2015
Zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany faha 185 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany
Mey 2015


Zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany faha 185 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

“Ny lohahevitra mikasika ireo lahateny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia omena—tsy amin’ny alalan’ny olona mety maty izay manana fahefana hanao izany fa amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy,” hoy ny fanazavan’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (pejy 32). Nandritra ilay fihaonamben’ny Fiangonana nanentana fanahy izay natomboka tamin’ny alalan’ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany ary nifarana ny alahadin’ny Paska, dia anisan’ny nampianarin’ny mpandahateny teo anivon’ireo fitsipiky ny filazantsara maro hafa ny mikasika ny fianakaviana, ny fifadian-kanina, ny asa atao any amin’ny tempoly, ny maha-mpanaradia, sy ny Sabata ary ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy (jereo ny pejy 3).

Ireto manaraka ireto ny sasany tamin’ireo zavatra nisongadina:

  • Nanambaran’ny Filoha Thomas S. Monson ny fanorenana tempoly vaovao any Abidjan, Côte d’Ivoire sy any Port-au-Prince, Haiti; ary any Bangkok, Thailand. Hoy izy mikasika izany hoe: “Endrey ireo fitahiana voatahiry ho an’ireo mpikambana mahatoky any amin’ireo faritra ireo, ary izany tokoa no mitranga na aiza na aiza misy tempoly manerana izao tontolo izao” (pejy 91).

  • Notohanan’ny mpikamban’ny Fiangonana ireo mpikambana dimy vaovao ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy, ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany vaovao ary ny mpanolotsaina iray vaovao ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany.

  • Araka ny tatitra fanao isan-taona momba ny antotan’isa dia 15.3 tapitrisa ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana izay ao anatin’ny tsatòka 3114 sy disitrika 561. Tempoly telo vaovao no natokana tamin’ny taona lasa ka mahatonga ny isan’ny tempoly am-perinasa ho 144.

  • Nadika tamin’ny fiteny miisa 95 ny fihaonambe. Taorian’ny fampidirana zava-baovao izay nanomboka tamin’ny ôktôbra lasa teo dia mpandahateny telo no nanao ny lahateniny tamin’ny fiteniny ankoatra ny teny Anglisy.

Mpandahateny maro no nijoro ho vavolombelona momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty rehefa nandray fitenenana nandritra ny faran’ny herinandron’ny Paska. “Zanak’Andriamanitra Izy,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson nijoro ho vavolombelona. “Izy ilay nivoaka avy ao am-pasana tamin’ilay marainan’ny Paska, ka nentiny niaraka taminy ilay fanomezana ny fiainana mandrakizay ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.” (pejy 93).