2009
Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fahaizana Mamaky Teny sy Manoratra
Aprily 2009


Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fahaizana Mamaky Teny sy Manoratra

Ny zanakay lahimatoa dia tia ny kilasy ho an’ny ankizy kely vao mianatra ary toa mahay ihany any am-pianarana. Tao amin’ny kilasy voalohany anefa dia hitanay fa tsy nahay namaky teny izy. Afaka namaky teny vitsivitsy tetsy sy teroa ihany izy saingy sahirana na dia vao eo am-panombohana hamaky ireo zavatra nasaina novakiana aza. Nandeha ny volana ary zara raha nandroso ny fahaizan’ny zanakalahinay namaky teny. Lasa niahiahy fatratra izahay mivady.

Indray andro dia nahatsiaro zavatra iray nampianarin’ny filohan’ny misiônako aho taona maro lasa izay. Voantso tany amin’ny misiôna mampiasa teny vahiny aho. Fanamby izay mifono ambaratongany samihafa ho an’ny misiônera tsirairay ny fianarana teny Rosiana, ary nanoro hevitra anay ny filohan’ny misiônanay mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’ny teny Rosiana isan’andro. Nampanantena anay izy fa ny herin’ny Bokin’i Môrmôna dia hanampy anay amin’ny fahafahanay miresaka amin’ny teny Rosiana. Marina ny nolazainy. Rehefa nandeha ny fotoana dia sady lasa niteny sy nahatakatra tsara kokoa ilay fiteny aho ary nitombo ny fijoroako ho vavolombelona.

Taona maro taorian’ny asa fitoriako dia lasa eritreritra aho hoe, “Raha nahomby aho tamin’ny teny Rosiana, nahoana moa no tsy hahomby ny zanako lahy amin’ny teny Anglisy?” Taorian’ny nitantarana tamin’ny zanakay ny fahasahiranako tamin’ny fianarana teny Rosiana sy ny torohevitry ny Filohan’ny misiônako dia namporisika azy aho mba hamaky irery ny Bokin’i Môrmôna isan’andro. Nandany ny fotoana nanisy marika ny teny hoe Andriamanitra sy Tompo izy isaky ny mahita azy ireo amin’ireo pejy. Avy eo dia nifindra tany amin’ny hoe Jesoa indray izy. Taorian’izany dia nifidy teny izay hitany izy ary nanontany ny dikany. Navitrika tamin’ny famakiana isan’andro izy ary nony nifarana ny taona dia nihoatra noho ny nantenainay ny fahaizany mamaky.

Ao amin’ny kilasy fahaenina ny zanakay lahy amin’izao fotoana izao. Mpamaky teny miavaka izy ary manampy amin’ny fampianarana ny zandriny dimy momba ny fanomezam-pahasoavana azony tamin’ny alalan’ny famakiany ny Bokin’i Môrmôna. Samy lasa nanana fahaizana mamaky teny ny tsirairay tamin’ireo zanakay efatra ary nanana fahazarana mamaky ny Bokin’i Môrmôna. Manomboka mahatsapa ny fanahin’ny fahamarinany mahery vaika izy ireo rehefa nitombo ny fijoroany ho vavolombelona.