin’ny fanahy, dia ireo izay mipoitra ao anatin’ny ora maloka indrindra sy ny fitsapana goavana indrindra lalovantsika.5 Ao Aminy, ary amin’ny alalan’ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny,6 no ahitantsika ny valiny katsahintsika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy misy fetra no hanolorany antsika ny fanomezam-pahasoavana tsy hay refesina—ny fanomezam-pahasoavan’ny fanantenana, ny fanasitranana, ary ny antoka amin’ny fisiany tsy tapaka sy maharitra eo amin’ny fiainantsika.7 Afaka mahazo io fanomezam-pahasoavana io izay rehetra manolo-tanana amim-pinoana, mandray ny fiadanana sy ny fanavotana izay atolony maimaimpoana.

Manatsotra ny tanany amintsika tsirairay ny Tompo, izay fihetsika tena fototry ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny masina. Mihoatra ny antso tsotra ny fanasany antsika; fanomezan-toky avy amin’ Andriamanitra izany, izay hamafisin’ny herin’ny fahasoavany maharitra. Manome toky antsika amim-pitiavana Izy ao amin’ny soratra masina manao hoe:

“Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”8

Manamafy ny fahatakarana ny halehiben’ny fampanantenany ny fahazavan’ilay fanasany manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko” sy “Ento ny ziogako”—fampanantenana tena lehibe sy feno tokoa izay mahatonga ny fitiavany ho azo tsapain-tanana, manome antsika antoka mafonja hoe: “Hahita fitsaharana ianareo.”

Manomboka amin’ny dingan’ny fivoaran’ny tena manokana sy ny fitomboana izay manamafy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika rehefa mikatsaka ny fitarihana ara-panahy amim-pahazotoana.9 Rehefa takatsika ny maha-tsy hita noanoa ny fitiavana tonga lafatry ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy,10 dia feno fankasitrahana sy fanetrentena,11 ary faniriana nohavaozina hanaraka ny lalan’ny maha-mpanara-dia ny fontsika.12

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa: “Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.” Tonga avy Aminy sy noho Izy ny fifaliana.13

Nanambara i Almà rehefa niresaka tamin’i Helamàna zanany lahy hoe: “Ary ankehitriny, ry Helamàna zanako lahy, indro ao amin’ny fahatanoranao ianao, ary noho izany, miangavy anao aho mba hihainoanao ny teniko sy hianaranao amiko; satria fantatro fa na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ny andro farany.”14

Nampianatra momba ity fitsipika mandrakizay amin’ny fametrahana ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika ity i Helamàna, rehefa niresaka tamin’ireo zanany lahy, hoe: “Tsarovy, tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”15

Mianatra isika ao amin’ny Matio 14 fa nandeha mba hitokana i Jesoa rehefa nandre ny fahafatesan’i Jaona mpanao Batisa. Nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy anefa. Nandray azy ireo, ka nanasitrana ny marary teo amin’izy ireo i Jesoa noho ny fangoraham-po sy ny fitiavana, ary tsy namela ny alahelony hanelingelina Azy tamin’ny asa nanirahana Azy. Niatrika fanamby sarotra ny mpianatra rehefa hadiva ho hariva ny andro: olona marobe kanefa zara raha nisy sakafo. Nanolo-kevitra izy ireo ny handefasan’i Jesoa ny vahoaka mba hividy sakafo, kanefa nangataka ny mpianany tamin’ny fitiavana lehibe sy fanantenana lehibe kosa i Jesoa mba hamahana azy ireo.

Nasehon’i Jesoa ny fitokisany sy ny fitiavany ny Rainy, nomban’ny fitiavana tsy voahozongozona tsapany ho an’ny olona, raha mbola variana tamin’ilay fanamby natrehiny izay teo no ho eo ny mpianatra. Nasainy nipetraka teo ambonin’ny ahitra ny vahoaka, ary rehefa tsy naka afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa Izy, dia nisafidy ny hisaotra ny Rainy, niaiky ny fahafahan’ Andriamanitra manome mihoatra ny fahefany sy ny heriny.

Namaky ny mofo i Jesoa rehefa avy nisaotra, ary nozarain’ireo mpianatra tamin’ny olona izany. Nahagaga fa tsy vitan’ny hoe ampy fotsiny ny sakafo fa tena be dia be ary mbola nisy ambiny 12 harona. Nahitana lehilahy 5000 ireo nofahanana, ankoatr’ireo zaza amim-behivavy.16

Mampianatra lesona lalina iray ity fahagagana ity: ho mora ny hahatonga antsika ho variana amin’ireo zava-tsarotra lalovantsika, rehefa miatrika olana isika. Na izany aza anefa, i Jesoa dia naneho ny herin’ny fifantohana amin’ny Rainy, ny fanolorana fankasitrahana, ary ny fanekena fa tsy miankina amin’ny tenantsika mandrakariva ny vahaolana amin’ireo fitsapana mahazo antsika fa miankina amin’ Andriamanitra.17

