2009
Nihavana tamin’ny Fahavalony
Aprily 2009


Avy amin’ny Fiainan’ny Mpaminany Joseph Smith

Nihavana tamin’ny Fahavalony

Nalaina avy tamin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (boky fandalinan’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana, 2007), 339–41.

Indray andro raha namangy ny ray aman-dreniny tany Far West ny Mpaminany, dia nisy lehilahy milisiana nitsofoka tampoka teo amin’ny varavarana.

Iza aminareo no Joe Smith?

Tonga eto izahay mba hamono azy!

Tonga dia nandroso i Joseph ary nitsiky tamin’ireo lehilahy ary nandray ny tanany .

Izao no Joseph. Faly mahafantatra anao. Mandrosoa dia mipetrapetraha.

Nibanjina ny mpaminany toa tsy nino izay hitany ireo lehilahy rehefa nanohy niresaka izy.

Mino an’i Jesoa Kristy izahay Môrmôna ary mitady filaminana fotsiny. Saingy nianjadian’ny fanenjahana maro izahay tao anatin’ny volana maro lasa izay, hatramin’ny nifindranay tany Missouri. Raha ny zavatra fantatro dia tsy nisy na iza na iza taminay nandika lalàna. Fa raha nanao izany kosa izahay dia vonona ny hotsaraina araka ny lalàna.

Neny a ! mino aho fa mila mandeha mody amin’izay. Miandry ahy i Emma.

Tsy handeha irery ianao satria tsy azo antoka izany.

Hiaraka aminao izahay ary hiambina anao.

Misaotra.

Mampanantena izahay fa hampitsahatra ny milisy eo ambanin’ny fitarihanay ary handeha hody.

Raha sendra mila anay ianao dia hiverina izahay ary hanao na inona na inona ilainao.

Tany ivelan’ny tranon-dray aman-drenin’i Joseph dia niresaka momba ny fihaonany tamin’ny mpaminany ireo lehilahy sisa tavela.

Tsy nahatsapa ho toy ny hafahafa ve ianao rehefa nandray ny tananao izy? Mbola tsy nahatsapa velively zavatra toy izany aho teo amin’ny fiainako.

Nahatsapa ho toy ireny tsy afa-mihetsika ireny aho. Tsy hanao na inona na inona an’io lehilahy io velively aho na inona na inona omena ahy.

Izao no fotoana farany ahitanareo ahy hoe tonga mba hamono an’i Joe Smith na koa ny Môrmôna.

Sary nataon’i Sal Velluto and Eugenio Mattozzi