2009
Halalino Amim-pahazotoana ny Soratra Masina
Aprily 2009


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Halalino Amim-pahazotoana ny Soratra Masina

Ampianaro ireo soratra masina sy fanambarana izay mifanaraka amin’ny ilain’ireo rahavavy vangianao. Asao ireo izay ampianarinao mba hizara ny zavatra tsapany sy nianarany.

Nahoana no Tokony Handalina ny Soratra Masina?

Filoha Howard W. Hunter (1907–95): “Mamporisika anareo aho mba hanao an’ireo fanambarana avy amin’Andriamanitra ho toy ny fitsipika izay tokony hitondrantsika ny fiainantsika sy tokony hampiasaintsika amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy fanaovana ny zavatra rehetra. Araka izany, rehefa manana ahiahy sy olana ianao, dia atreho izany amin’ny alalan’ny fitodihanao any amin’ny soratra masina sy ny mpaminany ” (“Fear Not, Little Flock,” ao amin’ny 1988–89 Devotional and Fireside Speeches [1989], 112).

Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994): “Fahombiazana ao amin’ny fahamarinana, hery hisorohana ny fahadisoam-panantenana sy hanoherana ny fakam-panahy ary fitarihana eo amin’ny fiainantsika isan’andro sy fahasitranan’ny fanahy—ireo no zavatra vitsivitsy amin’ireo fampanantenana nomen’ny Tompo ho an’izay mankato ny teniny. … Ny sasany amin’ireo fitahiana dia tsy hita afa-tsy ao amin’ny soratra masina, sy tsy hita raha tsy amin’ny fandalinana ny tenin’ny Tompo ary ny fifikirana mafy amin’izany. …

“… Manolora tena indray mba handalina ny soratra masina. Miroboha ao anatiny isan’andro mba hanananao ny herin’ny Fanahy izay hiaraka aminao ao amin’ny antsonao. Vakio miaraka amin’ny fianakavianao izany ary ampianaro ny zanakao mba hitia sy hanome lanja izany ” (“The Power of the Word,” Ensign, Mey 1986, 82).

Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985): “Rehefa mahafantatra bebe kokoa ny fahamarinana ao amin’ny soratra masina ianao dia lasa hahomby kokoa eo amin’ny fitandremana ilay didy lehibe faharoa dia ny hitiavanao ny namanao tahaka ny tenanao. Aoka ho lasa mpianatra soratra masina matotra ianao—tsy hanambany ny hafa fa kosa hampitraka azy ireo! Kanefa iza moa no tena mila ‘mitahiry’ ny fahamarinan’ny filazantsara (izay azony ianteherana amin’ny fotoana mahasahirana azy) mihoatra noho ny vehivavy sy renim-pianakaviana izay mitaiza sy mampianatra be tokoa?” (“The Role of Righteous Women,” Ensign, Nôv. 1979, 102).

Ahoana no Ahafahako Manome lanja lehibe ny Soratra Masina?

2 Nefia 4:15: “Fa ny fanahiko dia finaritra amin’ny soratra masina ary ny foko misaintsaina ireny sy manoratra ireny mba ho fianarana sy ho tombontsoan’ny zanako.”

Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany: “Ny fomba tsara iray hanombohana ny fandalinana ny soratra masina dia ny ‘mampihatra’ izany amin’ny tenanao (jereo1 Nefia 19:23). Misy olona sasany izay manomboka amin’ny alalan’ny fisafidianana lohahevitra mila fantarin’izy ireo bebe kokoa ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Na manomboka any amin’ny fiandohan’ny boky irain’ny soratra masina izy ireo ary mitady fampianarana manokana. …

“Na inona na inona fomba hanombohan’ny olona iray ny fandalinana soratra masina dia ny fanohizana hatrany ny fandalinana no fanalahidy manokatra ny fahalalana manan-danja. Tsy mba reraka velively aho mahita ny harena sarobidin’ny fahamarinana ao amin’ny soratra masina satria izy ireo dia mampianatra amin’ny ‘fahatsorana, araka izay mahatsotra ny teny’ (2 Nefia 32:7). Mijoro ho vavolombelona an’i Kristy ny soratra masina (jereo Jaona 5:39). Milaza amintsika ny zavatra rehetra tokony hataontsika izany (jereo 2 Nefia 32:3). ‘Mampahahendry [antsika] ho an’ny famonjena’ izany (2 Timoty 3:15).

“Tamin’ny alalan’ny famakiako ny soratra masina sy ny fanaovako vavaka miaraka amin’ny fandalinako no nahazoako fahalalana izay mitondra fiadanana sy fanampiana ho ahy mba hihazonako ny heriko hifantoka amin’ireo laharam-pahamehana mandrakizay. Satria nanomboka namaky ny soratra masina isan’andro aho dia lasa nahalala momba ny Raiko any an-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy sy ny zavatra tokony hataoko mba hitoviana amin’Izy ireo” (“My Soul Delighteth in the Scriptures,” Liahona sy Ensign, Mey 2004, 108–9).

Filoha Thomas S. Monson: “Mandravaka ny fitoeram-bokinay ny soratra masina. Ataovy izay hanomezan’izy ireo sakafo ny saintsika ary fitarihana eo amin’ny fiainantsika” (“The Mighty Strength of the Relief Society,” Ensign, Nôv. 1997, 95).

Sary nataon’i Craig Dimond; lafi-tsary nataon’i Shannon Gygi Christensen