2009
Inona no dikan’ny Sorompanavotana ho Anao?
Aprily 2009


Inona no dikan’ny Sorompanavotana ho Anao?

Avy amin’ny lahateny iray natao nandritra ny Fihaonamben’ny vehivavy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young tamin’ny 5 Mey 2006.

Ny Sorompanavotana dia tena zavatra an’ny tena manokana ary novolavolaina manokana ho an’ny toe-javatra iainantsika tsirairay.

Sary
Elder Cecil O. Samuelson Jr.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra hoe: “Ny fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelon’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Kristy, izay milaza fa maty sy nalevina Izy ary nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo ary niakatra any an-danitra. Ireo zavatra hafa mikasika ny finoantsika dia fanampin’izany fotsiny ihany.”1

Ireo fitsipika fototra ireo dia mifototra ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny teny hoe Sorompanavotana amin’ny teny Anglisy, dia ny Atonement izany, izay ahitana ny hoe ‘at one’, dia midika hoe fampivondronana miaraka an’ireo izay tafasaraka ary midika hoe, fihavanan’ny olombelona indray amin’Andriamanitra. Ny fahotana no anton’izany fisarahana izany. Noho izany ny tanjon’ny sorompanavotana dia ny hanitsy na handresy ny vokatra ateraky ny fahotana.”2 Mino aho fa mety ho lasa tafasaraka amin’Andriamanitra koa noho ny antony maro ankoatry ny fanaovana fahotana miharihary.

Ireo loza mety hitranga noho ny fanalavirantsika ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjy antsika dia tena lehibe ary manodidina antsika foana izany. Soa ihany fa natao mba ho an’ireo toe-javatra miseho rehetra ireo koa ny Sorompanavotana. Izany no antony namaritan’i Jakôba, rahalahin’i Nefia ny Sorompanavotana ho toy ny “tsisy fetra” (2 Nefia 9:7), izay midika hoe tsy manam-pahataperana na tsy misy faneriteren’ny hery ety ivelany. Izay no mahatonga ny Sorompanavotana ho miavaka sy tena ilaina. Tsy mahagaga noho izany raha toa ka sady mila mankasitraka izany fanomezana tsy manam-paharoa izany isika no mila koa mahatakatra azy mazava tsara.

I Jesoa Kristy no hany afaka nanatanteraka izany Sorompanavotana lehibe izany satria Izy no hany olona tonga lafatra sy Zanakalahitokan’Andriamanitra Ray. Nandray ny fahefana hanaovana ity asa tena ilaina ity avy tamin’ny Rainy Izy talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao. Nahatonga ny fahatanterahan’ny Sorompanavotana feno ho an’ny olona avy amin’ny taranaka sy ny fotoana rehetra ny fiainany tonga lafatra teto an-tany izay tsy nisy ota, ny fandatsahany ny rany, ny fijaliany tao amin’ilay zaridaina sy teo amin’ ny hazo fijaliana ary ny fanolorany ny tenany ho faty sy ny Fitsanganan’ny vatany tamin’ny maty avy tao am-pasana.

Mahatonga ny Fitsanganana amin’ny maty ho zavatra tena hisy ho an’ny olona rehetra ny Sorompanavotana. Kanefa eo anatrehan’ireo fandikan-dalàna sy fahotantsika manokana, dia mitaky ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fibebahansika ary ny fankatoavantsika ny lalàna sy ny ôrdônansin’ny filazantsara, ireo lafiny misy fepetra ao amin’ny Sorompanavotana.

Ny Tsy Fahafatesana sy ny Fiainana Mandrakizay

Angamba ny andinin-tsoratra masina hindramina matetika mandritra ny fivoriantsika sy ao amin’ny zavatra nosoratana ho antsika dia ilay andinin-tsoratra masina tena tsara izay mazava sy mamintina ao amin’ny Bokin’i Mosesy hoe: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Noho Ilay Fitsanganana amin’ny maty dia hahazo ilay tsy fahafatesana isika rehetra. Noho ilay Sorompanavotana dia hiaina ny fiainana mandrakizay ireo izay manana finoana ampy an’i Jesoa Kristy Tompo mba hitondran’izy ireo ny anarany, sy ireo izay mibebaka ary miaina araka ny filazantsarany, ary ireo izay mitandrina ny fanekempihavanana natao Taminy sy ny Rainy sy ireo izay mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena izay azo amin’ny alalan’ny fomba masina sy any amin’ny toerana masina.

