2009
Maniry Hatao Batisa Aho
Aprily 2009


Hira

Maniry Hatao Batisa Aho

Amim-pisainana

1. Maniry hatao ba-tisa aho, sy hiakanjo fotsy,

Ka hanao ny tsara tahaka ny Tompo.

Hifanaiky Aminy aho ny ho marin’ hatrany

Fa izany no tiany ho ataoko hatrany.

2. Maniry hatao batisa aho rehefa valo taona,

Hidirana am’ valan’ i Kristy Jesoa.

Ho faly aho hitondra ny Anarany foana,

Ary hiezaka ny ho tahak’ Azy koa

3. Maniry hatao batisa am’ fahefan’ny Ray,

Handray ny Fanahy ka ho voadio tokoa

Ho tarihiny aho raha toa mankatò

Dia ho afak’ hiverina any amin’ ny Ray.

amim-pientanam-pò

miadana kokoa

© 2003 an’i Kathleen Holyoak sy Gary Croxall. Zo rehetra voatokana. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao an-tokatrano na any am-piangonana ka tsy hitadiavam-bola. Ity fanamarihana io dia tsy maintsy voarakitra eo amin’ireo dika-mitovy rehetra izay atao.

Sary nataon’i Christina Smith; sary lafika © Dynamic Graphics Inc.