2009
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
Aprily 2009


Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy

Ireto sosokevitra enti-mampianatra ireto dia azonao ampiasaina na any amin’ny kilasy na any an-tokantrano. Azonao amboarina ireo hevitra ireo hifanaraka amin’izay ilain’ny fianakavianao na ny kilasinao.

“ Inona no Dikan’ny Sorompanavotana ho Anao?” p. 14: Asao ny fianakaviana hizara ny zavatra rehetra fantany momba an’i Nefia. Anontanio ny antony mahatonga azy ireo hieritreritra fa faly izy na dia nandalo fitsapana mafy aza (jereo 2 Nefia 5:27). Fintino ilay fizarana hoe “Fahasambarana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana.” Resaho ny fomba niatrehan’i Nefia ny olany ary ahoana no ahafahana mampihatra ny fomba nataony eo amin’ny fianakavianao. Farano amin’ny alalan’ny famakiana ny andinin-tsoratra roa farany ao amin’ilay lahatsoratra izany.

“Ny fianarana sy ny Olomasin’ny Andro Farany,” p. 26: Vakio mialoha ilay lahatsoratra ary fidio ireo andinin-tsoratra izay hanan-danja lehibe eo amin’ny fianakavianao. Angataho ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hamaky ireo andinin-tsoratra voafidy ary hiresaka momba ny zavatra novakiany. Farano amin’ny alalan’ny famakiana ny andinin-tsoratra roa farany ao amin’ilay lahatsoratra izany.

“Ny fampanantenan’ny Mpaminany iray,” p. N6: Aorian’ny famakiana ilay lahatsoratra dia asaivo manokatra an-jambany fotsiny ny soratra masina ny olona ao amin’ny fianakavianao ary manandrana mamaky mivadika. Resaho ny fomba hahazoan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana fitahiana amin’ny alalan’ny famakiana tsy tapaka ny soratra masina. Avereno vakiana ilay fampanantenana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (jereo ny fiantombohan’ilay lahatsoratra), ary mametraha tanjona mba hanohy hiaraka hamaky tsy tapaka ny soratra masina.

“Tena Faly Hianatra,” p. N12: Asao ny ankizy mba hifandimby hampiseho amin’ny fihetsika ny asa iray ary tsy miteny, dia asaivo fantarin’ireo hafa izany. Resaho ny zavatra tokony ianaran’ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hirotsahana ao amin’izany asa izany. Vakio ilay tantara. Jereo ireo zavatra nilain’i Russell ho fantatra talohan’ny nahafahan’i Russell nahalala momba ny dinosaure. Farano izany amin’ny alalan’ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.