Tsy mahatadidy olona iray aho na nifanena tamin’ny olona iray izay nilaza fa manana finoana matanjaka an’i Jesoa Kristy, kanefa tena miahiahy momba ny Fitsanganana amin’ny maty. Eny, mety manana fanontaniana momba ny antsipiriany isika rehetra, saingy azontsika fa ilay fampanantenana fototra dia mahakasika ny olona rehetra ary tena azo antoka.

Noho ny fiainana mandrakizay izay misy fepetra sy mitaky ezaka sy fankatoavana avy amintsika dia sahirana indraindray ny ankamaroantsika ary matetika mihitsy angamba—sahirana foana—eo amin’ny lafin’ny fiainana araka ny fomba izay fantatsika fa tokony hiainantsika. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly dia nanontany hoe: “[Moa ve] isika mihevi-diso fa tsy maintsy manao ilay dia avy eo amin’ny tsara mankany amin’ny tsara kokoa isika ary lasa olomasina amin’ny alalan’ny tenantsika fotsiny amin’ny alalan’ny fahavononana lehibe sy herin-tsaina ary fitsipi-pifehezana”?3

Raha toa ny famonjena ka resaka fanaovana ezaka avy amintsika fotsiny, dia tena ho sahirana isika, satria tsy tanteraka isika rehetra ary tsy afaka manatanteraka foana ny zavatra rehetra. Ahoana ary izany no ahafahantsika mahazo ny fanampiana izay tadiavintsika? I Nefia dia nanazava ny fifandraisana mahasanganehana misy eo amin’ny fahasoavana sy ny asa, raha nijoro ho vavolombelona izy hoe: “Satria fantatsika fa noho ny fahasoavana no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23).

Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia mampahatsiahy antsika fa ny fahasoavana dia midika hoe fomba na fitaovana masina izay mitondra hery na fanampiana amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy izay azontsika raisina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.4 Noho izany dia amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy no hitsanganantsika amin’ny maty ary ny fahasoavany sy fitiavany ary ny Sorompanavotany no manampy antsika hanatanteraka ireo asa tsara sy hanao ny fivoarana tokony ilaina izay tsy ho tanteraka mihitsy raha toa isika ka avela fotsiny miaraka amin’ny fahaiza-manaontsika sy izay loharano ananantsika manokana.

Fahasambarana avy amin’ny Sorompanavotana

Ny toetran’i Nefia no anisan’ireo zavatra maro nitiavako azy. Tsy mora ny fiainany indrindra raha oharina amin’ny fiadanam-piainana izay toa tsy mba hanehoan’ny maro amintsika fankasitrahana akory amin’izao fotoana izao. Nipetraka tany an-tany foana i Nefia sy ny fianakaviany nandritra ny taona maro talohan’ny nahatongavany tany amin’ilay tany nampanantenaina. Nianjadian’ny hanoanana sy ny hetaheta ary ny loza izy ireo. Tsy maintsy niatrika ireo olana lehibe teo amin’ny fianakaviana i Nefia izay nampihomboan’i Lamàna sy Lemoela, ka nony farany nampisaraka azy tamin’ireo mpanara-dia azy, dia ireo izay nanaraka an’i Lamàna sy Lemoela izany.

Teo anatrehan’izany fihafiana sy fahasarotana izany dia afaka niteny i Nefia hoe: “Ary ny zava-nitranga dia niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay” (2 Nefia 5:27).

Takany fa misy fomba fiainana iray, izay mitondra fahasambarana sy fahafahana amin’ny fahasarotana sy ny olana ary ny fahadisoam-panantenana izay tonga eo amin’ny fiainantsika. Afaka nifantoka tamin’ny tanjona lehiben’ny drafitr’Andriamanitra ho azy sy ho an’ny olony izy ary noho izany dia afaka nisoroka ny fahakiviana noho ny fahasorenany na ny fijerena tsotra fotsiny hoe tsy rariny ilay fiainana. Tsy rariny izany, saingy faly izy sy ny olony na dia izany aza. Azon’izy ireo fa hisy ny Sorompanavotana ary natoky izy ireo fa ho tafiditra ao anatin’izany koa.

