2009
Fanontaniana sy Valiny
Aprily 2009


Fanontaniana & Valiny

“Mpikambana malaina ny ray aman-dreniko. Ahoana no ahafahako mijanona ho matanjaka na dia tsy misy aza ny fanohanan’izy ireo?”

Toe-javatra sarotra izany satria ny ray aman-dreny matetika no anisan’ny itadiavantsika torolalana sy fitarihana. Saingy misy ireo zavatra azontsika atao mba hijanonana ho matanjaka ary ny fanaovana azy ireo dia hanampy anao ho ohatra tsara ho an’ny ray aman-dreninao.

Mba hanasana ny fitaomam-panahy ao amin’ny fiainanao dia tohizo ny mivavaka sy mandalina ny soratra masina. Henon’ny Ray any an-danitra ny vavaka ataonao ary hovaliany izany.

Mankanesa any amin’ny havana na mpikamban’ny Fiangonana hafa mba hahazoana ny ohatra sy ny fanohanana mety ilainao. Ohatra, mangataha tsodranon’ny fisoronana amin’ny mpamangy isan-tokantranonao na ny eveka na ny filohan’ny sampana raha toa ka tsy misy mpihazona ny fisoronana mendrika ao amin’ ny tokantranonao.

Afaka mankahery ny iray tampo aminao sy ny ray aman-dreninao ianao amin’ny alalan’ny ohatry ny finoanao. Mety afaka manao takarivan’ny mpianakavy na vavaky ny mpianakavy na fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina ianao miaraka amin’ny iray tampo aminao. Mety te-hiaraka hanao izany aminao aza ny ray aman-dreninao.

Ny tena zava-dehibe dia tohizo hatrany ny fitiavanao ny ray aman-dreninao. Aza mitsara azy ireo. Fa aoka kosa ianao ho tsara fanahy sy hanam-paharetana. Mbola mila ny fitiavanao sy ny fanohananao izy ireo toy ny ilanao ny azy ireo.

Mivavaha ho an’ny Ray aman-dreninao

Asao ny ray aman-dreninao mba hanao ny vavaky ny mpianakavy. Asao hanatrika ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana izy ireo. Manaova takarivan’ny mpianakavy. Mivavaha mafy ho azy ireo ary miezaha mba ho ohatra tsara. Amin’izay fomba izay dia hanamafy orina ny fianakavianao sy ny fijoroanao ho vavolombelona ianao ary ho faly kokoa, ary ny Tompo dia hanampy anao hijanona ho matanjaka ao amin’ny Fiangonana. Ataovy amim-pinoana sy amim-panoloran-tena izany ary dia hovaliany ny vavaka nataonao.

Sonia B., 20 taona, Yucatán, Mexique

Aza Kivy

Tsy mpikamban’ny Fiangonana ny raiko ary mpikambana malaina ny reniko sy ny rahavaviko. Mahatohina ny tsy firaharahian’izy ireo ny finoako. Saingy nitombo ny finoako rehefa nanatrika seminera sy niangona ary nanatrika ny fiaraha-mientana atao eo antenantenan’ny herinandro aho, ary rehefa nivavaka sy namaky ny soratra masina. Ny torohevitra tsara indrindra azoko omena dia ny tsy kivy.

Amanda B., 16 taona, Nevada, Etazonia

Ireo Fomba Hijanonana ho Mazoto

Mahafantatra ankizivavy mahavariana iray aho izay tena matanjaka tokoa ao am-piangonana na dia malaindaina aza ny ray aman-dreniny. Ohatra tsara ho an’ireo ankizivavy hafa izy satria efa nahazo ny medalin’ny Zatovovavy. Nilaza izy fa ny fanohanan’ny zatovovavy hafa, ny fandehanana tsy tapaka any am-piangonana sy ny fifandraisana marina amin’ny Rainy any an-danitra no fomba tena tsara daholo izay nanampy azy hijanona ho mazoto.

Chelsea C., 17 taona, Oklahoma, Etazonia

Toeram-pialofana Azo Antoka

Miankina amin’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina aho mba hanamafisana orina ny fijoroako ho vavolombelona ary nahita toeram-pialofana azo antoka aho tamin’ny alalan’ny fandraisako anjara tao amin’ny Skoto sy ny fandaharan’asan’ny Zatovolahy ary tamin’ny fanatanterahana ny antsoko koa. Ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany sy ny fisafidianana ny namana tsara dia manampy koa. Tadidio ny maneho ohatra lalandava eo amin’ny fianakavianao amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana avy amin’ny fo sy fiahiana ary fanajana azy ireo. Raha manao ny anjaranao ianao dia hanao ny Azy ny Tompo.

Elder Whigham, 21 taona, Misiônan’i Californie San Francisco

Herim-po avy amin’ny Ohatra Asehon’izy Ireo

Mpikambana malaindaina ny reniko ary tsy mpikambana ireo havako hafa. Ny zavatra ataoko dia ny matoky ny mpitarika ahy sy ny namako. Manampy ahy foana izy ireo. Tena manan-danja eo amin’ny fiainako izy ireo noho izy ireo nitondra fanampiana teo amin’ny fiainako sy ny tanjoko mba handeha hanao asa fitoriana. Manome herim-po lehibe ho ahy izy ireo amin’ny alalan’ny ohatra asehony. Mila mankasitraka ny finamanana amin’ireny olona izay manampy anao hivoatra ireny ianao ary manokana fotoana bebe kokoa mba iarahana aminy, satria azo antoka fa hisy foana zavatra bebe kokoa ianaranao.

Ivana S., 20 taona, Buenos Aires, Argentine

Manehoa Fitiavana ny Ray aman-dreninao

Tohizo ny firesahana amin’ny ray aman-dreninao ary ezaho izay ahazoana ny fanohanany. Manehoa fitiavana sy fankasitrahana azy ireo ary lazao azy ireo fa tena zava-dehibe ho anao ny fandehanana any am-piangonana. Angataho ireo mpitarika anao mba hanampy anao eo amin’ny lafiny fitaterana ary anontanio raha hanandrana hiresaka amin’ny ray aman-dreninao ny eveka. Mivavaha ary mangataha ny fanohanan’ny Ray any an-danitra ary mivavaha mba hanombohan’ny ray aman-dreninao hahita fa ny fijanonana ho mazoto dia zava-dehibe ho anao. Afaka ny hatanjaka kokoa ianao amin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro sy ny fitandremana ny didy.

Craig L., 16 taona, Missouri, Etazonia

Fomba Fanohanana Roa

Nahita im-betsaka ity toe-javatra ity aho tany am-panaovana asa fitoriana ary ireo ankizy izay niaina izany dia be herim-po. Ahoana no fomba hanaovany izany? Amin’ny alalan’ny fampivelarana fomba fanohanana ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny namana sy ny mpitarika ary amin’ny alalan’ny fampivelarana fomba fanohanana miaraka amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka, famakiana ny soratra masina sy fandehanana any am-piangonana. Afaka ny hahomby ianao amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra ireo!

Elder Jones, 21 taona, Misiônan’i Tahiti Papeete