2009
Miverina Soa aman-tsara any amin’ny Ray any an-danitra
Aprily 2009


Andao Hihaino ny Feon’ny Mpaminany

Miverina Soa aman-tsara any amin’ny Ray any an-danitra

Lahateny avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Aprily 2007.

Ny Filoha Uchtdorf dia mampianatra fa noho ny Sorompanavotana dia afaka mibebaka isika ary afaka manana fanantenana mandrakariva.

Sary
President Dieter F. Uchtdorf

Ilay Fotoam-piverenana Hieren-doza

Nandritra ny fanofanana ahy mba ho lasa kapitenin’ny sidina ana habakabaka dia tsy maintsy nianatra ny fomba fitondrana fiaramanidina amin’ny dia lavitra dia lavitra aho. Ny zotra ana habakabaka misidina eo ambonin’ny ranomasimbe mangeniheny, sy mitety ny tany foana midadasika ary mandeha miala amin’ny kaontinanta iray mankany amin’ny kaontinanta iray hafa dia mila fandaminana maty paika mba iantohana ny fahatongavana hieren-doza any amin’ny toerana voatondro haleha. Ny sasany amin’izany zotra ana habakabaka tsy an-kijanona izany dia mety maharitra hatramin’ny 16 ora ary mahavita efa manakaiky ny 14.500 kilômetatra eo ho eo.

Misy fotoam-panapahan-kevitra lehibe mandritra ny zotra lavitra toy izany, izay fantatra araka ny mahazatra amin’ny hoe ny fotoam-piverenana hieren-doza. Amin’izany fotoana izany ny fiaramanidina dia manana lasantsy ampy mba hiodinana sy hiverenana soa aman-tsara any amin’ny seranam-piaramanidina niaingana. Raha tafahoatra an’ilay fotoam-piverenana hieren-doza, dia tsy manana izany safidy izany intsony ilay kapiteny ary tsy maintsy manohy. Izay no antony ilazana io fotoana io ho toy ny fotoana tsy ahafahana miverina intsony.

Mbola Tsy Tara Velively Izao

Tian’i Satana isika hieritreritra hoe rehefa nanota dia efa nihoatra an’ilay “fotoana tsy ahafahana miverina intsony”—ary efa tara loatra raha hanova ny lalantsika. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an’ny zanany mba hanitsiana sy handresena ny vokatry ny fahotana. Tonga mba hamonjy antsika i Kristy. Raha nandeha tamin’ny lalana tsy izy isika, dia afaka manome fahatokiana antsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa ny fahotana dia tsy hoe fotoana tsy ahafahana miverina intsony. Ny fiverenana hieren-doza dia tanteraka raha toa ka manaraka ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika isika.

Misy Foana ny Fanantenana

Na aiza na aiza misy anao ao amin’ity dian’ny fiainana ity ary na inona fitsapana atrehanao dia misy foana ny fotoam-piverenana hieren-doza. Misy foana ny fanantenana. Kapitenin’ny fiainanao ianao ary nanomana drafitra Andriamanitra mba hitondrana anao soa aman-tsara miverina any Aminy, ilay toerana masina halehanao.

Ny fanomezan’ny Sorompanavotana dia manome antsika ny fitahian’ny fibebahana sy famelan-keloka amin’ny fotoana rehetra ary any amin’ny toerana rehetra. Noho izany fanomezana izany dia omena antsika rehetra ny fahafahana miverina hieren-doza avy any amin’ilay lalana mahatsiravin’ny fahotana. Ny fifaliana eto amin’izao fiainana izao sy ny haravoana mandrakizay any amin’ny fiainana ho avy no ho valisoantsika raha misafidy ny hanaiky sy hampihatra izany fanomezan’ny Raintsika any an-danitra izany isika.

Sary nataon’i Scott Greer