Nametraka fanontaniana manan-danja tamin’ny tenany i Nefia izay mety ho hanontaniantsika koa rehefa mieritreritra ny toeran’ny Sorompanavotan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika isika:

“Raha zavatra lehibe loatra no efa hitako tamin’izany, raha namangy ny olona tamin’ny famindram-po be ny Tompo, tamin’ny fietreny ho an’ny zanak’olombelona, Ô nahoana no hitomany ny foko ary hitaredretra ao an-dohasan’alahelo ny fanahiko ary hihaosa ny nofoko ary hihena ny heriko noho ny fahoriako?

“Ary nahoana aho no hilefitra amin’ny ota noho ny nofoko? Eny, nahoana aho no hanome vahana ny fakam-panahy mba hahazoan’ilay ratsy toerana ao am-poko ka handravany ny fiadanako sy hampahoriany ny fanahiko? Nahoana aho no tezitra noho ny fahavaloko?” (2 Nefia 4:26–27).

Taorian’ny fitarainany dia novaliany ihany ny fanontaniany noho ny fahafantarany ilay fomba izay tsy maintsy hataony mba hamahany ny olany: “Mifohaza ry fanahiko! Aza milofika ao amin’ny fahotana intsony. Miravoravoa ry foko ary aza manome toerana intsony ho an’ny fahavalon’ ny fanahiko. … Tompo ô, efa natoky Anao aho ary mbola hatoky Anao mandrakizay” (2 Nefia 4:28, 34).

Midika ve izany fa tsy nanana olana intsony i Nefia? Midika ve izany fa takany tanteraka ny zavatra rehetra nitranga taminy? Tsarovy ilay valinteny nomeny an’ilay anjely iray taona maro lasa talohan’izany, raha nametrahana fanontaniana manan-danja iray mifandray amin’ny Sorompanavotan’i Kristy izy, izay hiseho amin’ny hoavy: “Fantatro fa tia ireo zanany [Andriamanitra]; na dia eo aza izany, dia tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra” (1 Nefia 11:17).

Isika koa dia tsy afaka mahafantatra ary tsy hahafantatra mihitsy ny dikan’ny zava-drehetra, saingy afaka mahalala ary tsy maintsy mahalala isika fa tia ny zanany ny Tompo ary afaka ny hahazo tombontsoa tanteraka avy amin’ny fahasoavan’i Kristy sy ny Sorompanavotany isika eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fahasahiranantsika. Fantatsika sy tsy maintsy tsaroantsika toy izany koa ny hadalana sy ny loza ateraky ny fanomezana toerana an’ilay ratsy ao am-pontsika.

Na dia azontsika tanteraka aza izany ary manolo-tena isika mba tsy hampiditra zavatra ratsy sy ilay ratsy ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika, dia tsy mahomby isika satria lasa lehilahy sy vehivavy “araka ny nofo” matetika loatra isika (jereo Môsià 3:19). Noho izany dia tsy maintsy mankasitraka ny fitsipiky ny fibebahana isika ary mampihatra izany. Raha miresaka matetika momba ny fibebahantsika ho toy ny zava-niseho iray isika, izay toy izany tokoa indraindray, dia dingana arahana mandritra ny fiainana izany ho an’ny ankamaroantsika.

Mazava ho azy fa misy ny fahotana tsy nahy sy ny niniana natao izay azontsika hanombohana avy hatrany ny dingan’ny fibebahana. Misy ireo karazana faharatsiana sy hadisoana izay azontsika ialana amin’izao fotoana izao ary tsy iverenana intsony. Ohatra afaka ny ho mpandoa fahafolonkarena feno isika mandritra ny androm-piainantsika sisa na dia tsy izany hatrany aza ny zava-niseho teo aloha. Saingy ny lafiny sasany eo amin’ny fiainantsika dia mitaky ny fivoarantsika sy ny fitandremantsika hatrany, toy ny toetra ara-panahy, ny fiantrana, ny fanehoana hatsaram-panahy amin’ny hafa, fanajana ny olona ao amin’ ny fianakaviana ary fiahiana ny namana sy ny fandraisana anjara any amin’ny tempoly ary ny hatsaran’ny vavaka ataontsika manokana.

