2009
Fanontaniana sy Valiny momba ny Firafitry ny Fiangonana
Aprily 2009


Fanontaniana sy Valiny momba nyFirafitry ny Fiangonana

Nahoana no antsoina amin’ny anaran’i Jesoa ny Fiangonana?

Nilaza i Jesoa fa antsoina amin’ ny anarany izany satria Fiangonany (jereo 3 Nefia 27:8). Nanangana izany mba hanampiana antsika hiverina any amin’ny Ray any an-danitra Izy. I Jesoa Kristy no lohan’ny Fiangonana.

Inona no dikan’ny hoe “andro farany”?

Nilaza i Jesoa hoe: “Satria izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ ny andro farany, dia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (F&F 115:4). “Andro farany” dia midika hoe ireo andro farany izay fotoana iainantsika amin’izao fotoana izao.

Inona no dikan’ny hoe “Olomasina”?

“Olomasina” dia midika hoe, mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy. Ny soratra masina dia miresaka momba ny Olomasina ao anatin’ny vanimpotoana maro.

Vanimpotoanan’ny Testamenta taloha: Deoteronomia 33:3; Salamo 30:4

Vanimpotoanan’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana 1:2

Vanimpotoanan’ny Bokin’i Môrmôna: 1 Nefia 14:14; Môrônia 8:26

Vanimpotoanan’i Joseph Smith: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:1; 84:2

Amin’izao fotoana izao dia antsoina koa hoe Olomasina ny mpikamban’ny Fiangonana.

Ahoana no fomba nananganan’i Jesoa ny Fiangonany?

Nanangana ny Fiangonany i Jesoa tamin’Izy niaina teto an-tany sy tamin’Izy namangy ny kaontinanta Amerikana, ary namerina izany tamin’ny laoniny Izy tamin’ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith. Isaky ny mandeha dia nifidy Apôstôly Roambinifolo na mpianatra Izy mba hanampy Azy hanangana ny fanjakan’Andriamanitra teto an-tany tamin’ny alalan’ny filazantsara (jereo Marka 16:14–15; 3 Nefia 12:1).

Niantso Mpaminany koa i Jesoa mba hitarika ny Fiangonany. Ny mpaminany no Filohan’ny Fiangonana. Nantsoin’i Jesoa ho toy ny mpaminany voalohan’ny andro farany i Joseph Smith. I Thomas S. Monson no Filohan’ny Fiangonana faha-16. Ny mpaminany no hany olona afaka mahazo fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo.

Ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny vanimpotoanan’ny Testamenta Vaovao

Ny Mpianatra Roambinifolo tamin’ny vanimpotoanan’ny Bokin’i Môrmôna

Ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao

Sary
Prophet Joseph Smith

Joseph Smith, Filohan’ny Fiangonana voalohany

Sary
President Thomas S. Monson

Thomas S. Monson, Filohan’ny Fiangonana faha-16

Mpaminanin’ny andro farany

Ahoana no fomba hanampian’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana an’i Jesoa?

Ny mpitarika ny Fiangonana rehetra dia manampy an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanompoana ny mpikamban’ny Fiangonana hafa.

Mitarika ny Apôstôly Roambinifolo ny mpaminany.

Ny Apôstôly dia mitarika ny Kôlejin’ny Fitopololahy.

Ny Kôlejin’ny Fitopololahy dia manampy ny Apôstôly mampianatra ny filohan’ny tsatòka sy ny distrika.

Ny filohan’ny tsatòka sy ny distrika dia manampy ny eveka sy ny filohan’ ny sampana

Any amin’ny paroasy sy ny sampana, ny eveka sy ny filohan’ny sampana dia mitarika ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, ny filohan’ny Zatovolahy sy Zatovovavy ary ny filohan’ny Kilonga sy ny filohan’ny Sekoly Alahady sy ireo mpampianatra sy mpamangy isan-tokantrano ary ny mpitarika hafa.

Manompo antsika rehetra ny mpitarika sy mpampianatra any amin’ny paroasy sy sampana.

Ahoana no ahafahako manampy an’i Jesoa?

Manampy an’i Jesoa ianao rehefa mitandrina ny didiny. Manampy Azy ianao amin’ny alalan’ny fanarahana ny mpaminany. Manampy Azy ianao rehefa mianatra momba Azy amin’ny alalan’ny fandehananao miangona sy amin’ny alalan’ny famakianao ny soratra masina. Manampy Azy ianao rehefa mifidy ny tsara. Amin’ ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra ireo dia miomana ny ho mpitarika ny Fiangonany any aoriana ianao, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Krsity ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Izahao ny tanako sy ny tongotro, nataon’i Harry Anderson; Ireo Nefita telo, nataon’i Gary L. Kapp; sary nataon’i welden c. andersen; sombiny tamin’ny Joseph Smith Jr., nahazoana lalana tamin’ny Community of Christ Archives, Independence, Missouri; sarin’ny Filoha Monson nataon’i David Newman