2015
Tempoly telo nambara
Mey 2015


Tempoly telo nambara

Nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fivoriana alahady marainan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fa hisy ny fanamboarana tempoly any Port-au-Prince, Haiti; Abidjan, Côte d’Ivoire; ary Bangkok, Thailand. Ho an’ny tsirairay amin’ireo toerana ireo dia io no ho tempoly voalohany hatsangana ao amin’ny firenena misy izany. Hambara amin’ny fotoana manaraka ny tena toerana hisy ireo tempoly.

Hoy ny Filoha Monson hoe: “Endrey ireo fitahiana voatahiry ho an’ireo mpikambana mahatoky any amin’ireo faritra ireo, ary izany tokoa no mitranga na aiza na aiza misy tempoly manerana izao tontolo izao.”

Tempolin’i Port-au-Prince Haiti

Fonenan’ny Olomasin’ny Andro Farany mihoatra ny 20.000 ao anatin’ny firenena ahitana vahoaka eo amin’ny 10 tapitrisa eo i Haiti. Nanomboka tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny taona 1980 ny asa fitoriana. Ny tempolin’i Santo Domingo ao amin’ny Repoblika Dôminikana no tempoly akaiky indrindra. Na dia eo amin’io nosy io ihany aza no misy izany tempoly izany dia efa ho mandritra ny iray andro ny faharetan’ny dia mankany.

Ny tempolin’i Abidjan Côte d’Ivoire

Fonenan’ny mpikamban’ny Fiangonana mihoatra ny 27.000 ao anatin’ny firenena ahitana vahoaka 20 tapitrisa eo ho eo i Côte d’Ivoire. Nanomboka tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny taona 1988 ny asa fitoriana. Ny tempolin’i Accra Ghana izay 550 kilaometatra miala avy eo no tempoly akaiky indrindra.

Ny Tempolin’i Bangkok Thailand

Fonenan’ny Olomasin’ny Andro Farany tokotokony ho 19.000 eo ao anatin’ny firenena ahitana vahoaka eo amin’ny 67 tapitrisa i Thailand. Natsangana tamin’ny fomba ara-dalàna tany Thailand ny Fiangonana tamin’ny taona 1966. Ny tempolin’i Bangkok Thailand no hanompo ireo Olomasin’ny Andro Farany any Thailand sy any Azia atsimo atsinanana iray manontolo. Ny tempolin’i Hong Kong Chine, izay mihoatra ny 1.610 kilaometatra miala avy eo, no tempoly akaiky indrindra an’i Thailand amin’izao fotoana izao.

Vaovao fanampiny mikasika ny tempoly

Nambara fa hatao ny taona 2015 ny varavarana misokatra sy fankalazana ara-kolontsaina ary ireo andro fisokafan’ireo tempoly dimy izay any Córdoba, Argentine; Payson, Utah, Etazonia; Trujillo, Pérou; Indianapolis, Indiana, Etazonia; ary Tijuana, Mexico. Haverina hotokanana ny taona 2015 ihany koa ilay tempolin’i Mexico City Mexico izay nohavaozina.

Tao anatin’ny roa taona lasa dia nifantoka tamin’ny fanatontosana ireo tempoly izay nambara tany aloha ny ezaka nataon’ny Fiangonana. Ankoatra ireo tempoly 3 vaovao dia misy tempoly 144 am-perinasa, 5 izay havaozina, 13 eo an-dalam-pitsanganana ary 13 nambara teo aloha fa ao anatin’ireo fanomanana isan-karazany mialoha ny hanombohan’ny fanorenana.