Tokony ho feno fankasitrahana amin’ny Mpamonjy isika, izay mahatakatra tsara kokoa ny momba antsika noho ny fahatakarantsika ny momba ny tenantsika, fa nanorina ny fanasan’ny Tompo Izy mba ahafahantsika manavao tsy tapaka ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fandraisana ireo marika masina miaraka amin’ny fanoloran-tena hitondra ny anarany masina, sy hahatsiaro azy mandrakariva ary hitandrina ny didiny. Rehefa manaraka izany rafitra izany isika izay ahafahantsika “miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana,” dia avo lenta kokoa ny fibebahantsika sy ny asa ataontsika ary mitombo ny fahafahantsika mahatakatra sy mankasitraka ny Sorompanavotana.

Fibebahana sy Fankatoavana

Herinandro vitsivitsy talohan’ny nananganana ny Fiangonana tamin’ny 1830, dia nahazo fanambarana miavaka ny Filoha Joseph Smith izay manampy antsika amin’ny fahatakarana ny Sorompanavotana satria ny Mpamonjy mihitsy no niteny sy nampianatra. Namaritra ny tenany ho toy ilay “Mpanavotra an’izao tontolo izao” Izy (F&F 19:1), ary nahafantatra fa nanao ny sitrapon’ny Ray ary nilaza hoe: “Koa didiako ianao hibebaka sy hitandrina ireo didy izay efa noraisinao” (F&F 19:13).

Izany rafitra tsotran’ny fibebahana sy fankatoavana izany no tena fototry ny “fiainana ao amin’ny toetry ny fahasambarana.” Fantatsika fa izany no mila ataontsika na dia mety hadinontsika aza indraindray ny antony. Mampahatsiahy antsika ny antony ny Tompo ao anatin’ireto teny manaraka ireto izay avy amin’ilay fanambarana teo ihany:

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;

“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—

“Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona” (F&F 19:16–19).

Tena lesona mahagaga izany. Azoko antoka fa tsy misy na iray amintsika aza afaka mahazo an-tsaina ny dikany sy ny alalin’ny fangirifirian’ny Tompo raha nanatanteraka ilay Sorompanavotana lehibe Izy. Tsy dia mino loatra aho hoe nahatakatra tanteraka ny fijalian’ny Mpamonjy i Joseph Smith tamin’izany fotoana izany, na dia nankasitraka sy nahatakatra bebe kokoa ny fitsapana sy fampijaliana nihatra taminy manokana aza izy, taona maro taty aoriana. Eritrereto ny torolalana manitsy izay nomen’i Jesoa rehefa nanoro hevitra sy nankahery an’i Joseph Izy tao anatin’ny fotoana tena maloka nandritra ny fanagadrana azy tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Niteny tsotra fotsiny ny Tompo hoe: “Efa nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’Olona. Moa ve ianao lehibe kokoa noho Izy?” (F&F 122:8).

Izany fanontaniana ho an’i Joseph izany dia ho antsika tsirairay koa ao anatin’ny fahasahiranantsika sy ny olantsika manokana. Tsy misy amintsika tokony hiahiahy amin’ilay valiny marina.

Ny zavatra niainan’i Jesoa dia tena mifono fahamatorana, satria tsy hoe tsy afaka niala tamin’izany Izy, fa satria tiany isika. Tia sy manaja ny Rainy i Jesoa amin’ny fomba lalina sy amin’ny fahitsim-po aman-tsaina izay azontsika alaina sary an-tsaina fotsiny ihany. Raha mahatsapa fa te-hanaja sy hitia ny Mpamonjy kosa isika dia tsy tokony hanadino velively fa nanao ilay zavatra nataony ho antsika Izy mba tsy hijaliantsika mitovy amin’izany, izay hany zavatra takian’ny fahamarinana amintsika.

Ny fanaintainana, ny fihafiana, ny fampijaliana, ny fantsika, ary ny fikorontanan-tsaina sy fangirifiriana tsy azo eritreretina dia nitondra daholo tany amin’ilay fialany aina nifono fanaintainana mafy, izay tsy azon’iza na iza zakaina raha tsy tamin’ny alalan’ny heriny sy ny fahavononany hijanona ao amin’ilay lalana ary hiaritra izay zavatra rehetra hatao Aminy.

Ireo Zavatra Voafehin’ny Sorompanavotana

Rehefa mandinika ireo zavatra voafehin’ny Sorompanavotana sy ny fahavononan’ny Mpamonjy hijaly noho ny fahotantsika rehetra isika, dia tokony hahatsapa amim-pankasitrahana fa mahafaoka zavatra tena maro kokoa ilay sorompanavotana! Diniho ireto tenin’i Almà ireto tamin’ny vahoakan’i Gideôna taonjato iray latsaka kely talohan’ny nitrangan’ny Sorompanavotana:

“Ary handeha [Jesoa], hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny Olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.

