2009
Mianatra avy amin’ny Mpaminany Joseph
Aprily 2009


Mianatra avy amin’ny Mpaminany Joseph

Sue Barrett, Gazetibokin’ny Fiangonana

Anisan’ny takarivan’ny mpianakavy tena tianay indrindra ny milalao ny tantaran’i Joseph Smith sy ny Fahitana Voalohany. Notantaraiko ilay tantara ary avy eo nolalaovin’ny zafikeliko izany, ka nitana ny anjara asan’ny mpilalao an’ireo mpitory teny sy Joseph Smith izy ireo. Nanao sarin’ny hazo tamin’ny taratasy aho hanehoana ilay ala kely masina, dia napetako teny amin’ny rindrina teny amin’ny zoron’ny efitrano izany, ary nanao marika famantarana misy soratra hoe “Mpitory teny” aho ho an’ireo mpitory teny ary naka seza sy Baiboly ho an’izay “Joseph” mba hianarany.

Ny mpitory teny tsirairay dia miteny amin’i Joseph hoe, “Ny fiangonako no marina. Midira ato amin’ny fiangonako ry Joseph.” Ary mamaly i Joseph hoe, “mbola tsy fantatro e!” na “mila mieritreritra momba an’izany aho.” Rehefa avy miresaka aminy ny mpitory teny rehetra dia mipetraka eo amin’ny seza i Joseph ary mamaky mafy ny Jakôba 1:5. Dia mankeny amin’ilay “ala kely” izy ary mandohalika mivavaka. Tsy misy na iza na iza nilalao ny anjaran’ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy, ary naneho fanajana izahay rehefa nandeha nivavaka teny amin’ilay ala kely ny “Joseph” tsirairay. Nifandimby ho mpitory teny sy Joseph ny ankizy tsirairay.

Dia niresaka momba ny zavatra nianaran’i Joseph Smith tao amin’ ny fahitana Voalohany izahay sy ny fomba hahazoantsika valim-bavaka na dia tsy mahita fahitana aza isika ary ny fomba ahafahan’ny soratra masina mitantana antsika.