2009
Fanehoan-kevitra
Aprily 2009


fanehoan-kevitra

Fanampiana mba Hivoarana

Feno fankasitrahana ny Liahona aho eo amin’ny fiainako. Izaho sy ny fianakaviako dia mampiasa ny Liahona ho an’ny leson’ny takarivan’ny mpianakavy ary mba hanampiana ny naman’ny Fiangonana hianatra bebe kokoa momba ny Fiangonana. Ny Liahona dia manampy ahy mba hivoatra voalohany indrindra. Mahatsapa faniriana lehibe mba hanao ny tsara kokoa aho amin’ny alalan’ireo lahatsoratra ary mametraka tanjona aho mifanaraka amin’ireo fampianarana omena ao. Tiako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy ny fahafahana omen’izany antsika mba hivoarana isan’andro.

Graziele Luiza Ramos de Freitas, Birezila

Famakiana ara-panahy

Ny Liahona dia fitahiana lehibe ary mahazo fifaliana lehibe aho avy amin’ ny famakiana izany. Indraindray aho dia manolotra ny Liahona ho fanomezana mba ahafahan’ny olona sasany miaina zavatra ara-panahy amin’ny famakiana izany. Tena tiako ny lahatenin’ny Filoha Thomas S.Monson tao amin’ny pejy ho an’ny ankizy tamin’ny Aprily 2008 izay nitondra ny lohateny hoe “Tetezana telo.” Ny zavatra rehetra lazainy antsika dia tena manan-danja mba hahatsapantsika fiadanana ara-panahy ary mba hiainana fiainana mifanaraka amin’ny didin’ny Tompo. Ny famakiana ny Liahona dia tena mahagaga sy masina.

Eleanor Grimaldi, Repoblika Dominikana