“Ankehitriny mahalala ny zava-drehetra ny Fanahy; na dia eo aza izany, ny Zanak’Andriamanitra dia miaritra araka ny nofo mba hahazoany mamafa ny fandikan-dalàny araka ny herin’ny fanafahany; ary ankehitriny indro izany no fanambarana izay ato amiko” (Almà 7:11–13).

Eritrereto izay mety fanafody feno sy mahasitrana tanteraka ny fanaintainantsika, ny rofintsika, ny fakam-panahintsika, ny aretintsika sy ny fahotantsika ary ny fahadisoam-panantenantsika sy ny fandikan-dalàna ataontsika. Afaka mieritreritra safidy hafa mihoatra noho ny Sorompanavotan’i Jesoa ve ianao? Dia ampio an’ilay Fitsanganana amin’ny maty tsy manam-paharoa izany, ary dia manomboka mba mahatakatra ihany isika ka mihira hoe, “Mahagaga ny fitiavan’i Jesoa Ahy.”5

Inona no dikan’ny Sorompanavotana ho ahy sy ho anao? Ny zavatra rehetra no dikan’izany. Araka ny nazavain’i Jakôba dia afaka “mihavana amin’ny [Ray] [isika] amin’ ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy, Zanany Lahitokana” (Jakôba 4:11). Midika izany fa isika dia afaka mibebaka, mifanara-tsaina tsara Aminy sy manaiky tanteraka Azy ary misoroka ireo fahadisoana sy tsy fahazoana an-tsaina izay “mandà ny famindram-pon’i Kristy ary mametraka ho tsinontsinona ny sorompanavotany sy ny herin’ny fanavotany” (Môrônia 8:20).

Misoroka ny tsy fanajana sy ny tsy fanomezam-boninahitra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny torohevitr’i Helamàna, izay mbola manan-danja amin’izao fotoana izao toy ny tany amin’ireo taona nialohan’ny fiavian’ny Tompo: “Ô tsarovy, tsarovy ry zanako … tsy misy lalana na fomba izay hahafahana mamonjy ny olona, raha tsy amin’ny alalan’ny ran’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay ho avy; eny tsarovy fa ho avy Izy hanavotra an’izao tontolo izao” (Helamàna 5:9).

Maharakotra tokoa an’izao tontolo izao sy ny olona rehetra hatrany am-boalohany ka hatrany amin’ny farany ny Sorompanavotany. Kanefa aoka isika tsy hanadino fa ao anatin’ireo zavatra voafehiny sy ny fahafenoany dia mbola zavatra ho an’ny tena manokana tokoa izany sy novolavolaina manokana mba hifanaraka tsara amin’ny toe-javatra iainantsika tsirairay avy. Fantatry ny Ray sy ny Zanaka tsara kokoa isika tsirairay mihoatra noho ny fahafantarantsika ny tenantsika ary nanomana sorompanavotana ho antsika izy ireo izay mifanaraka tanteraka amin’ny zavatra ilaintsika sy ny olantsika ary ireo zavatra izay ataontsika.

Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany an’ilay Zanany ary isaorana anie ny Mpamonjy noho ny Sorompanavotany. Marina sy misy fiantraikany izany ary hitondra antsika any amin’ny toerana tokony hisy antsika sy tiantsika haleha.

Fanamarihana

  1. Joseph Smith, Enseignements des Présidents de L’Eglise: Joseph Smith (Boky fandalinan’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana, 2007), 49.

  2. Torolalana ho an’ny soratra masina, “Sorompanavotana,” 226, jereo koa “Sorona,” 227-228.

  3. David A. Bednar, “In the Strength of the Lord,” ao amin’ny lahateny natao tao Brigham Young University tamin’ny 2001–2002 (2002), 123.

  4. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana,” 47.

  5. “Endrey mahagaga ahy,” Fihirana, faha-44.

Ankavia: Ilay vavaka tao Getsemane, nataon’i Del Parson

ILAY FANASANA farany, nataon’i Simon Dewey, nahazoana lalana tamin’ny Altus Fine Art, American Fork, Utah

Sary nataon’i Frank Helmrich