2009
Mihira sy Mitantara Tantara
Aprily 2009


Mihira sy Mitantara Tantara

Rehefa voantso hanompo tany amin’i Misiônan’i Durban ao Afrika Atsimo izaho sy ny vadiko dia nanomboka nitady asa fanompoana azo hatao eo anivon’ny fiaraha-monina izahay. Mpikambana tao amin’ny Amboarampeon’ny Tabernakely nandritra ny 20 taona aho ary ny vadiko izay mpanampy ny mpiasa tao amin’ny trano famakiam-boky iray dia nisahana ny fotoana fitantarana tantara tany amin’ny sekoly ambaratonga fototra. Rehefa nanapa-kevitra ny hanokatra ny asa fitoriana teo amin’ ny tanàna kely iray izay teo akaiky teo ihany ny filohan’ ny misiônanay dia fantatray fa tokony hanararaotra izany izahay.

Nitsidika ilay tanàna izahay ary nahita fa tsy nisy trano famakiam-boky tany an-tsekoly fa famakiam-boky kely iray fotsiny ho an’ny fiaraha-monina no tao an-tanàna. Nampahafantatra anay ny talen’ny trano famakiam-boky ireo zatovolahy misiônera. Nazavainay taminy fa te-hanokana fotoana isan-kerinandro hitantarana tantara ho an’ny ankizy izahay. Niahiahy izy saingy rehefa nieritreritra dia nanaiky ny hampahafantatra ny olona an’izany ary afaka manandrana izahay.

Ankizy dimy no nanatrika tamin’ ny andro voalohany. Nihabetsaka ny tonga. Volana maromaro taty aoriana dia nangataka ny fanampian’ny tovovavy iray izahay, izay vao niova fo sy miteny Anglisy sy Zulu tsara. Nitombo ny olona nanatrika ny fotoana fitantarana tantara, ary tena faly tamin’ny zava-niseho ny tale sy ny ray aman-dreny.

Tian’ny vahoaka Zulu ny mihira ka nampianay hira sy tononkalo kely misy rima tsotsotra ny fotoana nitantaranay tantara. Tamin’ny fiafaran’ny asa fitoriana nataonay, dia nanokana fotoana fihirana sy fitantarana tantara teo amin’ny roa na telo teo izahay mba handraisana ireo ankizy mihoatra ny 100 izay nanatrika. Tena fitahiana lehibe ny mahita ny ankizy eny rehetra eny ary manomboka mihira ny hiranay sy manao ny tononkalo kelinay izay miady rima.

Nisy fitahiana iray hafa niseho tamin’ny asa fanompoana nataonay tao amin’izany faritra izany. Rehefa nitombo ny mpikambana teo an-toerana dia nila trano mba hanaovana ny fivoriana isan’Alahady izahay. Ka niangavy mafy ny hampiasanay ny trano famakiam-boky ary tsy handoavam-bola, ilay talen’ny trano famakiam-boky.

Tena feno fankasitrahana izahay noho ny fanampian’ny Tompo anay hahita fomba hampiasana ny talentanay sy hanompo ny fiaraha-monina ary hanampy amin’ny fanokafana faritra irain’ny misiôna.