2009
Tena Faly Hianatra
Aprily 2009


Tena Faly Hianatra

“Katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (F&F 88:118).

Nampirimin’i Russell tsara tao amin’ ny kitapony ny pensily hazo roa sy ny kahieny. Nobangoiny ny volony ary nijery tsara izy mba hahazoana antoka fa mety ny akanjony. Rehefa avy namihina ny reniny ho fanaovam-beloma izy dia nandeha nihazakazaka tany amin’ny toerana fijanonan’ny fiara fitateram-bahoaka. Nahatsapa izy fa mety ho tezitra raha toa ka tsy vetivety dia tonga ilay fiara fitateram-bahoaka. Tena faly ny hiditra hianatra vao voalohany izy.

Isan-taona i Russell dia mijery ny rahalahiny sy ny anabaviny mandeha mankeny amin’ny toerana fijanonan’ny fiara fitateram-bahoaka izay handraisany izany mba handehanana any an-tsekoly. Te-handeha hiaraka handray ilay fiara fitateram-bahoaka amin’izy ireo izy. Ankoatra izany aza dia te-hianatra ny zavatra nianaran’izy ireo izy. Te-hianatra bebe kokoa momba ny dinosaure izy. Te-hahafantatra ny fomba fandehan’ny fiarandalamby izy. Te-hianatra hamaky teny izy. Fantany fotsiny fa ho tiany ny any an-tsekoly.

Nitsiky ny mpampianatr’i Russell, Madama Wilson, rehefa niditra tao an-dakilasy izy. Natorony an’i Russell ny latabatra hisy azy. Natorony azy koa ny hanantonana ny kitapony.

“Angamba mety hianatra momba ny dinosaure aloha izahay voalohany indrindra,” hoy ny eritreritr’i Russell.

“Tonga soa ato am-pianarana,” hoy Madama Wilson. “Handeha hampahafantatra ny tenantsika isika ary hilazalaza ny momba antsika.”

Nikentrona i Russell. “Dia mila mifankahalala izany izahay,” hoy ny eritreriny. “Angamba hianatra momba ny dinosaure izahay avy eo.”

Rehefa tonga ny fotoana hampahafantaran’i Russell ny tenany dia hoy izy hoe: “ Izaho no Russell. Tena faly aho hianatra ny zava-drehetra—indrindra fa momba ny fiarandalamby sy ny dinosaure.”

“Tena tsara izany ry Russell,” hoy Ramatoa Wilson. Nitsiky i Russell. Tena natoky izy fa hianatra momba ny fiarandalamby sy ny dinosaure afaka fotoana vitsivitsy.

Saingy tsy nanao izany izy ireo. Nihinana sakafo ody am-bava fo izy ireo ary nilalao vongan-javatra izay miendrika faribolana sy telozoro ary efamira.

“Madama Wilson, rahoviana isika no hanomboka hianatra momba ny dinosaure sy ny fiaran-dalamby?” Hoy i Russell nanontany.

“Tsy izao dia izao aloha ry Russell,” hoy izy. “Tonga izao ny fotoana hamakiana tantara.”

“Momba ny dinosaure ve izany?”

“Tsia ry Russell.”

Taorian’ilay tantara dia nianatra momba ny abidia izy ireo. Dia tonga ny fotoana hodiana.

Tezitra i Russell.

Nanakentronkentrona ny endriny tany ivelan’ny varavarankely izy teny ambonin’ny fiara fitateram-bahoaka. Nihazakazaka nankany an-trano izy avy teo amin’ny toerana fijanonan’ny fiara fitateram-bahoaka ary nisososo niditra ny varavarana fidirana. Nihazakazaka tany amin’ny efitranony izy ary nasitriny tao anatin’ny bodofotsy ny lohany.

Niditra ny reniny ary nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohan’i Russell. “Nanao ahoana ny andronao voalohany?” Hoy izy nanontany.

“Tena ratsy. Tsy hianatra na inona na inona velively aho ary tsy hiverina any intsony. Ny hany mba nataonay androany dia nilalao vongan-javatra ary namaky tantara.”

“Ô ry Russell a! Vao andronao voalohany anio,” hoy ny reniny.

Nitsangana i Russell ary nijery an-dreniny. “Te-hianatra momba ny dinosaure sy ny fiaran-dalamby ary te-hianatra hamaky teny aho—izao dia izao.”

Nipetraka teo ambonin’ny fandriana teo akaikin’i Russell ny reniny. “Tsy afaka mianatra ny zava-drehetra indray mandeha ianao. Mila fotoana ny fianarana. Ary arakaraky ny hianaranao bebe kokoa anio, no ahafahanao hianatra zavatra bebe kokoa any aoriana.”

“Inona no tianao holazaina?” Hoy i Russell, nanontany.

“Mila mianatra ny abidia ianao alohan’ny ahafahanao mianatra mamaky teny. Ary mila mianatra mamaky teny ianao alohan’ny ahafahanao mamaky ireo zavatra izay mahaliana anao,” hoy izy.

Nieritreritra an’izany i Russell. Mety misy zavatra hafa azo ianarana koa fa tsy momba ny dinosaure sy fiaran-dalamby fotsiny ihany. “Eny ary, dia aleo indray izany aho hanandrana hianatra rahampitso,” hoy izy.

Nitsiky taminy ny reniny.

“Nefa ve ry Neny afaka mahazo boky momba ny dinosaure isika any amin’ny trano famakiam-boky?”

“Tena mino aho fa afaka manao izany isika.”

Sary nataon’i Jim Madsen