Rehefa tojo zava-tsarotra isika, dia mirona ho azy amin’ny fifantohana amin’ireo sakana atrehintsika. Azo tsapain-tanana ary mibahana ao an-tsaintsika ireo olana hatrehintsika, fa ireo fitsipika handresentsika azy ireny anefa dia hita ao amin’ireo zavatra hifantohan’ny saintsika. Mampifanaraka ny zavatra ataontsika sy ny fitondrantenantsika amin’ny fomba fijerin’ny Kristy sy ny heriny isika amin’ny fametrahana Azy ho ivon’ny eritreritsika sy ny asantsika.18 Tsy manamaivana ny tolona ataontsika ity fanitsiana ity; fa manampy antsika kosa hamakivaky azy ireny eo ambanin’ny fitarihan’ Andriamanitra.19 Vokatr’izany dia mahita ireo vahaolana sy fanohanana avy amin’ny fahendrena avy amin’ny loharano masina isika. Mampatanjaka antsika amin’ny herim-po sy ny hevitra mba hamadika ny fitsapana lalovantsika ho fandresena ny fiezahana hanana io fomba fijery mifantoka amin’i Kristy io,20 izay mampahatsiahy antsika fa rehefa miaraka amin’ny Mpamonjy, dia mety ho lasa lalana mankany amin’ny fandrosoana ara-panahy lehibe kokoa ireo zavatra izay toa olana lehibe.

Mampiseho tantara mandresy lahatra momba ny fanavotana sy ny fiantraikany lalina ateraky ny fampifantohana ny fiainan’ny olona iray amin’i Kristy ny tantaran’i Almà Zanany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nijoro ho mpanohitra ny Fiangonan’ny Tompo i Almà tamin’ny voalohany, ka nitarika olona maro hiala amin’ny lalan’ny fahamarinana. Kanefa, nahatonga saina azy tamin’ny ratsy nataony ny firotsahan’ny lanitra an-tsehatra izay naseho tamin’ny alalan’ny fitsidihan’ny anjely iray.

Nahatsiaro ny fampianaran-drainy momba an’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny Sorompanavotany Almà, tao anatin’ny ora maloka indrindra niainany, rehefa nampijalin’ny fahatsapana ho meloka sy naniry mafy ny hitady fomba hialana tamin’ny fahoriany ara-panahy izy. Nibebaka tamim-pahamatorana izy, niaraka tamin’ny faniriana tamin-kitsim-po ny hahazo fanavotana, ary nitalaho tamin-kafanam-po mba hahazo ny famindrampon’ny Tompo. Niteraka fiovana miavaka io fotoan-dehiben’ny fanoloran-tena tanteraka io, izay nametraka an’i Kristy ho lohalaharana tao an-tsain’i Almà sy nahatonga azy hikatsaka tamin-kitsim-po ny famindram-pony. Nanjavona ny rojo vy mavesatry ny fahamelohana sy ny hakiviana ary nosoloin’ny fahatsapana fifaliana sy fiadanana mitafotafo.21

I Jesoa Kristy no fanantenantsika sy valim-panontaniana amin’ireo fahoriana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Tamin’ny alalan’ny sorona nataony no nanefany ny saran’ny fahotantsika sy nitondrany teo Aminy ny fijaliantsika rehetra—fanaintainana, tsy rariny, alahelo ary tahotra—ary mamela sy manasitrana antsika Izy rehefa matoky Azy isika ary mikatsaka ny hanova ny fiainantsika ho tsara kokoa. Mpanasitrana antsika Izy,22 mampionona sy manamboatra ny fontsika amin’ny alalan’ny fitiavany sy ny heriny, tahaka ny nanasitranany ny maro nandritra ny fotoana niainany teto an-tany.23 Izy no rano velona, mameno amin’ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny tsy miova ny zavatra ilain’ny fanahintsika lalina indrindra. Tahaka ilay fampanantenana nataony tamin’ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny fantsakana izany, izay nanolotra “loharano miboiboika hahazoana ny fiainana mandrakizay.”24

Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika aho fa velona i Jesoa Kristy, ary miahy an’ity Fiangonana ity, izay Fiangonany masina ity, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, Izy.25 Mijoro ho vavolombelona aho fa Mpamonjy izao tontolo izao Izy, Andrian’ny Fiadanana,26 Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo,27 Mpanavotra izao tontolo izao. Milaza amim-pahatokiana aho fa ao an-tsainy sy ao am-pony foana isika. Namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany Izy amin’izao andro farany izao ary niantso ny Filoha Russell M. Nelson ho mpaminaniny sy Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, ho vavolombelon’izany.28 Fantatro fa nanolotra ny ainy i Jesoa Kristy mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay.

Miseho tsikelikely amintsika ireo fanambarana, mandrakotra antsika ny fiadanany lalina ary mitondra famelan-keloka sy fanasitranana ho antsika ny sorompanavotany tsy manam-petra, rehefa miezaka mametraka Azy ho ivon’ny fiainantsika isika.29 Ao Aminy no ahitantsika ny hery handresena, ny herim-po haharitra hatramin’ny farany ary ny fiadanana tsy takatry ny saina. Enga anie isika hiezaka isan’andro mba hanakaiky kokoa Azy, ilay loharanon’ny zavatra tsara rehetra,30 ilay fanilon’ny fanantenana amin’ny diantsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.