2009
Nitsangana Tamin’ny Maty Izy
Aprily 2009


Nitsangana Tamin’ny Maty Izy

Taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia nampianatra olona maro tany amin’ny Tany Masina ny Tompo (jereo pejy 8–11) sy tany Amerika (jereo pejy 12–13). Maro ireo olona fahiny no nijoro ho vavolombelona momba ilay Kristy Velona toy ny nataon’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’izao vanimpotoana izao: “Ary ankehitriny, aorian’ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ny rehetra, izay ataonay momba Azy: fa velona Izy!” (F&F 76:22).

Sary
He Is Risen

Ambony: Nitsangana Tamin’ny Maty Izy, nataon’i Del Parson

Ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia “hanolotra an’i [Kristy] amin’ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ny hazo fijaliana; ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy” (Matio 20:19).

Sary
He Is Not Here

Ankavanana: Tsy ato Izy, nataon’i Walter Rane

“Tsy ato Izy fa efa nitsangana” (Matio 28:6).

Sary
As It Began to Dawn

Ambony: Raha vao nazava ratsy ny andro, nataon’i Elspeth Young

“Ary tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magadalena sy ilay Maria anankiray” (Matio 28:1).

Sary
Easter Morning

Ambony: Marainan’ny Paska, nataon’i William F. Whitaker Jr.

“Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô” (Jaona 20:16).

Sary
The Three Marys at the Tomb

Ambany: Ireo Maria anankitelo tao am-pasana, nataon’i William-Adolphe Bouguereau

“Nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin’ny ankavanana niakanjo fotsy izy ireo ary dia talanjona” (Marka 16:5).

Sary
The Garden Tomb

Ambony: Ilay Fasana an-jaridaina, Nataon’i Linda Curley Christensen

“Ary indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra dia nankeo ka nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny” (Matio 28:2).

Sary
The Disciples Peter and John Running to the Sepulchre

Ankavanana: Ireo Mpianatra, Petera sy Jaona, mihazakazaka ho any amin’ilay fasana, nataon’i Dan Burr

“Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray. …

“Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an’i Petera ka tonga taloha tao amin’ny fasana” (Jaona 20:3–4).

Sary
The Doubtful Thomas

Ambony: I Tomasy ilay be ahiahy, nataon’i Carl Heinrich Bloch

Hoy i Kristy tamin’i Tomasy hoe: “Atefeho eto ny rantsan’ny tananao, ka jereo ny tanako; … ary aza ho isan’izay tsy mino fa minoa” (Jaona 20:27).

Sary
The Resurrected Christ in Galilee

Ankavanana: Ilay Kristy Nitsangana Tamin’ny Maty Tany Galilia, nataon’i Gary Smith

“Ary Jesosy nanatona dia niteny tamin’ireo [mpianatra iraika ambin’ny folo], ka nanao hoe : …

“Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” (Matio 28:18–19).

Sary
Feed My Sheep

Ambony: Fahano ny ondriko, nataon’i Kamille Corry

“Simona, zanak’i Jaona, moa tia ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; fantatrao fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondriko” (Jaona 21:16).

Sary
Christ on the Road to Emmaus

Ambany: I Kristy Teny An-dalana Nankany Emaosy, nataon’i Greg Olsen

“Ary ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera aty aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy” (Lioka 24:29).

Sary
The Ascension of Jesus

Ankavanana: Ny Fiakaran’i Jesoa Tany An-danitra, nataon’i Harry Anderson

“Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra” (Lioka 24:51).

Sary
Christ Appearing in the Western Hemisphere

Ambany: I Kristy Niseho tany amin’ny Ilam-bolatany Andrefana, nataon’i Arnold Friberg

“Ary ny zava-nitranga, nony nahazo ireo, dia nanandratra ny masony indray nankany amin’ny lanitra; ary indro hitany [i Kristy] nidina avy tany an-danitra” (3 Nefia 11:8).

Sary
Samuel the Lamanite Prophesies

Ambony: Maminany i Samoela ilay Lamanita, nataon’i Arnold Friberg

Ireo Nefita izay tsy nino dia “nitora-bato azy teo amin’ny manda, ary koa nandefa zanatsipika maro teny aminy” (Helamàna 16:2).

Sary
Christ in the Land Bountiful

Ankavanana: I Kristy tany an-Tanin’i Soafeno, nataon’i Simon Dewey

“Nandroso ny valalabemandry, … ary notsapainy ny diam-pantsika teo amin’ny tanany … ary nijoro ho vavolombelona fa i [Kristy] izany” (3 Nefia 11:15).

Sary
Bring Forth the Record

Ankavia: Ento atỳ ny rakitsoratra, nataon’i Robert T. Barrett

“Eny Tompoko, i Samoela [ilay Lamanita] dia naminany araka ny teninao ary tanteraka avokoa ireny.

“Ary hoy i Jesoa taminy: Ahoana no tsy nanoratanareo izany zavatra izany?” (3 Nefia 23:10–11).

Sary
Christ and the Book of Mormon Children

Ambany: I Kristy sy ireo Ankizy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, nataon’i Del Parson

“Nitomany i [Kristy] ary ny valalabemandry dia vavolombelona nanambara izany, ary nalainy tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo” (3 Nefia 17:21).

Sary
Christ Praying with the Nephites

Ankavia: I Kristy Miara-mivavaka amin’ny Nefita, nataon’i Ted Henninger

“Ary tsy misy afaka misaintsaina ny fifaliana izay nameno ny fanahinay tamin’ny fotoana nandrenesanay an’i [Kristy] nivavaka tamin’ny Ray ho anay” (3 Nefia 17:17).

Sary
Jesus Christ Visits the Americas

Ambany: Mamangy an’i Amerika i Jesoa Kristy, nataon’i John Scott

“Ary lavo teo an-tongotr’i Jesoa [ireo Nefita] sy nitsaoka Azy” (3 Nefia 11:17).

Lafi-tsary © Dover Publications Inc.