2009
Jakoba 1:5–6
Aprily 2009


Fitsipika anampy Fitsipika

Jakoba 1:5–6

Ny Apôstôly Jakoba dia nampianatra antsika momba ny fanalahidy ahazoana fahendrena avy amin’Andriamanitra.

5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa ; ary dia homena azy izany.

6 Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory. Fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.

Mangataha amin’Andriamanitra

Ny famakiana izany andininy izany dia nitarika an’i Joseph Smith mba hivavaka tany amin’ilay Ala Masina izay niainany ilay Fahitana Voalohany (jereo Joseph Smith—Tantara 1:11–17). Afaka mieriteritra ohatra avy amin’ny zavatra niainan’ny fianakavianao na niainanao manokana ve ianao, izay nahitana olona iray izay nikatsaka fahalalana ka naharay valim-bavaka? Soraty ao anatin’ny diarinao ny momba izany.

Manome ho an’ny Olona Rehetra

“Tombontsoan’ny zanak’Andriamanitra ny manatona an’Andriamanitra ary mahazo fanambarana. … Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; mitovy ny tombontsoa azontsika rehetra.”

Ny Mpaminany Joseph Smith, Enseignement de Président de l’Eglise: Joseph Smith (Boky fandalinan’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana, 2007), 132.

Malalaka

Malalaka—maimaim-poana, amim-pahalala-tanana.

Mandatsa

Mandatsa—mitsikera, manome tsiny. Amin’ny teny hafa dia hamaly anao Andriamanitra ary tsy ho tezitra velively aminao noho ny vavaka tamin-kitsim-po nataonao Taminy mba hahazoana ny valin’ny fanontaniana iray.

Homena Azy Izany

Maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika ny Ray any an-danitra. Tonga amin’ny fotoanany sy amin’ny fomba samihafa ny valiny omeny—ohatra, eo amin’ny toe-javatra iainanao na amin’ny alalan’ny fihetsika mifono hatsaram-panahy nataon’ny hafa na amin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina. Ireto misy fomba vitsivitsy izay ahafahanao miomana mba hahazo ny fitarihana amin’ny alalan’ny Fanahy (avy ao amin’ny “Révélation,” Ancré dans la foi [2004], 158–162):

  • Mivavaha mba hahazo fitarihana.

  • Mba manàna fanajana

  • Mba manetry tena

  • Tandremo ny didy.

  • Mandraisa amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo.

  • Halalino isan’andro ny soratra masina.

  • Manokàna fotoana hisaintsainana.

  • Raha mitady fitarihana manokana ianao dia diniho ao an-tsainao ilay toe-javatra.

  • Katsaho amim-paharetana ny sitrapon’Andriamanitra.

Mangataha amim-pinoana

“Ny Mpaminany [Joseph Smith] dia nilaza fa taorian’ny namakiany izany andinin-tsoratra masina izany dia nahafantatra tsy am-pihambahambana izy, fa na izy tsy maintsy hitsapa ny fahamarinan’izany ary hangataka amin’ny Tompo, na hisafidy ny hijanona ao anatin’ny haizina mandrakizay. … novakiany ilay soratra masina, takany ilay izy ary natoky an’Andriamanitra Rainy Mandrakizay izy. Dia nandohalika sy nivavaka izy tamin’izay ary nahafantatra fa hanome azy ilay fahalalana izay nokatsahany mafy Andriamanitra. Nampianatra antsika ny fitsipiky ny finoana ny Mpaminany Joseph Smith—tamin’ny alalan’ny ohatra.”

Filoha Thomas S. Monson, “The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” Tambuli, Jiona 1994, 5; Ensign, Jiona 1994, 4.

Sombiny avy tamin’ny Rahalahy Joseph, nataon’i David Lindsley; sary nataon’i David Newman