2009
I Jesoa Kristy no Mpamonjy Ahy
Aprily 2009


Fotoana Ifanakalozana

I Jesoa Kristy no Mpamonjy Ahy

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).

Talohan’ny nandefasan’ny Ray any an-danitra antsika teto an-tany dia nifidy an’i Jesoa Kristy Izy mba ho mpitarika sy Mpamonjy antsika. Nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao talohan’ny nahaterahanao.

Rehefa tonga teto an-tany i Jesoa dia nampianatra ny filazantsara Izy ary nanangana ny Fiangonany. Nitazona ny fampanantenany mba ho Mpamonjy antsika Izy. Nijaly sy maty ho antsika Izy mba hahafahantsika hitsangana amin’ny maty ary hiaraka hiaina indray amin’ny Raintsika any an-danitra sy ny fianakaviantsika.

Ny soratra masina dia mampianatra antsika momba ireo fitahiana maro azo tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tadidinao ve ilay tantara momba ny nofin’i Lehia? Nahita hazo i Lehia. Ilay hazo dia maneho ny fitiavan’ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy.

Nisy voankazo izay hahatonga ny olona ho faly teo amin’ilay hazo. Nanandrana ilay voankazo i Lehia ary nofenoin’izany fifaliana lehibe izy. Tian’i Lehia hanandrana izany voankazo izany ny fianakaviany rehetra. (Jereo 1 Nefia 8:10–12).

Ny voankazon’ilay hazo dia maneho ny fitahiana azontsika noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Manandrana ilay voankazo isika rehefa matoky an’i Jesoa Kristy sy atao batisa ary mandray ny Fanahy masina, ary rehefa miaina ny filazantsara sy mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika.

Asa atao

Esory ny pejy N5, ary apetaho amin’ny taratasy matevina izany. Asio tataka eo amin’ilay faritra fotsifotsy eo amin’ilay hazo ary hetezo ny voankazo. Jereo ny soratra masina isaky ny voankazo tsirairay ary tadiavo ny fitahiana izay nomen’Andriamanitra antsika dia soraty eo amin’ilay faritra izany. Apetaho ao anatin’ilay faritra tataka eo amin’ilay hazo ny mari-tsoratra eny amin’ilay voankazo.

Môrônia 6:8_____________

Môsià 16:7–8

Jaona 14:27

Hebreo 12:2

2 Nefia 31:20

3 Nefia 19:21

Jaona 8:12

Môrônia 8:17

3 Nefia 27:13

Môrônia 7:41

Hevitra ho an’ny Fotoana Ifanakalozana

  1. Tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy aho. Angataho ny ankizy mba hilaza ny sasantsasany tamin’ireo safidy izay nataony tamin’izany andro izany (ny akanjo tokony hanaovana, ny sakafo tokony hohanina sy ny sisa). Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valiny. Hazavao fa nanome antsika ny safidy malalaka, izay fahafahana manao safidy ny Ray any an-danitra. Ampianaro ny momba ny filankevitra tany an-danitra rehefa naneho ny drafiny ny Ray any an-danitra. Hazavao fa ny fampiasana ny safidintsika malalaka dia lafiny manan-danja ao amin’izany drafitra izany. Ampio ny ankizy hahatakatra fa i Satana dia te-hanova ilay drafitra sy hanala ny fahafahantsika misafidy. Te-hanaraka ny drafitry ny Ray any an-danitra i Jesoa Kristy ka nirotsaka an-tsitrapo mba ho Mpamonjy antsika. Antitrantero amin’ny ankizy fa nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo (jereo Primaire 6, lesona faha-2). Manorata fanontaniana hanampiana ny ankizy hahalala indray ny zavatra izay nianarany. Apetraho ao anatin’ny fitoeran-javatra iray ireo fanontaniana. Mifidiana ankizy iray mba haka fanontaniana iray avy ao amin’ilay fitoeran-javatra ary hamaly izany. Dia asaivo mifidy olon-kafa indray ilay ankizy mba haka fanontaniana iray ary hamaly izany. Tohizo araka ny habetsaky ny fotoana izany. Mijoroa ho vavolombelona momba ny lanjan’ny fanohizana ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

  2. Hitsangana amin’ny maty izaho sy ny fianakaviako. Asao mialoha miaraka amin’ny fanomezan-dalan’ny eveka na ny filohan’ny sampana ny mpikambana iray, izay niaina ny fahafatesan’ny olon-tiana iray mba hijoro ho vavolombelona momba ny dikan’ny Fitsanganana amin’ny maty ho azy. Ataingintaingeno araka ny laharany ireto rakitsary momba ny filazantsara filazantsara manaraka ireto, ka ny faha-227 no eo amin’ny tampony: 227 (I Jesoa mivavaka ao Getsemane, 228 (Ny famadihana an’i Jesoa), 230 (Ny fanomboana tamin’ny hazo fijaliana), 231 (Fandevenana an’i Jesoa), 233 (I Maria sy ny Tompo nitsangana tamin’ny maty), 234 (Mampiseho ny olatra eo aminy i Jesoa), ary 316 (Mampianatra any amin’ny ilam-bolantany andrefana i Jesoa). Rehefa mitendry ilay mpitendry pianô dia asaivo alefan’izy ireo mandalo amin’ny ankizy tsirairay ny vato kely iray. Lazao izy ireo fa mariky ny vato nakodia teo amin’ny fidirina tao amin’ny fasan’i Kristy izany. Rehefa mijanona ny mozika dia asaivo maka ilay sary eo an-tampon’ireo sary navangongo ilay ankizy nihazona ilay vato ary asaivo lazainy ny momba ilay izy na mifidiana olona iray hanampy. Tohizo izany isaky ny sary tsirairay, ka mijanona kely aorian’ny 234 mba hamaky miaraka ny Lioka 24:39. Ampio ny ankizy hahatakatra fa taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, dia afaka nikasika ny tanany ireo Apôstôly toy ny ahafahan’ny ankizy mikasika ny tanan’izy ireo. Tohizo indray ilay teo miaraka amin’ny sary sisa ambiny. Ampianaro fa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty izay rehetra niaina teto an-tany hatramin’izay. Asaivo mijoro ho vavolombelona ilay vahiny nasaina.

Sary nataon’i Brad Teare