2009
Tokony Hanajanona ny Fianarako Ve Aho satria Hanao Asa Fitoriana ?
Aprily 2009


Tokony Hanajanona ny Fianarako Ve Aho satria Hanao Asa Fitoriana?

Nahazo mari-pahaizana tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa aho tamin’ny 1992 ary tonga dia nametraka ny taratasiko mba hanao asa fitoriana amin’ny fotoana maharitra. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny antsoko dia vao voaray tany amin’ny iray tamin’ireo oniversite tsara indrindra tany Nigéria aho mba hianatra ho mpitsabo.

Ifaninanana be ny fidirana ao amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo any Nigéria ary tsy tokony hahemotra izany. Rehefa noteren’ny namako sy ny olona tao amin’ny fianakaviako sasany aho mba hamela ilay antsoko hanao asa fitoriana, dia nazavaiko fa manana andraikitra hanompo aho ary efa nanantena ny hanao izany hatramin’ny nidirako ho mpikamban’ ny Fiangonana enin-taona lasa izay. Natoky aho fa afaka ny ho voaray ao amin’ny fianarana ho mpitsabo indray aorian’ny asa fitoriako, saingy maro no nieritreritra fa hanenina amin’ny fanapahan-kevitra noraisiko aho.

Feno fankasitrahna an’ireo mpampianatra isan-tokantrano sy ny olona ao amin’ny fianakaviana ary ireo namana ao am-piangonana aho izay nanohana ahy tamin’ny fanapahan-kevitro hanompo. Ny fanatrehana seminera, ny fandalinana ny soratra masina ary ny fiainana ny filazantsara dia nahafahako nifikitra tamin’ny finoako.

Tamin’izaho misiônera dia nametraka tanjona manokana aho ary niasa mafy. Efatra ambin’ny roapolo volana taty aoriana dia nahazo fisaorana tamim-boninahitra aho. Mitahy ny olona avy manao asa fitoriana ny Tompo fa tsy nampanantena hoe tsy ho tratran’ny fitsapana mihitsy izy ireo. Ho an’ireo olona avy any Nigéria izay avy nanao asa fitoriana dia ahitana ny tsy fananan’ asa sy vola hianarana izany fitsapana izany.

Nandritra ny telo taona voalohany taorian’ny nanaovako asa fitoriana dia nanao fanadinana telo aho ary afaka tamin’izany saingy tsy voaray intsony tany amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo. Nandritra ireo telo taona ireo ihany dia tsy nety nahita asa aho. Saika tratran’ny fakam-panahy aho hino hoe marina ny tenin’ny namako sy ny olona tao amin’ ny fianakaviako sasany ary hadisoana ny nanemotra ny fidirako tany amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo.

Tany am-panaovako asa fitoriana dia nianatra ny nametraka ny enta-mavesatro tamin’ny Tompo aho, ka navelako Izy hitarika ny fiainako araka ny sitrapony. Raha vao nanao izany aho dia nanomboka nandeha tsara ho ahy ny zava-drehetra—fa tsy araky ny nandrafetako azy.

Indray Alahady fifadian-kanina dia nanapa-kevitra ny hifady hanina sy hivavaka amin-kitsimpo aho mba hangataka fanampiana avy amin’ny Tompo. Nisy nandondona ny varavarana nony tonga ny hariva. Nosokafako ny varavarana ary taitra aho nahita olona iray fantatro, izay hitako tany amin’ny fanofanana momba ny aro voina natrehako enim-bolana talohan’izany. Nilaza tamiko izy fa misy fampidirana mpiasa mpiaro voina ao amin’ny orinasa iray hiasan’ny zokiny lahy ary mila olona maika dia maika hitazona izany toerana izany ilay orinasa. Izaho irery ihany no olona tonga tao an-tsainy.

Ny ampitson’izany dia noraisin’ilay orinasa aho. Izany zavatra anankiray niainako izany dia nanamafy tamiko fa tsy nandao ahy ny Ray any an-danitra ary nila natoky Azy aho. Lasa asa izay nahazoana asa hafa izany.

Ny fitahiana masina dia tsy miankina fotsiny amin’ny zavatra tontosa ara-batana. Sahirana aho nandritra ny taona maro taorian’ny fanaovako asa fitoriana mba hahazoana filaminana ara-batana, saingy nitahy ahy ara-panahy ny Tompo. Ny tsodranon’ny patriarka nomena ahy dia nitarika ahy mba hanambady ary nilaza tamiko fa ho tonga ny fahafahana hanohy fianarana ambony. Niseho tokoa izany.

Na dia tsy nandeha velively tany amin’ny sekoly fianarana dokotera aza aho dia nahazo ny mari-pahaizana mitovy lanja amin’ny mari-pahaizana momba ny haiteobola sy matematika. Nomen’ny Tompo filaminana ampy teo amin’ny lafin’ny fitadiavana aho ka afaka nanambady.

Raha manompo amim-boninahitra eo amin’ny fanaovana asa fitoriana isika, dia tsy maintsy hitahy antsika ny Tompo rehefa mitady fahafahana hanohy fianarana ambony isika aorian’izany. Tsy misy zavatra hafa eo amin’ny fiainan’ny zatovolahy na zatovovavy izay afaka mihoatra ny zavatra niainana sy ny fianarana ary ny fitahiana azo amin’ny asa fanompoana mandritra ny fotoana maharitra rehefa misiônera.