2009
Ny Fiangonana any Hongrie
Aprily 2009


Ny Fiangonana any Hongrie

Tamin’ny 1887, i Mischa Markow avy any Hongrie, dia niova fo tany amin’ny toerana akaikin’i Constantinople (Istanbul), Turquie. Tamin’ ny 1899 dia misiônera tao amin’ny tanindrazany izy, saingy voasambotra sy voaroaka tao Hongrie noho ny asa fitoriana nataony. Nanandrana nizara ny filazantsara tamin’ireo firenena mpifanolobodirindrina izy saingy taorian’ny fahasahiran’izy ireo tany dia nitory tany Temesvár, Hongrie i Rahalahy Markow sy ny mpiara-mitory aminy mandrapaneren’ny fanjakana azy hiala. Ny andro talohan’ny nandehanany dia nanao batisa olona 12 sy nandray azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo, ary nanendry mpitarika ho an’ny mpiangona ahitana mpikambana 31.

Talohan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia olona teo amin’ny 106 no lasa mpikamban’ny Fiangonana tany Hongrie. Ny lalàna ara-pôlitika dia nanakana ny asa fitoriana mandrapahatonga ny taona 80.

Tamin’ny Jiona 1988 dia nankatoavin’i Hongrie ara-dalàna ny Fiangonana. Herintaona taty aoriana dia notokanan’ny Filoha Thomas S. Monson ny trano Fiangonana voalohany tao amin’ilay firenena. Ny Misiônan’i Hongrie Budapest dia naorina tamin’ny Jiona 1990.

Ireto misy zavatra manan-danja vitsivitsy momba ny Fiangonana any Hongrie amin’izao fotoana izao:

Mpikambana

4253

Misiôna

1

Paroasy sy sampana

19

Foibe misahana ny tetiarana

5