2009
Mandeha manao kilaometatra iray fanampiny
Aprily 2009


Mandeha manao kilaometatra iray fanampiny

Ny fanaovana ezaka kely dia mitondra zavatra lehibe indraindray.

Tamin’i Stein Arthur Andersen 15 taona dia mpikambana nalaina izy tao amin’ny Fiangonana. Toy izany koa ny fianakaviany. Nifindra monina im-betsaka tany amin’ny faritra samihafan’i Norvège izy ireo. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nipetraka tany Stavanger izy ireo. Tanàna fahaefatra lehibe indrindra ao amin’ilay firenena izany ary any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana. Niangona tsindraindray i Stein tany Stavanger ary nifankahita tamin’ireo tanora Olomasin’ny Andro Farany teo amin’ilay faritra. Nisy zatovolahy iray manokana izay somary nanaitra an’i Stein ihany—Tor Lasse Bjerga no anarany.

Tamin’ny fotoana iray tao anatin’ny fandehanany tsindraindray tany am-piangonana no nihaonany tamin’i Tor Lasse. “Zokiko roa taona izy ary tena nanaitra ahy izy,” hoy i Stein. “Mahatsapa fanahy tsara aho rehefa miaraka aminy ary nihevitra aho fa tovolahy mahafinaritra izy.” Raha tsy nanaitra an’i Stein i Tor Lasse, dia mety ho tsy vonona ny hihaino azy izy raha niezaka nandeha tany an-tranony i Tor Lasse niaraka tamin’ny fanasana manokana.

Tonga tao antenantenan’ny taona 70 izany fanasana izany, rehefa nampidirina tao Norvège ny fandaraharam-pampianaran’ny seminera ary i Tor Lasse no voantso ho mpampianatra seminera voalohany. Noho i Tor Lasse vao 18 taona monja tamin’izany fotoana izany dia somary sahiran-tsaina kely ihany izy handray izany andraikitra lehibe izany. “Nivavaka im-betsaka ihany aho momba izany,” hoy izy araka ny fitadidiany. Ny hany zavatra iray tena fantany dia ny faniriany hanampy ny tanora malaina teo amin’ny faritra nisy azy. Hoy i Tor Lasse hoe, “Tonga dia tsapako avy hatrany fa tokony hamangy an’i Stein Arthur aho.”

“Anisan’ny iray tamin’ireo anarana tao amin’ilay lisitra angamba aho,” hoy i Stein. Saingy ho an’i Tor Lasse, dia zavatra hafa lehibe kokoa mihoatra noho ny anarana ao amin’ilay lisitra i Stein. Tsaroan’i Tor Lasse fa variana tamin’ny faharanitan-tsain’i Stein sy ny toetrany tony sy feno fahavononana izy. Noho izany dia nanapa-kevitra ny hamangy manokana an’i Stein i Tor Lasse mba handray anjara amin’ilay fandaharam-pampianaran’ny seminera vaovao.

Niantso an-tariby mialoha i Tor Lasse ary niresaka tamin’ny ray aman-drenin’i Stein mba hahazoana antoka fa ho ao an-trano izy rehefa hamangy. Mba hahatongavana tany an-tranon’i Stein, dia tsy maintsy nandeha tamin’ny fiarambahoaka teo amin’ny 35 minitra teo izy hahatongavana eo amin’ny sambo mpitatitra olona sy fiara. Dia nandeha sambo nandritra ny 45 minitra izy. Ary farany dia tsy maintsy nandeha an-tongotra nandritra ny 30 minitra hafa indray. “Mieritreritra an’izany foana aho,” hoy i Stein. “Ny zavatra nataon’i Tor Lasse dia ilay fandehanana manao kilaometatra iray fanampiny mihitsy.”

Izy roalahy dia mbola samy mahatadidy tsara ny fanahy tsapan’izy ireo nandritra izany fihaonana izany, efa ho 35 taona lasa izay. Raha nipetraka tao amin’ny efitra fisakafoanana izy ireo dia tonga tao an-tsain’i Stein daholo ny zavatra rehetra nataony. “Tena rempotry ny fanaovana baolina kitra sy ny Skoto ary ny filalaovako trômpetra aho, ary nanao zavatra maro isan-karazany aho. Tena sahirana be aho.”

