2009
Ny fampanantenan’ny Mpaminany iray
Aprily 2009


Minamana

Ny fampanantenan’ny Mpaminany iray

“Diniho ireto didy ireto, fa marina ireo sady mahatoky, ary ny faminaniana sy ny fampanantenana izay ao anatiny dia ho tanteraka avokoa ” (F&F 1:37).

Sary
Elder Octaviano Tenorio

Nandritra ny fiainako dia nianatra aho fa rehefa manaraka ny fampianaran’ny mpampinanintsika isika dia hahazo ireo fitahiana nampanantenaina. Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny volana Aprily 1986, dia nampanantena ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) fa raha miara-mamaky tsy tapaka ny soratra masina ny fianakaviana dia ho fenon’ny Fanahy ny tokantranon’izy ireo.1

Nanapa-kevitra ny hanaraka izany torohevitra izany izaho sy ny vady malalako. Nametraka tanjona ny hamaky toko iray isan’andro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izahay miaraka amin’ireo zanakay telo—Jorge, 10 taona; Susi, 9 taona; ary Luis, 3 taona. Mamaky isan’andro izahay ary mamaky andininy iray avy ny tsirairay aminay. Na dia mbola tsy afaka namaky aza i Luis, dia te-handray anjara izy. Nipetraka teo am-pofoako izy nanatrika ahy, niaraka tamin’ny Bokin’i Môrmôna teo afovoanay. Rehefa anjarako no namaky dia samy nanaraka ny fanondroko izahay rehefa nanondro ny teny tsirairay aho ary namerina mafy ny teny rehetra novakiako i Luis sady nijery nivadika ireo teny ireo.

Taloha kelin’ny naha-dimy taona azy dia nanontany i Luis hoe, “Rahoviana vao anjarako ny mamaky?”

Nazavaiko azy fa rehefa lehibebe izy dia handeha any an-tsekoly ary hianatra hamaky teny.

Namaly izy hoe, “Efa mahay mamaky aho!”

Taitra aho ka nomeko ny Bokin’i Môrmôna izy. Nosokafany nivadika ilay boky, nijery ny eny amin’ny tampony izy ary nanomboka namaky tsara. Nahay namaky teny izy tamin’ny alalan’ny fanarahana ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna!

Rehefa enin-taona i Luis dia niaraka tamiko namangy mpikamban’ny Fiangonana indraindray. Nangataka azy mba hizara ny fijoroany ho vavolombelona aho ary hafatra fohy avy ao amin’ny soratra masina koa izay nampianariko azy. Isaky ny mamaky ny Bokin’i Môrmôna izy dia mitazona izany mivadika ary mijery ny eny amin’ny tampony.

Mijoro ho vavolombelona aminao aho fa raha manomboka mamaky ny soratra masina vao mbola kely ianao dia hahatakatra tsara kokoa ny fampanantenan’ny Tompo ary hahafantatra ny zavatra andrasany avy aminao. Indray andro any dia ho lasa ray na reny ianao ary hanana ireo zanakao manokana. Ampianaro izy ireo mba hamaky ny soratra masina ary hahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana ao amin’ny Ohabolana 22:6 ianao: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.”

Amin’izao fotoana izao i Luis dia efa nahavita ny fianarany tany amin’ny oniversite ary miasa amin’ny fotoana feno. Na tara toy ny inona aza izy vao mody avy tany am-piasana na tany an-tsekoly na tany amin’ny asam-piangonana dia mbola mamaky ny Bokin’i Môrmôna izy alohan’ny hatoriany. Tena tanteraka ny fampanantenan’ilay mpaminany: Vokatry ny famakianay ilay boky masina dia nahazo fitahiana be dia be ny fianakavianay ary miray hina kokoa izahay.

Manasa anareo aho hamaky ny soratra masina isan’ andro. Raha azo atao dia vakio miaraka amin’ny fianakavianao izany. Manainga anareo aho ry zatovolahy mba hiomana hanao asa fitoriana. Manasa anareo rehetra aho mba hametraka tanjona ho fehezina mandrakizay any amin’ny tempoly. Ary farany dia tiako ianareo hahatsiaro ny torohevitra mitaona fanahin’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008), izay nilaza tamintsika hoe: “Mila ny fahalalana rehetra izay azonao tovozina ianao. … Na ny fanamboarana vata fampangatsiahana izany na ny asan’ny mpitsabo mpandidy mahay dia mila mampiofana ny tenanao ianao.”2

Rankizy malalako, henoy ny mpampianatra anareo, aoka ianareo hankato any an-dakilasy, ataovy izay tsara indrindra vitanareo ary ianaro daholo izay azonareo ianarana. Manana fitahiana be dia be ho anareo sy ny fianakavianareo ny Tompo. Ny adidintsika dia ny “manaraka ny mpaminany. Mahafantatra ny lalana izy.”3

Fanamarihana

  1. Jereo Ezra Taft Benson, “The Power of the Word,” Ensign, Mey 1986, 81.

  2. Gordon B. Hinckley, “A Prophet’s Counsel and Prayer for Youth,” Liahona, Apr. 2001, 34, 35; Ensign, Jan. 2001, 4, 7.

  3. “Suis les Prophètes,” Chants pour les Enfants, 58–59.

Tamin’izy 16 taona teo ho eo, fotoana fohy taorian’ny batisany.

Ny zanany Luis tamin’izy efa-taona.

Sary nahazoana lalana tamin’ny Loholona Octaviano Tenorio; sary nataon’i Robert A. McKay