2015
F&V ( Fanontaniana sy Valiny) miaraka amin’ny Loholona sy Rahavavy Bednar
Mey 2015


F&V ( Fanontaniana sy Valiny) miaraka amin’ny Loholona sy Rahavavy Bednar

Ny zatovo manerana izao tontolo izao dia asaina handray anjara amin’ny fivoriana hifametrahana fanontaniana sy handraisana valinteny mifanatri-tava mivantana amin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy i Susan vadiny.

Afaka miditra amin’ilay fifandefasana hafatra amin’ny 12 mey amin’ny 6:00 ora hariva ora Mountain Daylight Time ny zatovo, amin’ny alalan’ny fijerena ilay fampitana mivantana ao amin’ny LDS.org, na ny pejy Facebook an’ny LDS Youth, na ny tranonkalan’ny Youth Activities (lds.org/youth/activities), na ny pejy YouTube an’ny Mormon Channel. Hadika ihany koa amin’ny teny espaniôla, italiana, alemana, frantsay, rosiana, kôreana, japôney ary sinoa ilay fampitana.

Amporisihina ny zatovo mba handefa ireo fanontaniana ao amin’ny tranonkalan’ny Youth Activities mialoha na mandritra ilay hetsika; azon’izy ireo atao ihany koa ny manaraka ilay fifampiresahana amin’ny #LDSface2face.

“Mamporisika ny zatovo izahay, eo am-piomanan’izy ireo amin’ity hetsika ity, mba hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy amin’ny fisaintsainana ireo fanontaniana mety hapetrany,” hoy ny Loholona Bednar. “Rehefa manana ny Fanahy miaraka amintsika isika dia hiara-hianatra avokoa.”