“Nitodika tany amiko i Tor Lasse ary niresaka momba ny seminera, ary niteny izy hoe: ‘Ry Stein Arthur, hanoratra anarana ao amin’ny fandaharam-pampianaran’ny seminera ve ianao ary hanomboka hiaraka handalina ny soratra masina aminay?’ Nipetraka teo akaikin’ny fantsona fandrehetana afo amin’ny kitay mba hanafanana ny efitrano aho ary nilaza hoe: eny. Raha ny marina dia tokony handà izany aho satria tsy nanam-potoana. Saingy niteny aho hoe: eny. Ary izay no niantombohan’ny zava-drehetra.”

Ilay “zava-drehetra” dia ahitana ny fifohazana maraina handalinany irery ny soratra masina sy ny leson’ny seminera any an-trano. Dia miara-mihaona isan-kerinandro ilay vondrona kely misy mpianatra efatra na dimy. “Nihananomboka nahatsapa ny Fanahy aho tamin’ireo maraina hamakiako irery ary dia lasa nifoha isa-maraina aho,” hoy i Stein. “Taty aoriana dia nahatsapa aho fa toy ny hafahafa ilay andro raha vao tsy nandalina ny soratra masina aho ny maraina. Ary nanomboka nahazo fijoroana ho vavolombelona aho na dia tsy fantatro aza fa nahazo izany aho.”

Nazavain’i Stein hoe “Taty aoriana dia azoko hoe inona ireo fahatsapana ireo. Faly tamin’ny zavatra nianarako aho ary nahatsapa ny Fanahy. Tsapako fa araka ny tokony ho izy izany. Ary fantatro fa avy amin’izany no tiako hanorenana ny fiainako.”

Saingy nahoana no niteny hoe: eny, i Stein raha nahatsapa izy hoe tena sahirana? “Niasa teo amiko ny fitarihan’ny Fanahy Masina araka ny eritreritro,” hoy izy. “Mety efa nampiomanina ihany aho. Noho izany, rehefa tonga tamim-pinoana i Tor Lasse, dia tonga ka nanao ilay kilaometra iray fanampiny izy ary vonona ny hanaiky ilay fanasany aho. Izany no fomba fiasan’ny Tompo.”

Herintaona mahery kely taty aoriana dia nanapa-kevitra ny handeha hanao asa fitoriana i Tor Lasse ary voantso hanompo any Norvège. Nandritra izany fotoana izany dia nanohy nanamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara i Stein. “Rehefa niverina avy tany amin’ny asa fitoriany i Tor dia nanomboka nieritreritra momba ny fanaovana asa fitoriana koa aho,” hoy i Stein. “Tapa-kevitra aho fa tokony handeha satria te-hanompo ny Tompo ary nieritreritra aho fa raha tsy mandeha dia mety hanenenako mandritra ny androm-piainako izany.”

Tadidin’i Stein fa taorian’ny niresahany tamin’ireo mpitarika azy ao amin’ny fisoronana momba ny fandehanany hanao asa fitoriana, dia tsapany ho toy ny tsy niteha-tany ny tongony raha nandeha nody izy. Talohan’ny nandehanany nanao asa fitoriana (tany Norvège koa), dia nahita ilay ho vadiny any aoriana i Stein tany amin’ny fihaonamben’ny tanora tany Oslo, dia i Hilde izany. Nifampanoratra izy ireo nandritra ny asa fitoriana nataony ary rehefa nody izy dia nivady izy ireo. Manan-janaka efatra izy ireo amin’izao fotoana izao: roalahy, izay samy nanambady tany amin’ny tempoly ary roa vavy ny zandriny izay mbola ao an-trano ary mazoto manao seminera.

“Ny fandehanan’i Tor Lasse tany an-tranonay tamin’iny alina iny—dia nanova tanteraka ny fiainako iray manontolo,” hoy i Stein. Izany famangiana izany dia nampanomboka azy handeha eo amin’ilay lalana izay nahitany ny vadiny, nanaovany asa fitoriana sy nananany fianakaviana, ary izany rehetra izany dia niaraka tamin’ny fananany fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsara. “Efa filohan’ny sampana aho sy filohan’ny distrika ary eveka—Izany rehetra izany dia noho ny fahatongavan’i Tor Lasse tany an-tranonay ary nanomboka nanaraka ilay fandaharam-pampianaran’ny seminera aho.” Izany rehetra izany dia noho ny fahavononan’i Tor Lasse handeha hanao kilaometatra iray fanampiny.

Sary nataon’i Gregg Thorkelson

Sary nalain’i Paul VanDenBerghe

Ida Andersen (ankavanana) miaraka amin’ny rahavaviny, Ane, ary ny ray aman-dreniny, Hilde sy Stein.