2009
Avy teo amin’ny Famonjena tao Bondi nankany amin’ny Famonjena any Baguio
Aprily 2009


Avy teo amin’ny Famonjena tao Bondi nankany amin’ny Famonjena any Baguio

I Blake McKeown, izay fantatry ny besinimaro ho toy ilay mpamonjy aina “vaovao” ao amin’ilay fandaharan’ny fahitalavitra Aostraliana hoe Bondi Rescue (Famonjena tao Bondi), dia niala tamin’ny toerany teny amoron-dranomasina tamin’ny volana Mey lasa teo, mba hanatanteraka karazana famonjena hafa indray. Nanaiky ilay antso hanao asa fitoriana any Baguio, Philippines izy. Nizara izany vaovao izany sy ny zavatra tsapany tamin’ny mpiara-miasa aminy sy ny mpijery ilay fandaharana izy.

“Rehefa hitako fa ho any Philippines aho dia tena faly tokoa,” hoy izy. “Tena halahelo ilay amoron-dranomasina tokoa aho saingy manan-danja ho ahy ny mandeha manao asa fitoriana. Zavatra nokatsahiko tao anatin’ny fiainako izany.”

Hoy i Blake hoe, “Tsy nisy zavatra hafa tiako atao mihoatra noho ny niasa teny amoron-dranomasina nandritra izay roa taona lasa izay—asa faran’izay tsara indrindra eto an-tany izany—saingy ao anatin’ny roa taona ho avy dia tsy misy zavatra hafa tiako hatao mihoatra noho ny fanaovana asa fitoriana. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy finoana izay lazainao fotsiny fa misy anao, fa izany dia finoana izay tsy maintsy iainanao. Fiainako izany. Tena mety olona hafa mihitsy aho raha tsy noho ny Fiangonana.”

I Blake McKeown izay tao amin’ilay fandaharan’ny fahitalavitra hoe,Bondi Rescue (Famonjena tao Bondi) dia nanaiky ilay antso hanao asa fitoriana any Philippines.