2009
Ny Feon’ilay Mpiandry Ondry Tsara
Aprily 2009


Ny Feon’ilay Mpiandry Ondry Tsara

Amin’ny maha-tompon’ny toeram-piompiana sy fambolena nandritra ny taona maro ahy tao anatin’ny 70 taona niainako, dia tena tiako ilay fanoharana momba ny mpiandry ondry tsara hita ao amin’ny Jaona 10:1–18, satria niainako izany. Ity zavatra niainako manaraka ity dia nahery vaika teo amin’ny fampiharana izany fanoharana izany.

Tamin’ny vanimpotoana tao amin’ny Baiboly, ny mpiandry ondry tsirairay dia miantso am-bava ny andian’ondriny manokana ao anatin’ireo andian’ondry maro izay miaraka atambatra ao anatin’ny valan’ondry iray mandritra ny alina (jereo ny and. faha- 3–4). Toy izany koa rehefa mamindra ny ondriko aho, dia miantso ary manaraka izy ireo.

Taona maro lasa izay, i Alice, 96 taona, mpifanolobodirindrina amiko izay tena mavitrika ary niompy ondry koa dia narary nandritra ny vanimpotoana fampiterahana ondry, noho izany dia nangataka taminy ny hanaovako ny fampiterahana ny ondriny mandritra ny alina aho. Rehefa niditra ny trano fampiterahany ondry aho ny alina voalohany “niasako,” dia efa nandry tamim-pahatoniana ho an’ny alina ireo ondrivavy lehiben’i Alice izay 100 latsaka kely. Nefa raha vao niseho aho dia tonga dia tsapan’izy ireo fa misy olona tsy fantatra teo anivony. Nihorohoro izy ireo ka tonga dia nifampitampifipify tery amin’ny zorony iray lavitra tery (jereo and. 5).

Nitohy nandritra ny alina maromaro izany. Na dia nangina toy ny inona aza ny fidirako dia nisahotaka sy nandositra ireo ondry. Niresaka moramora tamin’ireo zanak’ondry vao teraka sy ny reniny aho rehefa nikarakara azy ireo. Ny alina fahadimy dia tsy nisahotakotaka intsony izy ireo raha niasa teo anivony aho. Lasa nahafantatra ny feoko izy ireo ary nahatoky ahy.

Fotoana fohy taty aoriana dia nilaza tamin’i Alice aho fa hampisakafo ireo zanak’ondry tsy misy mpiahy amin’ny alalan’ny tavoahangin-dronony. (Ny zanak’ondry tsy misy mpiahy dia ireo izay maty ny reniny na tsy afaka manome ronono ampy ho azy.) Niantso ireo zanak’ondry toy ny fomba hanaovan’i Alice azy aho hoe: “Avia, BaBa! Avia, BaBa!” Nanantena aho hoe hifanaretsaka toy ireny maty noana ireny ho aty amiko izy ireo, toy ny ataony amin’i Alice. Sainga tsy nisy na dia zanak’ondry iray izay nanopy maso tany amiko. Nivoaka teo am-baravaran’ny lakoziany i Alice ary niantso. Raha nandre ny feony izy ireo, dia nihazakaza haingana nankany aminy ary nangataka mafy ny rononony.

Nahavariana izany ka nanao fanandramana izaho sy Alice. Nijoro tao amin’ny faritra misy ny ondriko aho ary naka tahaka ny feoko i Alice: “Avia ry ondrikeliko a! Avia ry ondrikeliko a!” ary tsy nisy valiny mihitsy. Saingy rehefa niantso tamin’ireo teny ireo ihany aho dia nanodidina ahy haingana ny ondriko. Na dia mitovy aza ny fomba fiantsoanay ireo ondry dia tsy nisy niraharaha ireo feonay izay tsy nahazatra. Ilay mpiandry marina azy ihany no henon’ireo ondry tamim-pahatokiana (jereo and. 4).

Ny Jaona 10 dia manavaka ny mpiandry ondry sy ny mpikarakara ondry. Ny mpiandry ondry izay tompon’ondry dia miahiahy amim-pitiavana ny amin’izay hiarovana azy ireo. Mifanohitra amin’izany ny mpikarakara ondry izay “mpikarama” ary “tsy mitandrina” (and. 13). Ilay fanoharana koa dia mampianatra fa raha mandositra sy mamela irery ny ondry ny mpikarama (jereo and. 12), dia manolotra ny ainy ho an’ny ondriny kosa ny mpiandry ondry (jereo and. 11). Tena marina izany raha momba ilay Mpiandry Ondry Tsarantsika—ilay Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy—izay nanolotra tamim-pitiavana ny ainy ho antsika (jereo ny and. faha- 15, 17–18).

Ho ahy ireo zavatra nitranga ireo dia nanamafy ny iray tamin’ireo hafatra manan-danja lehibe tao amin’ny fanoharana hoe: Ny fiezahana mahafantatra manokana ilay Mpiandry Ondry Tsarantsika sy mahafantatra avy hatrany ny feony dia hanakana antsika tsy hanaraka fahatany ilay mpikarama. Amin’ny alalan’ny fanarahana ny feon’ilay Mpiandry Ondry Tsarantsika—fa tsy olona hafa—dia ho voatarika any amin’ny fiarovana mandrakizay isika.

Ny Tompo no Mpiandry ahy nataon’i Simon Dewey, nahazoana lalana avy tamin’ny Altus Fine Art, American Fork, Utah